NY HO FONENAN’NY MPAMPAKATRA AVY ANY AN-DANITRA SY NY AMPAKARINA AVY ETO AN-TANY
(La démeure future de l’Epoux céleste et de l’Epouse terrestre)

2 Aogositra 1964, Branham Tabernacle, Indiana, U.S.A.

Raha mbola hitsangana vetivety isika, dia hanondrika ny fontsika eo anatrehan’ Andriamanitra.

Ry Rainay any an-danitra, velom-pankasitrahana tokoa izahay raha afaka mivory eto anio amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo. Raha mbola eto izahay mba hibanjina ireo zavatra maharitra mandrakizay sy ilay Fiainana ankoatra ity mety ho takatry ny fahafatesana ity, dia mangataka Aminao ny hamelanao ny fahotanay. Mangataka Aminao izahay mba anoroanao anay ny Làlanao, ny tokony ho fitondrantenanay, izay tokony hataonay amin’ny ho avy, ary ny ankehitriny koa aza mba hahazoanay ilay toerana nampanantenaina anay.

Maro ny marary sy mahantra amin’ity tany ity, ary izy ireo tsy mbola nahatanteraka ny diany akory. Kanefa tonga ilay fahavalonay lehibe, izay tsy fahavalonay irery, fa fahavalonao koa, nanafika azy ireo, mba hampitsahatra ny andro iainany ka handefa azy ireo any am-pasana alohan’ny fotoana. Ary mivavaka Aminao izahay androany mba hanalava ny andron’izy ireo hatramin’ny fotoana voatondro ho azy, Ianao sy ny Fahasoavanao ary ny Famindramponao, Tompo ô!

Misy mosoara sy ravin-damba napetrak'olona eto ambonin'ny lampihazo sy eto amin’ny polipitra. Eny ivelany, eny an-dalantsara sy manodidina ny efitra dia misy ireo marary sy ireo malahelo; mandamaka ambony farafaran-toby, zara raha manana hery ahafahany mitoetra eo.

Jehovah ô! Ianao Ilay Masina, hihaino ny vavakay anie Ianao izao maraina izao noho ny Ran’i Jesosy Tompo; fa tsy hijery ireo fahotanay, satria Izy efa nisolo toerana anay, ary Izy no Ilay manalalana anay anatin’izao vavaka izao. Aoka ny tsirairay ho sitrana ho Voninahitrao ihany, Tompo ô!

Tahio ireto mosoara ireto, ka ireo marary izay hametrahana azy aoka ho tafaverina aminy ny fahasalamana.

Ankehitriny, Ray ô! Raha eo am-piandrasana io asa fanasitranana lehibe izay inoanay fa ho avy io izahay, ovay ny fomba fiainanay, Tompo, ahafahanay mahafantatra amin’ny alalan’ny Teninao izay tokony hataonay. Satria amin’ny Anaran’i Jesosy no angatahanay izany. Amena.

Hatrizay, dia tombotsoa lehibe amiko ny mankao amin’ny tranon’Andriamanitra sy ny miresaka amin’ny Vahoakany. Ary androany, fantatro fa marobe ny olona ary ny fampianarana koa dia tena ho lava. Kanefa mino aho, fa hahazo aina tsara ianareo mandrapaha tapitry ny hafatra.

Tena mafana izaitsizy izao, fa mankasitraka ny fisian’ny climatiseur isika. Saingy ny fivoriana lehibe toy izao, dia maha tsy ampy ny climatiseur. satria ny tenantsika tsirairay dia mpamokatra hafanana, sahabo 37 degire, mamoaka hafanana tsy an-kiato, ary isika koa mipetraka mifanakaiky. Kanefa matoky aho fa ny Tompo hampahazo aina anareo arak'izay azony atao.

Ary raha tafavory toy izao isika, izaho tsy ho nanafatra anareo tsy amin'ny antony, raha tsy noheveriko fa hanampy anareo izany; raha tsy noheveriko fa hahasoa anareo izany, ho mety aminareo ny ahatongavanareo. Ary satria fantatro fa tsy manam-potoana betsaka anaovana izany isika, sady miroso mandrakariva mankany amin’ireo ora farany isika, dia tiako, arak'izay azoko atao, manokana ho an’ny Fanjakany ny fotoana rehetra.

Ary matoky aho fa ny Tompo hitahy antsika mandritry ny fivoriantsika. Ary tiako ny mampahafantatra anareo fa omaly aho dia nandeha tany amin’ny toerana isan-karazany mba hamangy ny sasany tamin’ireo marary sy ory, tany amin’ireo tranom-bahiny. Ary tafahoana tamin’ireo mpitantana hotely. Tamin’ity herinandro ity aho dia tonga tany amin’ny “Ranch House”, ary raha nivoaka avy tao aho, nandray tànana ahy ny mpitantana. Nantsoiny hoe "Rahalahy Branham" aho. Dia gaga aho, fa ahoana no nahalalany ahy.

Ary hoy aho taminy hoe: “Ianao ve no tale?”

- Hoy izy hoe: “Eny, izaho no tompony. Tonga ato ireo olonareo hisakafo”.

- Hoy aho hoe: “Raha izany, ataoko fa manafotra anao izy ireo”.

- Hoy izy hoe: “Andriamatoa, anisan’ny vondron’olona tena mahafinaritra hitako hatrizay izy ireo. Tena mahafinaritra izy ireo”.

Nankany amin’ny “motel” iray aho omaly nijery tovovavy iray tiako niresahana, teo imason-dray aman-dreniny. Nefa tsy maintsy nijery ny tale aho, ahafantarako ny efitrano nisy azy ireo.

Hoy izy hoe: “Ianao no rahalahy Branham?”. Tao amin’ny “Oaks” izany.

- Ary hoy aho hoe: “Eny, Andriamatoa”

- Hoy izy hoe: “Te hifandray tànana aminao aho”.

Nampahafantariny ny vadiny aho. Mpivady mahafinaritra tokoa. Hoy izy ireo hoe: “Mpamonjy ny fivorianareo avokoa ny vahinin’ity 'motel' ity . Natokanay ho azy ireo manontolo." Dia nampiany hoe: "Tsy noraisinay ireo mpivahiny hafa rehetra."

- Ary hoy aho hoe: “Misaotra anareo aho amin'izany”.

Hoy izy hoe: “Rahalahy Branham, ireo olona mpanatrika ny fivorianao ireo dia anisan’ny mahafinaritra indrindra amin’ireo rehetra tonga tato, hitanay hatrizay ”.

Omaly hariva, namangy ny namako iray aho, Atoa Becker. Hatramin'ny taloha no itiavako ny “sandwich” ataony. Fantatro hatramin'ny fahakeliko izy; fantatro hatramin’izay. Nisy mpivady teo, izay mivahiny any amin’ny “Riverside Hotel”. Hoy Atoa Becker hoe: “Billy ?”

Hoy aho hoe: “Ahoana izay, Homer?” (Mifankahalala tsara tokoa izahay).

Hoy izy hoe: “Ireo olonareo rehetra dia ampisakafoako ato. Isaky ny alahady, misy hatramin’ny roanjato izy ireo no misakafo ato amin’ny Blue Boar. Ary na aiza na aiza alehako dia mandre filazana tsara mikasika anao aho."

Hoy ity sakaiza hoe: “Hatra amin’ny Riverview, ka hatra atỳ, dia ireo olona hamonjy ny fivoriana no mameno ny toerana rehetra. An-jatony maro ireo izay tsy ho tafiditra”.

Araka izany, amiko, dia ianareo no fanasin’ny tany. Ankasitrahako loatra ny mahafantatra ny tombotsoa ananako mitory teny amin’ny olona izay, na ny mpanota aza (tsy te hiteny aho fa mpanota izy ireny, fa ireny olona ao anatin’ny asa fitadiavam-bola sy zavatra hafa no tiako holazaina), dia afaka miteny fa tena tsara ianareo, ka mankasitraka anareo ao amin’ny sehatr'asany sy ny toerana misy azy avy. Hainareo, izany no fahamasinana. Ankasitrahako izany, ankasitrahako ny fitondran-tenanareo, ny fomba itandremanareo ny zavatra.

Niteny aho tamin'izy ireo hoe: “Raha misy anankiray miditra ka tsy manana vola ampy andoavany ny laniny, antsoy fotsiny aho”. Hitanareo? Hoy aho hoe: “Halamintsika izany. Rosoy sakafo hatrany izy ireo, na manam-bola na tsia”. Hitanareo. Azo halamina ny zavatra rehetra.

Ataoko zanako ianareo. Ianareo ireo kintana izay… Raha mba mahazo kintana iray rehefa ho any aho, dia ianareo no ho izany kintana izany, io vatosoa hamiratra eo amin’ny satro-boninahitry ny asako io, rehefa hosatroina izany, ianareo ho io vatosoa io.

Taloha aho dia niresaka taminareo mikasika ireo Tombokase Fito, ireo taonan’ny Fiangonana sy ireo zavatra efa nitranga. Izao maraina izao kosa dia manana lohahevitra lehibe iray aho. Lohahevitra tena masina amiko. Ary antenaiko fa ho toy izany koa no hikasihany anareo. Raha mba afaka fotsiny hampita izany aminareo araka ny tolo-tsaina nandraisako azy aho, dia hahafinaritra; saingy an’Andriamanitra ny manao izany.

Efa nambarako taminareo, inona avy ary aiza avy, ny zavatra tsy maintsy hitranga, ary hitantantsika ireny zavatra ireny tanteraka izao.

Anio maraina aho, hiresaka mikasika ny ho fonenan’ny Mpampakatra avy any an-Danitra sy ny Ampakarina avy etỳ an-tany, ny toerana izay hiarahan’izy ireo honenana. Ary izany, satria mino aho fa, noho ny famindrampon’Andriamanitra, isika rehetra dia hanana anjara amin'izany lamina lehibe an'Andriamanitra izany.

Ary izao aho dia matoky fa handefitra amiko ianareo. Homano ny Baiboly sy ny peninareo ary izay rehetra ilainareo mba hamaky miaraka amiko, satria handray andalan-tSoratra Masina maro aho. Ary hiezaka hamarana ara-potoana aho, ahafahana hivavaka ho an’ny marary. Izany no efa nampanantenaiko. Vao eo izahay, tao amin’ireo efitra sy ny manodidina, nivavaka ho an’ireo efa hila halemy sy hanary fanantenana. Ary, raha sitrak’Andriamanitra, mety hanana fotoam-panompoana iray hafa aho, hivavahana ho an’ny marary fotsiny, ny faha-16 an'ny volana.

Mba hiala-sasatra aho izao. Hatramin'ny volana Janoary, tsy nitsahatra nitety tany aho, vao tonga eto izao. Maraina aho hanatitra ny ankohonako any Tucson, ary hiverina ka hiaraka amin'ny namako vitsivitsy aty Kentuky, hihaza “ecureils” mandritry ny roa herinandro, na valo, na folo andro, raha tsy tarihin’ny Tompo ho any an-toeran-kafa aho.

Tsy mba afaka mamantatra ny toerana izay alehako aho; tsy afaka mamantatra izany isika satria eo an-Tanan’Andriamanitra izany, Andriamanitra irery.

Raha amin'ity lohahevitra lehibe ity aho, ka te-hivalampatra, noho ianareo mila mahafantatra zavatra maro, dia handany herinandro maro. Fa notsongaiko ny andalan-tSoratra Masina vitsivitsy mba anasongadinana ireo hevi-dehibe ka hahafahanareo mandinika izany.

Avy eo, angamba ny volana Oktobra raha sitrapon'ny Tompo (tsy fantatro rahoviana), na raha omeny, dia maniry aho ny hahazo andro vitsivitsy hanaovana fivoriana misesy mikasika ny toko faha-roambinifolo an’ny Apokalypsy mba hampifandraisana azy amin’ity. Oh! Inoako fa ho zava-dehibe izany. Hahafinaritra loatra ny hahita ny fomba nanaovany izany.

Fa izao, araka ny voalazako taminareo omaly hariva, ary toy ny saintsainiko isa-maraina hoe: "Rehefa ho tonga any aho, dia ho fantatro avokoa ireo namako rehetra tonga eto." Akory ny andeha anaovako izany!

Ny manana anareo miaraka amiko eto, toy ny sakaizako mahafinaritra, Dr Lee Vayle, mipetraka erỳ aoriana erỳ, ny vadiny tsara fanahy sy ny zananivavy. Ary Rahalahy Roy Borders sy Rahalahy Ruddle angamba, Rahalahy Beeler, sy Rahalahy Palmer ary Rahalahy Jackson. Ary, Oh! ary ireo rahalahy rehetra tonga avy hatraiza hatraiza! Rahalahy Anthony Milano (Oh! Izay rehetra topaza-maso dia ahitana rahalahy avokoa). Ireo avy any Arkansas io (tsy tsaroako ny anaran'izy ireo), Rahalahy John, Rahalahy Earl Martin, ary Rahalahy Blair. Ary, oh! Tsy mety tapitra, hitanareo. Faly loatra aho manana vondron’olona toy izany, mivory manodidina ahy mandritry ny ampianarako ny Tenin’Andriamanitra, ireo izay heveriko fa lehilahy mahery fo, tena lehilahin’Andriamanitra.

Mankasitraka aho noho ity “Tabernacle” kely ity. Ankasitrahako ireo varavarany dimy misokatra amin’ny vahoaka. Ny varavarana tsirairay… Manana diakona efatra feno ny Fanahy isika ato; mpitantana efatra feno ny Fanahy. Misy roa isaky ny varavarana. Ary misy varavarana anakiroa eo anoloana ho an’ireo pastora roalahy, ireo mpiandry ondry. Faly izahay manana anareo, ary misaotra an’Andriamanitra noho izany. Hitahy anareo mandrakariva anie Izy.

Izao isika dia hitsangana vetivety, hamakiantsika ao amin’ny Petera faharoa, toko faha 3 ary koa ao amin’ny Apokalypsy 21.

Tompo ô! Raha mbola mitsangana izahay dia fenoy hafaliana hamaky ny Teninao ny fonay, satria fantatray fa Jesosy niteny hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsy mba ho diso mandrakizay”. Fantatray fa miteny koa Izy hoe: “Tsy maintsy tanteraka ny Soratra Masina rehetra”.

Ka raha eo am-pamakiana ireo zavatra ireo izahay, aoka ampahafantarinao anay ny ora iainanay. Angatahinay Aminao izany amin’ny Anaran’i Jesosy, ilay Mpanoratra ny Boky. Amena.

Petera faharoa, toko faha-3:

“Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana, mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo: fa fantatratreo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? (jereo raha tsy misy ifandraisany amin’ilay vehivavy mpijangajanga izany). Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Nefa ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinonareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany, fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra sy ny tany dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampaha-faingana ny hihavin’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. Ary ny faharipon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin’ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ireo dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany. Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena!

Izao, ao amin’ny Fanambaran'i Jesosy-Kristy, toko 21, izao teny izao no vakiko.

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, midina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintai-nana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: indro havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. Ary hoy Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaim-poana amin’ny loharanon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.”

Aoka hivavaka indray isika.

Jesosy Tompo, noho ny teny fikasana nomenao, ary notonon'ireo apostoly tamin'ny fomba hentitra mikasika ny ora izay atoninay, dia toroy ny Làlanao izahay, Tompo ô, mba ahalalanay ahoana ny anatonanay izany amin’ny fomba mendrika, satria fantatray fa tamy izany. Ny Soratra Masina dia tsy maintsy tanteraka, ary aoka ho avy izany. Ary izao Tompo, dia mangataka ny Famindramponao ho eo amboninay izahay, raha handinika ny Teninao. Mombà anay, ary sokafy aminay Izany, Tompo, satria amin’ny Anaran’i Jesosy no angatahanay izany Aminao. Amena.

Mahazo mipetraka ianareo

Manontany tena aho izao raha mety ny mamono ireo jiron’ny efitra lehibe, ka tsy mampirehitra afa-tsy aty ny manazava ny polipitra, mety ho tsara kokoa izany sady hitsitsy ny herin’aratra. Indray hariva iny isika saika nahakila may “transformateur” iray. Iangaviana àry ny mpiandry raharaha, mba hamono ny jiron’ny efitra lehibe. Heveriko fa mbola hahita tsara ianareo, sady afaka hanoratra.

Ambarako indray fa ny lohahevitra ho dinihintsika dia: "Ny ho fonenan’ny Mpampakatra avy any an-danitra sy ny Ampakarina avy etỳ an-tany".

Misy zavatra tsy maintsy ataoko. Tena mafana loatra ato. Hitanareo, haiko fa tsy tian'ny vadiko ny anaovako izao, fa esoriko ny palitaoko. Mafana loatra etỳ ambony etỳ. Hitanareo, ianareo mahazo rivotra avy any ivelany , fa aty mihiboka teritery.

Efa nodinihintsika taloha, ireo Tombokase fito sy ireo Taona fiton'ny Fiangonana. Ny rahalahy Vayle sy ireo rahalahy hafa, izao, dia miezaka hamadika izany ho boky.

Ary rehefa mahita ireny zavatra mahagaga hitantsika ireny tanteraka isika, dia heveriko fa rehefa nahafantatra izany, amin'ny ora sy ny toerana iainantsika, tsy hisy olona na iray aza, tsy haniry hipetraka ka handinika izay voalaza, sy izay nampanantenaina fa hitranga, ary inona no efa nitranga, kanefa ho afaka hiteny fa tanteraka ireny zavatra ireny. Hitanareo? Izay efa nambaran'Andriamanitra fa hataony, dia izany tsy misy tomika no hataony, ara-bakiteny. Hitanareo?

Heveriko izao , satria tsy fantatsika ny fotoana izay mety hihavian’i Jesosy Tompo, dia ho tombontsoantsika ary ankasitrahan’ny Fanahy Masina, ny iresahantsika mikasika izany ary angamba iverenantsika indroa na intelo satria aho tsy hanana fotoana ampy hamelabelarana izany rehetra izany. Raha mety hanafintohin'olona sasany ny lohahevitra, dia tsy ho afaka hamelabelatra izany tanteraka ianao hampahazava azy tsara. Noho izany dia hiverenanao indray izany rehefa hiditra amin’ny lohahevitra manaraka. Izany no hataontsika, raha sitraky ny Tompo, rehefa hiverenantsika ny toko faha-12 an’ny Apokalypsy izay eo anelanelan’ny Fiavian’ny Tompo sy ny fiafaran’ireo trompetra sy ny sisa. Hiezaka ny hiverina amin’io isika hanehoana iza i Satana, izay nataony, avy aiza izy, inona ny tanjony ary ahoana ilay hatsaran-tarehy azony no nitarika azy tamin'ny fahalavoany. Ny hatsaran-tarehiny no nitarika azy tamin’ny famitahana sy ny fahalavoana.

Fa izao: Na iza na iza te-hijery marina ny taranaky ny menarana dia tsy afaka ny tsy hahita izany. Mihaika na iza na iza te-hijery izany amin’ny fijerin'ny besinimaro indrindra aho. Na ny zaza iray aza afaka hahita izany. Hitanareo? Mbola hiverenantsika izany.

Fa ny nahatonga ahy namaky ny 2 Petera 3 sy nampitaha izany amin’ny Apokalypsy 21 dia noho ireo andalan-tSoratra ireo miresaka lohahevitra iray ihany, saingy tsy nanoratra tahaka ny nanoratan’i Petera azy i Jaona. Hitanareo? Mazava amintsika fa io fonenana lehibe ho an’ny Ampakarina io dia ho etỳ an-tany.

Ary izao, raha vakinareo fotsiny ny toko 21 ao amin’ny Apokalypsy, ho hitanareo ny mpaminany milaza hoe: «Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho.» Izany toa milaza fanafoanana tanteraka ny taloha.

Amin’ny alalan’ny vavaka hatrany no ahitako ireo hafatra entiko. Mipetraka maharitra mivavaka aho ary misy zavatra voambara amiko. Miandry minitra vitsivitsy aho hanamarina izany, ary amin'izay dia miha-lalina ny fahatsapako azy. Indraindray aho dia miandry mandra-pahazoako fahitana. Fa raha manomboka tonga izany ka maharesy lahatra ahy fa avy amin’Andriamanitra, dia lasa aho mijery ny Soratra Masina. Hitanareo? Izany no fanamarinana ny zava-panahy rehetra izay mitranga, satria ny Baiboly no fanambarana feno an’i Jesosy Kristy. Hitanareo? Izy no Vatany.

Kanefa izao: Mety mahita faritra iray ao amin’ny Soratra Masina izay tsy tsara faneno loatra aho ka mampanontany tena ahy. Amin'izay fotoana izay, miverina mivavaka aho, dia miverina indray ilay izy. Ary dia mandinika ny Soratra Masina amin'izay aho.

Fa izao, ny Baibolintsika dia voasoratra amin’ny teny Anglisy. Ireo teny anglisy anefa, dia miova mandrakariva. Ohatra, ny Jaona 14 dia mivaky hoe: “Ao an-Tranon’ny Raiko misy lapan'andriana (mansions) maro.” Misy lapa anaty trano? Dia, inona àry ny ataonao rehefa toy izany? —mihazakazaka mitady ny dikan-teny voalohany, mijery ny dikanteny ho an'ny mpanjaka “Jacques” ahitana, inona no tiany lazaina amin'izany, na mijery ny dikan-teny voalohany Hebreo na ny dikan-teny voalohany Grika. Ary ao dia ho hitanareo fa voalaza hoe: “Ao amin’ny Fanjakan’ny Raiko misy lapa maro”. Rehefa izany, dia mikisaka an’eritreritra any amin’ny fotoana nandikana ny mpandika, ho an’ny mpanjaka “Jacques” ianao, fotoana izay niantsoina "trano" ny fanjakana, tamin'ny teny Anglisy, ary ny mpanjaka dia "ray" ho an’ireo olom-pifehezany. Izany no antony nandikan’izy ireo hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy lapa maro”. Hitanareo? Noho izany raha tojo teny toy ireny ianareo, dia tsy maintsy manao fikarohana mikasika izany.

Araka izany, hitanareo, avy amin’io tsindrimandry io… eto amin’itỳ polipitra itỳ, izaho izao maraina izao, milaza fa izay rehetra voalaza dia tsy misy tsy nivantana avy tamin’ny Soratra Masina. Toy izany no niavian’ny "taranaky ny menarana" sy ireo zavatra hafa rehetra ireo. Hitanareo?

Fa raha misy mamaky fotsiny sy miteny hoe: “Ao an-Tranon’ny Raiko misy lapa maro”, ka tsy mijanona mba handinika sy hivavaka, dia ho tafiditra ao anatin’ny fikorontanan-tsaina. Hitanareo? Fa mahareta mivavaka. Raha avy amin’Andriamanitra izany, dia ahitsiny hatrany

Fa manazava ny fiovana sy ny fomba isehoan’izany i Jaona (raha ny marina dia i Petera fa tsy izy). Jaona nilaza fotsiny hoe:

“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro ny Tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy tany an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny”.

Fa miverina ao amin’ny 2 Petera isika, dia mahita ny fanazavany ny ho fitrangan’izany. Fa ny voalazan’i Jaona dia toy ny hoe: “Fa efa tsisy intsony ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany”, foana tanteraka. Hitanareo? Ary toy ny hafahafa be izany. Ary nanaitra ahy izany, ka nanao fikarohana ny dikan’ny teny hoe “efa lasa” aho. Mazava anefa fa izy roalahy, samy apostoly sy mpaminany, dia miteny zavatra iray ihany.

Ary izao isika, ao amin’ny bokin’ny Isaia, te-hanamarika ireo andalan-tSoratra Masina ireo, jerentsika Isaia 65:17, izay iresahan'Isaia ny Fanjakana-arivo-taona, ireo arivo taona fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy Isaia mikasika izany: “Nanjavona avokoa ireo zavatra taloha rehetra", ary ahoana ny hamboaran'izy ireo trano, ka hipetrahany ao. Andao haka fotoana kely isika hamakiana ao amin’ny Isaia 65, minitra vitsy fotsiny. ho antsika. Atomboka amin’Isaia 65:17: “fa indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao…”

Isaia mpaminany dia anisan’ireo mpaminany izay nanoratra marina ny Baiboly iray manontolo tao amin'ny faminaniany. Natombony tamin’ny fanorenana izany. Eo afovoan’ny bokiny, any ho any amin’ny toko faha 40 dia tonga, miaraka amin’i Jaona mpanao batisa, ny Testamenta Vaovao. Ary ny bokiny dia mifarana amin’ny Apokalypsy, ny Fanjakana-arivo-taona. Misy boky 66 ao amin’ny Baiboly ary misy toko 66 ao amin’ny bokin'i Isaia. Fanazavan-teny feno no nosoratany. Hitantsika eto ny toko 65, toko iray hafa, izay iresahany mikasika ny Fanjakana-arivo-taona. Mariho, akory ny fahatsaran'izany.

“Indro Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; ka tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mbỳ ao an-tsaina akory aza. (natao "ho lasa" izany). Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany aho; Fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olona ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina. Hanao trano ny olona ka hihinana ny vokatra aminy; tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy (izany hoe ny tanànanao dia ho an'ny zanakao na ny mpandova hafa anao), na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa (hikarakara ny famboleny ary hitoetra ao izy ireo satria hanana fiainana mandrakizay); fa tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ka ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahian’i Jehovah ireo ary ny terany ho ao aminy… (Mariho izao, fa ity no ahatongavako, afaka fotoana fohy) …Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Ny ambodia sy ny zanak’ondry hiara-komana, ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary ny menarana dia ny vovoka no ho fihinany; ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitra masina izy, hoy Jehovah”.

Endrey ny fampanantenana nentin’ireo mpaminany sy ireo olon-kendry, ireo mpampianatry ny Baiboly, raha fahiny izy ireo efa nahita ny fiavian’io Andro be voninahitra io!

Ireny andalan-tsoratra ireny dia mety hampihevitra, na hisarika ny olona hino, fa ny planeta tany dia ho rava manontolo (“Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao”), hitanareo, ireo lanitra hanjavona, ny tany tsy hisy intsony, ho levona tanteraka izy ireo. Kanefa ny fandinihina akaiky sy ny fitahin’ny Fanahy Masina dia afahantsika hahita ny Marina ary izany no hataontsika izao.

Tsy misy afa-tsy ny atmosfera, ireo rivotra manodidina ny tany, sy ny otan'izao-tontolo-izao ihany no hopotehina. Hitanareo? Mazava amintsika fa ireo lanitra, eto, dia midika ny rivotra manodidina ny tany. Hitanareo?

Inona no hitranga? Amin'izany fotoana izany ny ho levona tanteraka dia ireo tsilo sy ireo aretina, ny fahafatesana sy ny politika, ireo lehilahy sy vehivavy mpanota ary ireo fanahy ratsy. Hitanareo? Tsy maintsy toy izany no ho fitrangany, satria eto ary eto tokoa isika no hiaina. Ho porofointsika amin’ny alalan’ny Baiboly izany. Eto ihany isika no hiaina.

Mariho fa ho esorina tanteraka ireo tsilo, ireo tsimok'aretina, ireo aretina sy ireo zavatra rehetra. Ireny zavatra rehetra ireny no misy eto an-tany ankehitriny: ny rafi-pandaminan’ olombelona, ny politika, ny ota, ireo fanahy ratsy isan-karazany izay mandoto izao tontolo izao, dia ny lanitra eo ambonintsika no voaloton’ireo fanahy ratsy. Hijery izany lalindalina kokoa isika izao, ary haka bahana amin'ny fotoana, hitanareo.

Ny zavatra rehetra izay misy ankehitriny ao amin’ny lanitra (na ny rivotra), dia hazonin'ny tany, kanefa tsy izany ny tanjona namoronana azy. Ny ota no nahatonga azy toy izany. Hitanareo? Ny tany dia noforonin’ Andriamanitra. Fa ireo rehetra…

Ary ireo vatana rehetra antsika, izay iainantsika izao, dia napetraka tato an-tany, fony namorona ny tany Andriamanitra, satria isika dia notsoahina avy tamin'ny vovoky ny tany. Napetraka tato amin'ny tany ny zavatra rehetra. Fony nahary azy Andriamanitra, dia efa tao an-tSainy ianareo. Ary ao Aminy, ilay Jehovah Lehibe, no efa nisy ny fisainana, Toetram-pahatanterahany.

Araka izany, ny fahotana no fototr’izay nisy rehetra, fa amin’izao fotoana izao, manangona ny Zavatra izay Azy Andriamanitra.

Mbola eo Satana. Izany no antony isian’ireny zavatra ireny. Mbola eto izy ary ireo herin’ny faharatsiany rehetra dia mbola eto.

Mariho fa izany no mahatonga ny tany ho maloto loatra toy izao. Izany no mbola isian'ny fahalòvan'izao-tontolo-izao sy ireny zavatra tsy misy fotony ireny: ny fandatsahan-drà, ny ady, ny politika, ny fijangajangana ary ireo fahalotoana isan-karazany mbola mitohy, satria Satana no mbola lehiben’ity tany ity sy ireo rivotra manodidina azy.

- Hoy ianao? “Ny atmosfera”

- Izay indrindra!

Ny lanitra sy ny tany ankehitriny dia samy voaloton’ireo demonia izay afaka miampanga antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Any Jesosy manalalana antsika. Hitanareo? Raha mbola manondro antsika ireo mpiampanga hoe: “Nanao izao izy ireo, nanao izatsy izy ireo”, ny Rà kosa manohy mandrakotra. Tonga Izy nanavotra ireo Voafidy izay efa fantany taloha ireo. Izany no anton'ny mampisy fahalotoana izaitsizy ankehitriny.

Eto ny apostoly, ao amin’ny 2 Petera, ny toko faha-3, andininy 5 sy 6, dia mampahatsiahy ireo fizaram-potoana telo ho an'ny tany. Hitanareo, zarainy vanim-potoana telo izany. Mariho ny fomba amaritany izany. "Ny tontolo fahagola izay nivoaka avy tamin’ny rano." Izany ny tontolo nialoha ny safodrano.

Ny tontolo izay iainantsika ankehitriny, izay antsoina hoe "izao tontolo izao". – "Ny tontolo fahagola izay nivoaka avy tamin’ny rano." (Gen 1:1) sy "izao-tontolo-izao" izay misy ankehitriny. Avy eo Petera dia milaza tontolo iray hafa, "ny tontolo izay ho avy", ilay Tontolo Vaovao. Tontolo telo, fizaram-potoana telo an’ny tontolo.

Ary jereo ny anazavan’Andriamanitra antsika mikasika ny Drafi-panavotany. Oh! ravoravo ny fanahiko raha nahita izany aho! Akory ny anazavany antsika ny amin'ny Drafi-panavotany ankehitriny. Dia ampitahao izany amin'ny fihevitsika araka ny fahitan’ny masontsika. Izay efa nataon’Andriamanitra nanavotany ny Tontolony, dia izay ihany no ataony anavotany ny Vahoakany. Satria Ilay Andriamanitra tsimiova dia tsy hanova na inona na inona, na iray aza amin'ireo Planiny. Endrey ny voninahitr'izany!

Jereo ny nitarihany antsika nanatona Azy, hitoerany ato anatintsika, tamin’ny dingam-pahasoavana telo, toy ny nitarihany ny tontolo tamin'ny fizaram-potoana telo, nahafahany tonga tamin’izao-tontolo-izao. Tsy misy hafa amin'ny niavian’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny dingam-panadiovana telo samihafa, no ahatongavany ato amintsika amin’ny alalan’ireo dingam-pahasoavana telo. Hatrany am-piandohana no efa nampianarako izany. Tsy mba nanova izany aho. Izany no Tenin’Andriamanitra.

Tsy maintsy tehirizinareo an-tsaina ny isa telo, ny fito ary ny roambinifolo. Tsy maintsy mirindra tsara ireo isan’ny Baiboly ireo, raha tsy izany dia hisafotofoto ny fandraisanao azy. Raha misy tsy azonao aminy, mahareta fotsiny mivavaka. Ho hitanareo fa hirindra tanteraka izany. Andriamanitra dia tanteraka ao amin’ny telo. Hitanareo?

Mariho àry: -"ny tontolo fahagola", ilay nialoha ny safodrano, -ny tontolo ankehitriny, ary "ilay ho avy". Hitanareo, ny Drafi-panavotany dia tena tsimiova amin'ny lafiny rehetra. Fomba tokana ihany no ampiasainy. Izy tsy mba miova. Hoy Izy ao amin’ny Malakia 3: «Fa Izaho Jehovah dia tsy miova.» Ny fomba namonjeny ny olona voalohany ihany, tamin’ny fandatsahana ny ràn’ny tsy manan-tsiny iray, no tsy maintsy hamonjeny ny manaraka; ary tsy maintsy izany fomba izany ihany no hataony amin'ireo rehetra mbola havotany. Raha nanasitrana olona iray tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainany Andriamanitra (na tamin’ny andron’i Jesosy izany, na ny an'ny apostoly, na ny an'ny mpaminany, na rahoviana) dia tsy maintsy hataony indray izany, raha mbola mipetraka ny fepetra rehetra taloha. Marina izany. Izy dia tsy miova. Miova ny olombelona, miova ny fotoana, miova ny taona, miova ny fizaram-potoana, fa Andriamanitra maharitra tsy miova. Tanteraka Izy! Fanantenana manao ahoana no tokony homen’izany an’ireo marary!

Raha efa nanasitrana olona indray mandeha Izy, tsy maintsy manasitrana indray Izy rehefa tafavory ireo fepetra nanaovany izany. Tsy maintsy mamerina manao izany Izy, araky ny fototra nanaovany izany tamin’ny voalohany. Raha efa nameno ny Fanahy Masina olona iray Izy, tsy maintsy hataony indray izany araky ny fototra nanaovany izany tamin’ny voalohany. Raha efa nanangana olona iray avy tao am-pasana Izy, tsy maintsy ataony fanindroany izany, sy isaky ny mitoetra ny fototra nanaovany izany tamin’ny voalohany. Tsy miova Izy.

Oh! akory ny fanantenana omen’izany ahy! Inona izany ? Tsy fiheverana narafitr’ olombelona izany, zavatra natambatambatra vondron’ olona , fa izany dia ny Teniny tsy mety miova.

Hilaza ianareo hoe: “Izany ve ny Marina ?”

Hoy Izy hoe: «Aoka ny tenin’olombelona rehetra ho lainga fa ny Ahy no ho marina, fa ny lanitra sy ny tany ho "lasa" fa ny Teniko tsy mba ho diso.»

Ny Soratra Masina rehetra dia avy amin’ny tsindrimandry, izany no maha- tsara sady mahasoa Azy ho fampianarana. Ary aza adino fa ny Soratra Masina rehetra dia tsy maintsy tanteraka avokoa, ny ampahany bitika rehetra ao aminy.

Mariho ny fomba anazavan’Andriamanitra izany amintsika. Izany ve ka tsy fanamarinana ny fitahiana tsara lehibe feno fitiavana avy amin'Andriamanitra? Rehefa mahita izany aho, ary hitako izany hatramin'ny fahatanorako, tsy mba niady varotra tamiko Kristy tamin'ny voalohany; ary mbola mitory ireo dingan'ny fahasoavana telo ireo aho izao. Marihonareo, raha tsy marina izany ankehitriny.

Ny dingana voalohany dia ny fibebahana amin’Andriamanitra, ary manaraka izany ny batisan’ny rano. Ny batisan’ny rano: "Mibebaha ianareo, ary aoka hatao batisa amin'ny Anaran'i Jesosy-Kristy." Hitanareo? Ny batisan'ny rano izay manaraka ny fibebahana, dia maneho fa tena marina ilay fibebabahana teo. Kanefa ny "mamela ny fahotantsika taloha", dia tsy misy ifandraisana amin'ny fahotantsika mbola ho avy. Mamela (ny efa vita) fotsiny izany. "Mibebaha ianareo, ary aoka hatao batisa amin'ny Anaran'i Jesosy-Kristy." Nahoana no atao izany? Ho famelankeloka izany, famafana ireo fahotana taloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny ho avy izany. Ireo fahotana vitanao fotsiny no nofoanana, ireo nataonao taloha.

Tsy afaka hibebaka izay nataon’i Adama ianao. Tsy nanao izany mihitsy ianao fa i Adama nanao izany. Namelana heloka fotsiny ianao tamin'izay nataonao. Fa mbola ao ihany ilay toetra taloha.-Mamelà ahy ianareo aneho izany iray minitra [Manoratra amin'ny solaitrabe rahalahy Branham hanazava izany an-tsary – Red].

Itỳ eto ity ny fon’olombelona iray. (Lavitry ny ho mpanakanton'ny sary aho). Itỳ misy fon’olombelona iray, ary itỳ misy fon’olombelona iray faharoa. Ilay iray ity misy bibilava ao anatiny, ny ota izany. Izany no toe-piainany. Ilay iray ity misy voromailala ao anatiny, ny Fanahy Masina izany. Izany no fiainany. Ilay iray ity dia manana fo lentika, mpankahala ary mpitsiriritra. Izany no mifehy azy. Izay! Ilay faharoa kosa: manana fitiavana izy, fifaliana, faharetana, ary izany no manapaka ao aminy.

Fa izao, raha ampamoahina ianareo, na rehefa navela ny helokareo, dia izay nataonareo fotsiny no nesorina. Fa ny zavatra nanosika anareo hanao izany dia mbola mitoetra ao ihany. Izany ilay fakan'ny ratsy tranainy. Mbola ao ihany izany.

Mariho fa rehefa mibebaka ianareo ary atao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, dia Izy no efa namela ny helokareo.

Aorian'izany, dia tonga ny fanamasinana, izay mandamina ny fisainantsika ho amin'ny fahamasinana, hananana fisainana madio, hanaisotra izay tsy madio. Ny teny hoe "fanamasinana" dia teny grika roa natambatra izay midika hoe: nodiovina sy natokana mba hanaovana asa.

Avy eo, ny manaraka dia ny batisan’ny Afo sy ny Fanahy Masina izay ahafahan’ Andriamanitra mitoetra ato anatintsika. Ary ny Afon’Andriamanitra manadio ny fontsika amin’ny ota sy mametraka ny Fanahy Masina ao anatiny. Amin’izay fotoana, isika dia mamoaka ilay Fiainana izay efa nataon'Izany, satria Izany dia ao anatintsika.

Mariho, ao amin’ny fahaterahana ara-nofo (ny fiainana ara-nofo dia endriky ny fiainana ara-panahy). Raha miteraka zaza iray ny vehivavy iray, ny zavatra tonga voalohany dia ny fivoahan’ny rano, manaraka izany ny rà, ary farany, ny fanahy, (ny aina). Raiso ilay zazakely, ary tefaho kely, dia hihiakiaka izy. Rano, rà, fanahy.

Araka izany, raha misy zaza iray teraka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia toy izany koa ahatongavany: Rano, Rà, Fanahy.

Mariho fa, ny fanamasinana, izay dingana faharoa, no manadio ny fanahy, mandamina ny fo, ny fisainan’ny fo, ho amin’ny fahamasinana.

Mety efa nibebaka noho ny fahotany ny olona iray kanefa mbola tsy mahafoy misaina izany, ary mety ho ratsy fitondran-tena mihitsy aza izy, ny fitsiriritana vehivavy rehetra hitany mbola ao. Mety ho mpisotro toaka izy, ka isaky ny mandre fofon-toaka dia mbola ao ihany io ota io. Hitanareo? Fa rehefa nohamasinina izy dia afaka aminy izany faniriana izany. Hitanareo? Izany no manaisotra ny faniriana hanota. Mety mbola voan'ny fakam-panahy izy, fa izy manilika ny fanirian'izany, raha mbola tsy marina tsara izy. Aorian'izany izy dia atao batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny Afo. Vosasa izy, nodorana ny ratsy rehetra, voadio izy, ary voatokana ho amin’ny asan’Andriamanitra. Ny fanamasinana ihany no manokana ny olona ho amin’ny asan'Andriamanitra.

Ary mariho tsara ny fomba nahatongavan’izany, ny nahatongavan'ireo hafatra: Martin Luther nitondra ny fanamarinana; John Wesley nitondra ny fanamasinana; ny Pantekotisma nitondra ny batisan’ny Fanahy Masina. Ireo no hafatra, izany no antony tsy mety isian’ny taom-Piangonana hafa intsony. Tonga amin’ny andro farany isika. Dingana telo. Ny batisa no manasa ny fo amin'ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ny tena manaitra izao, dia Izy maka ny toerana misy antsika mba honenany amin'ny alàlan'ireo dingana ireo ihany. Niantso ny Fiangonana handalo ny fanamarinana Izy, dia niantso Azy handalo ny fanamasinana; ary farany, nofenoiny ny fanahy Masina sy ny Afo. Ary nataony taminy izany, nampandalovany azy tamin'ireo dingana ireo, mba ahafahany, Izy Tenany, ilay Fanahy Masina, ilay Zanak’Andriamanitra, honina ao amin'ny fon’ny olombelona. Fa izao: tsy maintsy nandalovany izany, vao afaka hiditra ao aminy Izy. Mariho fa ny tontolo izay andeha honenan’ny Ampakarina, dia namboariny mbola tamin'izany fomba izany ihany, ny Drafi-pamonjeny tsy mova.

Jereo ny tontolo nialoha ny safodrano. Rehefa nibebaka tamin’ny alalan’i Noa, Ampakarina tamin'izany andro izany, dia nomeny ny batisan’ny rano io tontolo io, norakofany rano. Izay no fanamarinana tamin'izany, nanehoany fa Izy dia an-dàlana hiantso io tontolo lavo tao Edena io, hampodiany azy indray. Dia tonga Kristy nandatsaka ny Ràny tamin'io tontolo io, mba anadiovany azy sy itakiany azy. Hitanareo, izany dia ny tontolo iainantsika izao.

Jereo moa Satana, ato amin’ny Soratra Masina, akory ny niezahany ahatonga Azy handrava ny Planin'Andriamanitra, tamin'ny nanolorany Azy io tontolo io, rehefa nentiny teny an-tendrombohitra Izy, ka noezahany nomena Azy izany, tsy hisy fividianana amin'ny Rà?

Voamarikareo ve fa raha niezaka hanome fotsiny ilay tany an’i Abrahama ny olona, dia novidiny tamin’ny sekely volafotsy maro izany mba ho faneva, ho vavolombelona ho an’ny olona: “Aoka ho fantatra fa novidiko ity toerana ity!” Hitanareo ? Novidiny izany. Ary Satana niezaka hanome an’i Jesosy ity fanjakana ity izay azy ankehitriny. Noezahany natolotra Azy toy ny fanomezana izany, saingy tsy nila nandray azy tamin’izay fomba izay Jesosy. Satria, hitanareo, ho mbola afaka hitaky anjara amin’izany i Satana. Fa Izy tsy maintsy nividy izany! Amena! Izy no Teny, tao Aminy ny fahafenoan’ny Teny. Koa, tsy afaka namitaka Azy tamin’izany izy.

Ny tanjona àry izao, dia ny handray ny batisan’ny Afo. Inona no nitranga ? Tonga Kristy, niantso ny Fiangonana ho amin’ny fibebahana sy ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy ho famelan-keloka, nanamasina ny Fiangonana, nandoro sy nanilika ny loto rehetra tamin'ny Afon'Aniamanitra, ary nidina honina ao amin’ny fon’ny olombelona.

Tsy maintsy navotana ny tontolo, handraisana ireo olona navotana, ary ny Fombany tsimiova ihany no ampiasainy. Nataony batisan’ny rano izy raha tamin’ny alalan'ny safo-drano. Nalatsany teo amboniny ny Ràny hanamasinany azy sy hitakiany azy. Satria izany dia Azy.

Niezaka niteny i Satana hoe: “Homeko Anao ity”. Fa hoy Izy hoe: “Tsia, Andriamatoa, hovidiako io!” Aoka izany ho vavolombelona. Nasandratra teo amin’ny hazofijaliana Izy ho famantarana fa novidiny izany. Izy no nividy izany. Kanefa tsy maintsy handalo batisa amin’ny Afo izany, ny Afo masina avy amin’ Andriamanitra, izay hanadio ny tany sy ny lanitra manodidina azy. Efa voaefa ny vidiny, koa afaka honina ao ireo olona navotana, hiaina am-piadanana.

Mariho fa ny tanjon’ny batisan’ny Afo dia ny hanadio izao tontolo izao amin’ny ota, ny aretina, ny tsimok’aretina, ireo mpanota, ny devoly sy ny tariny avy. Tsy maintsy atsipy ao anaty farihy afo ny devoly. Midina avy any an-Danitra ilay Afo masin’Andriamanitra ary handoro ity tontolo ity, (mariho) hanomana azy honenan’Andriamanitra. Satria ao amin’ny tontolo vaovao ho avy, dia honina eto ambonin'ny tany Andriamanitra. Hoy ianareo hoe: “Andriamanitra ve? Ao am-pon’ny olombelona no itoerany.” Fa ho lasa Iray Izy sy ny Ampakarina, ary hiditra ao an-Tranon'izy ireo, ao amin’ilay Tontolo Vaovao. Ary amin'ny drafi-panavotana iray ihany no hanavotana ny tontolo sy ny olona honina ao aminy.

Hitanareo, toy izany koa no tsy maintsy handiovana ny fo. Tsy afaka Andriamanitra hidina ary honina ao am-pon’ny olona, amin’ny alàlan'ny Fanahy Masina izay Kristy, raha tsy mibebaka aloha io fo io. Tsy maintsy atao batisa asitrika anaty rano, amin’ny Anarany izy mba anehoana Iza no tompony. Rehefa izany, dia tsy maintsy diovin’ny Ràn’i Jesosy izy. Ary amin'izay, midina ny Afo masina, ny Fanahy Masin’Andriamanitra, ary mandoro ny faniriana hanota rehetra, ny fomban’izao-tontolo-izao rehetra. Ary amin’izay fotoana izay, izay minia manota rehefa avy nandray ny fahalalana ny Fahamarinana… Ny Baiboly dia milaza fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy afaka manota intsony; tsy manota izy. Tsy afaka manota izy. Ahoana no ahafahany sady ho mpanota no ho navotana? Ahoana no ahafahako sady anatiny no ivelan'ny biraon'ny mpampindram-bola? Oh! Novidiny tamin’ny Ràny isika; nodioviny tamin’ny Fanahy-Masiny isika, ary tonga Izy monina ato anatintsika, ao amin’ny Fiangonana. Tsy ny anaram-piangonana, fa ny Fiangonana! .

Mariho akaiky tsara izao raha hijery ity manaraka ity isika: Ireo toerana honenantsika… Ny fibebahan’ilay tontolo nialoha ny safo-drano no nitondra ny batisan’ny rano. Dia tonga Kristy, nandatsaka ny Ràny teo ambonin'izany, nanadio sy nitaky azy. Farany, ny manaraka dia ny fandravana ny tontolo hitantsika ankehitriny. Ny fahotana rehetra eny amin’ny lanitra ambony… Satana no andrian’ny hery manjaka eny amin'ny rivotra. Izy no misakana (manohitra) ireo fitahiana avy amin’Andriamanitra. Avy amin'izany no ahatongavan'ireny varatra sy tselatra mikapoka ny tany ireny, sy ireo zavatra rehetra midina avy eny amin’ny lanitra, toy ny ranomandry, oram-be, tafio-drivotra, oram-baratra, sy ny hafa rehetra, dia avy amin’ilay "voatonona teo", dia i Satana, "andrian’ny herin'ny rivotra !

Araka izay vao nambarako teo, jereo ny fomba niezahan’i Satana handroba ny tontolo, raha nanolotra izany tsy nilàna sarany tamin'i Jesosy izy. Raha izany, Satana dia mbola ho nanana zo hitaky izany, satria ny tontolo efa voatomboka-sofina, hitanareo. Saingy Jesosy nividy izany tamin’ny Rà nalatsany, ka namerina azy tamin’ilay tena tompony. Hitanareo. Toy izany no nividianany antsika, tamin’ny Ràny; dia toy izany koa no ividianany ny Fiangonana.

Ary ankehitriny, ny batisan’ny Afony no manadio antsika amin’ny karazan'aretina sy tsimok’aretina rehetra, na ireo ara-panahy aza (izay manafika antsika rahateo koa), amin'ny fomba tsimiova, ahatonga antsika, ny ao anatintsika, ho vonona honenan’Andriamanitra mandritr'io taona be voninahitra ho avy io, ny Tany Vaovao.

Jereo, navotany izany, tamin'ny fomba tsimiova izay nanavotany ny Vahoakany ihany. Fomba tsimiova no nanaovany ny zavatra rehetra ao amin'ny Drafi-panavotany. Satria Izy dia Andriamanitra tsy manam-piovana, Ilay tsimiova mandrakizay ao amin’ireo Planany.

Akory ny efa nanambaràko anareo, taloha, sy nampahafantarako anareo, fa mandritra ny vanim-potoana rehetra, Andriamanitra dia tsy afaka miova. Ampahafantariny izany, amin' ny fomba rehetra, amin'ny alàlan'ilay tsimiova. Nampahafantariny olona izany, ny Hafany voalohany, tao amin'ny tontolo nialoha ny safo-drano, tamin’ny alalan’i Noa mpaminany.

Omaly aho, tafaresaka tamin’ny rahalahy malala iray izay manatrika eto izao.

- Hoy izy: “Misy zavatra iray izay lazainao, Rahalahy Branham, izay manaitra ahy mandrakariva”.

- Hoy aho hoe: “Inona moa izany, rahalahy ?”

Ary hoy izy: «Izao no voalazanao (ary marina izany), ny amin'ny "vitsy an'isa", "ho vondrona vitsy izaitsizy no ho voavonjy amin’ny andro Fiaviany!"

Ary noteneninao izay voalazan’i Jesosy hoe: " Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy."

Ary mariho izay voalazan’ny Baiboly manao hoe: "Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noa… ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano," dia ho tahaka izany amin’andro Fiverenany. »

- Hoy aho hoe: “Ry rahalahy, ianao fotsiny…”

- Hoy izy hoe: “Aza adino fa fanahy valo monja no teo.”

- Hoy aho hoe: “Ny antsasaky ny sary fotsiny no voarainao!”

Noa dia endrik’ireo sisa izay tafita, fa tsy endriky ny vondron’ireo ampakarina. Enoka, lehilahy tokana, no nampakarina talohan'ny fiavian’ny rano, nampiseho fa ny Fiangonana dia tsy handalo ny fahoriambe na zavatra mitovy amin’izany! Lehilahy tokana, Enoka no nakarina! Oh! Mety hisy olona maro ny fiangonana, fa ny Ampakarina dia ho vondrona tena bitika. Araka izany, mety ho maro be ny olon'ny fiangonana, fa hitanareo, ho vitsy dia vitsy ny olona ho ao amin'ny Ampakarina. Ampitahao ireo isa valo sy iray. Ny Ampakarina dia ho im-balo heny vitsy noho ny fiangonana. “Ary raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota,“ ireo izay mahafantatra tsara ny marina, sy ny tokony atao, nefa manohy ny làlany, manaonao fahatany? Ireo manaraka didin'anaram-piangonana, raha tokony hanaraka ny Teny, aiza no hisehoany? Kanefa, antsoina Kristiana izy ireo, naka ny Anaran’i Kristy?

Noa dia endrik'ireo ho tafita. Tsarovy fa rehefa nivoaka i Noa, dia niaraka taminy i Hama. Mbola teo ihany ny ota. Tafita tamin’ny alalan'ny sambofiara ny ota. Ny tsifinoana, ny fisalasalana dia nentin'ny sambofiara nihoatry ny safodrano. Fa Enoka dia tafakatra ambony kokoa noho ny sambofiara, tonga hatra tany anatrehan’Andriamanitra. Noa, izy, niakatra, avy eo nivoaka, ary mbola teo aminy ny ota; izany no endriky ny fanjakana-arivo-taona, ny ho toetry ny tontolo mandritra izany.

Ny Fanjakana-arivo-taona akory tsy fiafarana. Mbola hisy fotoana aorian’ny Fanjakana-arivo-taona. Elanelam-potoana ihany ny Fanjakana-arivo-taona fa tsy ny Tany Vaovao, tsy izany mihitsy!

Mariho izany, fa hiverenantsika afaka kelikely. Hitanareo, ny tany, rehefa navotana, dia miverina amin’ny Tompony voalohany indray. Nongotany tamin’i Satana izany. Nesoriny teo an-tànan’i Satana ny tany, toy ny nanesorany anareo teo an-tànan’i Satana koa, toy ny nanesorany ilay vehivavy teo am-pantsakana teo an-tànan’i Satana koa. Ary ny mpisorona dia teo, nihevi-tena ho niaraka tamin’Andriamanitra, kanefa tsy nanana na inona na inona. Hitanareo ? Te-haka fotoana kely aho hanehoako izany an-tsary aminareo. [Manatona ny solaitrabe ny rahalahy Branham hanehoany izany indray – Réd ]

Tiantsika hazava tsara izany, koa mifantoha tsara amin'ny fampianarana. Jereo, ity eto ity, Andriamanitra. Andriamanitra ilay Mandrakizay. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy. Fa Andriamanitra dia manana toetram-pahatanterahana maro. Izao indray, ity eto ity, maneho ny Teny, ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo ary nonina teo anivontsika, tao amin’i Jesosy. Izao dia asehontsika toy izao ity olona ity: ataontsika hoe ity ilay vehivavy teo am-pantsakana. Ary ity kosa ilay mpisorona, fariseo. Ary io sary hitanareo amin'ny solaitrabe io no maneho ny famindram-po sy ny famonjena. [ Asehon-drahalahy Branham an-tsary eo amin’ny solaitrabe ireo – Réd ].

Fa tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika. Dingana telo. Tamin’ny voalohany ny Teny, dia toetram-pahatanterahana iray tao amin' Andriamanitra. Ary Andriamanitra nikasa ny Tenany ho tonga olombelona. Ary izany nahatonga Azy nidina, nanjary an'i Jesosy. Ary izao, raha anjaranao ny ho Any, dia efa tao Aminy ianao. Satria tokana ihany ny endriky ny fiainana mandrakizay, dia Andriamanitra. Ary tsy maintsy ho efa sombin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ianao, fa tsy ianao no nisafidy ho izany, tetỳ ambany tetỳ. Izy no nifidy anareo ! «Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy.»

Izao dia jereo ilay mpisorona. Hitantsika fa ny fototry ny fiainany lasa, izay rehetra voatendry ho nataony eto, dia fahotana. Ity ny helo, eto ambany eto. Fa, ity ampahany kely ity, dia maneho ny fahadiovany. Mpisorona izy. Lehilahy mendrika izy. Ity no maneho an'itsy. Izy koa, tsy maintsy ho lehilahy tsara taloha, raha tsy izany tsy ho tonga mpisorona. Saingy hitanareo ny fomba nahazoany izany dia tamin’ny fianarana ara-tsaina.

Jerentsika izao ity vehivavy kely eto ity: Nandritry ny tapany voalohan’ny fiainany, dia mpijangajanga izy. Potika tanteraka ny fiainany, kanefa tao anatiny tao, tato, dia nisy fahalalana bitika kely: «Fantatro fa raha avy ny Mesia…» Izay ilay izy.

Mariho fa fony tonga Jesosy ka naneho ny Teny, dia namantatra ny fisainana izay mitoetra any anatin’ny fo Izy (araka ny voalazan'ny Hebreo 4:12 fa hataony izany). Mpamantatra ny fisainan’ny fo ny Teny, ary tonga Izy tamin'ny endriky ny Zanak’olona, ilay Mpaminany. Inona no nitranga ? Ilay mpisorona, araka ny fahalalana ara-tsaina nianarany, dia nanao hoe: “Demonia io !” satria izany no niantsoan’ny anaram-piangonany Azy. Inona no nataony ? Tsy nanana fanehoana Azy izy, dia nohajambain’izany.

Fa io vehivavy kely io kosa tsy nanana na inona na inona aseho; faran'izay voaloto sy naloto izaitsizy izy. Saingy, mariho, tao am-pony tao, nanana ny fanehoana Azy izy, hitanareo. Ary efa niandry Azy ho tonga nofo izy. Ary raha niteny Izy hoe: “ Alaivo ny vadinao dia miverèna atỳ”, niteny izy hoe: “Tsy manana aho”.

Hoy Izy: “Marina ny filazanao satria nanana dimy ianao ary ilay itoeranao ankehitriny tsy vadinao. Nanana dimy ianao ary ankehitriny lasa enina izany”.

Hoy izy: "Tompo!" ( fa tsy “Belzeboba Ianao!"). Hitako fa mpaminany Ianao! Fantatray fa ho avy ny Mesia, ilay antsoina hoe Kristy. Ary rehefa ho avy Izy, dia hanao toy izao”.

Hoy Izy: “Izaho no Izy!”

Tsy nisy fisalasalana intsony! Tsy hainao hazavaina izany! Hitany Izy, nino Azy izy. Ary lasa izy nandeha. Fa naninona? Inona no nataony taminy? Nanavotra azy Izy!

Diniho tsara. Tonga Izy mba ho Mpanavotra. Tsy izany? Midika inona ny teny hoe manavotra? Midika mampody izany. Nahoana Izy no tsy nampody ilay mpisorona? —Satria tsy mba tany ambony tany izy! Tsy nanana fanehoana Azy izy tao aminy.

Tonga hanavotra ireo izay lavo Izy. Ny fahalavoana no nanapotika ny fiainan'ity tovovavy ity, saingy izy efa tao amin’ny fisainan’Andriamanitra, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ary tonga Izy mba hanadio azy. Hitanareo? Nanana ny Fiainana mandrakizay izy. Hitanareo?

Fa ilay mpisorona kosa, inona no nataony taminy? —Nalefany nivantana tany amin’ny toeran-kalehany izy. Voalohany, tsy nanana na inona na inona izy, afa-tsy ny fahalalana ara-tsaina.

Izao dia mihainoa, ry sakaizako isany: Raha fahalalana ara-tsaina fotsiny no mba anananao, dia zavatra hafa no ho azonao. Ary tsy afaka hahazo Azy mihitsy ianao, raha tsy misy zavatra maneho Azy ao aminao. Izany no inoako fa tonga avy any atsinanana, andrefana, avaratra ary atsimo ianareo. Izany no Teny velona, naseho ho hita maso.

Jereo ny fomba nampahafantarany ny Fikasany an’ireo Mpaminany, tany am-piandohana. Tsy mba niova Izy! [Misy banga ny horonampeo – Ed.]… famonjena. Nanamarina ny lehilahy iray Izy, ary nanamasina azy, nandefa ny Fanahy Masina sy ny Afo, ary nandoro ny fahotana tao aminy, dia nonina tao aminy, Izy mihitsy.

Namboariny ny tany, izay andeha ampiasainy ho amin'ny drafi-panavotana iray, ny fomba tsimiova. Nibebaka ny tany, ary natao batisa tao anaty rano… tamin’ny alalan’i Noa. Tonga Jesosy nanamasina azy, nandatsaka ny Ràny teo amboniny, ary nitaky azy. Ary io Tany vaovao ho avy io, dia hahazo batisan’ny Afo masina iray, hanadio azy amin’ireo demonia rehetra, ny tsimoka rehetra, ny aretina rehetra, ary hanavao azy indray. «Ary nahita Lanitra vaovao sy Tany vaovao aho.» Manjary olona vaovao ianao. Amena! Tsy olona taloha izay notampentampenina fotsiny tamin’ny fikambanana amin’ny fiangonana iray, na ny fiezahana namadika pejy, fa tena olona vaovao tanteraka ianao. Raisin’Andriamanitra ilay olona taloha ary dorany tanteraka amin’ny Fanahy Masina sy ny Afo, ary Izy mihitsy no tonga, ka mandefa ny fanehoanao. . «Tsy misy mahay manatna Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ary… ary izay rhetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy» Hitanareo izany? Mbola ilay Planiny tsimiova, ilay fomba tsimiova.

Satana dia hongotana hiala ny tany, toy ny nanongotana azy hiala tao anatinareo, tsy misy valaka. Tsy afaka mampahory anareo izy. Afaka maka fanahy anareo izy, fa izy tsy afaka mampanota ny kristiana iray efa nateraka indray. Satria Andriamanitra efa nahita io kristiana io, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ary naniraka an’i Jesosy Izy hanavotra azy, ary ny Rà no misolo vava azy. Ahoana no ahafahany manota kanefa izany aza efa tsy mety hita, na amin’Andriamanitra aza? Ny hany mba henony dia ny feonareo. Hitany ny fanehoanareo. Amena! Marina izany. Hitanareo?

Ity tontolo ity dia anisan’ny Toetram-pahatanterahan'Andriamanitra koa, toy ny maha anisan’ny Toetram-pahatanterahany anareo koa, noho ny antony iray ihany. Satria efa tao amin’ny Fisainany hatramin’ny voalohany ny hanana tontolo iray, ahafahany hipetraka eo amin’ny Sezafiandrianana iray, ho Mpanjaka, ho Mpanavotra, ho Mpanasitrana. Ireo dia Toetram-pahatanterahana ananany, toa anao manana toetra koa.

Tsy afaka miteny aho hoe "paositra“raha tsy misaina paositra iray. Tsy afaka miteny hoe "olona" aho raha tsy misaina olona iray. Ary rehefa misaina olona aho dia manonona ny teny "olona". Ny fisainana dia toetro, ary ny teny no fanehoana izany. Hitanareo? Tahaka an’ i Isaia: ahoana no nahafahany niteny hoe "hanan’anaka ny virijiny?" Inona no atao hoe fisainana?

Fa maro aminareo te-ahafantatra ny fahatongavan’ny famantaran-javamiafina. Andeha ho lazaiko aminareo izany. Hitanareo, izany dia teny izay tononiko, kanefa tsy avy amin’ny fisainako satria tsy fantatro. Tsy fantatro ny fisainana izany zavatra izany. Ahoana no ahafahako milaza iza moa ianareo, sy ny fiavianareo, kanefa tsy fantatro ianareo? Ahoana no ahafahako milaza aminareo izay zavatra nataonareo folo taona lasa izay, kanefa tsy mbola hitako hatr'izay niainako ianareo? Ahoana no ahafahako milaza aminareo ny toerana hisy anareo sy izay hataonareo afaka folo taona? Ahoana no ahafantarako ny ho avy? Fa fisainan’Olon-kafa noho izaho izany!

«Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.» Hitanareo, amin'izay fotoana, dia tsy ny fisainanareo intsony izany. Izany dia ny Fisainany, amin'ny alàlanao. Ary tsy fanehoanao ny teninao manokana izany, fa fanehoanao ny Teniny.

Izany matetika no isian’ny fikorontanana eo amin’ny rahalahy, mikasika ny fandikana ny teny tsy fantatra sy ireny zavatra rehetra ireny. Hitanareo, milaza zavatra tsy marina izy ireo ary tsy fantany fa avy amin’i Satana izany. Hilaza ianareo hoe: “Tao amin’ny sahan’ Andriamanitra?” Andraso fotsiny mandrapahatonga antsika eo. Ahitanareo raha izany na tsia.

Miara-maniry ao amin’ny saha iray ihany ny tsimparifary sy ny voa tsara. Masoandro iray sy orana iray ihany no iveloman'izy roa. Hitanareo?

“Fa raha misy mpaminany aminareo, Izaho Jehovah, hiteny aminy, ary raha tanteraka izay lazainy, avy amiko izany", hitanareo. satria tsy milaza ny fisainany izy. Maneho ireo Fisainako, ireo Toetram-pahatanterahako, an'ireo zavatra tsy maintsy ho avy, ary hampiasaiko ny vavany mba anehoako azy ireo. Ary rehefa voalazany izany, dia tsy maintsy tanteraka. «Ny lanitra sy ny tany ho "lasa", fa ny teniko tsy mba ho diso.»

Isaia nilaza hoe: « Indro, hanan'anaka ny virijina». Dia milamina izany. Izay nolazain’ Andriamanitra dia Izy ihany no hanatanteraka izany.

Oh! amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny, ireo Fisehoany rehetra, Izy no mampahafantatra satria ireo no fanehoana ireo Toetram-pahatanterahan'ireo Fisainany. Fa izao, indro izany eto, ao amin'ity vehivavy kely ity. Iray amin'ireo Toetram-pahatanterahany izy. Hitanareo?

Ary inty eto ilay mpisorona, solontenan'ny Fahazavana. Nianarany tao amin’ny Baiboly izany. Nianarany fa Andriamanitra dia Andriamanitra. Ary nianarany fa ny fahamasinana dia marina. Nianarany fa misy ny lalàn’Andriamanitra. Nianarany izany, saingy tamin’ny fahazoana ara-tsaina ihany. Fianakaviana tsara no nipoirany: Levita izy. Saingy lafiny ara-tsaina ihany no nahafantarany ny zavatra. Ka, rehefa tonga ny Fahazavan’ny ora… Hitanareo, fa tamin'ny zavatra efa lasa, zavatra efa niseho no nianarany izany, fa tsy tamin'ny zavatra eo am-pitrangana. Koa rehefa tojo ny zavamisy izy, ny zavatra mitranga, dia tsapany fa tsy mba niresaka mikasika an'io ny anaram-piangonany. Ary dia tsy afaka naneho izany tao an-tsainy àry izy. Kanefa tamin’io fotoana io, ny Mpanavotra dia teto ambonin’ny tany, mba hanavotra ireo Toetram-pahatanterahan’Andriamanitra, ary handray azy ireo.

Tsy mba nanontany ravehivavy, fa hoy izy: "Raha avy ny Mesia, dia hanao toy izao Izy." Izay fotsiny. Hitany Izy nanao… Hoy Izy: "Izaho no Mesia". Tapitra ny resaka. Tsy nisy fanontaniana intsony. Lasa fotsiny izy nilaza tamin’ny olona rehetra hoe: “Avia ianareo hizaha Iza no hitako”.

Ireo dingana ireo no manadio antsika, ahatonga antsika ho toerana Fonenany: fanamarinana, fanamasinana, batisan’ny Fanahy Masina sy ny Afo. izany no manatanteraka ny fanadiovana an'io tempoly io.

Araka izany, fony noravana ilay tontolo voalohany, raha natao fanadiovana izy, ireo rano dia tsy naharava ny rafitr'ilay tontolo tranainy. Ary tsy rava toy ny rafitry ny planeta koa ny loto rehetra, sy ireo antontan-javatra izay napetrak’Andriamanitra teto ambonin’ny tany. Ny Baiboly milaza fa rava izy, saingy ny rafitra tsy mba noravana. Ny fahotana sy ireo mpanota tao ihany no nopotehina. Ireo no lasibatra. Fa ny rafitra tafajanona.

Kanefa fantatrareo fa ny fanamarinana (satria te-hahalala izany ianareo, Batista sy Metodista), ny fanamarinana irery, ny mino sy atao batisa, dia tsy ampy! Mbola hivezivezy amin’ireo zavatr’izao tontolo izao ianareo; mbola hibory volo ianareo sy hanao short ary ireny fomba rehetra ireny. Hitanareo, mbola tsy nisy na inona na inona nitranga. Nitodika fotsiny ianareo ary nahatsapa fa nanao ny ratsy.

Inona no vitan’ny fanamarinana tamin’izao-tontolo-izao? —Tsy nisy na tokana aza; tafaverina tamin’ny teo ihany ny zava-drehetra, ny haben'ny fahotana dia nitovy tamin’ny efa teo hatrizay ihany. Izany no fomban’ny olombelona ary tsy afaka mandeha mihoatra izany izy. Izany no tokony ho tsapan’ilay evanjelistra malaza Billy Graham. Hoy izy: “Nandeha aho, ary nahazo fiovam-po telo alina, kanefa rehefa niverina aho herintaona aty aoriana, tsy ampy telopolo no tavela.” Tsy mandeha mihoatra izany izy ireo. Hitanareo? Marina tokoa fa nibebaka izy ireo. Mino aho fa mibebaka izy ireo, ny ankamaroany na ny sasantsasany amin’izy ireo, saingy tsy ampy izany. Manaporofo izany ny evanjelista eto.

Araka izany, tsy ravan’ny rano ny rafitr'ilay tontolo fahiny. Voasasa fotsiny ilay tontolo. Nahazo ny batisany izy, vita batisa. Mbola hitoetra toy izany koa io rafitra io, na efa ho voadoro amin’ny afo aza izao tontolo izao. Tsy mandrava ny tany izany, ny fahotana eo aminy fotsiny no ravany.

Marihonareo, ny sasany aminareo mpandinika Baiboly, singaniko manokana ny Dr Dale izay mijery ahy izao. Mariho fa ao amin’ny 2 Petera 3, izy dia mampiasa ny teny “izao-tontolo-izao” amin’ny dikany kosmos, teny grika midika "lamin’izao-tontolo izao". Ny tany "ho lasa", izay rehetra ao aminy hitsonika ao anaty hafanana mivaivay. Hitanareo, izany tsy midika fa ho levona ny tany, ny planeta; fa kosa izao tontolo izao, izao rehetra izao, ny kosmos, ireo politika, ireo mpanota, ireo rafitr'olombelona, ny fahotana, ny aretina, ireo tsimok’aretina, izay rehetra diso no "ho lasa". Indray mandeha, Andriamanitra efa nanozongozona ny tany; fa -amin’ity kosa Izy dia hanozongozona ny lanitra sy ny tany. Hitanareo? Satria isika mandray Fanjakana tsy azo hozongozonina, Fanjakana Mandrakizay. Diniho ahoana no hahatongavany amin’izany.

Mariho fa Petera nilaza hoe: «… ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.» —tsy ny planeta akory, fa ireo asa ao aminy, ireo asan’olombelona, ireo politisiana sy ireo teti-dratsiny, ireo anaram-piangonana sy ireo planin’olombelona. Ireo rehetra ireo no ho levona rehefa hodorana izy.

«Ary amin'izany ny lanitra dia "ho lasa" amin'ny firimorimoana mafy,» Nomarihinareo ve izany? "Ho lasa amin'ny firimorimoana mafy ny lanitra". Henoy! Ny tany manotolo dia ho rakotry ny afo, ary izany no hampirehitra ireo etona rehetra eo aminy, ka hampipoaka azy. Tena izany mihitsy. Ao amin'ny Baiboly, Petera dia nilaza: “Ary ny lanitra (sy ny tany) ho lasa amin’ny firimorimoana mafy.” Ho goavam-be loatra ny fipoahana, ka hanozongozona ny tany manontolo, Oh! la! la! Satria amin'izany no tsy maintsy hamonoana ny aretina rehetra, ny songosongo sy tsilo rehetra. Izay rehetra ho natao, dia hodoran'ny afo. Ary tsarovy fa tsy ho afo ara-bakiteny fotsiny izany, fa koa ho Afo masina, hitanareo? Ary izany dia hanongotra an’i Satana sy ireo demoniany rehetra. Ny lanitra sy ny tany "ho lasa", izy roa (Amena). Izany no hahafaty ireo tsimok’aretina rehetra, ireo biby madinika rehetra, ny aina voajanahary sy izay manodidina azy rehetra, na dia ny H2O aza, ny rano, dia hipoaka. Hevero izany! Hanao ahoana re izany tabataba be izany ê!

Ilay firefo-javatra kely tany Tucson dia efa heveronareo ho zava-dehibe, fony Izy nanokatra ireo Tombokase enina, ka nanozongozona ny tany manodidina izany, ary nahatonga resabe. Andraso fotsiny rehefa handray ny batisany ny tany!

Hainareo, rehefa mandray ny batisan’ny afo ny olona iray, dia manabataba ny manodidina izany. Mihevitra izy ireo fa mahamenatra ny mandre olona mikiakiaka sy mitabataba toy izany. Andraso fotsiny rehefa handray ny batisany ny tany! Yah, hipoaka avokoa ny zava-drehetra. Hipoaka ny H2O, ny rano, satria ny Baiboly milaza, ao amin’ny Apokalypsy 21, hoe: «… ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.»

Hanova tanteraka ny eto ambonin'ny tany manontolo izany! Hipoaka izy ary hiparitaka. Ny ivelan'ny tany manontolo, ny hodiny, hatrany amin’ny an-jato metatra maro any ambany any, dia ho rava tanteraka. Ireo etona rehetra ao anatin'ny tany ankehitriny, ao anatin’io faritra miendrika bola lehibe izay hitan’izy ireo fa tsy afaka ahatongavana balafomanga io, ireo etona rehetra ireo, dia hipoaka avokoa. Ny fahatezerana masina an’Andriamanitra hilatsaka eo ambonin'ny tany, hitanareo, ary hanadio azy, hanova ny endriny manontolo.

Izao dia maro aminareo no te-ahafantatra ny dikan'io teny grika "ho lasa" io. Izany dia avy amin'ny teny hoe … Tsy maintsy nokarohiko izany. Nanontany tena aho hoe: “Ahoana ity tontolo ity no ho lasa, kanefa isika mbola ho afaka hihaina ao ihany?” Fa raha te-hanamarika ianareo, ianareo izay te-ahafantatra ny dikany, dia hotononiko tsirairay aminareo ny litera ao anatin'io teny io. Tsy haiko ny manonona azy: p-a-r-e-r-e-k-o-m-i-a. Tsy haiko tononina izy.

Izao, araky ny efa voalazako, rehefa misy tolo-tsaina manaitra ahy mikasika ny zavatra iray, dia miezaka aho mikaroka ny teny milaza izany. Fa tamin'ity nefa aho, tsy afaka nanonona io teny io, tsy afaka niteny azy. Kanefa, ny Tompo mbola nitarika ahy, dia nandroso aho, nitady, ka nahita ny dikan’io teny io. Hitanareo? Dia nojereko indray izy. Hitanareo? Nojereko indray tao amin’ilay andalana hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho lasa.” Fa io teny io dia midika hoe: "miala amin’ny endrika iray, mankao amin’ny iray hafa". Tsy midika "fanafoanana tanteraka" izany, araka ny ho dikan'ny teny "lasa" amin'ny fiteny anglisy hoe "foana tanteraka". Fa amin'ny teny hebreo, na grika eto, ny teny dia tsy midika "foana tanteraka", fa "miala amin’ny endrika iray ho amin’ny iray hafa". Hitanareo, midika izy hoe miala amin’ny toetra iray ho amin’ny toetra iray hafa.

Izao, mariho fa i Paoly dia nampiasa io teny io (raha tianareo homarihina izany, dia azonareo vakiana amin’ny manaraka); ao amin’ny Titosy 3:5, Paoly dia mampiasa io teny io ihany amin'ny dikany hoe fanavaozana ny olona. Io lehilahy io dia niala tamin’ny toetra mpanota niova ho masina; fa izy tsy levona. Rehefa miova ny lehilahy iray, dia tsy foana tanteraka izy, fa izy niova ho olona vaovao. Niala tamin’ny toetrany taloha izy, dia tonga amin’ny toetrany ankehitriny; fa izy tsy levona.

Jesosy dia mampiasa izany ihany, ao amin’ny Matio 19: 28. Hoy izy tamin’izy ireo: «…Rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa…», hitanareo, "havaozina", "rehefa ho nohavaozina ianareo". Io teny io ihany no nampiasainy. Ary nampiasa izany ihany Izy, raha niresaka mikasika ilay zana-boriky, nanao hoe: “Vahao ny zana-boriky dia avelao izy handeha”. Izany teny izany ihany no noteneniny, tamin’ny fitsanganan’i Lazarosy: “Avelao izy handeha.” Izany hoe: "Aoka hovana ny toetrany!" Avy nifatotra izy, fa avelao izy handeha!

Inona no dikan’izany? Ny tany dia hafahana amin’ny famatoran’i Satana! Ho afahana izy. Hafahana amin’ny politika izy, hafahana amin’ireo rafi-pivavahan'anaram-piangonana mba ampiasaina ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hapetraka eto amin'ny tany. Kanefa, raha mbola eo ampelatanan’i Satana sy ny politika izany… Satana no mpanjakan'ny tany, izy no tompony. Saingy ankehitriny, Kristy efa nanavotra azy.

Nisy fotoana nananany ahy, saingy tsy azy intsony aho izao. Azy io vehivavy io indray mandeha, saingy tsy izany intsony ankehitriny, hitanareo. Satria tonga Izy namaha ny fatorany. Novahany ny fatoran'ny ota, ny famatoran’i Satana, tao amin'ny fiainako, tao amin’ny fiainanareo koa, ary ankehitriny tsy azy intsony isika. Nandre matetika ve ianareo, rehefa mivavaka aho, miteny hoe: “Esory amin’ny fananan’ Andriamanitra ny tànanao”? Amena! Manàna finoana mitaky ireo havanareo. Zonareo izany. Teneno, hoe: "Esory amin’io vehivavy io ny tànanao“, na "Esory amin’io lehilahy io ny tànanao.” Hitanareo? Ny finoana no hanatanteraka izany.

Oh! la! la! Tsy hoe levony izy, fa fotsiny: “Esory aminy ny tànanao” mba hamahana azy; avelao izy handeha, hiovany. Ny tany dia hiova, ny politika dia hiova, ireo fivavahana dia hiova, ireo anaram-piangonana handalo, ireo mpanao politika handalo. Ary hipetraka ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ao amin’ny Apokalypsy 6:14, Jaona dia nilaza hoe: «Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra.» Hoy Jaona: “Hitako ny lanitra (sy ny tany) lasa tahaka ny taratasy voahorona." Niteny Jesosy hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho levona”, na amin'ny teny hafa, hoe: “Ny lanitra sy ny tany hovana.” Hitanareo, mbola ampiasaina io teny io eto. Tsia, tsy nofoanana izany, satria ato aoriana, ao amin’ny Apokalypsy 21:2-24, hitany ilay Jerosalema vaovao nidina avy tany an-danitra, avy teo amin’Andriamanitra, ary nitoetra teo ambonin’ity tany ity. Izany dia tsy midika fa ho foanana izy. Fa ireo rafitra no hovana.

Nahita izany koa i Daniela. Vato iray tsy nendahan-tànana no namely izao-tontolo-izao, ka rava tanteraka ilay sarin'ireo rafitra, izay tonga toy ny akofa paohan’ny rivo-pahavaratra eo am-pamoloana fivelezam-bary. Ary ilay Vato kosa, Izy nitombo, ary tonga Tendrombohitra iray lehibe naharakotra ny tany. Diniho io Tendrombohitra io, vetivety. Naharakotra ny tany io Tendrombohitra io.

Mahita koa isika ao amin’ny Apokalypsy fa voalaza hoe: «Ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.». Jerosalema vaovao dia mitoetra eo ambonin’ity tany ity. Hitanareo, fiovana fotsiny izany.

Ara-batana, tsy niova ianao, fa mbola ilay lehilahy, fony niantsoan’Andriamanitra anao ihany, mbola ilay vehivavy teo ihany. Saingy, hitanareo, ny zavatra nataony dia fanavaozana. Dila ilay fiainana taloha, lasa ireo filàna taloha. Raha taloha ianareo tia nisotro, niteny ratsy, nitady ady aman'olona, nikofokofoka sy nihazakazaka tetsy sy teroa, ary nanao ireny zavatra tsy mendrika rehetra ireny, izany rehetra izany dia maty avokoa. Hitanareo? Fitaovan’i Satana ianareo tamin'izay, fa ankehitriny ianareo avotra. Ary ho toy izany koa ny tontolo, havotana amin'ny fomba tsimiova, lanitra vaovao sy tany vaovao, tsy misy hafa aminao, lasa "olom-baovao." Ary ny teny grika (ny rehetra mahafantatra izany), dia milaza fa "famoronana vaovao ianao." Amena! Famoronana vaovao iray ao amin’ilay tempoly taloha ihany, tsy niova. Haleloia! Diniho izay mitranga ankehitriny. Mendri-piderana tokoa! Tsara dia tsara.

Hitantsika izao fa ity tany ity, dia hihazona ireo mpanjakan’ny tany. Ary mbola milaza Jesosy ao amin’ny Matio 5.5 hoe: “Ny malemy fanahy no handova ny tany”. Tsy hahazo tany anankiray hafa isika, fa mbola ilay tany tsimiova ihany. Miezaka maneho aminareo ny drafi-panavotana aho, aloha, raha mbola tsy nahazo zavatra hafa, hitanareo.

Ny batisan’ny Afo, izay hatao aminy io, dia mba hanadio azy, ahatongavany ho toerana sahaza hiainan’ireo Azy, malemy fanahy. Hitanareo? Oh, toy ny nataony tamintsika ihany, izay Famoronany, ahafahany mitoetra ao. Kanefa alohan'ny ahafahany miditra ao dia tsy maintsy manao batisa antsika amin’ny Afo Izy. Dia miditra sy miaina ato anatintsika ny Fanahy Masina: izany no batisan’ny Afo. Rehefa nandray io batisan’ny Afo io ianao, dia afaka miditra aminao ny Fanahy Masina. Inona àry no ataony? Dorany sy havoakany avokoa izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra tao anatinao. Hitanareo? Ianao dia tsy te-hino zavatra hafa ankoatry ny Teny, satria Izy no Teny. Hitanareo? hitanareo?

Izany ilay noresahintsika indray andro iny; ny famantarana voalohany amin'ny fandraisana ny Fanahy Masina, hitanareo? Ny porofo fa nandray ny Fanahy Masina ianao dia ianao afaka mandray ny Teny —tsy rafitra iray— fa ianao manana fahazoanao mazava tsara izany. Ahoana no ahafantaranao fa mazava aminao ny Teny, fa azonao izany? —Jereo, fa Izy ihany no hanamarina ny Tenany. “Tsara", hoy àry ianao, "Izaho mahita ity olona ity manao an'izao, sy izatsy." Eny, kanefa ireo tsimparifary koa miaina toy izany, hitanareo? Saingy, tsy maintsy ny Teny manontolo izany. Raha Ampakarina, dia tsy maintsy ampahany ao Aminy; Izy no Teny. Hitanareo? Ampahany toy inona ao Aminy izany? —ny Teny izay nampanantenainy ho amin’izao andro, izay iantsoany ny Ampakariny izao. Aoka ho isan’izany ianao. Voarainareo izany? Aza avotsotra intsony izany izao. Mariho fa Izy dia manamboatra toerana iray mety hiainany mandritry ny Mandrakizay.

Mariho koa fa io Fanjakana-arivo-taona io dia tsy ilay Tany Vaovao, hitanareo. Ny fanjakana ao amin’ny Arivo-taona dia fanjakana hafa. Izany no tsy maintsy hidirantsika ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona; fa tsy ilay Tany Vaovao sy Lanitra Vaovao. Tsia, tsia. Fa toeram-pitsaharana fotsiny ihany izany, hitanareo, fotoam-pitsaharana. fa tsy ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao manontolo. Satria hitanareo, ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona dia mbola hisy zavatra tsy mendriky ny ho ao. Ny Fanjakana-arivo-taona dia endrik’ilay andro fahafito taloha tao amin’ny Saha Edena, ilay andro fahafito taorian’ny namoronany izao tontolo izao. Ny andro fahafito, nitsahatra tao amin’ny saha Edena Izy.

Hitanareo, izao-tontolo-izao dia efa ho enina arivo taona no nisiany. Hitanareo, isaky ny roa arivo taona dia misy fandravana. Hitanareo? Roa arivo taona voalohany: tonga ny safodrano, ary nataony batisa ny tany. Tamin'inona? [Namaly ny mpiangona hoe: “Tamin’ny rano".] —Rano. Ny roa arivo taona manaraka: tonga Jesosy mba hanamasina ny tany ary hanamarina ny Zo fananany azy; Nalatsany teo aminy ny Ràny ary nambarany fa Azy izy.

Tsara dia tsara. Hoy Izy: “Hiverina indray Aho.” Hiverina Izy amin’ny maha Mpanjaka Azy miaraka amin’ny Mpanjakavaviny. Ary ny roa arivo taona manaraka, inona no andeha hataony? —Hanome ny Fotoam-pitsaharany, ary handoro ny ivelan'ny tany, ary hitaky azy amin'ny maha Azy ny tany, ka hamerina ireo Azy eto aminy. Ary mariho fa ny Fanjakana-arivo-taona dia tsy tontolo tonga lafatra, endriky ny andro fahafito izy. Avy eo dia tonga ny Fitsarana Fotsy an’ny Seza Fiandrianana. Hitanareo, mbola hisy fitsarana antsika. Mbola ho ao anatin’ny fotoana isika mandritry ny Fanjakana-arivo-taona. Andro iray haharitra arivo taona izany, ampaham-potoana. Aza afangaro amin’ny Tany Vaovao izany, satria tsy izany io.

Mety hilaza amiko ianareo hoe: “Ry rahalahy Branham, inona no andeha ataonao izao? Efa notetezinao avokoa ireo tarehimarika fito, izao handeha aiza ianao? Ianao dia mpino ny fisiana fizarampotoana" (Izany tokoa aho, ary mino aho fa izany koa Andriamanitra, mariho). "Efa notetezinao ireo rehetra endrika fizarampotoana. Ary raha hametraka zavatra ankoatr’io andro fahafito io ianao, ahoana no hanaovanao izany? Hankaiza àry ianao izao?”

Tsara dia tsara. Te-hisarika ny sainareo amin’ny zavatra iray aho. Hitanareo, tsy mbola tapitra ny firesahako mikasika ireo fizarana ireo. Mbola manana Soratra Masina hafa aho. Ary tsarovy fa tsy maintsy tanteraka izy rehetra, ny ampahany rehetra ao Aminy. Hitanareo?

Dia hiteny ianareo hoe: “Rahalahy Branham, toa miezaka mametraka zavatra ankoatr’io andro fahafito io ianao, io andro fahafito Sabata io?” Andriamanitra nanao ny tany ka niasa nandritry ny enina andro, dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito; io andro io dia endrika fotoana iray ihany, fotoana. Saingy izaho vao niteny fotsiny teo fa isika dia miova ho Mandrakizay.

“Raha izany, aiza àry ny endrikao izao ? Nilaza ianao fa mpino ny fisiana endrika. Ary efa notetezinao avokoa ireo endrika.” Tsia, tsy mbola nahatapitra aho. Andao fotsiny fantarina raha mbola manana isika.

Jerentsika ao amin’ny Levitikosy, toko faha-23. Tiako ho marihinareo ny toko ao amin’ny Levitikosy, ilay efa nojerentsika ny Alahady farany teo… Izany no nitarika amin'ity. Ny toko 23 ao amin’ny Levitikosy, ao amin’ny andininy 26. Ary izao dia tsarovy fa misy andro firavoravoana fito: ny andron'ny anjomara, ny andro fitoerana amin'ny trano ratsan-kazo, ny andron’ny amboara ahevaheva, sy ireo andro firavoravoana rehetra. Misy andro firavoravoana fito izay endrik'ireo taona fito an'ny Fiangonana. Ary tsaroanareo firy sabata no ifanelanelanan'ny andro firavoravoana roa? Hitanareo, manelanelana ny fetin’ny Pentekosta sy ny fetin’ny anjomara, dia misy sabata fito. Izy ireo no Taona Fito an’ny Fiangonana. Ary nisy andro firavoravoana fito, izay maneho ireo taom-Piangonana fito. Tazony an-tsaina ireo isa ireo.

Hoy ianareo hoe: “Izao, Rahalahy Branham, efa nahavita ianao. Tapitra azonao ireo fito.” Tsara dia tsara. Andao hojerena ilay andro firavoravoana farany, fitoerana amin'ny trano ravinkazo. Jereo àry ny andininy 36 eto: Hafitoana no hanateranao fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa (fotoana masina iray hafa koa no tsy maintsy tonga), ka hanatitra fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah ianareo, fanatitra farany izany, koa aza manao taozavatra akory.”

Nahita "andro fahavalo" iray isika. Fa izao, fito andro fotsiny no misy, fa eto isika miresaka "andro fahavalo", izay fivoriana masina iray. Mariho fa voalaza hoe: "Aza miasa mandritra io andro io". Ny andro fahavalo dia (Inona?) —fiverenana amin’ny andro voalohany. Nahoana, Izy miresaka mikasika ny Mandrakizay, toy ny zavatra mihodina foana tsy misy fiatoana. Amena! Hitanareo izany?

Mariho fa tao amin'io andro fahavalo io izany. Ny andro farany dia ny andron'ny fetin'ny trano rantsankazo. Dia mariho fa io Fivoriana Masina io dia aorian'izany, aorian'ny andro firavoravoana farany, aorian'ny Taom-Piangonana farany, rehefa ho nandalo tanteraka tetỳ ambonin'ny tany ireo andro fito ireo, aorian'ny Fanjakana-arivo-taona.

Aza adino, fetin’ny tabernakely izany. Tabernakely midika “toerana fivoriana.” Amena! Ny Baiboly milaza fa ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona “hanangana trano izy ireo ary hitoetra ao.” Fa ao amin’ny ilay Tany vaovao, Izy no ho efa nankany ary nanomana ny toerana. Efa nahavitana trano izany. Tsy misy na inona na inona ataontsika amin’ny fanamboarana izany. Amena! Izany dia mandrakizay! Oh, tiako ny Teny! Oh! la! la! Fivoriana Masina iray, ao amin'ny andro fahavalo, izay fito andro monja. Ary amin’ny andro fahavalo, dia miverina amin’ny andro voalohany indray. Ny andro fahavalo dia Fivoriana Masina iray.

Mariho fa fito andro ihany no natokana ho an'ilay famoronana taloha, ny fotoan’izao-tontolo-izao. Ny andro fahafito no Fanjakana-arivo-taona, andro fitsaharana. Toy ny niasan’Andriamanitra enina andro ary nitsaharany ny andro fahafito, ny Fiangonana koa dia miasa enina andro, ary mitsahatra ny fahafito. Saingy mbola ao anatin’ny fotoana ianao. Eto aho, tsy miresaka ny Mandrakizay. Fa hitanareo, tsy misy izany valo andro izany; miverina amin’ny andro voalohany ianareo! Hitanareo? Miverina amin’ny andro voalohany ianareo.

Ny sabata dia miresaka ilay Lalàna tranainy, izay natao handalo. Ny fitandremana ny sabata dia "efa lasa", na araka izay voalazako, "efa novana ho zavatra hafa". Tsy nofoanana izy, fa novana niala tamin'ilay Lalàna tranainy, izay nandidy fitandremana andro iray ao anaty herinandro. Isaia 28 dia milaza hoe, ataoko fa ny andininy 19: «Fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery; » (Hazony mafy izay tsara), satria «amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenako amin'ity firenena. Ary izany no fitsaharana.» Hitanareo? Miditra ao amin’ny Fiainana ianareo, tsy mitandrina andro na aloka hafa. Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo toko faha-4, Paoly dia milaza hoe: «Andro sy aloka, ary zavatra toy izany, no tanndremanareo. Matahotra ny aminareo aho.» Hitanareo, isika tsy mitandrina andro na didy. "Niala tamin’ny fahafatesana ianareo, ka niditra ao amin’ny Fiainana Mandrakizay"; tsy misy intsony andro na fotoana. Ianareo efa niditra ao amin’ny Mandrakizay. Izany no Fivoriana Masina.

Andro fito no handalo, diniho, "ho lasa", izany hoe, araka ny voalazako "hiova ho zavatra hafa." Valo andro iarahana amin'ny famoronana vaovao, hitanareo, fa tsy ilay famoronana taloha. Valo andro ny famoronana vaovao. Satria tamin’ny andro fahavalo no nitsangan'ny Tompontsika tamin’ny maty, dia izany ilay fivoriana masina hafa ho anareo, ny fahamasinana; tsy mitandrina intsony, na ireo sabata, na firavoravoana an-tranon-kazo, na ny an’ny Pentekosta, na fotoana hafa. Tao amin'ny andro fahavalo no nitsanganan'i Jesosy tamin’ny maty, ho fanamarinana antsika. Hitanareo, ianareo efa namakivaky ny fotoana, ary tafiditra ao amin'ny Mandrakizay indray. Tsy ilainareo intsony ny mitandrina andro na sabata, na tsirim-bolana, na zavatra toy izany. "Efa lasa" izany rehetra izany. Ny endrikao efa novana, fa tsy nofoanana (dera ho an’Andriamanitra!), "niala tao amin’ny fahafatesana nankao amin’ny Fiainana Mandrakizay." Oh, izany zavatra ampianarin’ny Baiboly antsika! Hitanareo, miala avy amin’ny iray mankao amin’ny iray hafa.

Tena tsara, "Lasa". Ireo sabata tranainy ireo dia "efa lasa." Jesosy nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahavalo, andro iray nanan-daza, andro masina. Ary tsy tena andro izany raha ny marina, satria ny andro, izay fotoana iray, dia hoe ny fotoana dia foana, niova ho Mandrakizay izany. Hitanareo, tafaverina mivantana any amin’ny andro voalohany indray izany. Hitanareo?

Ny Mandrakizay dia toy ny peratra iray. Tsy ahitana zorony izany. Ny faribolana iray tonga lafatra dia tsy ahitana fihatoana. Handeha tsy an-kijanona ianao ao. Na firy na firy ny halavirana vitanao, mbola mandeha foana ianao. Manomboka mihodina toy izao ianao, mamakivaky ny gorodona, mamakivaky ny tany, mivoaka any ambadiky ny tany, dia mbola mandeha ianao… [Misy banga ny horonampeo – Réd]. Ireo zavatra rehetra izay nohariana teto, dia nodisoin’ny Satana (fa tsy nohariany), ka hianjera avokoa, rehefa haneno ilay lakolosy be volamena ary hitsofina ireo trompetra. Ary miverina any amin'ny fiandohana, fony namboarina ny toerana tao Edena, ka tonga teto ambonin’ny tany ny olombelona. Ary lavo izy, dia nisy zanak’ondry kely iray nandatsaka ny ràny; izany dia naneho ilay Zanak’ondry Lehibe izay ho avy handatsaka ny Ràny. Natsangana tao Kalvary ilay hazofijaliana, izay mametraka fitohizana amin’ny Testamenta Taloha, ho an’ireo nohamarinina, ary niandry Azy. Ary ao amin’io fizaram-potoana vaovao io, amin'ny Fiavian'ny Tompo, ao amin’ny Tany Vaovao, ny tadim-panavotana (ny Rà, ny Herim-panavotana izay resahiko izao, izay nanavotra niaraka ny olombelona sy ny tany amin'ny fomba iray ihany), dia hiakatra any amin’ny Mandrakizay indray. Ary ny farihy afo handevona ireo zava-dratsy rehetra tsy voatendry mialoha ho Azy. Hitanareo ve izany?

Mariho fa, tamin’ny andro fahavalo, Jesosy no nitsangana tamin’ny maty, ho fanamarinana antsika, Ilay Mpanjaka Mandrakizay amina Fanjakana Mandrakizay izy, mba hatao batisa ho amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tsy ao amin’ireo andro fito. Tsy misy ifandraisany, na ny iray aza, amin'ireo andro izany. Milaza Fiaviana Mandrakizay iray hafa izany. Milaza fotoana Mandrakizay iray izany, ho an’ny tontolo izay resahiko aminareo.

- Ary mariho fa dimampolo andro, na sabata fito aty aoriana, dia misy fivoriana masina hafa iray. Inona no nitranga? Ny Fanahy Masina nilatsaka, ny Andron'ny Pentekosta, tamin’ny andro fahafito… ny andro fahavalo marina kokoa, no nilatsahany, ny andro fahavalo. Sabata fito katroka, taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty izany. Hitanareo? Araka izany, hisy fotoana fito indray, izay hamerina izany mivantana ho amin’ny andro voalohan’ny herinandro indray. Tena izany. Hitanareo?

Izany ilay Fivoriana Masina anareo; Tsy misy ifandraisany amin’ny zavatra voasoratra izany. Any ambadik'ireo izany, any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Fiainana Mandrakizay, miaraka amin'ireo voatendry izay tsy mba manam-piandohana. Tsy nisy andro niandohana izany. Tsy nisy andro iray namonjena anao. Voavonjy hatrizay hatrizay ianao. Amena. Tonga fotsiny Jesosy hanavotra anao; fa ianao efa voavonjy hatrany am-piandohana, satria voalohany, ianao dia nanana ny Fiainana Mandrakizay.

Ny truite tsy mba ho lasa goujon [karazan-trondro vazaha ireo] na tsiboboka. Mety hiaraka hiaina amin’ireo ao anaty rano izy, saingy hatrany am-boalohany izy dia efa truite. Nisambotra azy fotsiny ny harato (hitanareo), fa efa izany hatrany am-boalohany izy. Fa isika izao, mbola tsy ivelan'ireo fizaram-potoana. Tsy izany? Mifanaraka amin’ny Soratra Masina isika. Dimampolo andro taty aoriana, dia tonga izany.

Hitanareo, ny isa valo tsy mety hanisana ny herinandro. Hitanareo, tsy mahisa andro valo ao anatin’ny herinandro iray; tsy afaka hanao izany ianareo (hitanareo), satria fito andro ihany ao amin’ny herinandro iray. Manisà araka ny fomba rehetra tianareo. Ny Alahady no andro voalohany ao amin’ny herinandro. Hitanareo, Manisa fito ianareo, dia tafaverina amin'ny niaingana indray, ary mamerina indray. Manisà fito, dia tafaverina amin'ny voalohany, ary miaingà indray. Hitanareo? Ary efa niainantsika avokoa, nandalovansika ireo endrika rehetra ireo, fa rehefa tonga amin’ny fahavalo ianao, dia manohy ao amin’ny Mandrakizay.

Ny fahazoanao miditra ao, tsy avy amina lalàna, na fombam-pivavahana, na didy; miditra ao ianao noho ianao efa voatendry amin’izany. Amena! Tena misy fiantsoana Fivoriana Masina iray. Hitanareo. Ary isika izao dia mamarana ny taom-Piangonana fahafito, taonan’ireo Pentekotista. Hitanareo ve izany? Isika dia eo am-pidirana amin'io Fivoriana Masina io. Isika izao dia eo am-pidirana an'io tena Mandrakizay marina io, izay iantsoana ny Fiangonana. Isika tsy voantso ho amina seranana iray, anaram-piangonana iray, fa ho ao amin’ny Mandrakizay hiaraka amin’ny Mpanjakany Mandrakizay. Hitanareo? Isika tsy manana inona, toy ny andro, zavatra, sy fotoana. Ianareo efa nafindra ao amin’ny Mandrakizay, izay niavianareo. Efa tao ianareo, tamin'ny voalohany. Hitanareo?

Raha ianao manana ny Fiainana Mandrakizay, tokana ihany ny endrik'izany, dia Andriamanitra, ary ianao dia toetram-pahatanterahany iray voaseho. Hitanareo? Fa raha tsy izany ianao, dia tsy mety ho tonga any Aminy, na manao ahoana. «Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray.» Hitanareo, ny "ho lasa", dia ireo zavatra tranainy ireo, fa kosa tsy ireo izay miteny mikasika ny Mandrakizay.

Mandrakizay ny Fanahy Masina. Koa, ianao dia ao amin’ny Mandrakizay izay nisy anao hatrizay hatrizay, fa ianao namantatra ny zavatra nitranga. Hitanareo, tanjona mandrakizay iray no nahariana anao, satria ianao dia fanehoana toetram-pahatanterahana iray tao amin’ Andriamanitra, izay nisaina anao sy naneho anao. Ary nanamboatra tany iray Izy, nahafahany nanatsoaka anao tao, ka nanao anao ho olombelona iray. Fa tonga ny ota ka nandiso ny Làlany. Tonga ianao, kanefa, na manao ahoana, tsy maintsy very niaraka tamin’izao-tontolo-izao. Noho izany, tonga Izy, ary nanavotra anao, izay fanehoana ny Toetram-pahatanterahany iray, ary nanavotra ny tany koa Izy, toy ny nanavotany anao. Rehefa izany dia tratrany ny Tanjony. Hitanareo? Oh! Haleloia!, Oh, mahafinaritra ahy loatra, rehefa misaina fotsiny ny zavatra eo alohako aho!

Ao amin’ny Efesiana 1.10 izao (raha tianareo ny hanamarika izany, Efesiana 1.10), tsy fizaram-potoana no ilazana izany, tsy ny andro fahafito izany. Fa izany dia antsoina "Ny fahafenoam-potoana". Ka rehefa tonga ny fahafenoam-potoana, izany hoe rehefa tapitra ireo fotoana, ary tsy misy fotoana intsony, dia mankao amin’ny Mandrakizay ianareo, aorian’ny fiafaran’ny taom-Piangonana fahafito (ary eo isika izao). Efa lasa ny taonan’i Luther, efa lasa ny taona metodista, efa lasa ny taona pentekotista. Ary ianareo izao hiditra (ao amin’inona?) —ao amin’ny Mandrakizay, izay tsy ahitana intsony tarehimarika fito, na tarehimarika telo, na tarehimarika hafa. Ao amin'ny Mandrakizay izy ireo, izay tsy misy inona intsony, toy ny zavatra, ny isa, ny fotoana. Amena! Oh! la! la! Hitanareo ve izany izao?

Amin’izany, rehefa tapitra ireo fotoana, dia efa levona avokoa ireo fahotana, voaongotra, nandritry ny Fanjakana-arivo-taona, ary faranan'ny Fitsaran’ny Sezafiandrianana Fotsy Lehibe (izay ny Fanahy Masina no endriny). Rehefa avy nandalo ny afo izao-tontolo-izao, natao batisa, ny batisany amin’ny Afo Masina avy any an-Danitra, dia lasa avokoa ny ota rehetra, lasa avokoa ny tsimoka rehetra, lasa avokoa ireo demonia rehetra, lasa avokoa ireo fakampanahy rehetra, lasa avokoa ny ratsy rehetra. Rehefa izany, inona no ataon’ Andriamanitra? Afaka mitoetra ambonin’ny tany Izy, hitanareo, satria ny ota rehetra efa lasa.

Izany ihany no ataony rehefa manao batisa anao amin’ny Afon’ny Fanahy Masina Izy. Afaka tonga Izy ary mitoetra ao anatinao, ary isika afaka mitoetra any amin’ireo toeran-Danitra ao amin’i Jesosy Kristy, satria efa ao Aminy isika. Tsy hoe hitoetra, fa mitoetra ao amin’i Jesosy Kristy isika, izao. Fomba ahoana no idirantsika ao? —Amin’ny alàlan’ny batisan’ny Fanahy Masina. "Fanahy iray ihany no anaovam-batisa antsika rehetra ho ao amin’i Kristy" izay efa maha ao antsika. Tsy hoe “ho ao amin'i Kristy isika”, fa “ao isika”! Izy ilay Mpanjaka ara-panahy be voninahitra eo ambonin’ ny Fanahy izay ato amintsika io, satria isika ao Aminy tany am-piandohana.

Hitanareo, tany am-piandohana, raha nisaina anao Andriamanitra, sy nisaina ireo hafa koa, dia nisaina ny Tenany ho Zavatra mivaingana Izy. Ireo no Fisainany tamin’izay. Hitanareo? Koa naneho ireo Fisainany ireo Izy, tamin'ny alàlan'ny Teny. Niteny Izy hoe “Misia an’izao! Misia an’izao!” ary nisy izany. Dia nanohy niteny Izy hoe: “Misia an’izao!”, dia nisy izany. Ary nandritry ny fotoana elaela, nanohy Izy niteny hoe: "Misia izao", mandra-pahatonga ny vahoaka, indray andro nilaza hoe: “Aoka tsy hiteny aminay intsony Andriamanitra!” Dia hoy Izy tamin’izay: “Amin’ny alàlan’ny mpaminany no hitenenako aminy.” Hitanareo? “Hatreto àry, dia amin’ny alàlan’ny mpaminany Aho no hiteny aminy.” Ary ny mpaminany nilaza hoe: “Izao no hitranga! Izatsy no hitranga!” Ary dia nitranga Izao, nitranga Izatsy! Hitanareo? Nitranga toy izany, tsy nanesorana, tsy nanampiana. Azonareo amin’izay izao?

Tonga ny "fahafenoan’ny fotoana", rehefa tapitra nandalo ireo fotoana. Lasa ny ota, taorian’ny batisan’izao-tontolo-izao, izay nanomana fitoerana mendrika: Tsy misy aretina intsony, tsy misy tsimok’aretina intsony, tsy misy tsilo, tsy misy songosongo, tsy misy fahafatesana intsony, tsy misy fahoriana intsony na alahelo, tsy misy fahanterana intsony, tsy misy intsony zavatra mety haneho ny fahafatesana, tsy misy intsony zavatra diso, fa ho marina avokoa ny rehetra. Tsy misy na inona na inona an'ny voahary. Fa Mandrakizay! Ary amin’izany, Izy dia haneho ireo Toetram-pahatanterahany, satria efa tao izy ireo hatrany am-piandohana. Izany no efa nosaininy.

Inona no nitranga tamin’izay? Nametraka an’i Adama sy Eva teto ambonin’ny tany Izy, ka niteny hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany» Ny vatan'izy rehetra dia efa napetraka tao avokoa, ahafahanareo hihinana sy hamboatra ny vatanareo. Izany no fomba tsy maintsy nanaovany ny zavatra. Kanjo tonga ny ota nampiato ny Planiny, ary nanohy ny fiasany tsy miova, raha mbola nisy ny fotoana.

Fa inona no nataon’i Jesosy? Nidina Andriamanitra ary naneho ny Tenany tao amin’ny endriky ny Lehilahy iray, olona manan'aina iray, ary nanolotra ny Ainy Izy, na afaka tsy nanao izany aza. Izy, ilay-Mpanjaka, kanefa nahafoy ny Tenany ho fanavotana ireo sisa. Azonareo ve?

Ka rehefa vita ny asa rehetra, dia tafaverina amin'ny fiandohana indray, ary tratra ny tanjon’Andriamanitra. Eo indray ny Mpanjaka Mandrakizay miaraka amin’ireo Vahoakany mandrakizay, miseho anaty endrika nofon’olombelona, araka ny fomba nanaovany izany, Izy. Voaongotra ny ota. Lasa ny devoly. Vita izany rehetra izany izao. Inona no hanao izany?

Tsy mety ho toerana ho an’ny Lanitra io tany ankehitriny io. Jereo izy, jereo ny fahotana. Tsy maintsy ho diovina izy. Tsy misy olona mendrika hanatona ny polipitra, na koa hitonona ho kristiana, na lehilahy izany, na vehivavy, na tovolahy, na tovovavy, na iza izy na iza, raha tsy feno ny Fanahy Masina. Tsy manan-jo amin’ny Fanasan’ny Tompo, na izay mety fiombonana, na ny fanasana tongotra, na amin’inona, raha tsy efa voadion’ny Afo Masina an’Andriamanitra.

Tsy misy lehilahy manan-jo hitoriteny, raha tsy efa nihaona tamin’Andriamanitra, tahaka an’i Mosesy, terỳ amin’ny tany masina terỳ, io Andry Afo mihantona eo io, ary ho fantany izay misy azy. Hitanareo?

Mariho ny fandrosontsika. Rehefa vita batisa amin’ny afo izao tontolo izao, ka levona ireo tsimoka rehetra, dia lasa toerana mendrika izy hipetrahan’ny Lanitra ety ambonin’ny tany. Endrik'izany, ankehitriny, ireo fitoeran-Danitra ao amin’i Jesosy Kristy, ho an'ny olona afaka tamin’io fahalotoana io, toy ilay vehivavy, ka lasa fanehoana toetram-pahatanterahan’ Andriamanitra. «Ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika.» Ankehitriny, fa tsy hoe ho Zanak'Andriamanitra. Isika ireo no toetram-pahatanterahan'ireo Fisainan’Andriamanitra. Hitanareo?

Hoy ianareo izao, hoe: “Jereo àry io pretra io, tsy zanak’Andriamanitra ve izy?” Nampiseho izy fa tsy izany. Inona no tsy afaka nofantariny? Izy ve nilaza hoe: “Mino ny Baiboly aho”? Eny tokoa, saingy tsy afaka namantatra ny fisehon’ilay Teny voatokana ho an’izao fotoana izao izy. Fahalalana ara-tsaina fotsiny, izay noraisiny tamin’izay novokarina vondron’olona teo alohany no nananany. Ary toy izany ihany ankehitriny! Hitanareo? Fantatro fa mafy izany, kanefa izany ny Marina. Teo ny Teny, notononina sahaza an’izao fotoana izao, nefa izy, na dia olona nianatra aza, na dia olo-malaza aza, dia tsy afaka namantatra Azy. Satria nahoana? Tsy ny naha-be fahalalana azy, sy izay rehetra naha-izy azy, no zavatra, fa izy mbola tsy nanana fanehoana ny fanendrena mialoha. Hitanareo? Tsy misy afa-tsy ireo voatendry mialoha ihany no ho afaka hanao izany, ireo ihany. Satria, jereo, izany tokana ihany no fomba anaporofoana ny fanendrena mialoha. Raha manana ny Fiainana Mandrakizay ianao, tsy maintsy efa sombiny ao amin’Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay, satria Izy ilay Tokana Mandrakizay. Hitanareo izany? Oh! la: la! Saintsaino ange izany!

Izao isika handinika izay hitranga mandritra io Fanjakana-arivo-taona be voninahitra io. Lasa ny ota rehetra, mitoetra ny Fanjakana-arivo-taona, fotoana hakan’ny Fanahy Masina ny Toerany, toy ny ataony ato amintsika, tsy misy hafa. Ka "niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny Fiainana" isika, ary "mitoetra any amin’ny toeran–Danitra ao amin’i Kristy", ao amin’ny Fanatrehany feno voninahitra. Ary na ny fahafatesan’ny nofo aza dia "ho lasa", toy ny ny "naha lasa" ny fahafatesana ara-panahy ankehitriny. Tsy misy intsony ny zavatra toy ny fahafatesana ara-panahy ho an’ny olo-masin’Andriamanitra vita batisa. «na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.» Tsy maintsy tanteraka ny Soratra Masina rehetra. Hitanareo? Tsy afaka ny ho faty ianareo fa manana ny Fiainana Mandrakizay. Ny zavamisy fotsiny, ny Mpanavotra namela anareo ahafantatra izany. Ary efa izany ianareo hatrizay hatrizay. Izany no ahafahanareo mamantatra ny andro misy anareo. Iza avy no mahita izany? Atsangano ny tànana! Hitanareo? Fantatrareo ny andro misy antsika.

Miteny izao ireo Metodista hoe: “Manana Azy ianao rehefa mihiaka.” Maro tamin’izy ireo no nihiaka, kanefa tsy nanana Azy. Milaza ireo Pentekotista hoe: “Manana Azy ianareo rehefa miteny amin’ny teny tsy fantatra.” Maro ireo miteny fiteny tsy fantatra, kanefa tsy manana Azy. Jereo ireo endrika maro nananan’ireo Fariseo ireo, fa rehefa naseho ny Teny dia tsy nahafantatra Azy izy ireo. Hitanareo? Hitanareo? Ary raha anisan'ny Ampakarina ianao, ny Ampakarina dia ampahan'ny Mpampakatra. Koa ny zavatra tokana mba ho fantatrao dia aiza ao amin’io Mpampakatra io (izay ny Teny) ny toeranao. Raha tsy izany dia tsy afaka ahafantatra ianao fa singan'ny Ampakarina. Iza avy no mahita izany? Hitanareo? Hitanareo?. Tsy maintsy fantatrao ny toeranao. Tsy afaka mamantatra ny toeran’olon-kafa ianao.

Inona no ho nitranga raha tonga niaraka tamin’ny hafatr’i Noa i Mosesy? sady tao anatin’izany hafatra izany koa i Noa? Tsy ho nety izany. Ho nanao ahoana raha tonga Jesosy nitondra ny hafatr’i Mosesy ? Tsy ho nety izany. Hitanareo? Vanim-potoana hafa izany, faminaniana hafa. Ampahany hafa amin’ny Teny no voatokana ho tanteraka tao. Andro hafa ao amin’ny herinandro no nisy azy ireo. Ny asan’ny Talata tsy mety atao ny Alarobia. Ny asan’ny Alarobia tsy maintsy atao ny Alarobia. Hitanareo? Ny asan’ny Asabotsy tsy maintsy atao ny Asabotsy. Hitanareo?

Ary izy ireo niaiky hoe: “Oh, manana an’i Mosesy izahay!”

Dia hoy Izy: “Raha nahafantatra an’i Mosesy ianareo dia ho nahafantatra Ahy, satria izy ilay nanambara Ahy: '"Mpaminany tahaka ahy no hatsangan’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo.'” Azonareo ve izany hevitra izany? Oh! la! la! hitanareo? Ary niteny Jesosy, ao amin’ny Jaona 14, hoe: “Rehefa ho tonga ny Fanahy Masina, Izy hampahatsiaro anareo izany zavatra izany, hitanareo, ka hanoro anareo ny andro iainanareo. Ary zavatra iray hafa ahafantaranareo Azy, Izy hampiseho anareo ny zavatra mbola ho avy.” Hitanareo, hitanareo, tafaverina amin'ny faminaniana indray, "fony Izy tonga". Hitanareo?

Ao amin’ilay Tany vaovao, ny Lanitra vaovao dia tsy mba ho maizina intsony. Rehefa ho tonga io Tany Vaovao io, dia ho voafatotra ny devoly. Mbola miriaria i Satana izao; izy ilay mpiampanga, fa amin’ny andron’ny Tany Vaovao dia ho fatorana izy ary hatsipy ao anatin’ny farihy mirehitra afo, ao amin’io Afo masina io. Ary ao amin’io Tany Vaovao io… Andao jerena izany mandritry ny minitra vitsivitsy. Ao amin’io tany vaovao io tsy ho maizina intsony ny lanitra; tsia, fa ny ozona no nahatonga izany, hitanareo. Tsy ho maizinin-drahom-pahatezerana intsony ny lanitra! Tsy handrava ny tany toy izao intsony ireo rivotra. Tsia, tsy hanapaka ny hazo intsony izy ireo, tsy handrodana trano na handavo zavatra hafa. Tsy afaka handefa tselatra na havinirana intsony Satana mba hamonoana olona mitsangatsangana eny amin’ny làlana, na handoro trano.Hitanareo? Tsy hisy rivodoza na tafiodrivotra, na koa rambondanitra hipaoka sy hamotika trano, hamono ankizy madinika sy hanao ireny zavatra rehetra ireny. Oh, tsia, tsy hisy intsony izany. Ireny zavatra miezaka mandrava ireny, tsy ho eto intsony ireny. Ho roahina Satana.

Ho tiako raha manana fotoana isika izao. Andeha avelako fotsiny ireto andian-tSoratra Masina ireto, ka tsy hitarazoka isika, ary ho afaka hivavaka ho an’ny marary aho.

Nihaona ny lanitra sy ny tany. Nihavana Andriamanitra sy ny olombelona. Fiandohan’ny Edena iray nohavaozina izany. Hitanareo? Lasa ny ozona rehetra. Tahaka izany koa, miala ny ozon’ny ota rehetra, rehefa neken’ny Fanahy Masina ianao. Hitanareo, tsy ianao no manaiky Azy, fa Izy no manaiky anao, satria Izy dia toetram-pahatanterahan’Andriamanitra. Hitanareo, raha ny Fanahy Masina, ny Fanahin’Andriamanitra, izay Toetram-pahatanterahany, ny Fisainan'Andriamanitra, no nanaiky anao, dia satria ho amin’izany no naha-voatendry anao.

Hitanareo? Teraka tao amin’ny ota anefa ianao, saingy Andriamanitra nanana io toetram-pahatanterahany io, ary indro ianao naneho ny tenanao eto ambonin’ny tany. Dia nidina Izy naka anareo. Hitanareo. Etsy aoriana etsy no misy anareo, ity toby ity no misy anareo. Hitanareo. Very ny herin’ny ota, marina izany. Niala tao amin’ny fonao ny fanirian’ny ota, rehefa niditra tao ny Fanahy Masina. Olona nohavaozina ianao. Ka rehefa havaozina amin'izany fomba izany koa ny tany, tsy hisy intsony ao, na ozona, na orambaratra, na tafiotra, na rivodoza. Ho vita fihavanana ianareo; ho tafahaona ny olombelona sy Andriamanitra.

Ny Tany Vaovao dia ho tafaverina amin’ny hatsaran’ny Edena indray. Hihitatra be ny Tany Vaovao, aorian'ny batisany amin'ny Afo. .Hevero fotsiny, fa handray afo izy, dia hirehitra. Hirehitra amin’ny hafanana mahery vaika ny singa rehetra ao aminy. Ny asa rehetry ny tany hirehitra, hipoaka ny rano rehetra. Hirehitra ary hipoaka ny zavatra rehetra. Dia hipoitra ireo volokano ary hanipy ranombato mangotraka sy mirehitra hatrany amin’ny an’arivony kilometatra any amin’ny habakabaka… Hodiovin’ny Fanahy Masina ny fahotana rehetra sy ireo zavatra hafa. Ho fatorana ny devoly ka hatsipy ao amin’ny farihy-afo, afo mpandevona, Afon’ny fahatezeran’Andriamanitra. Tsy hisy intsony biby hamono anareo indray. Rehefa hitsangatsangana amin’ireo zaridaina feno voninkazo ianareo, tsy hisy bibilava mpisioka intsony hanaikitra anareo ka hampiditra ny poiziny aminareo. Oh! la! la! tsy hahafinaritra tokoa ve izany?

Henoy. Tsy hisy olona hitady toerana hatao fasana intsony ao amin’io Tany Vaovao io. Tsy hisy izany amin'izy ireo. Efa ho tafahaona Andriamanitra sy ny olombelona. Ny Ampakarina sy ny Mpampakatra, ny Lanitra sy ny tany ho efa nifanoroka. Andriamanitra ho efa nidina honina eo anivon’ny olombelona. Ho eo amin’izy ireo ny Tabernakeliny. Tsy hisy fahotana intsony, tsy hisy fanaintainana intsony. Tsy hisy ranomaso hikoriana eny amin’ny takolaky ny reny, noho ny amin’ny zanany intsony any. Amena! Tsy hahitana izany intsony ao amin’io Tany Vaovao io. Tsia, satria efa navotana izy. Azy izy, ary ho Azy no nanavotany izany. Hitanareo?

Ary, jereo: ianareo dia sombin’ity tany ity. Marina ve izany? Ka rehefa nanavotra anareo Izy, dia nanavotra ny tany ihany koa, tamin'ny fomba iray ihany, ary tafahaona indray ianareo. Oh, ahoana no anehoana izany mazava kokoa? Hitanareo? Tsy maintsy navotana ianareo, satria ampahan’ity tany ity ianareo. Raha tsy nirotsaka taminao ny Rà, tsy mba ho navotana ianao, tsy ho nantsoina ianao. Satria manadio ity tany Izy, dia tsy miova ny anaovany izany fa amin’ny alàlan’ny Afo. Na latsaka taminy aza ny Rà, dia tsy maintsy diovina amin’ny Afo izy (marina izany) mba ho toeram-ponenana ho an’Andriamanitra. An'eritreritra, dia efa nandray ny Fonenany Andriamanitra. Ankehitriny ny Fanjakan’Andriamanitra dia eto an-tany, ao amin’ny fon’ireo Masiny. Toetram-pahatanterahany izy ireo, izay natombony tany am-piandohana. Ankehitriny avotra ireo Toetram-pahatanterahany ireo. Inona àry no mbola andrasany? —Miandry ny hanavotany ny tany Izy, mba hametrahany ireo Toetram-pahatanterahany ireo, ka hahatanteraka, tsy misy tomika, ny Planiny efa voatendriny mialoha. Hitanareo izany?

Mariho: tsy hisy fasana, tsy hisy ranomaso hirotsaka; tsy hisy intsony rà latsaka. Tsy ho mandon’ny ranomaso na ny rà intsony ny tany. Tsia. Tsy hisy ady intsony, tsia. Tsy hisy rahon-dririnina intsony. Tsy hisy ranomandry mangatsiaka intsony. Ny masoandro mandoro tsy hisy, tsy mba handoro ny ahitry ny tany. Haleloia!

Na ny tany-efitra aza hamokatra raozy. Io tany-efitra antitra feno tsilo io dia hamelana toy ny raozy indray andro any (Andriamanitra no nilaza izany) rehefa ho navotana izy, ka handray ny batisany amin’ny Afo. Ankehitriny, misy ireo raketa sy ireo tsilo ary zavatra hafa, saingy izy manana batisa amin'ny Afo izay ho avy. Tahaka ny tamin'ny olombelona izany, raha mbola nanana izy, tao am-pony, fankahalana, fitaka sy fifandirana, dia tonga ny batisan’ny Afo, nanadio izany rehetra izany. Tsy misy fialonana intsony, tsy misy intsony ireny zavatra ireny, fa ho fonenan’Andriamanitra tanteraka izy. Ary tadidio fa ireo Solontenany no hihaona Aminy any ankoatra. Amena! Tsy tantara fotsiny izany, fa izany ny Marina. Izany no voalazan’Andriamanitra. Izany no nampanantenainy. Izany no toerana halehan’ny Ampakarina.

Niteny Izy fa na ny tany efitra aza dia haniry voninkazo, ho tahaka ny raozy. Efa lasa ka tsy hiverina intsony Satana sy ny ota ary ireo mpanota. Vita ny zavatra rehetra, tafangona ao amin’ny Mandrakizay. Ho ringana avokoa ireo zavatra rehetra nodisoina, izay indray andro napetrak'i Satana, ilay arkanjely lehibe mpanao ny ratsy rehetra.

Tsarovy fa ny Baiboly dia milaza fa raha "Izay fanahy tsy mety manao izay asainy atao, dia Izy hadringana izany fanahy izany." Ary hitanareo: tsy afaka ny ho Andriamanitra Izy no sady handringana ny Tenany. Noho izany, raha an’izao-tontolo-izao io fanahy io dia tsy maintsy haringana. Fa raha mandrakizay izy, ao amin’Andriamanitra, dia tsy manam-piandohana, satria sombiny ao amin’ Andriamanitra, ka tsy mety haringana. Amena! Endrey ny hatsaran’izany! Amim-pisaorana sy fankasitrahantsika manao ahoana rê no tokony hijeren’ny Fiangonana izany!

Ry vahoaka, izay rehetra nataonareo dia ao. Izany no ezahako lazaina. Handingana andian-teny maromaro aho fa mbola hiverenako izany avy eo.

Ho levona mandrakizay ireo zavatra rehetra ireo, Satana sy ireo mpanota; toy ny tsy àry nisy. Hitanareo, tsy afaka mamorona Satana. Raha afaka izy dia ho Andriamanitra. Manimba izay voaàry ihany no mba vitany. Hitanareo? Ho lasa avokoa ireo fanadisoana rehetra, ireo fanimbana tsy hisy intsony. Ary ny fahafatesana dia fanimbana ny fiainana; noho izany rehefa levona ny fanimbana, dia tsy hisy intsony ny fahafatesana. Ny fahanterana dia mariky ny fahatesana; noho izany rehefa tsy hisy intsony ny fahanterana, dia ny fiainana no hiditra. Ho lasa avokoa ireo endrika fanimbana rehetra sy ireo zavatra hafa. Ny tsilo sy ny songosongo dia mariky ny ota. Voahozona niaraka taminy ny tany, fa amin’izany fotoana, dia tsy hisy izany. Tonga niaraka tamin’izy ireo ny aretina, ary hanjavona hiaraka aminy koa. Hanjavona hiaraka aminy ny fahafatesana, hanjavona hiaraka aminy ny fandatsahan-drà. Tsy hisy hikasika intsony io ahimaitso io, afa-tsy ny fahamasinana, ny fahamasinan'ireo voavotra. Oh! la! la! Azoazoko erỳ ny aiko!

Ny Ràny ihany no nanavotan’Andriamanitra ny Voahariny sy ireo zavamanan'ainy. Nodioviny tamin’ny Fomba fanadiovany izany, tamin'ny fampiasany ireo Famonony, ny Mpamono-otrika sy ny Mpamono-ota! Toy ny nobadàna ny zavatra rehetra. Ny fambadàna mahomby indrindra ananantsika hatrizay dia ny afo. Afaka maka zavatra hafa iray ianareo dia manasa izany amin’ny rano sy savony sy ireo fandiovana simika ankalazaina ireo, fa mbola tsy hadio izany. Fa dory indray mandeha moa izany, dia ho hitanareo!

Ary rehefa hambada ny tany, ny Fanahy Masina, amin'ny alàlana singa simika, dia efa ho nampakatra ny Vadiny, izay afaka miditra any an-Danitra miaraka Aminy. Avy eo Izy dia ho avy indray ety an-tany, Tany Vaovao sy Lanitra Vaovao.

Tsy handratra azy ny ririnina mangatsiaka, tsy hankarary azy ny lohataona mafana. Hamony toy ny raozy ny tany efitra; ny ota sy ireo mpanota dia efa foana. Andriamanitra sy ireo Zavamanan'ainy, ary ny voahary, dia hiara-monina am-pirindrana tanteraka.

Toy ny maha-mpivady ny Lanitra sy ny Tany no maha-mpivady an’i Kristy sy ny Fiangonana! Ary ny rehetra dia mihaona ao amin’ny Drafi-panavotana iray lehibe sy be voninahitra, ka ampodiana mivantana ao an-tratran’Andriamanitra. Hitanareo izany?

Ary hisy Tanàna Vaovao iray ao amin’ilay Tany Vaovao (Oh! la! la! Ary izao, dia mihainoa tsara! Aza adinoina izany!) Ao amin’ny Jaona 14, niteny Jesosy fa handeha hanomana izany. «Aza malahelo ny fonareo» hoy Izy, rehefa handeha Izy. "Misy antony ny andehanako. Satria mino an'Andriamanitra ianareo, minoa koa Ahy.” Tsy afaka nahita ny maha-Andriamanitra Azy izy ireo. Hoy Izy: “Nino an'Andriamanitra ianareo, ankehitriny kosa, minoa Ahy. Ary Izaho handeha hanomana Toerana ho anareo. Ao an-tranon-dRaiko misy fitoerana maro. Ao amin'ny Fanjakan'ny Raiko, misy lapa maro"

Ao Kristy ankehitriny, mandritry ny fanorenana io Jerosalema vaovao io.

Izao, dia henoy tsara ity, aza mihetsika, aza andalovana ity! Ankehitriny, any an-Danitra Kristy, ary manomana an'i Jerosalema Vaovao Izy. Izany dia toy ny nanaovan’Andriamanitra ny tany tao anatin'ny enina andro, na enina arivo taona. Araka ny voalazany hoe: “Aoka tsy ho bado!” dia hitantsika ao amin’ny Baiboly, fa "ny arivo taona dia andro iray." Kristy nandeha, ary manomana toerana izay ilàna arivo taona maromaro ny fanamboarana izany. «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.» Mariho: Ny Mpanavotra sy ireo Navotany!

Tiako raha mba nanana fotoana isika izao. Misy teny nomarihiko ireto: mikasika an’i Solomona sy io tovovavy io, ny Ampakarina. Oh, tsy maintsy avelantsika fotsiny izany, satria mandroso ny fotoana. Hitanareo? Hiverenako izany avy eo.

Raha nikasa hahazo azy io Solomona dia efa fofombadin’ny mpiandry ondry iray izy. Mihevitra izany ho tononkira nihirainy fotsiny angamba ny sasany. Oh, tsia! Solomona no mpandova ny seza fiandrianan’i Davida etỳ an-tany. Naneho izany fa tsy maintsy nifarana ny fanjakany. Endriky ny fitiavan'i Kristy ny Vadiny izany. Hitanareo?

Mariho fa ao amin’ny Jaona 14, hoy Jesosy: «Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro.» Oh, hanao ahoana ny endrik'izany? Ianareo, ry Ampakarina, mba efa nisaintsaina izay ho endrik’izany ve? Ilay Tompo-marika avy amin'Andriamanitra no nanomana sy nanao izany. Ary jereo, Izy no namboatra izany tamin'ireo Tànany malefaka, ho an'ny Vady malalany. Toy ny inona no ho endrik’io Tanàna io?

Afaka saintsaininareo ve ny lehilahy iray mampakatra vehivavy iray, raha afaka hamboatra trano iray izy, ary hametraka ao ny zavatra rehetra, hatramin'ny kely indrindra, hifanaraka, tsy misy tomika, amin'izay itiavan-dravehivavy azy? Amena!

Ankehitriny, ilay Tompo-marika avy amin'Andriamanitra dia efa namboatra, araka izay itiavan'ny Vadiny azy tanteraka, ny Tanàna vaovao hiarahany monina aminy. Tsy mahagaga raha hoy ny apostoly hoe: «Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona.» Andao jerena raha afaka miditra ao fotoana fohy isika, hamantarantsika izay ho endrik’izany. Namboaran’ilay Tompo-marika avy amin' Andriamanitra ho an’ny Malalany izany. Hitanareo? Oh! hanao ahoana ny tsy maintsy ho hakanton’izany toerana izany, raha araka ny Fomban'Andriamanitra, no nanamboaran'ny Tompo-marika avy amin'Andriamanitra iray izany, ho an’ny Toetram-pahatanterahana iray an'Andriamanitra, izay efa voatendrin’Andriamanitra avy amin'Andriamanitra iray, dia Ilay Mpamorona ny Fiainana avy amin'Andriamanitra!

Ho toy ny inona ny endrik'izany Tanàna izany! Saintsaino izany. Tadidio fa tsy ny Lanitra izany! Satria, hoy Jaona: «… nahita aho fa izy … nidina avy any an-Danitra…» Tsy maintsy ho eto ambonin’ny tany izany. Hitanareo? Tsy ity tany tsy maintsy ho levona ity anefa izany, fa tany iray voavotra. Tsy niteny Andriamanitra fa handeha hanangana taranaka vaovao; Andeha havotany ity iray efa misy ity. Tsy hanamboatra tontolo vaovao Izy; fa ity efa misy ity ihany. Ho dorany fotsiny io, ho dioviny tahaka ny nataony taminareo. Tsy maintsy mipetraka mandrakizay ireo Planiny. Jereo izao fa eo am-pahatanterahana izany.

Aza adino fa tsy ny Lanitra izany; nidina avy any an-Danitra izy io. Izy io dia toeram-ponenana, toerana hatao honenana, hitoerana. Ao amin’ny Apokalypsy 21, fony izy tao amin’ny nosy Patmo, Jaona nahita azy nidina, Jaona nahita ilay Tanàna, nidina avy any an-Danitra toy ny voromailala, toy izany no nahitany azy. Indro, Andriamanitra midina, ho eo amin'ny Tabernakeliny etỳ an-tany, Jesosy ao amin'ny… "midina avy any an-Danitra."

Fony natao batisa Jesosy, dia tonga nivantana, nihaona tamin’ny mpaminany Izy —ny Teny tonga amin’ny mpaminany, ary Izy no Teny— Dia nijoro teo ilay mpaminany, nitsipaka ireo anaram-piangonana rehetra sy ireo zavatra rehetra ireo. Ary raha nahita ny Teny izy, ny Teny izay tonga nivantana taminy, dia taitra mafy ilay mpaminany ka hoy izy: «Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?»

Dia hoy Izy: «Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika (haintsika ny hafatra) hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Izaho ilay Sorona, izay tsy maintsy sasana“Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Izaho no ilay Sorona, ary tsy maintsy sasana Izany.” Ary nanaiky Jaona.

Rehefa nivoaka ny rano Jesosy, dia hoy Jaona: “Izaho nahita ny lanitra nisokatra.” Izany no hitan’ilay mpaminany. Nahita ny lanitra nisokatra izy, ary indro, toy ny endrika voromailala iray nidina avy tany an-Danitra; ary nisy Feo niteny hoe: “Inty no Anjarako amin’ny tany izay navotako, ary amin’ny alàlan’ity sombin’ny tany ity no hanavotako ny sisa, satria Izy no Teniko izay naseho. Ary ny Teniko no nampisiako izao-tontolo-izao (Hebreo 11), izay nogejain'i Satana nandritry ny fotoana rehetra, fa tonga Aho hanavotra azy. Maro tamin'izy ireo no nitambatra ho Vatany, ka tonga Aho honina ao Aminy.”

Hoy Jaona: «Ary nahita aho fa, indro, ny Tanàna Masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra, tahaka ny Ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny Vadiny.» Ary taiza Izy no nanorim-ponenana? —Tsy hafa amin'ny efa nataony ihany: teto ambonin’ny tany. Jesosy dia sombiny iray tamin’ity tany ity, izay nidinan’ny Fanahy Masina (marina ve izany?), izay hijanona eo Aminy mandrakizay. Tsy afaka hiala Aminy Izany. Eo mandrakariva Izany. Iray Izy sy Andriamanitra. Tsy maintsy mijanona maharitra Izany! Toy izany no nahitan’i Jaona ilay Tanàna Masina, dia Jerosalema Vaovao nidina tahaka ny kintana manan-drambo, na toy ny voromailala, nidina avy tany an-Danitra ka nitoetra teo amin’ny tany efa voavotra tanteraka. Mba hanaovany inona? —hitakiany ireo rehetra Toetram-pahatanterahany izay nanamboarany ity tany ity. Ireo lehilahy rehetra nanana fanehoana ao amin’ny Mandrakizay, sy ireo vehivavy rehetra, dia avotra avokoa amin'izany fotoana izany. Efa nodiovina sy nodorana tamin’ny Afo ny tany. Mariho fa nalaim-panahy mafy tany an’efitra Jesosy nandritry ny efapolo andro, ary taorian’izany Izy dia vonona hanatanteraka ny Ministerany.

Diniho izany. Ny Fanahy Masina nidina tetỳ amin’ny tany, Jesosy sy io Rà Masina io! Jereo izao manaraka izao. Manantena aho fa tsy ho lalina loatra ho anareo izany. Ilay Rà Masina noforonin'Andriamanitra, io Rà io no ilay Fiainana, ilay famoronan’Andriamanitra. "Jesosy no fiandohan’ny famoronan'Andriamanitra." Oh! Hitanareo ve izany? Izany dia Andriamanitra tonga zavaboaàry. Izy dia Fanahy. Ny Baiboly milaza fa Izy "no niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao." Nanao ahoana ny niandohany? —Tao an-kibon'ny vehivavy iray. Inona io vehivavy io? —Io vehivavy io dia tsy… Akory ny tsifahitan’ireo olona jamba ireo ny taranaky ny menarana eto! Hitanareo? Napetraka teto ambonin’ny tany Eva, ary talohan’ny nikasihan’i Satana na zavatra hafa azy, nilaza tamin’izy ireo Andriamanitra hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.» Marina izany. Fa teo dia niditra Satana. Raha zanak’i Adama Kaina, dia aiza… Adama dia zanak’Andriamanitra mivantana, ary tsy afaka hanana afa-tsy ny toetran-drainy ny olona. Rehefa nateraka indray ianareo, dia mandray ny toetry ny Rainareo izay any an-Danitra. Ary ny Rainareo any an-Danitra dia Toetram-pahatanterahan'ny Teny, na ny marimarina kokoa, ny Teny no Toetram-pahatanterahan'ny Rainareo. Koa ahoana no ahafahanareo handà Azy, fz hanaiky anaram-piangonana? Oh! la! !a!

Manantena aho fa tsy andalovanareo izany. Fantatro fa avy amin’Andriamanitra izany. Indro Jesosy midina, ary indro Jesosy ilay Toetram-pahatanerahan’Andriamanitra. Izao dia jereo ilay vehivavy… Diniho! Hoy Andriamanitra: “Satria nanao izany ianao, dia hampirafesiko ny taranakao sy ny taranaky ny menarana.” Tsy izany ve? Kanefa ny vehivavy tsy manana voa. Efa nosaininareo ve izany? Ny vehivavy dia manana tany fa tsy manana voa. Hitanareo, ny menarana efa nametraka sahady ny voany tao. Koa, raha tsy manana voa àry ny vehivavy, dia tsy maintsy mandray voa izy.

Hitanareo, firaisana ara-nofo tamin’i Satana no nahatonga izany, tamin’ny alàlan’ny menarana izay tsy biby mandady tamin’izany fotoana izany; nanana tongotra izy mandra-panaisotra izany taminy. Izy no biby fetsy indrindtra. Izy irery ihany no biby afaka niray tamin’ny vehivavy. Ankehitriny, tsy ho mety ny tsirinaim-biby na voa hafa koa. Nandraman'izy ireo izany fa tsy nety. Hitanareo, ny tsirinain’ny lahimbiby tsy mety ho amin’ny vehivavy. Tsy ho mety izany. Fa ny menarana tamin’izany no akaiky indrindra…

Hitanareo, tsy afaka mahita io karazam-biby manelanelana ny rajako sy ny olona io izy ireo. Hitanareo, araky ny toe-batan'ny biby tsirairay dia misy fivoarana, miainga avy amin'ireo vorona, dia miakatra, miakatra, mandalo ireo gidro, ka hatramin’ny rajako, fa eo dia misy "banga". Izany dia ny menarana taloha, izay tsy bibilava. Very ny endriny voalohany satria voaozona izy.

Fa izao: tsy nanozona an’i Adama Andriamanitra. Azony natao izany, saingy ny tany no nozonony, nampaniriany tsilo sy songosongo. Tsy nanozona an’i Eva Izy, fa nolazany hoe Adama no ho "lohany." Nanomboka teo, dia tsy mahazo mitory teny na manao zavatra hafa izy; Adama no lohany. «Amin’ny andro rehetra iainanareo… ary fahoriana… ary hiverina ho amin’ny vovoky ny tany indray.» Kanefa, hoy Izy: «Hampirafesiko ny taranakao sy…» Kanefa, tsy manana voa izy. Tsy mba nanana izany izy hatrizay. Noho izany, na manao ahoana, dia tsy maintsy misy fomba ahazoany voa. Andriamanitra nanome voa azy, tsy tamin’ny alàlan'ny firaisana ara-nofo fa tamin’ny famoronana.

Ianareo, ry olona jamba ô! Tsy afaka mahita ve ianareo fa ao no misy ny taranaka menarana! Oh! la! la! Tonga tao talohan’i Adama i Satana, izany ilay "taranaka". Saingy, nahazo "taranaka" ny vehivavy. Inona izany? Andriamanitra mihitsy. "Izy no fiandohan’ny famoronan’Andriamanitra."

Diniho izao. Nony teraka i Seta, na i Abela, dia hita ho lehilahy, tena zanaky ny rainy tokoa. Ary toy izany koa i Seta. Avy taiza àry io olon-dratsy io, io mpamono olona sy mpandainga io? Hitanareo, hitanareo? Avy taiza izy? Tsy maintsy "taranaka" izy, avy tamina voa iray. Kaina dia olombelona. Oh, aiza ho aiza ireo olona rehetra jamba ireo? Nohajambain’ny andriamanitr’izao-tontolo-izao izy ireo. Tsy mahagaga raha niteny Jesosy fa tsy misy olona afaka hahita izany. Hitanareo?

Hanontany ianareo, hoe: «Nahoana no tsy afaka mahita izany izy ireo?» Indray mandeha, hoy Jesosy tamin’ireo Mpianany: «Ianareo no navela hahalala ny zavamiafin'ny Fanjakan’Andriamanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.» Ary izany no mahatonga anareo eto, avy any amin’ny an-drivony kilometatra maromaro manodidina. Hitanareo? «Ianareo navela hahalala ny Fanjakana.»

Jereo, ireo namana tonga eto, avy any Afrika-atsimo sy ny manodidina, amin'izao ora efa mandroso be izao, raha homanina ny Ampakarina hiditra ao amin’ny Fanjakana. Tsy ampy intsony ny fotoanako. Izao dia mihainoa tsara.

Izao, dia afaka mahita ny taranaky ny menarana ve ianareo, mahita ny nanaovany izany? Lavorary izany, hitanareo. Fa nisy tamin'izy ireo niteny… Toy ilay lehilahy, indray andro, tao Tucson, niezaka… Ary, mety mihaino ny horonampeo izy, ka raha izany, dia tiako ny hanambara zavatra iray aminy. Raha nilaza izy hoe "Eva niteny:…" —dia takatro, satria ao mandrakariva no alehan'izy ireo— «Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.» Ary izany tokoa. Manana lalàna Andriamanitra.

Jereo ange. Makà voan-javatra iray, dia amboleo ao amin'ny saha iray izay aniriana varimbazaha, dia amboleo tsilo ao amin’io saha io ihany. Tsy mampiova zavatra izany, masoandro iray ihany sy orana iray ihany no hampitsimoka aina amin’ireo voa ireo. Manana lalàna Andriamanitra, ary tsy azo ravana izany lalàna izany. Tsy mampiova zavatra, raha ilay vehivavy janga indrindra ao an-tanàna sy ilay lehilahy ratsy fitondran-tena indrindra, no hiara-monina (kanefa tsy mpivady), ka manana firaisana ara-nofo, ary hanan-janaka; io zaza io dia tsy maintsy tonga araka ny lalàn’Andriamanitra, satria tsy misy fomba hafa. Raha tsy izany dia hataonareo mpahary Satana, dia ho andriamanitra iray. Oh! Nahoana ianareo no jamba tahaka izany? Lalàn’Andriamanitra izany, tsy iadian-kevitra, hitanareo. Raha niteraka zaza ianao, tsy maninona na Esao izany, na Jakoba, na iza na iza, na olona ratsy laza, na Jodasy aza, tsy maintsy avy amin’Andriamanitra no ahatongavany. Manana lalàna Andriamanitra.

Hoy ny Baiboly: «Ny masoandro dia mamiratra ho an’ny marina sy ny tsimarina. Ny ranonorana dia milatsaka amin’ny marina sy ny tsi-marina .» Ao amin’ny bokin’ny Hebreo, toko faha-6, voalaza fa "Ny orana tonga amin'ny tany, hanamando azy, dia manomana azy amin'izay nanaovana azy, hainareo, ny hamoaka aina; kanefa ny tsilo sy ny songosongo dia miaina amin'io rano io ihany koa, sy amin'io masoandro io ihany koa.", satria misy ny lalàn’ Andriamanitra izay mifehy ny fitomboan'ny voa rehetra, hamoazany araka ny karazany avy. Araka izany, no tsy maintsy nisian'ny taranaky ny menarana. Ary tsy nanelingelina an’Andriamanitra izany; nahatanteraka ny Drafitra manontolo izany, satria izany no nahatonga Azy ho Mpanavotra. Na iza na iza dia tokony hahita izany, raha tsy hoe afenina azy. Ny andriamanitr’izao tontolo izao no nanafina izany taminareo. Mazava toy ny zava-drehetra mety hita maso izany. Ao ianareo. Izany no taranaky ny menarana.

Fa mariho kosa izao: Jesosy no fiandohan’ny famoronan’Andriamanitra. Kanefa inona no ataon’ny vehivavy? Raha avy amin’ny lehilahy ny tsirinaina… Manohara mitsipaka izany moa. Tsy manana aina ao aminy mihitsy ny vehivavy. Atody kely izay tanin-ketsa no ananany. Izany dia toy ny saha iray, izay homaninareo, asianareo famonoana bibikely mba hamono ireo tsimoka rehetra ka tsy hisy ahitra na zavatra hafa haniry eo. Avy eo asianao zezika izany dia amafazanao voa tsara; raha mandalo ilay fahavalo ka mamafy voa hafa eo, ny lalàn’Andriamanitra ihany no hampitombo ireo voa roa ireo. Ary tsy nihevitra ny hanao izany Andriamanitra, hitanareo. Fa inona no nitranga?

Hitanareo, ny ranon'ain'ny lahy no mitondra ny hemoglobine, izany hoe ny rà. Ary ao amin’ny rà no misy ny aina. Nandinika izany aho raha nijery ny fampiraisana natao tamin’ny biby fiompy, sy ny toy izany. Efa nandinika izany izaho sy ny rahalahy Shakarian, ary niresaka momba izany tamin’ny dokotera maromaro sy mpahay simia maromaro. Hitanareo? Ny atody dia avy amin’ny vavy. Fa ny ranon'aina izay mitondra tsirinaina maromaro no avy amin’ny lahy. Tsy misy tsirinaina mihitsy ao amin’ny vehivavy, fa izany dia vokatra manokana avy amin’ny lehilahy. Araka izany ny vehivavy dia tanin-ketsa hatrany am-piandohana. Misy atody iray izay mahita toerana afahany miaina. Ary mihetsika ka mandroso ilay tsirinaina . Misy zavamiafina ao amin'izany, ahoana io… Mety hilaza ianareo hoe: «Izay tonga voalohany rê no miaina, ireo sisa dia maty.»

- Eny, fa ahoana ary Iza àry no mamaritra izany?

- Izay voalohany.

Ilay tsirinaina aloha indrindra ve no ho voalohany? Tsia, tsia… Mety ny tsirinaina aoriana indrindra, mety iray eo afovoan'ilay ranonaina, no ho tonga ary hihaona aminy. Mampiseho izany fa misy fisainana iray no mamaritra ny ho toetry ny zaza, na ho menamena izy, na ho mainty, na ho lava izy na ho fohy, na ho zazalahy izy na ho zazavavy. Hitanareo? Tsy misy zavatra hafa vitanareo amin’izany. Tsy ho mety izany. Afaka mampifangaro sy manao zavatra hafa ianareo. Tsy hisy zavatra hiova eo. Andriamanitra no mamaritra izany.

Fotoana fohy avy eo dia handady ny tsirinaina kely iray ao amin’io tany io, io atody io. Zavatra misy toy ny rambo kely, mipelipelika manodidina, ary mitsofoka; dia indro, fa manomboka miforona ny hazondamosin’ilay zazamena.

Ahoana àry ny amin’ny vehivavy? Tsy manana voa izy, fa ny ananany dia tany andraisana ny voa. HItanareo, tonga ny fahavalo. Raha mbola namafy ny voa tsara ilay Mpamafy voa tsara, ny fahavalo kosa tonga tao aorianany, namafy voa ratsy. Kanefa "ny ranonorana mirotsaka amin’ny marina sy ny tsimarina, ny masoandro…". Koa, izy rehetra tsy maintsy nitombo. Hoy Jesosy: «Avelao hitombo izy ireo, fa amin’ny fotoany dia hangonina ny tsimparifary.» Ary ankehitriny izy ireo dia miangona, anaty rafim-pandaminana lehibe, ho lasa fiangonambe, ny Filankevitry ny Fiangonana Maneran-tany. Ka inona no ho fiafaran’ izany? —Tsy maintsy ho dorana izany. Fa ny voambary kosa dia hatao ao an-tsompitra. Hitanareo? Samy manana ny halehany, na zavatra iray ihany aza no niainan’izy roa, rano iray ihany, orana iray ihany.

Ny foto-boasary iray izay nanatsofohana voasary makirana na voasarihangibe dia hamokatra voasary makirana na voasarihangibe. Hitanareo? Tsy hamokatra voasary ireo natsofoka ireo, na dia hiaina avy amin’ny aina vokarin’ny foto-boasary aza.

Natsofoka tao amin’ny Voaloboka ireo anaram-piangonana ireo, satria avy Aminy no iainany raha mihambo ho kristiana izy ireo. Fantatrareo ny amin'i Kaïfa, kanefa izy aza dia naminany. Hitanareo? Hitanareo, izany no iainan'izy ireo. Oh, te-hanana herinandro iray manontolo aho handinihantsika izany, hampahazava tsara azy aminareo – tsy afaka handalovanareo izany. Apetrako aloha ny vitsivitsy amin’ireo zavatra ireo. Fa izao, diniho tsara.

Jereo, ny zavatra namboarin'ireo Tànany ho an’ny Vadiny Malalany, namboariny tamim-pitiavana mahafinaritra ho an’ny Vadiny. Tsarovy fa ny Fanahy Masina dia nidina tamin’i Jesosy izay sombin’ny tany. Satria nahoana? Ny voan’Andriamanitra, ny ain’Andriamanitra dia natao tao amin’ny kibon'ny vehivavy (Marina izany?) izay tany. Tsara dia tsara. Koa niditra ny Ain’Andriamanitra ary "Izy no fiandohan’ny famoronan’ Andriamanitra". Hitanareo? Avy eo dia latsaka tamin’ny tany io Ràn’Andriamanitra izay nentin’io voa io, raha narotsaka tao Kalvary. Mba haninona? —hanavotana ny tany. Ankehitriny izany efa nohamarinina, nohamasinina, nantsoina, ary notakiana; Ary izao, tsy maintsy handray ny batisan’ny Afo sy ho diovina izy, ho an’i Jesosy sy ny Vadiny. Ary ianareo no ireo sombiny hafa izay notsoahina tamin’ity tany ity. Ny tany, sombin’ity tany ity ianareo, ny vatanareo. Ny fanahinao dia sombiny iray an’Andriamanitra, toetram-pahatanterahan’ Andriamanitra iray, naseho teto ambonin’ny tany, tao anatin’ny vatana iray. Ny vatana no tsy maintsy avotana. Ankehitriny efa avotra ny fanahy. Satria tao amin’ny ota izy taloha, dia nidina Andriamanitra, nanavotra ny fanahinao, tamin’ny alàlan’ny fanamarinana, ny fanamasinana ary ny batisan’ny Fanahy Masina. Ary noho ianao sombin'ny tany, dia voàvotra koa ny tany. Anatin'io dingana io ianao. Ary mandroso izany izao.

Nohamarinina ny vatanao nandritry ny batisan’i Noa, (Amena!) ary rehefa latsaka tao ny nofonao. Ary ny tany tsy maintsy ho diovina amin’ny Afo, amin’ny batisan’ny Fanahy Masina, ho lasa toerana hiainanareo , ho tonga toeram-ponenana ho an’i Kristy sy ny Vadiny, Jerosalema Vaovao. Jereo io Tanàna io.

Nanapaka Izy fa ho eo ambonin’ny tany no Fonenany. Kanefa hitanareo mazava tsara, araka ny voalazako, ny… io fiovana io. Tsy maintsy ovana ny tany, tsy afaka mitoetra toy izao izy.

Ny Fiangonana tsy ho afaka handeha… Kanefa tsy afaka handeha tsara izao-tontolo-izao, aorian’ny Fanjakana-arivo-taona, raha tsy ho novana. Hitanareo? Tsy maintsy ovana izy mba hahazoana toerana toy izany. Izany dia tsy misy hafa amin'ny tsy maintsy anovana antsika amin’ny alàlan’ny Afo Masina, dia ny Fanahy Masina, fepetra ahazoana toerana ho Azy, hitoerany ato anatintsika.

Mariho izao, fa hisy toerana maro ao amin’ny Tany Vaovao. Oh-oh, ho feno toerana! Tsy maintsy havaozina izy, marina izany, amin’ny alàlan’ny Afo, fa tsy hisy intsony ny ranomasina.

Mariho fa ny Tanàna dia miendrika sokera, izay dimanjato sy arivo miles ny lafiny. Mihainoa tsara izao, raha alaivontsika sary izany refy izany. Tiako ho fafana ny solaitrabe mandritry ny fotoana fohy [Mamafa ny sary nataony teo aloha ny rahalahy Branham – Ed.].

Fanambarana lalina avy amin’Andriamanitra eto ity. Hajanoko eo aloha, tsy hisy amin'ireo hafa. Raha sitrak’Andriamanitra dia ho entiko ny sisa rehetra.

Raha iverenanareo ao amin’ny Bokin’ny Apokalypsy, dia hitanareo ny nandrefesan’i Jaona ilay Tanàna amin’ny hakiho sy stadio. Roa arivo sy telonjato… Koa, hitantsika ny Tanàna dia mirefy "Dimanjato sy arivo miles" avy ny lafiny efatra. Azonareo an-qqtsaina ve izany halavana izany? Norefesiko izany tamin’ity herinandro ity. Izany dia hivelatra hatrany Maine ka hatrany Floride, ary hatramin’ny morontsiraka atsinanana ka hatrany amin'ny eninjato miles, andrefan’ny Mississipi. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ilay Tanàna fotsiny, dia mirarefy amin’ny antsasak’i Etazonia.

Hilaza ianareo hoe: «Tsy ampy izany toerana izany.» Rehefa tsy hisy intsony ny ranomasina, halalaka ny toerana satria ny efatra ampahadimin’ny tany dia ranomasina. Tsy izany? Ny fipoahan’ny tany hanamaina ny ranomasina, ka hiseho ny tany. Oh! la! la! Aza adino fa, dimanjato sy arivo miles, sokera, ny Tanàna. Tanàna manao ahoana izany! Ary, ny ranomasina, tsarovy fa efa ho lasa. « Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.» Izany hoe 1500 miles ny sakany, 1500 miles ny lavany, ary 1500 miles ny haàvony. Dimanjao sy arivo miles, alaivo an-tsaina izany, volamena manganohano. Ary mimanda manodidina izany.

Fa izao, izany anefa tsy midika, satria mitovy…. Izao no voalaza: «…mitovy ireo rindrina sy ny fototra.» Izany tsy voatery hidika fa miendrika efamira na kioba ilay izy. Misy endrika jeometrika hafa izay mirarefy ny lafiny rehetra: ny pyramida izany. Efadafy izy, efatra rindrina, ary ireo rindrina dia mitovy avokoa. Alao hataoko sary izany. [Rahalahy Branham manao sary amin'ny solaitrabe —Ed.]

Hitanareo, ny halava, ny saka, ny haàvo. Miditra amina zavatra iray isika, azo antoka toy ity tontolo ity. Hitanareo?

Mariho. Mirarefy tanteraka ireo lafy sy ireo zoro. Ny halava, ny saka, ny haàvo. Misy refy hafa, ny an'ny pyramida, izay manaporofo izany. Io, amin'ny maha làlana azy, dia hamaly tanteraka ny famantaran’i Enoka tany Egypta, ny pyramida izany. Tsy izany ve?

Talohan’ny fandringanana ny tontolo tamin’ny safo-drano, raha tonga ny fanamarinana, dia nanorina famantarana iray i Enoka. Ary ao amin’io pyramida io, dia misy zanatohatra fito mitondra mankao amin’ny efitranon’ny mpanjaka. Jereo ilay zanatohatra fahafito, (raha mba efa nandinika ireo refin’ny pyramida ianareo), inona no mivoaka eo mandray ny vahiny, ka mampiditra azy ao amin’ny mpanjaka. Diniho anjaran'iza no mijoro eo, dia ho hitanareo ny andro misy anareo, ao amin'ny pyramida.

Fa manana Baiboly telo Andriamanitra. Misy fampianarana mikasika ny pyramida izay diso tanteraka, fa misy koa ny pyramida tena izy. Hitanareo? Mariho. Ny Baiboly voalohany… Nanao Baiboly telo Izy. Tsy maintsy mandeha tsitelotelo ny zava-drehetra. Intelo no Fiavian’i Jesosy. Voalohany, tonga Izy nanavotra ny Vadiny; manaraka izany tonga Izy hampakatra ny Vadiny, aorian'izany, tonga Izy miaraka amin’ny Vadiny. Hitanareo?

- Mariho manao ahoana ny hatsaran’izany. Hitanareo? Ary zanatohatra fito tao amin’io pyramida io, dia tonga aminy efitranon’ny mpanjaka. Ary isika izao ato amin’ny taom-Piangonana fahafito, mialoha ny hakan’ny Mpanjaka ny Sezafiandrianany. Ary tadidio fa ny pyramida dia tsy mba nanana vato-hatao-tendrony.

Ny Baibolin’Andriamanitra voalohany dia teny amin’ny Lanitra: ny Zodiaka. Niantomboka izany ary mitohy mandritra ireo vanim-potoana rehetra. Ny mariky ny Virijina no fiandohan’ny Zodiaka. Tao amin'izany Izy no tonga voalohany. Leo, ny liona no marika farany ao amin’ny Zodiaka: Fiavian’i Jesosy faharoa izany. Mialoha indrindra azy io no ahitana ireo Foza, manondro ny vanim-potoan’ny homamiadana izay iainantsika izao.

Manaraka izany, ny pyramida iray, ny pyramidan'i Enoka, izay tena manambara ny toetry ny ora misy antsika izao. Tsy manam-potoana idirana an-tsipiriany amin'izany isika izao, fa indray andro, raha tahin’Andriamanitra aho dia hampiseho aminareo marimarina izany. Hitanareo?

Mariho fa tsy voatery ho kioba ity endrika jeometrika hitantsika eto ity, izay mirarefy ireo sakany. Izany dia mifanandrify amin’ny famantaran’i Enoka, any Egypta.

Rehefa ho tonga ny fotoana handiovana ny tany, hanaovana batisa azy amin’ny Afo, ho maro loatra ireo volokano ka hipoaka ny tany, ary hisy tendrombohitra miendrika pyramida hipoitra. Hitanareo? Malalaka ny toerana mba hisehoan’izany. Hiova ny zavatra rehetra, hovana ny velaran’ny tany manontolo. Azonareo ve izany? Hahatonga fipoiran’ny tendrombohitra miendrika pyramida izany. Raha tonga izany, ary ho tonga izany, dia hifanaraka tanteraka amin’ny Teny.

Mariho fa ao amin’ny Isaia 65.25 (vao avy novakiantsika) dia milaza hoe: «Ary tsy hisy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina, hoy Jehovah.» Oh , "manerana ny Tendrombohitro Masina." Tadidio, "Tendrombohitra" hatrany izany.

Raha mirazotra ireo rindrina, tsy mety ho jerena afa-tsy avy ao anatiny ilay Tanàna. Marihonareo fa tsy ho mety jerena izany afa-tsy avy ao anatiny., fa izao andao ho jerentsika ny teny fikasan’ny Isaia 4.5. Vakiantsika fotsiny izany.

Maika ve ianareo? Tsia, aza maika aloha. Zavatra hafa kely loatra izany, ka mila fotoana isika mba ahafahanareo mahatsapa izany tsara eto. Hiezahako hazavaina tsara izany, ka rehefa hiverenantsika indray izany amin’ny manaraka, ho dinihintsika, dia hatoroko anareo aiza izany resahintsika izany. Oh, isaorana anie Jesosy Tompo! Diniho izany, jereo ny maha-tsy-mba-diso ny Teny. Jereo ao amin’ny Isaia izany izao. Nomarihiko ato izany, tsy maintsy ho hitako. Andraso kely. Isaia 4 ilay izy. Izao dia henoy, miresaka ny Fiavian’ny Tompo izy, amin'ny fotoana izay haharatsy loatra ny fitondrantenan’ny vehivavy. Oh, hoy izy: «Vehivavy fito…» Henoy, vakiantsika fotsiny. Jereo.

«Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafianay; fa izao ihany no angatahinay: Aoka ho tononina amin’ny anaranao izahay. Ka afaho tondromaso.» (andro farany izany, izay iainantsika izao. Fanambadiana, fisaraham-panambadiana, fivarotan-tena, sy ny sisa). «Amin’izany andro izany ny solofon’i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ny Isiraely sisa afaka.» (Ahoana ny nahafahanareo niala izany ozona izany! Hitanareo?) ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina: dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema, rehefa voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny fahalotoany ireo zanakavavin’i Ziona (Tadidio fa mbola ny Ampakarina izany, hitanareo) ary rehefa voadion’ny fanahy fitsarana sy ny fanahy fandringanana Jerosalema (ny sisan’ny Jiosy sy ny sisan’ny Ampakarina izany, hitanareo?), Ny afo…

Izany mbola ny fitsaran’Andriamanitra, ny Fitsarany farany. Miantso anao Izy, manamarina anao Izy ary mitondra anao ho amin’ny fanavotana; Amin’izay dia hirehitra aminao ny Fitsarany, hanadiovan'ny Fanahy Masina sy ny Afo anao amin’ny ota. Dia Azy ianao amin'izay. Tahaka izany koa no ataony amin’ny tany raha hanadio azy amin’ny Afo sy ny "Fanahy mandevona" Izy. Izao dia jereo, henoy, vonona ve ianareo?

«Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro, sy fahazavan’ny afo midedadeda nony alina, ho eny ambonin’ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona sy ho eny ambonin’ny fivoriana rehetra; Ary eny ambonin’ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo.»

Amin’izany fotoana izany, ny Tompo hamorona Afon-kazavana mirehitra eo amin’ny tampony, izay handoro ny antoandro. Dia handroso Izy, hiteny hoe: "Ho fialofana izany, ho fitsaharana, fialofana." Mariho fa izany tokoa no fitenin'ny Baiboly, tsy misy hafa. Raha-mijidina mahitsy ireo rindrina, dia tsy afaka hijery azy ianareo; koa, tsy maintsy mirona izy ireo. «Manerana ny Tendrombohitro Masina…» Hamorona io Hazavana eo ambonin’io Tendrombohitra io Izy, ary ho fiarovana izany. Oh, hiraintsika izany hira izany:

Oh, io Tanànan’ny Tendrombohitra Ziona io,
Mbola toy ny mpivahiny ihany no itiavako azy,
Izao sy mandritra ireo vanim-potoana,
Raha mahatratra io Tanàna ambony Tendrombohitra io aho.

Mariho fa teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaï Andriamanitra no nidina raha niresaka tamin’ny zanak’Isiraely tao amin’ny Andry Afo Izy. Teo an-tampon-tendrombohitra no nidinany, ny tendrombohitra Sinaï. Teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, fony Izy nanambara hoe: « Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.» dia tao anatin’ny Andry-Hazavana namirapitra be Izy, no nidinany, teo an-tampon’ny tendrombohitra, teo imason’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Ary niseho teo Izy niaraka tamin’i Mosesy sy Elia, ireo nafindra rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Voninahitra!

Ny Tanàna vaovao sy ny Tany vaovao, ny famoronana vaovao. Ny Tanàna eo amin'ny Havoana, sy ny Sezafiandrianana eo an-tampony. [Manao sary ny Ralahy Branham mandritra ireo paragrafy manaraka —Ed.] Ny Sezafiandrianana no ho eo an-tampony, ary ireo mponina miaka-midina io Tendrombohitra io. Ary ny mànda manodidina io Tanàna io dia misy fototra roa ambin’ny folo. Ary ny tsirairay amin'izy ireo dia misy iray amin'ireo vato soa teo an-tratran’i Arona, izay maneho ireo foko roa ambinifolo an’Isiraely. Ary misy vavahady efatra, toy ny tamin'ny tranolay tany an’efitra. Mariho fa misy apostoly telo isaky ny lafiny, amin'ireo apostoly roa ambinifolo. Ary mirefy zato sy efatra amby efapolo hakio ny haàvon’io rindrina io, izany hoe roanjato sy enina ambinifolo pieds, katroka [72 m]; ka ny tsirairay dia vita amin'ireny vato lehibe, sahabo roapolo pieds ireny, manome io manda, toy ny saron-tratra, manodidina ny Tanàna io.

Tsy mitaingina eo ambonin’ny manda ny Tanàna satria tsy ho mety izany ho an’ny tanàna mirefy dimanjato sy arivo miles. Io no rindrina fidirana ao, toy ireo vavahadin’ny Jerosalema fahiny. Mamakivaky io rindrina io ianao raha hiditra ao. Ary ny tsirairay amin’ireo dia manana fototra roambinifolo, izay ny tsirairay vita amin’ny emeralda sy vato soa samihafa maneho ireo foko roambinifolo an’Isiraely. Ary ny anaran’ireo apostoly dia voasoratra eo ambonin’ireo vavahady perla mafy sy goavana ireo. Ary, moa Jesosy tsy niteny hoe: «Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ianareo, ka hitsara ny firenen’Isiraely roambin’ny folo»? Iza no mitoetra eo am-bavahady, hitsara ireo izay miditra tao an-tanàna? Oh! la! la! Ao ianareo. Ireo mpanjakan’ny tany izay miditra ao amin’ny Tanàna, dia tsy maintsy mandalo eo anoloan’ireo apostoly mpitsara ireo, araka ny nampanantenain’i Jesosy. Oh! la! la!

Eo an-tampon’io seza fiandrianana io, any amin’ny haàvo dimanjato sy arivo miles, dia ho hitan'izao-tontolo-izao ny Fanazavan'izao-tontolo-izao, Jesosy, mipetraka eo amin’ny Sezafiandrianana, eo an-tampon’izao-tontolo-izao, eo an-tampon’ny Fiangonana, eo an-tampon’ny tendrombohitra Ziona, mivelatra dimanjato sy arivo miles, velarana toy ny antsasaky ny Etazonia, ary hita Izy, asandratra ambonin'izao-tontolo-izao, any amin'ny haàvo dimanjato sy arivo miles. Ary ireo voavotra rehetra no hiakatra sy hidina eo.

Hisy trano volamena madio tsy misy fangarony. Hisy arabe, sy valan-javaboaàry, ary zaridaina. Ary ny Reniranon'Aina, dia mivoaka, avy eo amin’ny Sezafiandrianana, milatsaka mitete, ka mikoriana amin’ireo hadilanana sy, oh, ambonin’ireo lavarangana. Ary ny Hazon’Aina dia hamony ao amin’ny tokotany rehetra, ka hamoa indroa ambin’ny folo isan-taona, ary ny voankazo hiova isam-bolana. Ary hiditra ao ireo mpanjakan’ny tany hitondra ny voninahiny. "Ary ho fanasitranana ireo firenena ny ravinkazo", raha hiaina am-piadanana ireo mpanjaka ireo. Ary hioty ravina iray avy izy ireo rehefa hivoaka, toy ny nataon’ilay voromailala, raha niverina izy nitondra ravin’oliva tao amin’ny sambofiara, taorian’ny fanehoan’Andriamanitra ny fahatezerany. Araka izany, rehefa hody ireo mpanjaka tonga hanatitra ny voninahiny ao amin'ny efitranon'ny Ampakarina ireo, dia samy hitondra ravina iray avy ho an'ny mpanjaka akaiky azy, hanehoana fa: "Amintsika mandrakizay ny fiadanana." Amena! Izany no ho fanasitranana an’ireo firenena. Voalamina ny zava-drehetra.

Nisy fotoana isika, rahalahy, niady sy nifandatsa-drà, ary nitia, ary nitabataba, ary nitifitra, sy nandoro ankizy, sy ireo zavatra rehetra nataontsika. Fa ankehitriny dia fiadanana, sy fanasitranana no misy! Tsy misy aretina ho sitranina. Efa lasa avokoa izany. Fa sitrana ireo firenena! Amena!

Ny Tanàna sy ny Sezafiandrianany eo an-tampony. Izao no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 21.23: «Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy.» Hitanareo?

Ny Tompo Andriamanitra io Andry Afo io, izay niaraka tamin’ny zanak’Isiraely tany an’efitra. Ary miakatra eo amin’ny Sezafiandrianana Izy ao amin’io Fanjakana tonga lafatra io, "ny Fanjakana izay tsy maintsy hatolotr’i Jesosy an’ Andriamanitra, mba ho zava-drehetra amin'izy rehetra Andriamanitra" Mitoetra eto ambonin’ny Seza Fiandrianany Jesosy, toy ny Josefantsika. Ary ny Mpanjaka io Hazavana izay ho eo an-tampon’ny Tendrombohitra Ziona io, ary hanazava ny Tanàna manontolo ny Hazavany Masina. Haleloia!

Dimanjato sy arivo miles ny haàvon’ny Tanàna, ary dimanjato sy arivo miles ny lafiny tsirairay, amin'ireo paradisan’Andriamanitra manerana ny Tanàna: ireo làlana, ireo arabe. Vakio Apokalypsy 21, hijerenareo raha marina izany. Hitanareo, "Tsy hila jiro izy ireo; satria ny Zanak’ondry no Fanazavana Azy", ho hita eo ambonin’ny Sezafiandrianana, any amin'ny dimanjato sy arivo miles ambony any. Tsy mijoro mahitsy tahaka izao ireo lafiny, fa misolampy toy ny an'ny pyramida. Ny antsasaky ny elanelana amin’ity tanàna ity sy ity iray ity no maneho ny halavan’io Tanàna io, manelanelana ny lafiny anankiroa. Raha sitrakareo dia afaka hanampy zavatra kely aho eto.

Voatsikaritrareo ve ity vondrona kely ity? Sahabo hitovy amin’ity faritra ity izany, faribolana iray mandrakotra, toy ny hatrao Georgie sy Californie ka hatrany Saskatchewan, ary hatrao Kansas ka hatrany amin’ny morontsiraka be vato an’i Maine. Sahabo toy izany ny fivelaran'ny sokera iray mirefy dimanjato sy arivo miles ny lafiny.

Oh, avy any atsinanana sy andrefana izy ireo,
Avy amin’ny tany lavitra izy ireo
Hiara-paly amin'ny Mpanjaka, hisakafo… (Inona izany? "Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona" fa ny Mofo, Teny!)
… hisakafo toy ny olona nasaina;
Voatahy tokoa ireo mpivahiny ireo!

(Miaiky aho fa tsy mbola nahita olona toy izany naneran-tany)

Izy ireo dia mibanjina ny Tavany Masina,
Mamirapiratry ny Hazavan-danitra ;
Mpiombona voatahy amin'ny Fahasoavany,
Isika hamiratra toy ny vatosoan’ny Satro-boninahiny
Oh, avy faingana Jesosy,
Ho tapitra ny fizahantoetsika.

Oh! hanao ahoana, raha avy izao ny Tompontsika?

Tsy ho ela izany. Lavorary ny zava-drehetra, ara-jeografia sy amin’ny lafiny rehetra: Sodoma, ireo iraka, mandray ny toerany tsara avokoa ny zavatra rehetra. Hitanareo? Inona no dikan’izany? Hevero fotsiny, ianareo tonga amin’ity Tabernacle kely ity, avy amin'ny dimanjato sy arivo miles, izany halavirana izany ihany.

Nahoana Andriamanitra no nisaina ary niahy loatra io toerana kely ao Palestina io, kanefa izany dia toerana kely dia kely? Satria eo indrindra no misy ny Tempoly. Eo no hipoitra Jerosalema Vaovao. "Ny tendrombohitra Oliva hitresaka, hiatsinanana sy hiankandrefana", rehefa hipoitra avy anaty tany izy. Tsy toy ny voalazan'izy ireo, hoe hanosika amin'ny ilany izy, toy izao. Fa izy hanosika miakatra. Hanosika hiakatra izany, rehefa "amin’izany andro izany, ny Tongony Masina hijoro eo an-Tendrombohitra". Mariho, fa eo amin'ny Sezafiandrianany Izy, dia dimanjato sy arivo miles any ambony.

Aza adino fa, indray mandeha, teo an-tampon’ny tendrombohitra iray, Satana no naka fanahy Azy. Hitanareo? Misy fototra roambin’ny folo ilay Tanàna Vaovao, araka ny efa hitantsika, misy ny anaran'ireo patriarka roa ambin’ny folo, ny tsirairay mirefy efatra amby efapolo amby zato "pieds", maneho ny aro-tratran’i Arona, misy ireo vavahady perla roa ambin’ny folo, mitondra ny anaran’ireo mpianatra roa ambin’ny folo. Hitsangana Jesosy, ilay Vato-hatao-tendrony, eo amin'ny Sezafiandrianana, rehefa ho voasatrok’ireo Masiny ho "Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo" Izy. Ary Izy ilay Vato-hatao-tendrony.

Tsy ato amiko ny poketrako, fa raha misy vola iray dolara ao amin’ny poketranareo, dia hitanareo fa misy ny tombokasen’ny Etazonia; amin’ny tendrony iray dia hita ny faneva sy ny voromahery mihazona zanatsipika; ary amin’ny ilany kosa dia misy pyramida izay misy maso mahita ny zava-drehetra eo an-tampony. Hitanareo, tsy fantany izay nataony. Ary misy soratra amin’ny teny latina eo, ary afaka mahita koa ianareo izao soratra izao: «Ity no Tombokase Lehibe». Tsy fantany izay nataony. Kaïafa koa dia tsy nahafantatra fa naminany izy. [Maneho izany amin'ny solaitrabe ny rahalahy Branham —Ed.] Ity ilay Tombokase Lehibe. Ity eto izy, ny Tanàna. Hitanareo? Tsy kioba tsotra fisaka toy izao izy, hitanareo, fa mirona miakatra, ka izay no ahitana azy. Ary eo an-tampon’io Tendrombohitra masina an'ny Tompo io, ny Tompo no hidina. Hidina eo an-tampon'ny Tendrombohiny ny Tompo, eto Ity Izy. Izany ny antony ho tsy Enoka no nametraka ny vato-hatao-tendrony. Hitanareo? Izany no anton'ny tsy nametrahan'i Enoka vato-hatao-tendrony. Hitanareo? Izany no anton'ny tsy maintsy ankehitriny no ahatongavan’ny Vato-hatao-tendrony. Ary ny Tendrombohitra hipoitra, ary izany no ho Tendrombohitry ny Tompo. Ary ireo voavotra no honina ao.

Hisy arabe, arabe mikodaona, toy izao, valan-javamaniry, ary ny Reniranon’Aina izay hamakivaky Azy. Ny trano rehetra dia ho vita amin’ny volamena manganohano. Ary ny làlana rehetra dia ho volamena. Ary, ho eo ireo Hazon’Aina izay hamoa voa roa ambin’ny folo karazany. Ary ireo mpanjaka sy ireo manan-kaja maneran-tany, dia hitondra ny haja amim-boninahiny eo am-bavahady. Ary tsy hikatona amin’ny alina ireo vavahady ireo satria tsy hisy ny alina!

Ao amin’io Tanàna izay ny Zanak’ondry no Hazavany io,
Ao amin’io Tanàna izay tsy ahatongavan’ny alina io,
Dia ananako lapa iray, Izay tsy ilàna fikojakojana na asa.

Oh, mankao amin'izay ny Zanak’ondry no Hazavana aho.

Tsy mahita ve ianareo fa ireo tanàna, ireo trano, ireo fonenana ireo, dia efa manambara izany sahady? Ireny zavamisy rehetra ireny dia aloka. Jereo ny aloka iray, avy lavidavitra, toy ny an'ny tànako. Mialoha ny isian’ny aloka dia tsy maintsy misy ny tena. Jereo io aloka io, toy ny manana rantsan-tànana roa ambin’ny folo aho. Fa rehefa ampanatonina ireo dia miha-mazava ilay aloka, mandra-panehoany tanteraka ny tànana. Ary toy izany, matetika, no iheveran'ny olona fa misy andriamanitra telo na efatra. Mijery lavitra loatra any aoriana any ianareo, any amin’ny fiandohan’ny Reformasiona. Hitanareo? Mandrosoa amin’ny ankehitriny, dia ho hitanareo, fa hikambana ireo mandra tsy hisiany intsony afa-tsy Tokana. Izany tokoa.

Ampakarina tokana no misy, fa tsy anaram-piangonana roa ambin’ny folo. Tokana ny Ampakarina, efa voafidy, nantsoina hivoaka avy tao amin’ny firenena rehetra, efa voatendry mialoha ho amin’izany: ireo izay afaka mamantatra ny toerany ao amin’ny Fanjakana.

Eo amin'io Sezafiandrianana, jereo, avo be io, sy ny Tanàna Vaovao, manana fototra sy vavahady roa ambinifolo, dia i Jesosy, ilay Vato-hatao-tendrony, sy ireo apostoly izay mitsara ireo foko roa ambin’ny folo. Ny pyramidan’i Enoka dia tsy mba manome aloka tontolon’ny andro. Tany Egypta aho nijery ireo pyramida ireo. Tsara fipetraka ara-jeografia ireo fanorenana goavana ireo, sy ny refiny voafaritra tsara, ka tsy manome aloka manodidina azy, na aiza na aiza no misy ny masoandro. Azonareo an-tsaina ve izany? Ary tsy mba hisy alina any. Izy, eo an-tampon’ny Tendrombohitra, no hanazava amin’ny alàlan'ny Voninahiny. Ho eo mandrakariva ny Hazavany be Voninahitra. Tsy hisy alina any. Jesosy no Vato-hatao-tendrony.

Mariho fa ao anatin’ny Hazavana no hamindran’ireo voavotra. Andao hihira isika izao: «Handeha ao amin’ny Hazavana isika, ao amin’io Hazavana tsara tarehy io…» Misy zavatra ao anatintsika ao miantsoantso hoe: «Tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny Fiainana.» Izany no anton'ny iandrasantsika. Hitanareo? Izany no maha toetram-pahanterahan’Andriamanitra antsika, izany no tsapantsika.

Marina, tena izany… Vonona ve ianareo? Io ilay Tanàna nokatsahin’i Abrahama. Hitanareo? Mpaminany izy, fantany fa any-ho-any io Tanàna io. izany no voalazan’ny Baiboly. Dia nandao ny tanàna nisy azy izy ka lasa. Jereo nankaiza ny diany? —Nivantana tamin’izay hisy Azy izy. Hitanareo? «fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.» Hitanareo, satria izy mpaminany.

Nandeha Jesosy mba hamboatra Tanàn'Andriamanitra iray, amin’ireo Tànany, Tànan'Andriamanitra, izay Izy no Andriamanitra-Tompo-marika, ho an’ny vahoaka iray novidian'Andriamanitra, vahoaka iray voatendry mialoha. Nandeha Izy hamboatra izany.

Nanantena azy io Abrahama. Ary izy dia "nanaiky fa vahiny sy mpivahiny", satria nikatsaka Tanàna iray izay Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanorina. Mpaminany izy, ary nahafantatra fa nisy izany tany-ho- any. Nahita Azy nidina i Jaona, fa Abrahama nihevitra fa efa tsy maintsy eto ambonin’ny tany ilay Izy. Nahoana? —Satria nihaona tamin’i Melkizedeka izay Mpanjakan’io Tanàna io izy, ary nanome Azy ny fahafolonkarena, Izy izay «tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana.» Nihaona taminy Abrahama ary nandray ny Fanasan’ny Tompo izy ireo, teo amin’ny toerana indrindra izay hiorenan’ilay Tanàna, teo amin’io Tendrombohitra Masina an’ny Tompo izay honenan’ireo voavotra. Oh! la! la!

Tsy hijanona ity fotoana ity! Tsia, mbola ao anatin’ny fotoana isika izao. Fa rehefa elaela isika dia hiditra ao amin’ny Mandrakizay.

Oh! ny Tendrombohitra Masina ! Hisy làlana volamena manganohano, arabe, trano sy valan-javamaniry (Jereo Apokalypsy 21.18, raha te-hamaky izany ianareo). Ao no hisy ilay Hazon’Aina izay hamokatra karazam-boa roa ambin’ny folo, karazam-boa iray isam-bolana. Hiova sakafo isam-bolana ireo olona izay hihinana ireo voankazo ireo. Ho an’ireo mpandresy ihany izany. Hainareo ve izany? Tsy ho an’ny anaram-piangonana izany. Hoy ianareo: «Izany marina ve no tianao lazaina ry rahalahy Branham?» Andao hiverenana iray minitra monja ao amin’ny Apokalypsy 2 hahitantsika izany. Jerentsika raha izany tokoa ny Marina na tsia. Apokalypsy 2.7. Vakiontsika izany:

«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana…

Aza adino fa tsy amin’ny Jiosy izy no miteny eto, fa amin’ny Fiangonana, amin’ny firenena jentilisa:

… Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.».

Ireo mpandresy ihany, izay naharesy ny bibidia, naharesy ny mariky ny bibidia (izany dia ny katolisisma, ny protestantisma, ny anaram-piangonana), ireo izay naharesy ny bibidia, ny marika sy ny isan’ny anarany no hanan-jo amin’ny Hazon’Aina, sy hiditra amin’ireo vavahady, izay tsy ho ahafahan'izay maloto hidirana. Hitanareo? Saino izany. Andraso iray minitra monja, hanohizantsika lavidavitra kokoa. Ho an’ireo mpandresy irery ihany ny Hazon’Aina.

Hanasitranana ireo firenena ireo ravina, izany hoe, homena ireo mpanjaka monina any ka tonga eo am-bavahady hitondra ny voninahiny, hanatitra ary hametraka izany eo anoloan’ny Seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo (toy ny nahatongavan’ny foko iraika ambin’ny folo nitondra ny fahafolon-karena tamin’i Levy, hitanareo). Rehefa ho tonga hanatitra ny voninahiny izy ireo, avy any amin’ny tany voatahy, dia hioty ao amin’ny Hazon’Aina ravina masina iray avy, ary hiara-kizotra hody. Tsy hisy intsony ady, hanjaka tanteraka ny fihavanana. Hatao fampahatsiarovana ireo ravina ireo, hanasitranana ireo firenena.

Io Hazo io ihany, fa tsy toa an'i Adama, izy… Nisy Hazon’Aina iray tao amin’ny saha Edena, izay afaka ho nihinany raha tsy nanota izy. Nampahatsiahy azy lalandava io Hazon’Aina io fa lasa tsy an-kiato ny fahatanorany. Hitanareo? Toy izany amin’ireo firenena. Hatao hanasitranana ireo firenena ireo ravina. Mariho fa tsy ireo aretina fahita ankehitriny izany. Hanana ireo zo ho nananan’i Adama isika, toy ny… voromailala tamin'ny ravin’oliva iray, izy rehetra… ny mpanjaka tsirairay dia haka ravina iray.

Mariho fa ny Onin’ny ranon’Aina dia mety ho misampana renirano maro, avy any ambony. Fa izao, eto amin'ity tany ity… Andeha hamarana aho afaka minitra vitsy. Ato amin'ity tany ity… Kanefa izaho andeha hamarana. Dia misy fanamarihana maro tavela, sahabo telopolo pejy. Yah. Jereo. Tato amin’ity fiainana ity, tsy mbola nahita aho zavatra mahafapo, raha eny an-tendrombohitra, ka mahita, (araka ny nitoriako indray hariva iny), sakelidrano iray miboiboika, sy ny loharanony mahavelona. Na reraka sy mangetaheta toy ny ahoana ianao, dia tongàva amin'ny sakelidrano tsara iray, izay mipoitra avy amin’ny lalina tsy mety isiana otrik’aretina, any amin’ny an-jato maro pieds anatin’ny tany any, ny loharanony miboiboika rano madio, tena rano, mahavelona. Mankasitraka izany isika. Kely izany.

Fa manana sakelidrano manafa-ketahetan-drano maro ny tany. Raha mangetaheta ianareo, tena mangetaheta mafy toy ny hiala aina, misotroa amin’io rano mangatsiaka tsara io, dia hamelombelona anareo izany. Fa jereo, avy aiza ilay Anankiray io. Avy ao amin’ny Sezafiandrianana, ao no misy ny Loharanony mpanome Aina. Mipoitra avy ao ambanin’ny Sezafiandrianan’Andriamanitra izany, eo amin’izay ipetrahan’Andriamanitra.

Ny rehetra, ny olona rehetra amin’ity tany iainantsika izao ity, na kristiana na mpanompo-sampy, dia samy manana tempoly. Efa mba noheverinareo ve izany? Manana trano fiangonana izy rehetra. Saingy amin'ity Anankiray ity dia tsy misy. Hoy ny Baiboly: «Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra dia ny Tsitoha sy ny Zanak’ondry no tempoliny». Fa ny Zanak’ondry no Fanazavana, ny Zanak’ondry no Tempoly, Ny Zanak’ondry no Seza fiandrianana, ny Zanak’ondry no Fiainana. Izy io Tempoly io. Hitanareo, any amin’ireny tempoly rehetra ireny dia misy zavatra iankohofany, fa ao amin’ity Tanàna ity, Izy io zavatra io. Miaraka amin’ny Vahoakany Izy.

Manenika ilay Tanàna-pyramida ny Fanahy-Hazavany. Toy ny tamin’i Petera sy Jaona teny an-tampon-tendrombohitra. Nandrakotra ny tampon’ny tendrom-bohitra ny Hazavana, ary nisy Feo niteny hoe: «Ity no Zanako malalako»,. Izao no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 21:3: «Indro ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy.» Tonga nitoetra ao anatin’ny olombelona Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny fanavotana azy, izay misy ireo dingana telo ireo.

Ankehitriny, andeha hanavotra ny tany Andriamanitra ary honina eo amboniny, hiaraka amin’ireo Mpanompony eto an-tany, izay notsoahiny avy tao amin’ny tany. Ary nandalo tamin'ny fahalavoana izy, fa ny… Tsy maintsy namela izany nitranga Izy. Fa ankehitriny, naniraka an’i Jesosy Izy nanavotra io tany lavo io, izay manana antsika ho ampahany. «Tsy hisy ho very na dia singam-bolonareo iray eo amin'y lohanareo aza.» izany no voalazan’i Jesosy. Hoy Izy: «Fa hatsangako indray amin’ny andro farany.» Hitanareo? Nahoana? —Satria ianareo dia ampahan'ny tany.

Marihonareo, nisy vazivazy kely nataoko tamin'ny vadiko raha niteny tamiko izy fa misy mihintsana ny voloko. Novaliako izy fa tsy nahavery na iray aza aho.

- Dia hoy izy tamiko: «Aiza ary izy ireo?»

- Dia hoy aho: «Any amin’ny nisy azy talohan’ny nananako azy.» Efa nisy hatrizay izy ireo, amin'ny maha "raha" azy, ary na aiza na aiza misy azy, izao, dia miandry ahy izy ireo. Hitanareo? Marina izany. Indray andro any dia hanatona azy ireo aho.

Ity vatana antitra ity, mikentrona sy mihena, mitandatsaka soroka, manaintain-dohalika, farin-tenda —Tsara dia tsara— dia azonareo halevina any an-dranomasina. Fa ny Trompetra hamoha ahy!….. Eny, Andriamatoa. Andeha hovana isika indray andro any. Singan'io tontolo navotana io aho. Ao amin’izao-tontolo-izao ianareo, saingy tsy an'izao-tontolo-izao na kely aza. Sokajy hafa no misy anareo, sokajin'ireo navotana. Mariho fa "ny tabernakelin’Andriamanitra dia ho eo amin’ny olombelona."

Mariho fa "Efa lasa ny zavatra taloha." Efa lasa ireo zavatra ireo. Midika izany fa ny Lanitra dia nidina hiara-monina amin’ny olombelona. Hitanareo? Nifamihina ny Lanitra sy ny tany. Izany dia mitovy tsy misy hafa, tamin’ny nidinan’ilay Voromailala teo amin’i Jesosy izay sombin’ny tany. Vovoky ny tany Izy, satria Olombelona. Avy tamin’io tsirin’Aina kely tokana io Andriamanitra, noho ny Herim-pamoronany, no tonga. Ary ny Rà izay tao… Ny Aina izay tao amin'ny Rà dia niverina tany amin’Andriamanitra, fa ny Rà niraraka teo amin’ny tany, ahafahany mitaky azy. Izany dia satria nisy rà tonga avy tamin’ny selan'ny tsirinain’i Kaina. Hitanareo?

Miverina Izy ankehitriny miaraka amin’ny herim-pamoronana toy ny nanaovany an’i Adama, fony noforonina i Adama, dia indro ny Adama faharoa. Ary tamin'ny alàlan'io famakiana sela namakian’i Kaina io sela teo amin’ny marina io, hitanareo, izao io Selan-dRà io… Satria namono an'i Abela izy, saingy Abela dia teraka tamin’ny alàlan’ny firaisana ara-nofo. Fa Ity Anankiray ity dia tsy teraka tamin’ny firaisana ara-nofo. Izy dia famoronan’ Andriamanitra, "fiandohan’ny famoronana". Ary Izy no nanavotra ny tany. Ary navotana avokoa ny zavatra rehetra nanaovana anareo: ny kalisiôma, ny potasiôma, ny solika, ny hazavana kosmika. «Tsy hisy ho very na dia singam-bolo tokana aza… Ary hatsangako manontolo indray amin’ny andro farany.» Dia misy inona avy eo?

Andriamanitra dia midina hitoetra eto ambonin’ny tany, izay maha ampahany Azy, maha sombin’ny tany ny Vatany. Nitsangany tamin’ny maty Izy ho fanamarinana antsika, ary voamarina isika rehefa mino sy manaiky izany. Mariho fa, araka ny aloka, Jesosy dia tonga… Ao amin'ny aloka, Jesosy dia tonga olona. Andriamanitra… kanefa voatendry hisolo toerana azy, hanavotra antsika, hahatonga ny zavatra rehetra ho azo atao.

Mariho ny ivelan’ireo rindrina kanto, an'ilay Tanàna. Hitanareo amin’izay ve io Tanàna io? Hitanareo, Tendrombohitra masina izy. «Ary tsy hisy handratra na hanimba eran’ny Tendrombohitro Masina.», hoy ny Tompo. Tsy kioba ilay Tanàna fa Tendrombohitra. Ary ny sakany sy ny halavany ary ny haàvony dia mitovy. Hitanareo? dimanjato sy arivo miles amin’ity lafiny iray ity, dimanjato sy arivo miles amin’iry lafiny iry, dimanjato sy arivo miles ny manodidina rehetra, ary dimanjato sy arivo miles amin’ny haàvony. Koa izany dia Tendrombohitra lehibe iray, toy ny pyramida, ary ny Tanàna dia eo amin’ny Tendrombohitra. Voninahitra! Eo ianareo izao. Indreo ireo paradisan’Andriamanitra, ny Fahazavan’izao tontolo izao, ilay Fanjakana tonga lafatra. Tsy ny andro fahafito izany, fa ilay Mandrakizay! Hitanareo, tsy ny Fanjakana-arivo-taona izany, fa ny Tany Vaovao. Hitanareo?

Ny Fanjakana-arivo-taona no fandalovan’ny tany amin’ny fanamasinana azy, kanefa tsy maintsy mbola ho dorana izy, hitanareo, izay nanavotana ny vahoakany tamin'ny Rà, ho fanehoana fa izany dia fahatsiarovana fa… efa vita ny sarany, ireo arivo taona ireo. Kanefa, amin'izay dia tsy maintsy ho diovina amin'ny Afo izy, tsy misy hafa aminareo koa, ianareo izay Solontenan'ilay Tanàna, fikambanan’ny solontena. Koa raha ho faty ianao na ho velona, inona no mahasamihafa izany? Raha anio Izy no tonga, na afaka zato taona, na afaka arivo taona, dia hiala sasatra fotsiny aho mandra-panovàna ahy.

Noho izany, ianareo antidahy sy antibavy, aza kivy. Raha fanehoana iray eto ianareo, ao amin’io toetram-pahatanterahan’Andriamanitra io, Andriamanitra, raha manana izany ianareo, raha voasolotena ao ianao, ianao tsy afaka… Ianareo dia ao amin’ny Mandrakizay.. Ary raha mahavakivaky io andro fahafito io ianao ka tafiditra ao amin’ny fahavalo, midika izany fa nahazo ny Mandrakizay ianao tamin'ny alalan'ny batisan’ny Fanahy Masina, dia ampahan’Izany ianao. Fa raha ianareo miankina amina fahatsapana na fitsambikimbikinana etsy sy eroa, na hiteny hoe: «Manao izao aho; mitandrina ny andro fahafito aho, tsy mihinan-kena aho» sy zavatra toy izany, ho hitanareo fa izany rehetra izany dia ho faty avokoa, na manao ahoana. Hitanareo? Fa Ity ny Mandrakizay. Hitanareo? Ity ny Mandrakizay, ny Firavoravoana aorian'ny firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Hitanareo? Ny firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo no farany, ny fahafito. Isika izao dia midera mandritry ny firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, ny taona fahafiton’ny Fiangonana.

Mandritry ny Fanjakana-arivo-taona, dia ho ambanin'ny firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo indray isika, ao amin'ny andro fahafito. Fa avy eo, aorian’ny andro fahafito, dia hisy Fivoriana Masina iray, hiverenana ao amin’ ny Mandrakizay. Ahoana izany? Amin’ny alàlan’Ilay Tokana Mandrakizay, izay tonga, ary nanavotra antsika sy namerina antsika, namela antsika namantatra fa ampahan'Izany isika.

Fa izao, ahoana ahafantaranareo fa ampahan’Izany ianareo? —satria, izany, dia ny Teny ho an’izao ora izao, ny Teny fikasana ho an’izao andro izao. Inona izany? —izany dia ny fampodiana amin’ny andro voalohany, amin’ny fiandohana, «Ary Izy hampody ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy,» hitondra fampodiana Pentekosta tena izy, fa tsy fahatsapan-javatra fotsiny; ary hampiseho ny Hazavan’ny hariva, dia ilay Zanaka naseho tao amin'ny Hazavan'ny maraina ihany, araka ny nampanantenaina ho an'ny andro. Amena sy Amena!

Aiza isika izao, ry sakaiza, aiza misy antsika? —Miandry ny fanesorana antsika fotsiny isika izao, mba, araka ny Apokalypsy 11, ho azo atao ny… mampahafantatra ny Jiosy. Marina izany. Avy ny Fampakarana.

Jereo. ivelan’ireo vavahadin'ny rindrina, no ivelararan'ny Tany Vaovao, izay honenan' ireo firenena, anaty fiadanana mandrakizay. Fomba ahoana? —Ireo manan-kaja mpanjakan' ireo firenena ireo dia hanatitra ny voninahiny avy ao Aminy. Tsy mety hisy fahotana ao. Tsy hisy vehivavy mibory volo toy ny zazalahy hiditra ao amin’ilay Tanàna, manome antoka anareo aho amin’izany. Tsy hisy olona hanao short, hifoka sigara. Na mpamarotra olona, na mpivaro-tena, na mpandainga, na mpanompo sampy (na inona ny karazany) tsy hiditra ao amin’io Tanàna io. Tsia, efa ho lasa avokoa izany, ho lasa ny ota. Tsy hisy zavatra mety handoto ny Fahamasinany ho afaka hiditra ao. Izany no nilazany hoe: "Efa voàova mandrakizay ny zava-drehetra."

Jereo ireo saha, manodidina ireo vavahadiny.

Ny bera ho morabe, ny amboadia ho folaka,
Ary ny liona hiara-mandry amin’ny ondry;
Ary ny bibidia ho tarihin’ny ankizikely,
Ity tenako ity ho voàova, tsy ho izaho izao.

Avy amin'ity fahafatesana miasa ao amin'ny tenako mety-maty, fitoeran'ny fahanterana, dia ho voàova aho. Efa norenesinareo ve ilay hira: «Ny bera ho morabe, ny amboadia ho folaka…»? Tsy hierona sy hiantsambotra aminareo mba hamono anareo intsony izy. Hiara-kamindra aminareo eny an-dàlana izy.

Iza no handova izany? Ireo voavotra. Iza izy ireo?

Mariho, araka ireo endrika hitako ireo ihany no ahafahako mampianatra anareo. Mariho, Rahalahy Lee. Iza ireo niaraka tamin’ny mpaminany Noa, nandia io tany vaovao io? Ireo izay niara-niditra taminy tao amin’ny sambofiara. Marina izany? Ireo nivoaka avy tao izany. Hitanareo? Ireo izay niditra tao amin’ny sambofiara niaraka tamin’i Noa, noho ny hafatra nentiny no niara nandia ny tany vaovao, taorian’ny batisan’ny ranony. Izay miara-mamindra amin’i Jesosy izao… Ahoana no idiranao ao Aminy? —Amin’ny Fanahy iray ihany, ary Izy no Teny. Tonga sombiny ianao. Sombiny aiza ao Aminy ianao? —Ny Teny velona amin’izao ora izao, ka nofantarinao. Hivoaka miaraka Aminy ianao ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona. Izany no fotoana izay hivoahanao.

Mariho fa tsy fiterahana vaovao izany, fa famindrana ketsa..

Hoy ianareo: «Oh, rahalahy Branham!…» Oh!

Mariho, fa raha Andriamanitra afaka nampiakatra an’i Elia sy nandray azy, dimanjato sy roa arivo taona lasa izay, ka hamerina azy indray ety ambonin’ny tany, mba ho mpaminanin’ ireo Jiosy, vao mainka manao ahoana ny hahavitan'izany ho an’ny Ampakarina!

Mariho izay nolazaina an’i Noa rehefa tafavoaka ny sambofiara izy, avotra tamin’ny safo-drano, ka tonga tamin’ny tany vaovao, toy ny nolazainy tamin’ny Adama teo aloha ihany. Rehefa nivoaka izy, dia hoy Andriamanitra taminy,: «Mihamaroa ary mamenoa ny tany» (taorian’ny safo-drano). Mariho àry fa, izany dia ny "tsy maintsy namokatra sy nameno ny tany", tahaka an’i Adama teo am-boalohany.

Hitanareo mazava tsara izany Izao. Izao dia mifantoha. Adama dia tsy maintsy "nihamaro sy nameno ny tany"  Tsy izany? Noa, rehefa rava ny tontolo fahagola, niditra tontolo vavao, dia tsy maintsy "nihamaro sy nameno ny tany". Azonareo? Tsy hitanareo amin’izay ve inona ilay "taranaky ny menarana"? Inona no mameno ny tany? Hitanareo?

Tsara dia tsara, hitanareo izao ny nanatonan’i Satana an’i Eva. Izany no nahatonga ny fahafatesana nanjaka teto ambonin’ny tany hatrizay. Ary voàozon’Andriamanitra noho izany ny lanitra, ny tany, ny biby, ny rivotra, ny zavatra rehetra. Nitoetra ny ozona satria Satana no tonga voalohany. Tonga Jesosy hanavotra ny tany ka hampody azy amin’ny Ray. Mba ahafahany hanao izany dia tonga sombiny Izy (vao noresahiko io). Ary avy amin'ny nanavotana io tena vovo-tany io (ny ampahan'ny tany izay i Jesosy, Izy tenany), sy amin'ny alàlany, Izy, no anavotana, ireo Toetram-pahatanterahan'Andriamanitra, miaraka amin'ny tany.

Izy ilay Teny Voambara. Ampahany ao Aminy isika izay voavotra. Koa, raha afaka mamantatra ianareo! Hitanareo? Nihambo ho izany ireo fariseo. Kanefa, hitanareo ilay sary nataoko voalohany iny. Ara-tsaina fotsiny ihany no naha-tao azy ireo. Rehefa naseho teo anatrehany Izy, tsy afaka namantatra Azy izy ireo. Niteny ireo hoe: «Manana demonia io lehilahy io.» Ankehitriny dia mpaminany sandoka no iantsoana anay. Ireo mpivavaka, ireo olona ngeza marani-tsaina dia mametaka anaran-dratsy isan-karazany aminay. Hitanareo, tsy mahafantatra fotsiny izao izy ireo. Hitanareo?

Tsy ampy nanadiovana ny tany ny batisan’ny rano; tahak’izany koa ho azy ireo. Ny fanamasinana, amin'ny alàlan'ny Rà, dia famerenana azy indray, fitakiana azy. Fa ny batisan’ny Afo no mandio azy, tahaka ny nataony tamin’ny Fofombadiny. Fanamarinana, fanamasinana, ary batisan’ny Fanahy Masina.

Tsy mba nampanantena hamorona karazan’olona vaovao Izy, toy ny efa voalazako, fa nampanantena Izy hanavotra ireo izay lavo, ireo voatendry mialoha ka lavo izany, ireo voatendry izay nandova araky ny nampanantenainy. Ary Izy no ilay Andriamanitra tsy miova; fantatsika izany.

Tsarovy fa, Andriamanitra naka an’i Elia, ka rehefa nampakariny, dia novany, ary natsofony niverina indray eo anivon'ny olona, handray ny toeran'ny mpaminany eo amin'ny vahoakany. Tsy ho ela dia hanao izany Izy. Notehiriziny velona izy nandritry ny dimanjato sy roa arivo taona, ary tsy maintsy hiseho indray izy.

Mariho indray, fa natsangany tamin’ny maty Mosesy. Aiza no misy ny fasany? Misy mahita izany ve? Vakio ny bokin’i Joda. Hitanareo? Satana…Nifandiran'i Satana ilay arkanjely, ka namaly hoe: «Hananatra anao anie ny Tompo.» (mikasika ny fatin’i Mosesy no nifandirany). Ary indreo Petera sy Jakoba ary Jaona nijoro, nijery Azy teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, teo amin’ny tany izay tsy maintsy hitsanganan’ilay Tendrombohitra ho fonenana. Hitanareo? Ary tonga Izy mba hanavotra azy.

Hitanareo, ity maneho ny Fiangonana nampakarina; ary ity eto maneho ireo izay matory. [Maneho izany eo amin'ny solaitrabe ny rahalahy Branham —Ed.] Aiza? —Ao amin’ilay Tanàna, izay eo an-tampon’ny Tendrombohitra. Hitanareo? Teo i Petera sy Jakoba ary Jaona, nijery: vavolombelona telo. Teo i Elia sy Mosesy ary Jesosy, toy ny vavolombelon'ny Lanitra. Hitanareo? Ary teo Mosesy, ilay efa maty, nefa natsangana tamin’ny maty. Teo i Elia, ilay nampiakarina, ary mbola velona hatrizay. Naseho teo izy roa ireo, teo ambonin’io Tendrombohitra masina io. Ary Jesosy, ilay Mpanavotra dia teo: Andriamanitra teo amboniny, nandrakotra Azy toy izao, niteny hoe: «Ity no Zanako Malalako.»

Tsarovinareo fa ny omalin’iny Jesosy dia nilaza hoe: «Lazaiko aminareo marina tokoa: misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.» Inona izay? —Ireo maty natsangana sy ireo masina nakarina, miaraka, raisina hihaona Aminy eny amin’ny rivotra. Ary Andriamanitra mandrakotra Azy, Jesosy mijoro ao amin'izany aloka izany, miteny hoe: «Ity no Zanako Malalako Izay sitrako itoerana ao AminyIzany no lamin'ny Fanjakana Vaovao.

Ry rahalahy, ry anabavy ô! Tsy mampiova anao ny fahafatesana. Tsy manao afa-tsy ny mamindra toeram-ponenana anao fotsiny ny fahafatesana. Hitanareo? Tsarovy i Samoela izay maty ary nalevina. Efa roa taona tany amin’ny Paradisa izy, raha nantsoin’ny mpaminanivavin’ny Andora dia mbola fantatr’i Saoly; Ilay mpaminanivavy koa nahafantatra azy ka lavo niankohoka. Tsy niova na dia kely izy. Mbola ilay Samoela ihany izy, na efa maty roa taona, ary mbola mpaminany ihany izy. Hoy izy: «Rahampitso dia ho faty mandritry ny ady ianao sy ny zanakao, ary rahampitso hariva, amin’izao ora izao, dia ho ety amiko ianao.» Ary izany tokoa no nitranga. Hitanareo? Ary rehefa miverina i Mosesy sy Elia ao amin’ny Apokalypsy 11, dia mbola ho mpaminany izy ireo. Haleloia!

Ary rehefa ho any ankoatra any, ao amin’io Tany, ao amin’io Tanàna manana ny Zanak’ ondry ho Fanazavana io, dia ho fantatro ianao ry rahalahy Mc Kinney. Ary ho fantatro ianareo, ianareo vahoakako, vatosoan’ny satroboninahitro. Rehefa ho tamy avy any atsinana sy andrefana izy ireo, ka tonga ao amin’io Tanàna manana lafy mirefy dimanjato sy arivo miles io, ny Ampakarina dia hapetraka ao, amin’io Tanàna miraefadafy io. Rehefa ho eo amin’io Tendrombohitra Masina ianareo, Andriamanitra ho eo amboniny, ary Jesosy eo amin’ny Seza fiandrianana. Dia haneno ny Trompetra volamena, rehefa hiala eo Josefa, mba hidina hamindra ao amin’ny Paradisa. Ary handohalika sy hitsaoka Azy ireo zanak’ Andriamanitra, mahafantatra fa avotra izy ireo. Hitanareo? Amena! Haleloia!

Indraindray aho, manina ny Lanitra,
Sy ny voninahitra ho hitako any.

Akory ny ho hafaliana, hahita ny Mpamonjiko;
Ao an-Tanàna volamena mahafinaritra,
An-dalàna ho amin'io Tanàna tsara io aho,
Izay nomanin’ny Tompo.

Hoy Isaia, ao amin’ny Isaia 9:6: «Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana…» Na ireo biby aza dia ho ao. Oh! la! la!

Ny bera ho morabe, ary ny amboadia ho folaka
Ary ny liona hiara-mandry amin’ny ondry
Ary ny bibidia ho tarihin’ny ankizikely,
Fa izaho, andeha hovana.

Hovana hiala amin'ny endrik'ity zavamanan'aina izay izaho ity aho, rehefa ho tonga izany andro izany. Satria izaho hankao amin’io Tanàna io. An-dàlana ho any amin’io Tanàna kanto io aho izao. Mahatsapa ny Herin’ ny fanavotana ato anatin’ny foko rehetra aho izao. Raha tsy izany dia ho nandany foana ny fiainako aho; ho nampianatra zavatra mamitaka tamin’ny hafa aho. Kanefa raha mahita ireo zavatra ireo aho, mahita ny teny fikasany ho amin’izao andro izao voamarina, mahita io fiangonana tafavory eto io, avy any amin’ny dimanjato sy arivo miles sokera; ny fiangonana iray Voafidy, voantso avy tamina anaram-piangonana, sy firenena, sy fanekempinoana, ary zavatra hafa, toy ny ahitako ny Teny manamarina ny Tenany ihany, dia haiko, tsy misy fisalasalana, fa hamiratra manerana izao tontolo izao ireo vatosoan’ny satroboninahitro, amin’izany Andro izany

Ho avy ny fotoana, ry vahoaka! Tsy ho foana ny ivoriantsika eto. Miandry izany fotoana izany fotsiny isika. Efa mandroso dia mandroso ny fotoana ary efa akaiky dia akaiky Jesosy. Ary mahagaga ny Voninahiny! "Ny Anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina". Afaka mahazo sary an-tsaina io Tanàna io ve ianareo? Ao no hitoetra mandrakizay ny Ampakarina sy ny Mpampakatra.

Fa izao, raha hitanareo fa mahafinaritra ny handehanantsika fiarakodia an-jatony maro miles mba ho tonga ato hisakafo amin'ny Teniny, izay mbola aloka ihany, hanao ahoana re rehefa hitoetra hiaraka Aminy ao amin’ilay Tanàna isika ê! rehefa hifanolo-bodirindrina aminareo aho, rehefa hihinana amin'ireo hazo isika, handeha amin’ireo arabe volamena isika, hankao amin'ilay loharano, mba hisotro ny rano eny amin’ny loharano, hamindra ao amin’ireo Paradisan’Andriamanitra, hiaraka amin’ireo anjely manidina ambonin’ny tany sady mihira hira fiderana? Oh, ho andro hanao ahoana re izany! Mendrika avokoa ny zavatra rehetra.

Toa be vato ny làlana, indraindray, manasarotra ny dia. Saingy, Oh, ho tsinontsinona loatra izany rehefa hahita Azy aho, ho tsinontsinona loatra! Ho inona avy ireo anarana ratsy sy ireo zavatra rehetra lazain'izy ireo, ho inona avokoa izany rehefa hahita Azy aho ao amin’io Tanàn’Andriamanitra kanto loatra io?

Hanondrika ny lohantsika isika.

Mizotra ho any amin’io Tanàna kanto io aho,
Ny Tompoko nanomana Izany ho an’ireo Azy,
Ireo navotana tamin’ny vanimpotoana rehetra
Mihira "Dera!", manodidina ny Sezafiandrianana fotsy.

Indraindray aho manina ny Lanitra,
Sy ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io.

Tao amin'ny nosy Patmo, Jaona dia nahita Azy io! [Latsa-dranomason-kafaliana ny rahalahy Branham —Ed.]

Jesosy malala, io fanantenana io, ny fanantenako, dia tsy mifototra afa-tsy amin'io Tanàna io, Tompo. Izy no renin'ny foko. Hahita ilay Tanàna, hahita ilay Mpanjaka lehibe. Andriamanitra, aza avela hisy ho faty, na tokana aza, eto, azafady. Aoka handinika ny fiainanay indray izahay anio, Tompo, eo am-piandrasana ny Fiavian'ny Tompo. Any, misy ireo voavotra maro, tany lavitra tany, kristiana maro nohanin'ny liona tao amin'ilay Colisée lehibe tao Roma, izay tsy maintsy hitsangana amin'ny vovoka indray andro any. Tsy hisy fasana intsony eo amin'ny havoanam-boninahitra. Tsy hisy filazana fisian'olona maty intsony, tsy hisy ranomaso hanamando izany intsony. Tsia, tsia, tsy hisy ahimaitso ho rava intsony, satria tsy hisy tafio-drivotra hikapoka azy. Ho henim-boninahitra ny zava-drehetra.

Tompo ô, ampio izahay. Raha misy iray eto… izay voantso ho ao amin'io Fanasan'ny Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry io, sy io Fanjakana-arivo-taona io, ary hiditra ao amin'ny Tanàna rehefa ho tapitra ny Volantantely (Volantantely io Fanjakana-arivo-taona io). Rehefa izay, dia hentin'ny Mpampakatra ao an-Tranony ny Vadiny. Satria Azy Izy. An'ny Mpampakatra ny Ampakarina. An'ny Ampakarina ny Mpampakatra. Oh, nandeha nanomana Trano iray Izy, hatramin'ny nofofoany Azy. Aoka ho mahatoky Aminy izahay, Izy ilay Teny, satria Izy no Teny. Aoka anie izahay tsy hiraharaha ireo esoeson-teny ezahin'ny sasany atao aminay: Tompo ô, arovy amin'ireny izahay. Ampanatony kokoa Anao aho.

Indraindray aho manina ny Lanitra,
Sy ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io.

Ny ho fonenan'ny Mpampakatra sy ny Ampakarina! Hiverina Izy [Misy banga ny kasety —Ed.]… amin'ny Fampakaram-bady izay haharitra telo taona sy tapany. Dia hiverina indray ho amin'ny Fanjakana-arivo-taona, volantantelintsika. Ary aorin'izany Izy hampiseho ilay Tanàna. Toy ny mpampakatra iray mitondra ny ampakariny mankao aminy, mampiseho ilay fanomezana tsy nampoizina. Akory ny ijoroan'ilay ampakarina kely, feno fanajana, mijery ny ho Fonenany. Ary ankehitriny, amin'ny alàlan'ny finoana, Tompo, no ahitanay Azy, any. Ho eto amin'ity tany ity Izany. Nampanantenainao izany. Ny Fiangonanao dia ho voavotra tanteraka, indray andro any. Ary amin'izay dia ho voavotra ny Teninao, hatramin'ireo singany kely indrindra. Fa mialoha izany, navotanao ireo Olonao, ireo vatany izay notsoahina tamin'izao-tontolo-izao.

Andriamanitra ô, ampio izahay. Raha misy eto tsy mahazo antoka tanteraka izany, aoka izy ireo handray izany izao, Tompo. Fantatro fa lava ny toriteny ary mafana ny andro, kanefa isika tsy ho eto mandrakariva; tsy ho pasiteranareo mandrakizay aho. Aoka ataontsika azo antoka izany.

"Misy fomba amin'izany ve, rahalahy Branham?" —Eny, meteza ianao ho sombin'ny Teny, sombin'ny Teny ho an'izao fotoana izao. Tsy mety ho sombin'ny Teny ho an'ny andron'i Mosesy ianao. Efa tapitra iny fizarana iny; naneho ny tongotry ny Vatana iny. Eo amin'ny Loha isika ankehitriny, izany dia Kristy. Tsy fotoanan'ny tànana, hiverenana any amin'i Lotera. Tsia. Izao dia andron'ny Loha. Kristy, ilay Vato-atao-tendrony, no manatona ny Vatana.

Raha mahatsapa tena ho tsy mbola mahazo tsara izany ianareo, n'aiza n'aiza misy anareo, aoka hanangana ny tànanareo fotsiny ianareo, mba ho hitako. Ny sisa rehetra aoka hanondrika ny lohany. Andriamanitra anie hitahy anareo! Mitenena hoe: "Tsarovy ao amin'ny vavaka aho, ry rahalahy Branham. Maniry mafy ny ho tonga any aho. Tsy te-handalo izany aho, rahalahy Branham. Mandini-tena aho, miezaka arak'izay azoko atao aho, fa mivavaha ho ahy ianao izao." Hataonareo izany? Andriamanitra anie hitahy anareo. Mivavaha sady saintsaino izany izao. Mitenena hoe: "Andriamanitra…". Ao anatin'ny fonareo izany. Hitanareo? Raha mahatsapa ianao fa misy zavatra mitepo ao amin'ny fonao, dia izay ilay izy. Izay ilay toetra izay miezaka ny hiseho.

Mizotra ho any amin’io Tanàna kanto io aho,
Ny Tompoko nanomana Izany ho an’ireo Azy,
Ireo navotana tamin’ny vanimpotoana rehetra
Mihira "Dera!", manodidina ny Sezafiandrianana fotsy.

Indraindray aho manina ny Lanitra,
Sy ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io!

Rainay izay any an-Danitra, raiso izahay izao. Tompo, aoka ilay Mpiandry ondry lehibe ho tonga, ilay Mpiandry lehibe Mpanavotra, ilay Mpiandry lehibe izay nandao ny Voninahitra satria ireo Toetram-pahatanterahana sasany dia very tany amin'ny lohasahan'ny ota, misy ireo amboadia sy ireo bibidia te-handrapaka ireo ondry kely ireo. Kanefa nilaozany ireo làlam-bolamena, ary nidina tetỳ an-tany Izy, ka tonga iray taminay, nahafahany nanambara ny Fitiavan'Andriamanitra taminay. Teo, dia hitany izy ireo, ny sasany tany amin' ireo anaram-piangonana, ny sasany tany amin'ireny trano ratsy laza ireny, ny sasany teny an-dalambe, jamba, ny sasany teny amoron-dàlana na tao anaty fefin-javamaniry, na teny amin'ny arabe mikodaona; fa Izy nanavotra ireo rehetra izay nodidin'ny Ray navotana. Ary naniraka anay Izy, hiainanay ny ampahan-Teny voatokana ho an'ireo taom-Piangonanay. Ary izahay nahita ny Reformasiona lehibe an'i Luther, tamin'io taona io, sy ny an'i Wesley, ary ny an'ireo Pentekotista. Ankehitriny izahay dia miandry ny Vato-hatao-tendrony ho an'ilay Tanàna.

Andriamanitra ô, fantatray ny taona misy anay, sy ny teny fikasana ho an'izao andro izao; ary ahoana ny tsy maintsy hamerenana Izany amin'ny laoniny indray. Ny Hazavan'ny hariva hanamasaka ny voany. Ary "hisy andro iray izay tsy andro tsy alina; nefa raha hariva ny andro dia hisy ny Hazavana." Ilay Zanak'Andriamanitra be voninahitra ihany, izay niseho tamin'ny endriky ny nofon'olombelona tety an-tany, nampiaina marina ny teny fikasana, no nananjamba. ny Aminy ireo Fariseo, ireo Sadoseo, Heroda sy ireo hafa rehetra. Ary miverina indray izany ankehitriny, ny Teny maneho ny Tenany, toy ny taloha ihany. Ny Teny mamantatra ny zavamiafin'ny fo, amin'ny fomba nataony taloha ihany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, izay tsy mety ravana. Ampio izahay hanatanteraka izany, Andriamanitra. Ampio ireo izay manangan-tànana izao. Aoka izy ireo hifehy tena kokoa, hikiraro ho an'ny Filazantsaran'ny fihavanana, hitafy feno ny arovatan'Andriamanitra, hisatroka ny fiarovan-doha, handray ny ampingan'ny finoana, ary handroso, manomboka anio. Omeo izany, Tompo.

Fotoana kely sisa dia ho voantso izahay, ary ho tonga ny fampakarana. Ho vondrona bitika kely, toa an-dry Enoka, no ho raisina hiakatra. Amin'izay fotoana izay, ho enjehina toy ny alika, ary tsy maintsy hahafoy ny ainy "ho fijoroany vavolombelona" ireo sisa amin'ny zanak'ilay vehivavy, dia ireo "izay mitandrina ny didin'Andriamanitra" (ireo Jiosy), sy ireo "mitana ny filazana an'i Jesosy Kristy" (ireo jentilisa). Rehefa izany, indray maraina be voninahitra, dia hanomboka ny fialan-tsasatry ny Fanjakana-arivo-taona, ho an'ny Volantantely. «Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.» Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hisy ny Fitsarana farany, mampiseho fa tao anatin'ilay sambofiara i Hama. Ary i Hama dia mbola teo, tao ao amin'ireo sisa. Ireo izay nandre Azy nefa nitsipaka Azy dia tsy maintsy hotsaraina. Izao, dia omeo anay Tompo, ny tsy ho anisan'ireo, fa kosa ny ho voantso ho amin'ny Fanasan'ny Fampakaram-bady. Satria izahay miaiky fa eo anivonay Jesosy ankehitriny. Hiaraka hiditra Aminy izahay, hiala amin'izao tontolo izao, mba hankao Aminy. Mamelà anay handeha ao amin'io Tanàna io, hivoaka ka hiaraka Aminy.

Miha-antitra ny tenako, Tompo. Tsy hitory betsaka intsony aho. Matoky Anao tanteraka aho. Mikaroka io Tanàna io aho, tahaka ny nataon'i Abrahama raiko. Misy zavatra ato anatiko milaza fa avy Izy. Miezaka mampiparitaka ny Fahazavana hatraiza hatraiza aho, ry Tompo. Aoka tsy hisy ho tavela aoriana ireto rehetra ireto, ry Tompo. Fomba mahagaga no nanambaranao tamiko teo, fa ireto tafavory ireto dia avy amin'ny manodidina sahabo dimanjato sy arivo miles avokoa. Tafangona amin'ity toerana kely ity izy ireo, miandry ny hisehoan'ilay Tanàna. Milaza ny tenanay ho mpivahiny sy vahiny izahay, olona noroahina. Mihomehy anay sy manadala anay ireo tsimpino, ireo olon'izao-tontolo-izao; maneso anay ireo anaram-piangonana mpivavaka, fa tsy mahataitra anay ireny zavatra ireny. Ry Tompo ô, aoka izahay ho tonga sombiny tsy voahozongozona ao amin'ny Teny. Hiseho ireo zavatra ireo amin'izao andro izao. Ho anisan'izy ireo anie izahay, ry Tompo; mba ho voaisa ao amin'izy ireo anie izahay. Amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo no angatahanay izany. Amena.

Mino izany ve ianareo? Andao asandratratsika toy izao ny tànantsika:

Mizotra ho any amin’io Tanàna kanto io aho,
Ny Tompoko nanomana Izany ho an’ireo Azy,
Ireo navotana tamin’ny vanimpotoana rehetr
Mihira "Dera!", manodidina ny Sezafiandrianana fotsy.

Indraindray aho manina ny Lanitra,
Sy ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io!…

Izao, raha tsy maintsy hiara-monina ao amin'io Tanàna io isika, aoka hifandray tànana amin'ny hafa, ka hiteny hoe: "Ho tahin'Andriamanitra anie ianao ry mpivahiny! Avy aiza ianao?", "Avy any Louisiane", "Avy any Georgie", "Avy any Mississipi ? Izaho koa mpivahiny. Mikatsaka io Tanàna io aho". [Mitodika ny rahalahy Branham, ary mandray tànana ireo manodidina azy – Réd]. Mikatsaka io Tanàna io aho, Rahalahy Neville. Mizotra mankany amin'ilay… Amena. Rahalahy Capps, mikatsaka io Tanana io aho, anio hariva [Manomboka mihira Rahalahy Branham —Ed.] "

Ary ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io.

Oh, ny bera ho morabe, ny amboadia ho folaka,
Ary ny liona hiara-mandry amin’ny ondry;
Ary ny bibidia ho tarihin’ny ankizikely,
Ity tenako ity ho voàova, tsy ho izaho izao.

Oh, hisy fiadanana ho ahy ao an-dohasa, indray andro any;
Oh, hisy fiadanana ho ahy ao an-dohasa, indray andro any; (Marina! Yah!)
Tsy hisy intsony fahoriana, na alahelo, na fahasahiranana ho ahy.

Fa hisy fiadanana ho ahy ao an-dohasaha ao.

Ny Mpanjakantsika, izay tsy hita maso izao maraina izao, dia hiseho. Ary tsy ho sivifolo taona no hahitako an'i Bill Dauch. Tsy hahita ahy ho dimanpolo taona ianareo. Ho voaova aho amin'izany Andro izany.

Ary rehefa ny bibidia ho tarihin’ny ankizikely,

Fa ity tenako ity ho voàova, tsy ity izaho izao ity.

Tsy faly ve ianareo? Hanjavona ireo volomihafotsy, tsy hitandatsaka intsony ny soroka. Fa fahatsaran-tarehy sy faharetana mandrakizay no hisy; ho araky ny Endriny isika, mihoatry ny famiratry ny masoandro. Oh, mahafinaritra loatra!

Tompo ô, ny amin'izany no ivavahako,

Tsy hisy intsony fahoriana, na alahelo, na fahasahiranana ho ahy.

Fa hisy fiadanana ho ahy ao an-dohasaha ao.

Izany no ahatongavantsika eto. Firy aminareo no mila hery ho amin'ny dia? Andriamanitra anie hanome izany antsika! Firy aminareo no misy marary ao amin'ny vatany? Miaramila nahazo ratra? Roa ambin'ny folo, na mahery. Mino ve ianareo fa eto Izy? Io Mpanjaka tsy hita maso io? Ny zavatra tsy hita maso dia aseho amin'ny alàlan'ireo zavatra hita maso. Tsy miova Izy, omaly, anio, ary mandrakizay; Vatana hita maso tokana monja no ilainy. Raha ny Fanahiny no mitory izany amin'ny alàlako izao, dia Izy hanao ny asa nataony taloha, fony Izy tetỳ. Oh, mahagaga loatra!

Mizotra ho amin'io tany nampanantenaina io aho…

Dimanjato no nidina mba atao batisa terỳ amin'ny renirano terỳ, raha niseho hita maso voalohany ny Anjelin'ny Tompo. Tonga Izy nanamarina fa efa nihaona tAminy aho. Izany no nataony teo amin'ny tendrombohitra Sinaï. Nidina tao amin'ny renirano aho, nisy olona an-jatony maromaro nihira io hira io ihany nandritry ny batisa. Nidina teo Izy (ity Andry afo hitanareo amin'ity sary ity ihany izany), teo amin'ny renirano, ary niteny hoe: "Toy ny nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa nanomana ny Fiaviany voalohany, ity hafatra ity no hanomana Fiaviany faharoa."

Oh, iza no ho avy ka handeha hiaraka amiko?

Mizotra ho amin'io tany nampanantenaina io aho.

Io Andry afo io ihany no eto amintsika izao. Tsapanareo ve izany? Notendreny fotsiny ny sasany ho amin'ny zavatra iray, ary ny sasany kosa ho amin'ny zavatra hafa. Raha hino tsy misy fisalasalana ianao; dia minoa fa eto anivontsika Izy. Mino aho fa Izy mihitsy no hiseho aminao. Mahafa-po anareo ve izany? Na tsy afaka miantso anareo rehetra aza aho (efa maherin'ny amin'ny iray ora izao). Fa raha mino ianareo, avelao Izy hidina eto anivontsika. Aiza ny finoanareo? Tsy maintsy inoanareo izany. Raha tsy misalasala mihitsy ianareo, dia hiasa Izy. Fantatro ny Fanatrehana tsara indrindra an'i Kritsy, ilay Teny. Ary ny Baiboly dia milaza fa ny "Teny dia mahery noho ny sabatra roa lela, ka mampisaraka ny tonona sy ny tsaoka, ary mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo."

Jereo ange. Taona vitsivitsy lasa izay, tsy nahalala ireny zavatra ireny aho. Ary raha niteny azy ireo aho, nefa tsy nahalala, jereo izay nataony. Hoy Izy: "Ho raisinao ny tànan'ny olona ary tsy hisaina na inona na inona ianao. Lazao fotsiny izay ho lazaina aminao. Teneno hoe: "fivontosana io (na zavatra hafa)." Dia hoy Izy avy eo: "Ho avy ny andro izay tsy hilanao manao izany." Hitanareo? Hitanareo? "Ny Fanahy no hamantatra ny tena zavatra ao am-pon'izy ireo." Maro isan-karazany ireo fakan-tahaka; Fantatsika izany. "Ireo fakan-tahaka ireo dia hamitaka na ireo voafidy aza, raha azo atao." Diniho amin'ny alàlan'ny sivan'ny Teny ireo zavatra ireo dia ho fantatrareo na marina na diso. 360-Jesosy tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. Firy amin'ireo marary eto no mahafantatra fa tsy mahalala azy ireo aho? Atsangano ny tànana, ka lazao hoe: "Fantatro fa tsy mahalala ahy ianao." Oh, heveriko fa misy maro manerana ny efitrano. Ny zavatra tokana tsy maintsy ataonareo fotsiny dia ny mino izany.

Minoa fotsiny ihany, minoa fotsiny ihany,
Azo atao ny zavatra rehetra; minoa fotsiny ihany,
Minoa fotsiny ihany, minoa fotsiny ihany,
Azo atao ny zavatra rehetra, minoa fotsiny ihany.

Nilaza izao Jesosy: "Tahaka ny tamin'ny andron'i Sodoma, ho toy izany koa rehefa haseho ety ambonin'ny tany ny Zanak'olona amin'ireo andro farany, rehefa haseho, na rehefa haneho ny Tenany ny Zanak'olona amin'ireo andro farany." Tsy mandritr'ireo andro voalohany, na eo amin'ny afovoany, fa mandritr'ireo andro farany. Hitanareo? Hiseho Izy. Ary ao amin'ireo andro farany isika izao. Ny zavatra rehetra, dia toy ny tamin'ny andron’i Sodoma; toy izany koa ny amin'ireo mpitondra hafatra;

Inona no nahazo ny sisa kely voantso nivoaka niaraka tamin'i Abrahama? Nisy Anankiray tonga teo anivony naka endrik'olombelona, niseho tao anaty nofon'olombelona, nihinana niaraka taminy, nisotro niaraka taminy, hanina iray ihany ho an'izy ireo, ary nanao tahaka azy ireo tamin'ny zavatra rehetra. Nijoro teo anivony Izy ary nanome azy ireo ny Hafatra. Dia hoy Izy: "Handeha Aho hanao io zavatra be voninahitra io".

Dia nanohy nandinika i Abrahama. "Izany ve no izy?" Nitady Tanàna iray aho. Izy ve no Mpanjakan'Izany?"

Dia hoy Izy tamin'izay: "Maninona Sara no misalasala ny amin'izany?" (Tao an-trano ravehivavy, teo an-damosiny)

"Tompo-Andriamanitra, Elohim!" hoy Abrahama niantso Azy, noho Izy nahafantatra ny eritreritr'i Sara.

Nilaza Jesosy fa hitranga indray ireo zavatra ireo rehefa hiseho Izy amin'ny andro farany, ny Vato-hatao-tendrony hankeo amin'ny Vatana. Mba hanavotra ny… Ny Mpanavotra tonga haka ireo Olony. Eto Izy miaraka amintsika.

Roa ambin'ny folo eo ho eo ireo tànana mitsangana izao. Mino aho fa afaka manasitrana ny tsirairay aminareo Andriamanitra. Tsara. Mino izany aho. Tsy mino aho, raha olona iray, hipetraka amin'ny toerana tahaka ity, anatin'ny rivotr'izao fotoana izao, ka tsy hisy zavatra ho azony na ho fantany. Izao dia ilaiko hivavaka ianareo. Ilaiko ny ahafantaranareo izay tsy mety ao anatinareo, ao am-ponareo. Hitanareo? Atomboy àry ny vavaka, ka teneno hoe: "Jesosy Tompo, ambarao izany. Te- hiresaka Aminao izay tsy mety ato amiko aho. Ary izao dia alefanao amin-drahalahy Branham ny Fanahinao Masina, mba hanatanteraka izay voalazany ho Fahamarinana ao amin'io Hafatra io, mba hanatanteraka izay voalazany mikasika Anao androany. Fantatro fa ho Fahamarinana izany. Ankehitriny, ambarao ahy, Tompo ô; iresaho aho."

Miely manodidina eto izany izao. Koa, mivavaha tsotra fotsiny, ary minoa amin'ny fonareo rehetra mba hanomezan'Andriamanitra izany anareo.

Tiako raha mijery ahy ianareo sady mivavaka, tahak'izay nolazain'i Petera sy Jaona hoe: "Mijere anay!" Nitady zavatra iray io lehilahy io, ka nahazo izany. Ianareo koa misy ilainareo, ary mino aho fa ho azonareo izany. Hoy Petera: "Mijere anay". Hoy izy: "Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao." Fa izao: ny fanasitranana, dia tsy ananako na kely aza. Ao amin'ny Kristy manontolo izany. Fa izay ananako, fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, dia omeko anareo Izany, omeko anareo ny finoana mba inoanareo Azy. Izao, amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy, aoka ho sitrana ianareo rehetra! Inoy izany. Hitanareo, "raha afaka mino ianareo!"

Ilay ramatoa mipetraka itsy izay mijery ahy itsy, nitomany izy minitra vitsy izay, sady nivavaka. Maharary azy ny taovan-tendany. Tsy fantatro ianao, vahiny amiko. Marina izany, tsy izany? ["Izany tokoa" hoy ny anabavy —Ed.]. Tsy avy eto ianao, avy any Chicago. Rtoa Alexander, raha marina izany, ahofahofaho ny tànanao. Modia any Chicago, ary sitràna soa aman-tsara!

Inona no notendreny? —Ilay notendren'ilay vehivavy nandeha rà ihany: ny sisin-Dambany, fa tsy ny ahy.

Misy ramatoa kely eo, ao afovoan'olona ao, tiako ho fantany izay ho lazaiko aminy. Ianao izay manandratra loha, somary mitongilana io. Tsy fantatro ianao; vahiny amiko ianao, kanefa fantatro fa marary vavony ianao. Eo akaikinao ny vadinao; ary misy tsy mety amin'ny sofiny. Ny anaranareo dia Czap. Vahiny amiko ianareo. Tsy avy eto ianareo; avy any Michigan ianareo. Raha marina izany, ahofahofaho ny tànana. Modia salama tsara any Michigan. Ny finoanareo no nahasitrana anareo."Raha afaka mino ianareo, ny zavatra rehetra dia azo atao."

Ianao, ramatoa kely marary tenda, mitoetra erỳ aoriana erỳ, amin'ny laharana farany, izay avy any Georgie, izay manao akanjo fotsy io, modia salama tsara any Georgie ianao. Nositranin'i Jesosy Kristy ianao. Inoanareo ve izany?

Io ramatoa mijery ahy io, mipetraka erỳ amin'ny laharana farany erỳ, dia voan'ny sinozita. Mino izy fa hositranin'Andriamanitra. Minoa amin'ny fonao rehetra Rtoa Brown, hataon'i Jesosy Kristy izany. Vahiny amiko ianao, fa Izy mahafantatra anao. Mino izany ianao? Atsangano ny tànana. Marina izany.

Misy ramatoa ambonin'itsy fandriana itsy. Ilazao izy mba hijery aty. Manaintaina mandrakariva izy. Raha afaka manasitrana azy aho dia ho nataoko tokoa izany. Tsy afaka manasitrana azy aho. Tsy avy eto izy, avy lavitra. Avy any Missouri ianao. Ao anatinao ao no maharary anao, fa raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, ka tsy misalasala fa Jesosy afaka manasitrana anao, dia hody salama tsara any Missouri ianao ary hijoro vavolombelona. Mino ve ianao? Noho izany, ekeo izany, raiso ny fandrianao dia modia any an-trano. Nositranin'i Jesosy Kristy ianao. Mino ve ianareo? 376-Izany dia famantarana ny fanatrehan'ny Mpanjaka Mandrakizay. Mino izany amin'ny fonareo rehetra ve ianareo, izao? Tsy isalasalana fa nofenoiny ny Fanatrehany ity trano ity androany. Mino izany amin'ny fonareo rehetra ve ianareo? Mino ve ianareo fa eo anatrehany ianareo? Izao, mino sy manaiky ve ianareo fa anisan'ny solontena an'io Fanjakana io? Atsangano ny tànana. 377-Hoy Jesosy: "Izao famantarana izao no hanaraka izay mino. Hametra-tànana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny." Mifampomba isika ireto; sombiny ato amiko ianareo, izaho koa sombiny ao aminareo; isika rehetra dia sombiny ao amin’i Kristy.

Aoka isika izao hifametra-tànana izao. Jereo, ilay ramatoa teo ambony fandriana, mitsangana izy, mandehandeha, izy hody sitrana any aminy. Amena! Ianareo tsirairay avy, ho sitrana raha mino.

Izao dia mifametraha-tànana ianareo; ianareo izay ampahan'i Kristy ireo. Mivavaha arak'izay fombanareo ho an'ny olona izay ametrahanareo tànana.

Jesosy Tompo ô, fantatray fa eto Ianao; Mpanjakanay Ianao. Nampahafantatra Anao teto aminay Ianao. Misaotra Anao izahay noho ny Fanatrehanao, Tompo. Hoy Ianao hoe: "Raha milaza amin'io tendrombohitra io ianareo mba hikisaka, ka tsy misalasala, minoa fa izay voa-lazanareo dia ho azonareo. Afaka mahazo izay lazainareo ianareo." Koa ho fanatanterahana izany baiko izany izahay, ho fankatoavana ny Tenin' Andriamanitra izay tsy mety diso izahay, amin'ny maha-solontenanao anay avy amin'ny dimanjato sy arivo miles sokera, toy ny refin'ilay Tanàna, dia mandidy an'i Satana, devoly efa resy, hoe: "Ny fiafaranao dia ho dorana. Solontenan'io Tanàna mira ny lafiny efatra io izahay, io Tanàna manana ny Zanak'ondry ho Fahazavany io. Toetram-pahatanerahan'Andriamanitra Tsitoha naseho izahay, izay navotan'i Jesosy Kristy noho ny Fahasoavany." Satana, amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy, mivoaha ianao, ary mialà amin'ny olona marary rehetra izay eto. Ireo tànana masina ireo izay efa navotana, ifametrahan'izy ireo izao, satria nino ny Teny izy ireo, ary toetram-pahatanterahan'ny Fisainan'Andriamanitra, dia tsy afaka mihazona azy ireo intsony ianao, Mivoaha ianao, amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy! Izao ankehitriny izao! Amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy Tompo!

Eto Izy izao. Ny Teniny no milaza fa eto Izy. Ny fahatongavanao eto sy ny finoanao manambara fa anisan'ny Solontenany ianao. Na ny refin'elanelan-tany aza dia afaka ahitantsika izany. Afaka mamantatra ve ianareo fa zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra voavotra? Mamantatra ve ianareo fa io no fonenanareo? Amin'io no halehanareo? Izany no nahatongavanareo eto; noho izany no nanatonanareo an'i Kristy. Mivelona amin'ny Teniny ianareo. Ary, raha afaka manana fotoana toy izao ianareo, eto, noho ianareo Toetram-pahatanterahany voaseho fotsiny, hanao ahoana rehefa ho tafiditra ao amin'ny Fanatrehany isika? Oh, ho mahafinaritra loatra izany! Manan-jo atao batisa avokoa ianareo rehetra.

Raha misy tsy vita batisa amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy, ny dobo fanaovam-batisa dia efa vonona. Io no fomba tokana anaovana izany (marina izany); dia ny mankatò ny Teny rehetra. Aza adino fa ny tsifanaovana ny ampahany tamin'ny Teny, tany am-boalohany, no nahatonga ny fahotana rehetra tety ambonin'ny tany. Hoy Jesosy: "Izay manaisotra teny iray amin'ity Teny ity, na manampy teny iray, dia tsy hiditra. Ho fafana ao amin'ny Boky ny anarany, raha vao manao izany."

Tsy misy, na indray mandeha aza, ahitana ao amin'ny Baiboly, olona natao batisa tao amin'ny Fiangonana, afa-tsy tamin'ny Anaran'i Jesosy Kristy. Raha toa ka tsy tamin'izany ny nanaovam-batisa anao, tsara aminao ny hanaovana izany aminao. Hoy ianareo: "Oh, zavatra mitovy ihany izany". Tsy nitovy izany tamin'i Eva. Nilaza Satana hoe: "Azo antoka fa Andriamanitra… Fantatrao Andriamanitra fa…". Kanefa nataony izany, satria nolazainy izany.

Nomeny an'i Petera ny fanalahidin'ny Fanjakana, ary izay voafehy tamin'ny andro Pentekosta dia voafehy mandrakizay. Izany no antony isehoan'ny Ampakarina fanindroany. Tsy maintsy misy Fiangonana iray voantso hivoaka mandritr'ireo andro farany, toy ny nisiany tamin'ny andro voalohany ihany. Miainga avy amin'ny fakany ny fitomboan'ny hazo mba ho tonga ilay Hazo-Ampakarina toy ny nataony tamin'izany fotoana izany. Ny Sangan’asan' Andriamanitra indray no ho raisina ao amin'ny Tanàna, toy ny voalazako roa alahady lasa izay.

Ho tahin'Andriamanitra anie ianareo. Mino aho izao fa resy Satana. Fantany izany, eto ambonin'ny tany izy ary hanjary toy ny liona mierona. Tsy ho ela intsony dia ho vita ny aminy. Fantany ny androny, ho tonga toy ny liona mierona izy. Fa tsarovy fa eo anilanareo ilay Mpanjakan'ny Fiadanana. Eto ilay be voninahitry ny lanitra, Tompo-mariky ny fisiako, Tompo-marika namboatra ahy, Ilay nanao ahy toy izao, Ilay nanao anareo toa anareo, Izy dia eto. Raha ilay Tompo-marika, Ilay mahay manambatra ny fanorenana mba ho vita tsara izany, iza no mahay mihoatra ny Tompo-marika? Ary eto Izy hanaporofo izany, Izy mihitsy. eto Izy. Miankina amin'ny finoanareo izany izao. Minoa fotsiny ihany!

Mizotra ho any amin’io Tanàna kanto io aho,
Ny Tompoko nanomana Izany ho an’ireo Azy,
Ireo navotana tamin’ny vanimpotoana rehetra
Hihira "Dera!", manodidina ny Sezafiandrianana fotsy.

Indraindray aho manina ny Lanitra, (rehefa ho lasa ny zavatra rehetra)
Sy ireo voninahiny ho tazako rehefa any aho
Akory ny hafaliako hahita ny Mpamonjiko
Ao amin'io Tanana volamena kanto loatra io.

Aza adino fa misy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo anio hariva ato am-piangonana. Raha mbola eto ianareo, ka sitrakareo ny ho avy, dia ho faly izahay hiaraka aminareo. Izany dia fampahatsiavana antsika fa, indray andro any, hiaraka hisakafo Aminy isika.

Tiako ianareo. Tsy haiko ny hanehoana izany. Mihevitra aho fa "ianareo no fanasin'ny tany." Ary henoko ny fitondran-tenanareo eo anivon'izao-tontolo-izao, ka mampitombo ny fahatokisako anareo. Kanefa, hevero fa, ity vondrona kely mahafatifaty misy antsika ity, dia ho rava indray andro any. Hanonofy ny amin'izany isika. Saingy, raha misy tsy maintsy lasa alohan'ny hifankahitantsika indray, isika ha…

Hihaona aminareo aho ny maraina, eo amoron'ny renirano,
Rehefa ho lasa avokoa ny fanaintainana rehetra.

Hijoro eo am-bavahady aho rehefa hisokatra tanteraka ny varavarana,
Amin'ny fiafaran'ireo andro lava mahatrotraky ny fiainana,
Hihaona aminareo aho ny maraina, eo amoron'ny renirano,
Matetika aho hipetraka eo amoron'ny renirano,
Dia hifankahita indray amin'ireo olom-pantatro nakarina
(Ho hitako ianareo, ary ho fantatro),
Ho fantatrareo aho ny maraina, noho ny ho fitsikiko,
Ho hitako ianareo ny maraina, ao amin'ny Tanàna miraefadafy.

Tia Azy ve ianareo? "Mandra-pihaonantsika indray." Aoka isika hitsangana izao, hihira ny "Raiso ny Anaran'i Jesosy miaraka aminao" (Omeo anay ny haàvom-peo). Tia Azy ve ianareo?[Amena] Tsy mahagaga ve Izy? [Amena] Mino ve ianareo fa izany no Fahamarinana? [Amena] Voasarika hankany ve ianareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra? [Amena]. Mandra-piverenantsika eto:

Raiso aminao ny Anaran'i Jesosy,
Ampinganao, hanoheranao ny fandrika rehetra;
Raha mitangorona aminao ireo fakam-panahy,
Tonony moramora am-bavaka io Anarana Masina io.

Izany monja no hataonao mandra-pihaonantsika indray. (Tsara dia tsara).

Raiso aminao ny Anaran'i Jesosy,
Ry zanaky ny fahoriana sy ny fanaintenana;
Hanome anao hafaliana sy fahatoniana Izy.

Raiso Izy na aiza na aiza alehanao.

Anarana sarobidy, oh, mamy loatra,
Fanantenan'ny tany, fifalian'ny Lanitra;
Anarana sarobidy, oh, mamy loatra,
Fanantenan'ny tany, fifalian'ny Lanitra.

Tsy maintsy mandatsaka ampahany amin'ny hafatro aho izao. Indray andro, raha sitrapon'ny Tompo, hiverina aho, ka amin'ireny arabe mikodaona ireny no handehanako hankatỳ, hananantsika fotoana bebe kokoa. Malahelo ianareo izao satria tsy afaka nijanona maharitra kokoa. Nafana be androany. Andriamanitra hitahy anareo! Tiako io hira io. Indray hariva iny, rehefa novonoin'izy ireo ny fanamafisam-peo teo ivelany, dia nisy mponina akaiky eto iray nilaza hoe: "Nankasitrahiko tokoa ilay hafatra, fa nahoana no najanonareo iny hira tsara tokoa iny?" Koa, ry mpifanolo-bodirindrina, raha mihaino ianao izao maraina, dia heveriko fa manana ireo mpifanolo-bodirindrina mendrika indrindra eto Jeffersonville izahay. Ajanontsika anoloan'ny tranon'izy ireo ny fiarantsika, sns, dia tsy miteny na inona na inona mikasika izany izy ireo, ary afaka manohy isika. Noho izany dia misaotra azy ireo isika izao. Oh, mahagaga loatra Izy! Homba anareo anie Andriamanitra izao.

Anarana sarobidy, oh, mamy loatra,
Fanantenan'ny tany, fifalian'ny Lanitra.
Mandra-pihaona …

Hanondrika ny lohantsika isika. Ary handravana ny pasitora afaka kelikely. Homba anareo anie Andriamanitra.

… hifankahita isika eo an-tongotr'i Jesosy

(eo amin'ny Seza fiandrianana ao amin'ny Tanàna be voninahitra),

Homba anareo anie Andriamanitra,
Mandra-pihaonantsika indray.

 

************
******
*