MIRAY EO AMBANIN'NY LOHA TOKANA
(Unis sous une seule Tête)

26 Martsa 1958, Middletown, Ohio, ETAZONIA

Mbola hitsangana vetivety isika, hivavaka.

Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay raha mbola nomenao tombotsoa tafangona amin'ny Anaranao, izao hariva izao. Nampanantena anay Ianao fa hamaly vavaka anay, ka hanasitrana ny tany.

Ary, Andriamanitra, raha misy tany mila fanasitranana indrindra, dia ity tany onenanay ity. Mangataka Aminao izahay handefa fifohazam-panahy toy ny tany am-piandohana, hanasitrana azy amin'ireo aretiny ara-panahy. Omeo izany, Tompo.

Isaoranay Ianao nanome anay hanina ampy sy fitafiana tsara… Fa ny irinay mafy dia ny hihaino ny Tenin'ny Tompo. Nilaza Ianao fa hisy ny hanoanana amin'izao andro izao, ka ny olona, avy any avaratra hianatsimo, ary hiala ny morontsiraka iray, hiazo ny morontsiraka iray hafa, hangetaheta te-hihaino ny Tenin'Andriamanitra, kanefa tsy hahita Azy.

Andriamanitra ô, hosory indray ireto mpanomponao, handehananay an-tsaha hiaraka amin'ny Teninao, ka hamafazanay ilay Voa tena famafy, satria raha tsy misy famafazana, tsy hisy koa fijinjana. Omeo hery izahay hitondranay ity Hafatra ity ho amin'ireo an-tapitrisany maro izay miala aina ara-panahy ireo. Satria amin'ny Anarany no angatahanay izany sy ho Voninahiny. Amena.

Mahazo mipetraka ianareo.

Milamina ny amin'ireto mosoara izay napetrakareo eto ireto. Hivavaka ho an'ireo isika avy eo. Efa notahin'Andriamanitra betsaka izany fomba izany. Zavatra tsotra, kanefa manan-karena amin'ny fitahiana.

Misy, eto amintsika, tovolahy iray, zanaka mpanompon'Andriamanitra, avy any Afrika atsimo, izay nanatrika ireo fivoriako tany. Ary, tao Capetown izaho nivavaka ho an'ny taratasy nahafeno gony lehibe valo. Tsy nisy fotoana nivavahako ho an'ny tsirairay, koa dia nanao vavaka faobe ho an'izy rehetra aho.

Dia namoaka àry ireo gazety tany, fa toa minomino foana ny rahalahy Branham, satria na ny fivavahana ho an'ny taratasy aza dia inoany. Kanefa ara-tSoratra Masina izany. Tenin' Andriamanitra izany..

Te-hamarana aloha kokoa aho anio hariva, satria nalahelo aho raha tsy nahatratra ny fiara mpitatitra ianareo omaly hariva.

Fa raha sitraky ny Tompo rahampitso aho, dia hitory mikasika ny "Ilay Tànana izay nanoratra teo amin'ny rindrina".

Ary ny Zoma hariva, raha sitraky ny Tompo, izaho te-hitory ny hoe: "Handalo fahoriambe ve ny Fiangonana, eny sa tsia?",

Ary ny Asabotsy folakandro kosa, hiresaka aho mikasika ny: "Ilay voromahery izay mamoaka ny zanany ka misidina eo amboniny".

Ary ny Zoma hariva dia haka ny vady aman-janako aho mba hanatrehany ny fivoriana, satria tsy lavitra loatra eto. Tsy afaka hahita ireo fivoriana rehetra izy ireo.

Miomana handeha ho any Afrika aho izao. Tena sahiran-tsaina aho androany; firenena dimy samihafa no indray manoratra amiko, manasa ahy hitondra ny Tenin' Andriamanitra any aminy. Ary ireo lehilahy malaza any ireo dia miandry ny minisiterako, fa izany, hono, no hanafaka ny fireneny amin'ny kominisma. Oh, faly er aho nandre izany.

Tsy ela izay, tany amin'ny iray amin'izy ireo aho. Indray maraina, tamin'ny sivy ora nisy zazakely iray maty, ary ny harivan'iny ihany, dia nomen'Andriamanitra fahitana aho teo amin'ny lampihazo, ka tafatsangana tamin'ny maty ilay zazakely.

Ary, oh, navoakan'ireo gazety izany, koa ny ampitson'io, olona niisa roa alina no tonga, ary nanolo-tena ho an'ny Tompo Jesosy.

Io tovolahy io, Atoa Thoms, izay ato izao. (tazako izy teo). Manontany aho, Tommy, nanatrika ve ianao tao Durban, raha nisy olona telo alina indray voavonjy? Tao ve ianao nandritra io fivoriana io? Mbola zazakely i Tommy tamin'izany. Ankehitriny izy, at mianatra amin'ny sekoly ny Baiboly iray.

Olona maintihoditra niisa telo alina no indray mandeha, teo no eo, niara-nanaiky an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy. Oh! Tsara loatra Andriamanitra! Tsy izany ve?

Teny izay napetrak'Andriamanitra tato am-poko no tiako alaina anio. Ny lohahevitr' izany dia hoe: "Miray eo ambanin'ny Loha tokana"

Ampahan'ny andininy faha-6 ihany, ao amin'ny toko faha-11, ao amin'ny Genesisy no ho raisiko amin'izany:

"Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona…" Hanampy ny Fitahiany amin'ny famakiana ny Teniny anie ny Tompo.

Iray foko ny olona. Fa izao, "Genesisy" midika "ny fiandohana". Ary ny zavatra rehetra misy ankehitriny dia nanana ny fiandohany, ary efa tao amin'ny Genesisy avokoa izany fiandohana izany. Aza adino, ny fiainana dia nanomboka tao amin'ny Genesisy. Ny fahafatesana dia niandoha tao amin'ny Genesisy. Ary ireo fisainana rehetra, na tsara na ratsy, dia niandoha tao amin'ny Genesisy avokoa.

Raha mandinika tsara ny Soratra masina ianareo, dia hahita fa ireo "isma" rehetra, sy ireo fombam-pivavahana rehetra hita ankehitriny, dia niandoha tao amin'ny Genesisy. Mila mandinika fotsiny ianareo, an'i Nimroda sy ireo hafa ao amin'ny Soratra Masina… Ireo "isma" rehetra ananantsika ankehitriny ireo dia nanomboka tao amin'ny Genesisy.

Ankehitriny dia rakofan'izy ireo izany, mba hananany endrika hafa. Saingy, mbola io fanahy antitra masiaka ratsy io ihany no eto ankehitriny, raha dinihinareo ny toetrany sy ny fomba fiasany,

Hainareo, taona maromaro lasa izay, fony aho mbola zazalahikely, tamin'ny andron'ny Prohibition, nisy lehilahy iray atao hoe Charlie Barleycorn. Maro aminareo mahatadidy io olona ratsy endrika io, sy ny satrony nifetaka, ary ireo sorokany nilatsaka, sy ny bikany nampatahotra! Toy izany i Charlie Barleycorn taloha.

Fa hainareo moa? Miendrika olon-kafa tanteraka izy ankehitriny. Tsy manao iny palitao mainty iny intsony izy, tsy mirenireny eny an-dàlana intsony, manatona ireny jiro mena ireny, fa manana efitrano honenana izy. Saingy izy dia mbola ilay Charlie Barleycorn ihany, mbola ao aminy ilay fanahy ratsy antitra.

Hoy ny Baiboly hoe… Andriamanitra dia miteny ao amin'ny Baiboly hoe: Tsy mba hifandahatra mandrakariva amin'ny olona ny Fanahiko", ary izao no lazain'i Jesosy amintsika ao amin'ny Matio 24: "Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa amin'ny Fiavian'ny Zanak'olona". Marihonareo fa ny Fanahin'Andriamanitra no nifandahatra tamin' ny olombelona, fa tsy ny olombelona no nifandahatra mba hamantatra ny Fanahin' Andriamanitra. Ny Fanahin'Andriamanitra no nifandahatra mba hanatonany ny olombelona.

Ary, oh, mbola izany ankehitriny. Ny Fanahin'Andriamanitra dia mifandahatra amin'ny olona. Ary manontany tena aho raha ny fisainan'Andriamanitra tamin'izany ihany no fisainany ankehitriny, dia hampanenina Azy ny nanamboarany ny olombelona, raha mahita hatraiza ny fanoheran'ny olona ny Fanahiny, ny Programany, ary ny Sitrapony mikasika ny fiainan'ny lehilahy sy ny vehivavy.

Hitantsika ao amin'ny Teny novakintsika izao hariva izao, fa niray saina ny olona. Avy tany atsinanana ka niankandrefana izy ireo, nankao amin'ny lohasahan'i Sineara. Ny sivilizasiona dia nikisaka mandrakariva, avy tany atsinanana, niankandrefana.

Maniry aho, indray andro, hitory ny lohahevitra hoe: "Rehefa hihaona ny Atsinanana sy ny Andrefana, inona no hitranga?" Ary efa amin'izany sahady izao. Nihaona ny atsinanana sy ny andrefana. Nikisaka nanaraka ny masoandro ny olona, noho izy zavamanan'aina mety maty. Mandroso izy miaraka amin'ny masoandro, mitsangana, dia miankandrefana. Ankehitriny, tafahaona ny atsinanana sy ny andrefana. Ary araky ny androsoan'ny olombelona no mampitombo ny fahalalany, hatrany hatrany, mandra-pitsimbadiky ny fihodin'ny kodia indray, ankehitriny.

Hitantsika fa ireo olona ireo dia nikisaka mandra-pahatongavany teo amin'io tany tsara io ary niray saina izy ireo mba ho tonga vahoaka tokana. Ary mety izany, saingy teo ambanin'ny mpitarika ratsy fanahy no niraisany. Niray teo ambanin'ny fitarihan'ny olona iray izy ireo.

Kanefa, Andriamanitra mitady hampiray ny olona eo ambany Fitarihany, ao Aminy. Mila antsika ho iray Izy. Saingy Izy te-hiray amintsika koa. Ny olombelona kosa anefa, dia mila olona tahaka azy ho mpitarika azy, ary miray eo ambanin'ny fahendren'io olona iray mpitarika azy io.

Ary tena mahavariana ny mahita ny fitiavan'ny olombelona hitambatra. Ny anton'ny mahatonga azy ireo te-hiray, dia efa izany no nanamboaran'Andriamanitra azy. Noheverin' Andriamanitra, ary namboarin'Andriamanitra hitambatra izy, mba hiaraka hiasa, hifanome tànana. Izany no toetra nomena ny olombelona. Izany ny fomba nanaovan'Andriamanitra azy. Saingy kosa ny olombelona te-hanana ny heviny manokana ny amin'izany. Mikasa hanao zavatra izay tsy mba noheverin'Andriamanitra hanirahana azy hatao izy. Te-haneho ny làlany manokana izy. Te-hanao ny planiny manokana izy. Tsy te-hanaiky ny planina noheverin' Adriamanitra ho azy izy, satria izany ny toetra simba an'ny olombelona lavo.

Nolazan'Andriamanitra izy tao amin'ny saha Edena, fa "raha vao hihinanareo amin'io hazo io izy, dia ho tonga aminareo ny olana." Kanefa dia naka tamin'io hazo io ny olombelona, ary nanjary mpiasa siantifika izy. Ka raha vao nanomboka nanaikitra fotsiny izy, dia efa tafasaraka sahady tamin'ny Mpamonjy azy, ilay Mpahary azy.

Araka izany, ankehitriny, ny olombelona dia mbola miaina amin'io hazo io. Kanefa tsy misy fomba hamonjena ny olombelona amin'io hazo io, ato amin'izao-tontolo-izao. Nahoana no omentsika lanja loatra ny fikarohana siantifika, hitady fomba hiavotantsika tena amin'ny herintsika, hahavitana baomba mahery kokoa noho ny an'ny Rosiana, hahavitana fiaramanidina faingam-panidina kokoa, miezaka manavotra ny tenantsika.

Ny fahalalana tsy mba hahavonjy antsika na oviana na oviana. Izany tsy manao afa-tsy ny mampanalavitra kokoa antsika hatrany amin'Andriamanitra.

Tokana ny làlam-panavotana, dia ny miverina amin'ny Hazon'ny Fiainana. Ny fahalalana rahateo tsy mba tao anatin'ny Planina. Tsy misy afa-tsy ny miverina amin'ny Hazon'ny Fiainana ihany.

Nisy hazo anankiroa tao; ny iray fahalalana, ny faharoa Fiainana. Raha mbola io faharao io foana no ihinanany, dia velona izy. Fa raha vao manaikitra ny voan'ilay hazo iray izy dia ho faty. Saingy, hitanareo, raiki-tapisaka amin'ny olombelona ny miavo-tena amin'ny herin'ny tenany. Kanefa tsy misy na inona na inona azon'ny olona vonjena amin'ny herin'ny tenany.

Nisy lehilahy iray izay nilaza tamiko hoe: "Nitady an'Andriamanitra aho! Nitady an'Andriamanitra aho!"

Nohenoiko vetivety izy, dia hoy aho taminy hoe: "Tsy te-hanafintohina anao aho, Andriamatoa, nefa tsy maintsy milaza aminao fa tsy mba nitady an'Andriamanitra ianao." Ary tsy mba nisy olona nanao izany. Tsy ny olona no mitady an'Andriamanitra, fa Andriamanitra no mitady ny olona.

Tsy Andriamanitra ve, tao amin'ny saha Edena, no nivezivezy niantsoantso hoe; "Adama, Adama, aiza ianao"? Tsy mba nivezivezy ralehilahy niantsoantso hoe: "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, aiza Ianao?" Fa Andriamanitra no nitady an'i Adama.

Ary hoy Andriamanitra ao amin'ny Teniny: "Tsy misy mahay manatona Ahy, raha tsy nitaomin'ny Ray izay naniraka Ahy aloha izy". Koa tianareo ho fantatra iza no nitaona anareo? — Andriamanitra no nitaona anareo voalohany! Ny Tenin'Andriamantra no miteny izany. Endrey ny fahamarinan'izany!

Ary hitantsika eto fa niray saina teo ambanin'ny fitarihan'ny lehilahy iray izy ireo. Ary rehefa ny olona mety ho ambanin'ny fitarihan'ny olona iray, dia ho entiny araka ny heviny manokana ireo, hanatanterahany zavatra efa noheveriny na ataony. Nampamboarin'i Nimroda tilikambo iray izy ireo.

Mahatsikaiky ny misaina fa izay rehetra ananan'i Satana dia azony tamin'ny fakana tahaka izay vitan'Andriamanitra avokoa Satana tsy mahay mamorona. tsy mpamorona Satana, fa izy no mpanimba izay rehetra namboarin'Andriamanitra.

Araka izany, na iza na iza mahalala ny Baiboly sy Andriamanitra, dia tsy hiteny fa afaka manasitrana ny devoly, satria ny fanasitranana dia famoronana. Raha nahay namorona izy, dia efa ho nahaforona tontolo iray sy olona an'azy. Fa izy tsy mahay mamorona, mandiso izay noforonin'Andriamanitra no ataony.

Inona ny tsifahamarinana? Izany dia ny fahamarinana nodisoina. Izay rehetra hitanao fa diso, ataovy ny mifanohitra amin'iny dia ho ao amin'ny marina ianao, satria ny tsifahamarinana dia ny fahamarinana nodisoina. Dia tafatoetra ao amin'ny marina koa ianao Ary aza adino, fa izay rehetra ataon'ny olombelona ivelan'ny Planin'Andriamanitra dia zavatra efa nosimbaina. Tsy midika inona ny mety ho hatsaran'endriny, fa efa nosimbaina izany. Satria Andriamanitra no nihevitra izany voalohany, dia nomeny ny olombelona. Kanefa ny olona dia te-hanao zavatra araky ny heviny. Mila manana zavatra ataony izy.

Nanao ny fahadisoany lehibe indrindra Isiraely ao amin'ny Eksodosy toko faha-19. Ny fahasoavana nanome sorona, ny fahasoavana nanome mpamonjy, Mosesy. Ny fahasoavana nanome fanafahana. Kanefa izy ireo mbola nila manao zavatra. "Omeo anay ny Lalàna." Kanefa izy ireo tsy nitandrina izany, tsy nahavita nitandrina izany. Fa ny tsiny indray no nararak'izy ireo tamin'ny Andriamaniny izay nanao tsara ny zavatra rehetra.

Miray eo ambanin'ny loha tokana, ilay loha ratsy… Votsikaritrareo ve fa Satana, izy dia te-hampiasa ny lohan'ny olona, manome azy fahalalana. Oh, maro ireo vahoaka, rehefa hifidy mpanompon'Andriamanitra, ilay iray hapetraka ao amin'ny fiangonany, dia: "Oh, manana Ph.D iray izy. Oh, izy mihitsy no mety ho an'ny fiangonantsika."

Fa izaho kosa, aleoko lehilahy iray an'Andriamanitra, na tsy mahay ny abidiany aza izy. Saingy, hitanareo, heverin'ny olona fa ny olona nahazo fianarana no mety. Satria mahafinaritra ny maso izy.

Mbola ilay lainga nataon'ny devoly tamin'i Eva ihany no misy ankehitriny. Hoy izy: "Mahafinaritra ny maso." Ary ny maso dia eo amin'ny loha. Ary izany anefa dia tsy inona, fa ny fahafatesana voatafy ravaka, vatam-pako norakofana hero-dronono manify eo an-tampony. Izany no izy.

Hitan'ny rehetra ireo tovovavy mahatehotia eny amin'ny arabe, milaza hoe: "Mifoka sigara Chesterfields izahay." Ary izany dia misarika ireo tovovavy hafa ankehitriny hanao toy izany avokoa, satria te-ho hitan'ny olona izy ireo, te-hisehoseho. Satria nahoana? — Mbola ilay lainga taloha ihany, ary mbola ilay mpandainga ihany no ao an-damosin'izany, ny devoly, izay mandravaka ny fahotana ho tsara jerena. Tsy inona izany, fa fahafatesana voaravaka.

Ary ataon'izy ireo sary famantarana, eny amin'ny tabilaon-dokambarotra, ny vehivavy tsara bika manao akanjo mampiseho vatana. Ary ilay vehivavy amin'izany dia misaina hoe: "Oh, tsara tarehy!" Tsara tokoa izany amin'ny maso, saingy izany dia fahafatesana notafiana tsara. Fahafatesana nomena endriky ny hatsaran-tarehy. Ary tadidio fa ny hatsaran-tarehy dia mamitaka.

Fisainan'i Satana ny hanana fanjakana tsara kokoa noho ny an'i Mikaela. Ny hatsaran-tarehy no nipoiran'ny fahalavoana tany am-piandohana. Ary hatreo, dia ny devoly no tsy nijanona nampiasa izany. Ary ankehitriny, akory loatra ny hatsaran'ny ny fanjakan'ny devoly, Ary tsy tambo isaina ny olona lavon'izany.

Ary, aza adino fa ny devoly dia tena mpivavaka. Maro ireo olona mifidy ny fiangonana hatoniny noho izany misy lakolosy lehibe sy avo be, ary misy seza malemilemy, mampilamina tsara. Tsy maninona raha tsy afaka mitory mihoatry ny fahefakadiny ny mpitory, dia efa mampatory azy ireo. Mety hanana orga misanda dolara an-tapitrisany io fiangonana io; ary ny pastorany koa mety mitafy robolava mibokotra ao an-damosiny…

Inona izany? Tsy mila izany isika. Ny tena zanak'Andriamanitra, na tsy maintsy hitsangana eny an-tsisin-dàlana, na any anaty trano bongo antitra iray, vao handre ny Tenin' Andriamanitra, toriana amin-kery sy fanehoana ny Fanahy Masina, dia ho any izy.

Kanefa izany ny siansa, izany ny fandaminan'ny olona. Ny olona no mandamina ny momba azy. Oh, tsara loatra ny mandre… Indraindray ny olona manao hoe: "Prebyteriana aho, Metodista aho." Ry rahalahiko, tsy te-hanindrona anareo aho, fa fotsiny miezaka maneho ny marina aminareo.

Raha ianareo tsy maintsy milaza fa Pentekotista ianareo, dia hamono ny fanahinareo izany, Ary ny fanahy toy izany dia tokony ho vonoina. Hoy ianareo mamono ny fanahy izany. Koa ny fanahy rehetra mety vonoina amin'ny anaran'ny Pentekosta, dia tokony vonoina. Marina izany.

Tsy rafi-pandaminana ny Pentekosta, fa traikefa izay tonga amin'ny rehetra izay efa nateraka indray. Oh, haiko fa niezahan'ny olona nanaovana rafi-pandaminana izany, ary nahavita izany izy ireo. Vondron'olona no nalamin'izy ireo, fa tsy afaka nandamina ny Pentekosta izy. Ny traikefan'ny Pentekosta dia tonga koa any amin'ny Batista, Metodista, Presbyteriana, na izay rehetra maniry izany. Kanefa dia nananganan'izy ireo rafi-pandaminana izany.

Izany ny olombelona, rehefa iasan'ny devoly ny lohany, avy amin'ny zavatra hitan'ny masony. "Ny anaram-piangonanay dia lehibe noho ny an'ireo hafa." Tsy hitanareo ve fa mbola tsy maty ilay devoly antitra? Velona ao izy. "Izahay no lehibe noho ireo hafa rehetra."

Nisy ankizivavy kely iray — niendrika izany izy — izay nandevozin'ny toaka. Ary indray andro, nitantara izay nahazo azy izy, teo anoloan'ny fiangonana Protestanta iray anisan'ny lehibe indrindra eto Amerika. Nitomany ny olona teo am-pihainoana azy, satria efa an-dàlam-pahafatesana izy vao nentina teo amin'ny dokotera, mpitsabo dimy, anisan'ireo sangany, izay samy nilaza hoe: "Tsy misy fanatenana intsony ny aminy." Na ireo tao amin'ny fikambanan'ny mpimamo miafina aza nanao azy efa tsy azo sitranina.

Ary rehefa tonga teo amin'ny lampihazo izy, dia hoy ny Fanahy Masina hoe: "Rozella Griffith, ianao dia mpidoroka toaka, ary izao sy izao avy ny zavatra nitranga taminao. Kanefa, IZAO NO LAZAIN'NY TOMPO…" Ary dia afaka izy. Nijoro vavolombelon'izany izany. Nitomany ireo olona. Ary vetivety dia nisy niteny hoe; "Oh, zazavavy mahatehotia izy, saingy izy dia Pentekotista."

Tsy hitanareo ve io devoly antitra mpanamaizina ny mason'olombelona io. Oh, tsy afaka mampiseho izany ho tsara ianareo. Fa izany dia mijanona ho fahotana sy tsifinoana. Tsy ahoako na Vavolombelon'i Jehovah izy, na vavlombelona hafa, raha mbola amin' Andriamanitra izy, izaho hiaraka aminy. Marina izany. Raha Andriamanitra mihetsika ao amin'ny Fanahy, ireo Zanany mihetsika manaraka Azy.

Azafady, tsy mientanentana aho, fa mahatsiaro tena ho tena mpivavaka. Oh, tsy inona fa misy zavatra mifandraika amin'izany tonga eo ambonin'ny tena. Ny Teny… Tsy eo amboninao, fa ao anatin'ny tena. Izany dia manetsika ny zavatra rehetra ao anatinao.

Ny olona miasa ao amin'ny lohany, ary mijery amin'ny masony Hitanareo? Hoy ny devoly tamin-dravehivavy hoe: "Oh, tsara ilay hazo."

Hoy ravehivavy: "Mahafinaritra jerena izy." Hitanareo, io devoly io ihany, raha afaka mampiato anao iray minitra monja izy, dia afaka mitarika anao hamotopototra. Izy dia afaka hisintona anareo hampiasa ny sainareo. Andriamanitra kosa tsy mampiasa ny sain'ny olona. Andriamanitra mampiasa ny fony. Andriamanitra miasa ao amin'ny fo, mandritra izany ny devoly miasa ao amin'ny loha. Andriamanitra nifidy ny fo. Hoy ny Baboly: "Toy ny fisainan'ny olona ao amin'ny fony ihany ny toetry ny olona."

Taona vitsivitsy lasa izay, nisy siantifika nilaza hoe: "Nanao fahadisoana Andriamanitra, satria ny fo tsy manan-javatra ahafahana isainana. Yah, ao an-doha no misaina ny olona." Saingy, raha ny loha no tian'Andriamanitra nolazaina, dia ho niteny Izy hoe "loha." Fa Izy niteny hoe "fo", koa inoy fa "fo" no tiany lazaina.

Ary hainareo, dimy taona lasa izay, raha tao Chicago aho, dia nahita lahatsoratry ny gazety izay nilaza fa ireo siantifika dia nahita faritra kely tsy mba misy selan-drà, ao anatin'ny fon'olombelona, izay tsy misy ao amin'ny fon'ny biby. Ary izany faritra izany no fitoeran'ny fanahy. Koa ao amin'ny fo ny fieritreretan'ny olona. Raha izany àry Andriamanitra dia marina mandrakariva.

Ary isika dia hahita fa amin'ny tranga rehetra, dia marina hatrany Andriamanitra. Ao amin'ny lohany no isainan'ny olombelona, fa ao amin'ny fony kosa no inoany. Ary ny devoly misaina ao an-dohany, anehoany zavatra amin'izay hitan'ny masony. Fa amin'ny fony kosa, izy afaka hino zavatra tsy mety hita maso, satria izany no finoana ananany ao am-pony ao. Amin'ny fony no inoany zavatra izay tsy mety ho jereny. Dia avy ny devoly mandramby ny lohany, ary mitaona azy hanaporofo ara-tsiansa ny zavatra. Fa miverina kosa ny fony mandà izany.

Oh, raha mba afaka isika hanala ao an-dohantsika ny fahalalana sy ny fivavahana ara-tsaina, fa handray kosa ny fivavahan'ny fo, mba ahafahan'Andriamanitra hiasa ao amin'ny Fiangonana… hanala ao amin'ny saintsika, fa handray amin'ny fontsika… Ny olombelona dia mino ao amin'ny fony. Fa misana amin'ny lohany izy, ary mino amin'ny fony.

Ny saina dia mamotopototra. Ny fo tsy mba mamotopottra, fa izy dia mino fotsiny izay lazain'Andriamanitra. Saingy, hitanareo, siantifika loatra isika ankehitriny, oh, indrindra indrindra isika Amerikana. Siantifika isika; amintsika ny zavatra rehetra dia tsy maintsy porofoina avokoa.

Fahiny, raha nisy iray niteny hoe: "Nanao fahagagana ny Tompo!" ny olona rehetra dia nino izany. Dia nisaina izy ireo hoe: "Tsara izany. Isaorana ny Tompo ny amin'izany!" Fa ankehitriny kosa: "Oh; tsy maintsy maka mpahay siansa isika handinika izany, sy hanaporofo izany. Koa, raha voaporofo izany fa marina, tsy ilàna finoana intsony!" Oh, manantena aho fa voarainareo izany. Rehefa vita ara-siantifika ny zavatra, tsy misy ilàna finoana intsony.

Inona no ho mety notenenin'i Mosesy: "Andraso kely. Aoka aho hijanona vetivety. Inona ny singa simika niraraka tamin'io hazo io? Misy afo eo amin'ny raviny, kanefa tsy mirehitra. Hainareo ny andeha hataoko? Rehefa mijanona ny afo, dia hangalako ravina vitsivitsy hentiko any amin'ny laboratoara. Dia ho azoko ny valin'ny fitiliana azy, ka ho fantatro ny karazana siantifika an'io tranga io."

Raha nanana izany fisainana izany izy, tsy mba ho niteny taminy Andriamanitra hoe: "Esory ny kapanao." Fa inona kosa no nataony? Nandroso am-panetren-tena izy. Tsy nikaroka ny amin'ilay afo izy, ny fomba nirehetan'izany, na nirehitra sa tsia ilay hazo; fa izy nikatsaka an'Andriamanitra. Ary ny zanak'Andriamanitra rehetra dia hino toy izany. Nandre Feo iray izy, izay niteny hoe: "Esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io".

Raha tonga eto amin'ny fivoriana ianao, izao hariva izao, mba hitady zavatra ho kianina… "Maresaka loatra ny olona. Ela loatra ny tenin'ny mpitoriteny. Izaho afaka manaporofo ara-tsiansa fa sasatra ny vahoaka eto ireo. Tsy tokony terena hijanona ela izy ireo amin'ny alina." — Tohizo ny fisainanao. Fa ireo izay tonga kosa, ka nanaisotra ny kapany, nanilika ireo fahalalany, ary nanokatra ny fony amin'Andriamanitra, ireo dia handre Feo hiteny aminy hoe: "Izaho no fananganana amin'ny maty sy Fianana".

"Handeha ao aho, dia hijery firy no tonga ao ireo olona ao amin'ny fiangonako, amin'io fifohazam-panahy io. Dia hiazakazaka aho any amin'ny pasiteranay hilaza fa tonga ao ireo rahalahy tsara anay, Presbyeriana, Metodista, Batista. Fahafaham-baraka tsy misy toy izany!" Dia io indray ianareo, tafaverina ao amin'ny loha. Kanefa Andriamanitra, amin'ny fo Izy no miserasera.

Fa ny antom-pisian'io faritra kely ao anatin'ny fonao io… Novolavolain' Andriamanitra toy izany ianao. Io toerana kely ao am-ponao io… Ny sisa rehetra amin'ny vatanao dia anao. Fa ny fo kosa dia an'Andriamanitra. Satria efa nanao efitrano kely ao Andriamanitra, Izy mihitsy, mba hitoerany. Dia afaka mametraka tour de contrôle ao Izy, ahafahany mitarika anao. Isaorana anie ny Anarany Masina!

Oh! Raha isika mba afaka mamela Azy ho Mpamory, sy ny Fanahy Masina ho Mpamory-lefitra, dia ho tarihiny isika hamakivaky ny ranomasin'ny fiainana. Io, ao no efitra fifehezany.

Saingy, inona no ataon'ny olona? — mifampiresaka izy ireo, ary manaiky hidiran'ny devoly. Dia miditra ny devoly, ka misarika azy ireo amin'ny alàlan'ny zavatra mety hitany. Fa Andriamanitra kosa mitarika azy amin'ny alàln'ny zavatra teneniny.

Tsy mahagaga àry raha tsy afaka mino ny fanasitranan'Andriamanitra ny olona, noho ny devoly tonga eo miteny hoe: "Aza mino izany!"

– "Eny, Andriamatoa Devoly, izany tokoa."

Fa Andriamanitra kosa tonga ao amin'ny fo, ary mahatonga ny Teniny ho zavamisy ho an'ny rehetra izay mino izany. Na zavatra mety tsy ho tanteraka aza izany, zavatra tsy mety vitany hatao, dia inoany foana, satria Andriamanitra no niteny izany

Tamin'ny nilazana an'i Abrahama fa hahazo zazalahy avy amin'i Saraha, izy dia efa 75 taona izy, ary i Saraha 65. Hahatsikaiky ihany raha lahiantitra iray, 75 taona, sy vaviantitra 65 taona, hita hitety tanàna hividy zavatra fikarakarana zazamenavava, satria hono, "hahazo zaza" ireo.

Inona no heverinareo fa ho nolazain'ireo dokotera tamin'izany? — Ho niteny izy hoe: "Andriamatoa, mila midinidika isika mikasika ny zaza. Efa niteraka ve ianareo taloha?"

– "Tsia."

– "Firy taona ianao, ry Saraha?"

– "Dimy amby enimpolo."

– "Ary ianao, ry Abrahama, firy taona?"

– "Dimy amby fitopolo."

– "Dia hataonareo inona avy ireto chaussons sy zavatra hafa ireto?"

– "Miomana hahazo zaza izahay!"

– "Oh, afaka manaporofo ara-tsiansa aminareo aho, fa efa roapolo taona lasa no nampijanona ny fadim-bolan-dravehivavy. Ianareo ve bado ê?"

Fa Abrahama, izy dia nanao toy ny efa misy ny zavatra mbola tsy misy, satria Andriamanitra no niteny izany. Ary arakaraky ny fandroson'ny fotoana no nankahery ny finoany. Afaka telopolo andro dia nanontany izy hoe: "Saraha malala, misy zavatra tsapanao ve?"

– "Tsia! Tsy misy miova."

– "Isaorana anie Andriamanitra, fa tsy maintsy ho azontsika io, na manao ahoana." Marina izany.

Lasa ny iray taona voalohany: "Saraha malala, manahoana ianao izay?"

– "Tsy misy fiovana."

– "Deraina Andriamanitra, ho azontsika foana io, na manao ahoana."

Lasa ny roapolo taona. "Manao ahoana ianao izao, Saraha?"

– "Tsy misy fiovana."

– "Deraina Andriamanitra, fa ho azontsika io, na manao ahoana."

Satria nahoana? Satria Andriamanitra niteny izany. Tsy tao an-dohany izany, fa tao am-pony. Tsy miteny amin'ny loha Andriamanitra. Ny fo no itenenany. Ao no honenan' Andriamanitra. Raha eo amin'ny sezafiandrianana Andriamanitra, dia manetsika anao. Ataony izay andehananao any amin'ny toerana misy ny zavatra tiany hojerenao. Ary ianao manala ny masonao amin'ireo zavatra resahin'ny devoly aminao. Dia mitoetra tsara amin' Andriamanitra ianao.

Ary isika dia zanak'i Abrahama… Ny Baiboly milaza fa isika izay maty ao amin'i Kristy, dia taranak'i Abrahama, ary mpandova araka ny teny fikasana. Kanjo, isika tsy maharitra mino roapolo minitra akory. Fa Abrahama, izy, nino Azy nandritry ny dimy amby roapolo taona. Kanefa nangatahana taminy ny hamono ny zaza, hanamafisany indray ny fianianany.

Isika dia taranak'i Abrahama. Manontany tena aho indraindray. Raha isika taranak'i Abrahama, dia tokony hanana ny finoan'i Abrahama! Ary ny zavatra mifanohitra amin'ny saina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia hantsointsika toy ny efa nitranga sahady, raha isika taranak'i Abrahama. Haiko fa mafy izany, ry sakaizako, saingy izany ny marina. Marihontsika àry fa ny fo no nofidin'Andriamanitra. Avy ao Izy no mifehy.

Kanefa tonga tao amin'ny fon'ny olombelona ny ota, dia tsy afaka nanatona an'Andriamanitra intsony izy. Noho izany dia nandefa ny Zananilahiny Izy naka endriky ny nofon'ota, mba hanadio ny fo. Dia afaka miditra ao Izy.

Nanamboatra làlana ho an'ny tenany Izy (nanao na nanomana), izay nidinany ka nahafahany nanadio ny fonareo, ary nahafahany niditra tao. Tsy ho afaka nankao amin'ny fontsika Izy, amin'io fahotana sy tsifinoana ao ireo, sy ny…

"Izaho Presbyteriana, izaho Pentekotista, izaho Nazareana. Haleloia. Voninahitra ho an'Andriamanitra. Te-ho zanak'Andriamanitra aho. "… Kaneha raha mbola izany fisainana izany ihany no aminao, tsy ho afaka hankao mihitsy Andriamanitra. Satria ianao tsy hafa, fa Presbyteriana fotsiny. Ianao Pentekotista fotsiny ihany. Ianao Nazareana fotsiny ihany. Fa raha voahilika izany fisainana rehetra izany, dia ho afaka hiditra Andriamanitra, ary hifikitra, dia hanetsika anao tokoa. Hitanareo? Tsy maintsy tonga Andriamanitra mba ho mpitarika anao.

Miray eo ambanin'ny lohan'ny anaram-piangonana samihafa isika. Fa Andriamanitra mila antsika miray eo ambanin'ny Lohany. Isika miray eo ambanin'ny fitarihan'ny lohantsika. Fa Andriamanitra mila ireo fontsika miray eo ambanin'ny Fitarihany. Akory ny fahasamihafan'izany amin'ny olona.

Saingy, tsy mahazo ny tsy miandany ianao. Tiako ho azonareo tsara izany. Tsy afaka mievanevana ianao. Tsy maintsy ianao, na atsy na eroa.

Tsy ela izay, niteny i Billy Graham. ilay evanjelista lehibe, izay inoako fa tena mpanompon'Andriamanitra, tao Louisville, Kentucky, nandritry ny sakafo maraina… Nandray ny Baiboliny izy, dia niteny hoe: "Ity no fenitra." Hoy izy: "Raha nandeha nitory i Paoly ka nampiova fo olona iray. Miverina izy iray taona ato aoriana dia nahita telopolo avy tamin'ilay iray." Dia hoy izy: "Raha mitsidika tany iray aho, ka mahazo olona 30.000, dia miverina any aho, erintaona aty aoriana, tsy mahita afa-tsy olona 30 aho."

Mety niova fo tamin'i Billy Graham izy ireo. Mety misy koa niova fo tamin'i William Branham. Raha izany no nataony dia ho tafajanona ela amin'izany izy ireo. Fa raha tena miova fo amin'Andriamanitra izy ireo, dia ho tafatoetra Aminy mandrakizay. Nisaina aho hoe: "Te-hiteny zavatra iray aho eto, ry Billy."

Billy, Oral, ny tenako, ireo lehilahy hafa, evanjelista, pastora, inona no ataonay? Mivoaka eny amin'ny saha izahay, dia mitory. Dia mibebaka ny olona. Manatona ny alitara izy dia milaza hoe: "Andriamanitra, mamelà ny heloko." Dia mamela heloka azy Izy. Dia inona no mitranga? Miala aminy ny fanahy ratsy. Dia inona no ataon'izy ireo? — Averin'izy ireo any amin'ireny fitoeram-paty ireny izy. Tsy tiako ny milaza izany, saingy izany no marina.

Izaho dia malahelo isaky ny miatrika faty. Fa alain'izy ireo izy ireny dia ampidiriny ao amin'ny tranom-paty, ary ezahan'izy ireo atao ny tsy ahafahany hiala amin'ny fahafatesana. Tsindronin'izy ireo ranoka iray mba tsy ho tafaverina velona indray izy.

Toy izany ny fomban'ireo fiangonana antitra ara-pomba izay hita eny-rehetra-eny. Amin'ny alàlan'ny fampianaran'olombelona no ahafahany mihazona azy ireo ho faty… Toy izany amin'ny anaram-piangonana rehetra. Mandeha any izy ireo, dia fampianarana antitra iray no omena azy. Oh, manonona ny fiderana ny "telo-izay-iray" ianao, ary mamerina ny vavaka na fanekempinoan' ny Apostoly, ary ianao…

Aiza ao amin'ny Baiboly no ahitana ny fanekempinoan'ny Apostoly? Tsy misy zavatra toy izany ao. Raha mba ho nisy izany fanekempinoan'ny apostoly izany dia tsy maintsy ho ity: "Mibebaha ianareo!". Ataoko fa Petera ao amin'ny Asa 2:38 no nilaza izany fanekempinoan'ny Apostoly izany. Hoy izy: «… Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy, ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.» Nanana fanekempinoana iray izy ireo, saingy tsy nisy na iray aza tamin'izy ireo no namorona fanekempinoana.

Tsy hafahafa ve ny mahita ny devoly mifidy-izay ataony ho modely halain-tahaka? Tsy ela izay, teto dia nomarihintsika fa eo amin'ny fasan'i Mahometa, dia misy soavaly fotsy mitsangana tsy an-kiato eo akaikiny, efa ho roa arivo taona izao. Manolo ireo mpiambina izy ireo isaky ny efatra ora. Inona no ataon'izy ireo amin'izany? — Miandry ny hitsanganan'i Mahometa amin'ny maty izy ireo, indray andro, ary hitaingina io soavaly fotsy io izy, dia handeha eran'izao tontolo izao, hamabo izao tontolo izao.

Hainareo ve fa Jesosy dia ho avy, hitaingina soavaly fotsy? Jereo moa akory ny ifanakekezan'izany. Toy ny tena izy loatra ireo fiangonana, sy ireo fanekempinoana ary ireo anaram-piangonana, manakaiky izaitsizy ny tena marina. Ny Baiboly milaza fa, amin'ireo andro farany, dia hifanakaiky loatra ireo fanahy anankiroa, ka na ireo olom-boafidy aza hofitahina, raha azo atao. Tsy ny kominisma izany, fa ny "fiangoananisma" (ao amin'ireo fiangonana ny fitaka). Marina izany. Ao ny mpamitaka.

Mariho, fa ny kominisma; Rosia izany, dia te-hanangona izao tontolo izao ho iray, satria ny firaisana dia efa fanirian'ny fon'izy ireo. Saingy ny tadiaviny dia ny rehetra hiray eo ambanin'ny kominisma. Izany ny hevitr'izy ireo. Hitanareo, izany ny zavatra amboarin'ny olombelona. Ny O.N.U koa dia te-hampiray ny rehetra eo ambanin'ny O.N.U. Haninona? — hampiray azy ireo eo ambanina fahefana miaramila iray.

Fahefana miaramila tsy mba hahatafita velona ny zanakolombelona. Ny Herin'ny fitsanganana amin'ny maty an'i Jesosy Kristy no hahatafita velona ny zanakolombelona, fa tsy amin'ny alalan'ny fahefana miaramila, na spotnika, na hafa toy izany. Ny Herin'i Jesosy Kristy ihany no hahatafita antsika sy hahavelomantsika!

Jereo Nimroda. Te-anangona ny vahoaka teo ambanin'ny fahefan'olon-tokana izy, dia nanamboatra tilikambo iray. Aloky ny inona izany? — alok'ilay tohatr'i Jakoba izay niorina tat an-tany ka nipaka tany amin'ny Voninahitra izany.

Ahoana ny amin'ireo Katolika? — izy ireo te-hampiray ny tany manontolo ho eo ambanin'ny fifehezana tokana, ny katolisisma. Ahoana ny amin'ireo Protestanta? — Ireo te-ananagona ny olona rehetra ho eo ambanin'ny mpifehy tokana, ny Fivondronan'ny Fiangonana. Izany dia diso sy maizina toy ny an'ireo Katolika ihany. Mbola ilay devoly antitra mpandainga ihany no ao. Marina izany. Fahadisoana mahafaty izany.

Inona no tadiavin'izy ireo? — Ny rehetra hikambana ho fivondronam-piangonana iray. "Ho ambanin'ny loha iray isika, raha mbola izaho no afaka ho mpitondra." Ny Katolika mitady hametraka ny olon-drehetra eo ambanin'ny filoha tokana: ny Pàpa no ho mpitondra. Rosia mitady hanangona ny rehetra eo ambanin'ny loha tokana, dia ny kominisma no ho fitondrana. Ny O.N.U te-hametraka ny rehetra eo ambanin'ny loha iray, ka Etazonia no ho filoha noho izy firenena lehibe indrindra.

Fa izany rehetra izany dia mbola ilay devoly ihany, ary ny firenena rehetra amin'izao-tontolo-izao dia fehezin'ny devoly. Izany no voalazan'ny Baiboly.

Isika tsy manana fonenana maharitra et ambany et, fa isika mikatsaka ilay iray ho avy. Nisangana teo amin'ireo tanin'ny farao sy kaisara aho, indray mandeha. Ary tsy maintsy mangady ny tany, roapolo feet (6 metatra) vao mahita ny toerana nisy ny sezafiandrianan'izy ireo. Ny sezamboninahitra rehetra eto amin'ny tany dia tsy maintsy hirodana. Ny trano goavambe rehetra dia tsy maintsy ho rava. Ny fanekempinoan'olombelona rehetra dia tsy maintsy maty. Fa Kristy hitoetra mandrakizay, mandrakizay.

Nahoana no iraisana eo ambanin'ny zavatra toy izany? Voalohany, izany dia fahaverezana. Kanefa izy rehetra dia te-hiray eo ambanin'izany. Fa tsy afaka ny mievanevana ianao. Tsy mahavita izany fotsiny ianao.

Rehefa miala amin'ny olona iray ny fanahy maloto iray, dia mankany amin'ny tany tsy misy rano. Ary mitoetra ilay lehilahy, avotra. Dia tafaverina any amin'ny fiangonana iray izy. Ary mba tsy handehanany amin'ny fiangonana hafa any, dia anaovan'izy ireo fandiovan' atidoha: "Raha mankany amin'io fiangonana io ianao, ianao anefa tsy maintsy manaraka ny fanekempinoanay. Tsy maintsy ongotanao miala ny sainao ny zavatra hafa rehetra."

Aza tenenina amiko, fa haiko. "Ianao tsy maintsy manaraka ny anaram-piangonanay. Tsy maintsy atao batisa amin'ny rano kely atete eo an-tampon-dohanao ianao, (na fomba hafa)." Misy manao batisa intelo, ahohoka, ny sasany atsilany. Inona moa ny maha samihafa an'izany ê? Kanefa mandavo anareo izany, mampifanditra. Izany no maneho fa asan' olombelona izany. tsy maintsy midaboka izany. Satria «ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.» Tsy maintsy izany.

«Ary ambonin'ity vatolampy ity…» Inona ilay vatolampy? — Ny fanambarana ara-panahy an'i Jesosy-Kristy. «Ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.»

Hoy ny Katolika, i Petera izany vatolampy izany. Hoy ireo Protestanta i Kristy izany. Fa hoy Jesosy: «Tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.» Fanambarana ara-panahy an'i Tompo Jesosy. «Ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako.»

Tsy noho izany nisy nilalaza taminao. «Tsy nofo aman-drà no naneho anao izany.» Tsy noho ianao nianatra izany tamin'ny fiombonana iray. Tsy noho ianao nianatra izany tamin'ny fihinanana mofo tsy misy masirasira. Tsy noho ianao nianatra izany tamina fanekempinoana maro. Fa noho ny Fanahy Masina nanambara izany taminao. «Ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.» Efa nasehon'izy ireo fa hanohitra izany izy ireo, saingy izy ireo tsy mba handresy na oviana na oviana!

Fa izao, io fanahy maloto io, inona àry no ataony? Mandeha izy miverina amin'io olona io, ary manomboka miteny aminy. Ary hainareo, inona no ataony? — Toy ny voalazan'i Jesosy ihany. Hoy Jesosy: «ianareo mandeha mitety ny ranomasina mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta.» Ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo inona? — voalohany, dia ataonareo zanaky ny helo indroa noho ianareo izy. Mora kokoa ny mitory amin'ireny mpivaro-tena eny amin'ny arabe ireny. Mora kokoa ny mitory amin'ireny vehivavy janga ireny, na ireo mpimamo ireny, noho ny amin'ireny mpihevi-tena ho mpino, antsoina Kristiana ireny. Tena izany mihitsy.

Nipetraka teo izy ireo, ary nibontsina toy ny radaka iray tafatelina bala madinika, nanohy ny asa ratsiny, tsy mahalala mikasika an'Andriamanitra mihoatra ny fahafantaran'ny Hottentot iray mikasika ny mpitaingi-tsoavaly Egyptiana. Hainareo fa marina izany. Tonga izy, ary mahita ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny olona mahazo fahasitranana, dia miteny hoe: "Filalaovana sain'olona fotsiny io." Ahoana moa no inoanao raha ianao tsy manana ny zavatra ahafahana mino? Fa raha mitoetra ao am-ponao Andriamanitra, Izy tsy hamela anao tsy hino ny Teny rehetra…

Fa ny fahalalana hiteny hoe: "Tsy mety atao izany" Ny siansa hiteny hoe: "Tsisy hahavita izany

– «Toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao-tontolo-izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana…»

– "Tsy mino izany aho", hoy ny tsimpino

– "Amena", hoy Andriamanitra

Hoy ny Baiboly: «Jesosy Kristy tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay.»

– "Amena." hoy ny Fanahy Masina.

– Ny fiangonam-panekem-pinoana hiteny hoe: "Eny… Ao tsara Izy. Izy no Izy", " Izaho no Tompo izay manasitrana ny aretinareo rehetra."

– "Tsara, manao izany Izy."

  Saingy ny Fanahy Masina ao amin'ny fo, dia hiteny "Amena" amin'ny Tenin' Andriamanitra rehetra, satria Izy no nanoratra Izany. Izy ilay Mpanoratra

Saingy, noho izy ireo tsy mahafantatra zavatra hafa noho ny ananany, dia hitsipaka izany ireo tsimpino, ireo siantifika, ireo be fahalalana, amin'ny diplaoma maro, D.D.D, Ph.D, L.D roa sosona, sy ny hafa rehetra tsy misy ilàna azy.

Izany dia mampahatsiaro maintihoditra iray tany atsimo, izay tsy nitsahatra nihira. Ary nanontany azy ny sefony hoe: -" Sambô, nahoana ianao no faly lava toy izao?

– Dia namaly izy hoe: "Nahazo ny fivavahan'ny fo aho",

– Hoy ny sefo: "Tsy misy intsony izany fivavahan'ny fo izany."!"

– Namaly izy hoe: "Diso ianao amin'izany, sefo."

– Hoy ny sefo: "Ahoana tsara?"

– Hoy izy: "Tokony izao no noteneninao: Raha ny fantatro dia tsy misy izany fivavahan'ny fo izany." Fa izy nahafantatra zavatra hafa.

Toy izany ny traikefa amin'Andriamanitra, ho an'ireo izay efa tena nateraka indray. Misy milaza fa tsy misy ny batisa amin'ny Fanahy Masina. Izany no maneho fa tsy nandray izany izy. Ireo fanekempinoany no atokisany. Fa isika kosa, Andriamanitra no atokisantsika.

Inona no zavamisy? Tsy afaka ny mievanevana ianareo. Tsy maintsy misy zavatra mameno anao vao velona ianao. Mariho, mety ho feno zavatra iray mihoatra ny iray hafa ianao. Hiteny ianao hoe: "Rahalahy Branham, toa feno hipoka aho". Tsia! tsy mbola izany ianao. Ny Baiboly milaza fa izay rehetra tsy vita tombokasen'ny Fanahy Masina dia nandray ny mariky ny bibidia. Ireo rehetra tsy manana ny Tombokasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny, dia manana ny mariky ny bibidia. Tsy maintsy manana ny iray amin'ireo ianao.

Ho tiako ny hitsapa kely monja izany, ahitana aiza-ho-aiza misy antsika izao. Oh, ny mariky ny bibidia, aza adino, dia famantarana ara-pivavahana. Tena izany izy. Ary mety ho feno fivavahana ianao. Mety ho nandray fivavahana maro samihafa ianao. Tsy mahavonjy anao anefa izany. Mety ho mpivavaka mafana fo tafahoatra fotsiny ianao, raha tianao. Aza mikasika an'izao sy izao. Aza manandrana. Aza mandray. Aza mifofona. Izany dia tsy misy ifandraisany amin'ny Fanahy Masina.

Mety ho feno lolompo ianao. Mety ho feno fitsarana an-tendrony ianao, feno loatra hany ka tsy afa-mitoetra mihaino toriteny aza. Mety feno fankahalana ianao. Iadivanao izay rehetra tsy mitovy hevitra aminao. Mety ho feno hevitra tsy misy dikany koa ianao.

Mety ho feno loatra amin'ny vazivazy maloto an'i Arthur Godfrey ianao, hany ka aleonao tsy tonga am-piangonana isaky ny Alarobia hariva.

Mety ho feno ny rock-and-roll an'i Elvis Presley ianao. Marina izany. fa ianao tsy maintsy feno zavatra. Ny fomba fiainanao dia manambara aminao izay mameno anao. «Ny voany no hahafantaranareo azy.» Misy zavatra mameno anao. Mety ho feno hakamoana ianao; kamo loatra, ka tsy afaka manohitra izany.

Tsy voatery hanaiky izany anefa ianao. Kristy efa maty, mba hanafaka anao amin'izany rehetra izany. Mety ho feno fanekem-pinoana ianao.

Mety ho feno anaram-piangonana ianao; kanefa tsy tian'Andriamanitra ho feno zavatra toy izany ianao. Namboatra toerana ao am-ponao Andriamanitra, mba hitoerany ao, Izy. Ny tian'Andriamanitra aminao dia ianao feno Azy, Izy.

Ary inona no tonga rehefa feno an'Andriamanitra ianao? — Ho feno ny Fanahy Masina ianao. Ho feno hery ianao, ho feno fitiavana ianao, sy fifaliana, sy fiadanam-po, sy fahari-po, sy fanaovan-tsoa, sy fahalemem-panahy, sy fahamoram-panahy, miaraka amin'ny fiderana. Feno hasambarana ianao.

Davida niteny hoe: "Ny kapoakako feno dia feno!" Raha Davida nanana kapoaka feno hipoka, talohan'ny niavian'ny Fanahy Masina, ahoana ny tokony ho isika ankehitriny?

Misy zavatra mahafeno anao. Ary raha feno hevitry ny olona ianao, raha feno hevi-piangonana ianao, raha feno fanekempinoana ianao, dia manamboatra ny tenanao ho Babylona iray izay tsy maintsy hirodana. Raha mameno ny tenanao amin'ny tontolo moderna ianao, raha mameno ny tenanao amina filana ianao, raha mameno ny tenanao amin' avonavona ianao, raha mameno ny tenanao amin'anaram-piangonana ianao, dia very ianao. Tokana ihany ny làlana aharetana, dia ny mandray ny tena izy, dia ilay tokony hamenoana io efitrano nataon'Andriamanitra ao am-ponao io.

[Misy banga ny horonampeo – F.n.m]

Indray andro, ireo mpianatra nanontany hoe: «Amin'izao va no hampodianao ny Fanjakana?» Fa hoy kosa Izy: «Tsy anareo ny hahalala ny fotoana izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany. Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.»

Ry sakaizako malala, mahazo miteny ity aminareo ve aho izao hariva izao? Tian' Andriamanitra hiray isika. Kanefa raha tiany hiray, dia tsy eo ambanin'ny hadalan'ny lehilahy mpitarika iray, fa hiray eo ambanin'ny fitarihana masina an'Andriamanitra. Miray toy ny olona tokana ihany, lehilahy iray, vehivavy iray, fiangonana iray, vahoaka iray, iray fijery, iray tanjona, iray antony manosika, iray zava-kendrena, dia i Jesosy-Kristy. Zavatra iray atao, dia ny hanompo Azy, fitiavana iray, dia ny fitiavan'Andriamanitra, firahalahiana iray, dia ny firahalahian'olombelona, fiombonana tokana, dia ny an'ny Fanahy Masina. Amin'izay dia tena iray isika.

Izany no amboarin'Andriamanitra ankehitriny, tsy miraharaha izay ataon'ny devoly. Am-panaovana tilikambo iray Izy, tilikambo avy amin'ny firaisana vahoaka iray, avy amin'ny Metodista, Batista, Presbyteriana, Pentekotista, Nazereana, Mpivahiny masina. Izany dia vita avy amin'ireo olona rehetra nateraka indray, ka nandray ny batisan'ny Fanahy Masina ao am-pony, nameno io efitrano kely io, ary miandry ny fanafahan'Andriamanitra.

Dia hiray toy ny olon-tokana isika. Tsy hifampigidragidra intsony. Tsy hiady hevitra intsony isika. Isika lehilahy, hihetsika toy ny lehilahy, hitafy toy ny lehilahy. Isika vehivavy hitafy toy ny vehivavy. Zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, ho porofoin'ny toetrantsika sy ny fitondran-tenantsika, ary ny finoantsika. Izay tenenin'Andriamanitra rehetra, dia anaovantsika "Amena." Raha miteny amintsika ny Baiboly hanao zavatra iray, dia hataontsika izany, fa tsy hiady hevitra isika, ary tonga dia hanao izany. Toy izany no itiavan' Andriamanitra hiraisantsika. Oh, tokony ahoana rê ny ho fihetsitsika amin'izao andro izao!

Nisy fotoana taloha, teto, ireo fari-panjakana tatsimo dia nampiasa ireo tsifotsihoditra toy ny andevo. Ary ireo Afrikaans, ireo Boers, izay avy tao Afrika atsimo, dia nividy andevo, na nisambotra azy ireny, ary nitondra azy teto, ka namarotra azy ho andevo tamin'ireo vahoaka any atsimo. Ary toy ny mivarotra fiarakodia fotsiny ny nivarotan'izy ireo azy ireny. Tsy mba rariny izany. Satria namidiny ho andevozina izy ireo. Dia tena nalahelo izy ireo. Ary tao anatin'ny alahelo izy ireo no tsy maintsy nokapohina noterena hiasa.

Nandehandeha izy ireo, ireo mpanakalo, nitady izay hividy olona, tsy misy hafa amin'ny fividianana sy famarotana fiarakodia efa niasa. Oh, tena ratsy. Ary vidiana izy ireo, miisa efatra na dimy amin'ny vidiny iray, dia entina hamidy amin'olon-kafa amin'ny vidiny iray hafa… Ary ny mpivdy dia mifidy ny lehibe, ny matanjaka, ny salama, dia ompiana ireo, toy ny biby, ampiraisina ny lahy lehibe amin'ny vavy lehibe indrindra ahazoana andevo lehibe kokoa, matanjaka kokoa, salama kokoa…

Indray andro, nisy mpanakalo iray tonga tamin'ny toeram-pambolena antitra iray. Hoy izy tamin'ny tompony: "Tiako ho fantatra firy ny andevo ato aminao mety hamidinao."

– Namaly ilay iray: "Oh, angamba dimy."

– Hoy izy: "Azoko atao ve ny mijery azy ireo."

– Valiny: "Azonao."

Ary nandeha tao amin'ny toeram-pambolena izy, nanomboka nijery teny rehetra teny. Ary hitany izy ireo, ka notabatabainy sy nobedesiny, noho izy ireo nalahelo. Nalahelo, satria tsy ho tafaverina intsony any aminy izy. Ny reniny any, ny dadany any, mety koa ny zanany mbola kely any, ny vadiny any. Tsy mba hahita azy ireo intsony izy. Eto amin'ity tany ity izy ireo, andevo, ka ho faty eto ary hilevina eto. Nalahelo izy ireo.

Kanjo, io mpividy andevo io dia nahatsikaritra anankiray, tovolahy iray. Tsy mba voatery nikapoka azy izy ireo. Ny tratrany mibontsina, ny saokany mianjona, amin'ny fotoana rehetra, sy tranga rehetra. Ary ilay mpividy andevo nilaza tamin'ilay tompony hoe: "Tiako hovidiana io andev io."

– "Oh", hoy izy, "fa tsy amidy izy io."

– Hoy izy: "Miendrika hafa loatra amin'ny rehetra izy."

– Hoy ny tompony: "Haiko izany."

  Hoy izy: "Amboary ny vidiny, ohatrinona ilainao aminy?"

– Valiny: "Efa voalazako taminao, tsy amidy izy."

– Nanontany izy: "Izy io ve no sefon'ireo hafa rehetra?"

– Valiny: "Tsia, andevo tsotra ihany izy."

– Hoy izy: "Omenao hanina hafa noho ny rehetra angaha izy?"

– Valiny: "Tsia, izy rehetra miara-mihinana eo an-davarangana."

– Hoy izy: "Maninona àry io lehilahy io tsy mitovy velively amin'ireo andevo hafa?"

– "Tianao ho fantatra ve?" hoy izy. "Izaho koa dia nanontany tena mikasika azy io, mandra pahitako ny antony. Nahita aho, fa any amin'ny tanindrazany, any Afrika, ny rainy dia mpanjakan'ny foko anankiray. Na dia vahiny an-tany lavitry ny tanindrazany aza izy, dia fantany ao am-pony ao, fa zanaka mpanjaka izy, koa mitondra ny tenany toy ny zanaka mpanjaka izy."

Inona no tokony ataontsika? Ahoana no tokony ho fihetsitsika? Ahoana no tokony ho fitondran-tenantsika? Amin'ny maha zanakalahy sy zanavavin'Andriamanitra antsika, dia tokony ho araka izany ny fitafintsika, ny fihetsitsika, ny fiainantsika, ny fitenintsika, ary ny fijoroantsika vavolombelona. Na vahiny aza isika, an-tanin'olon-kafa, afovoana tontolo miala aina, mbola mijanona ho zanakalahy sy zanavavin'ny Mpanjaka isika, Jehovah Andriamanitra. Tokony hirindra amin'ny Teniny isika. Tokony hiteny "Amena" amin'ny Fanahiny isika.

Tokony hiray isika toy ny mpirahalahy, mpirahavavy, ary mpianadahy, ka mitondra ny tenantsika toy ny zanakalahy sy zanakavavy ana Mpanjaka.

Oh, la! la! Mety ho sarotra izany ho an'ny Batista. Izaho kosa mahatsiaro tena ho mpivavaka izao. Mino aho fa saika afaka hihiaka aza aho. Heverinareo ve fa tsy mihiaka izy ireo? Raha izany dia tokony hanakaiky ahy ianareo indraindray. Oh! Faly loatra aho izany, satria haiko fa eto ny Fanahin'ny Andriamanitra velona izao. Tsapako fotsiny fa misy zavatra tonga mampirehitra ny fanahiko. Oh, isaorana anie ny Anarany.

Hanana Fiangonana iray Adriamanitra… Tsy lavitra intsony izany. Ho iray isika. Ho iray ny tanjontsika. Toy ny nanamboarana ilay tempoly lehibe, raha niara-tonga tao ireo, tsy nandrenesana fidridridridrin-tsofa tokana, na don-kanota indray mandeha monja nandritry ny efapolo taona.

Andriamanitra izao, dia mioty azy ireo avy ao amin'ny Metodista, Batista, Presbyteriana, sy ireny vondrona hafahafa rehetra ireny. Fa ato-ho-ato, indray andro any, ho tonga ny Fanahy Masina, ilay Vato fehizoro nolavina, ka hifandrimbonan'ny rehetra ny fanorenana, tsy hisy fimenomenonana na dia tokana aza. Tena izany mihitsy.

Ilay vato nolavina no Vato fehizoro. Ianareo, mpanorina anaram-piangonana, tadidio, saintsaino izany. Ny Vato nolavinareo dia Izy ilay Vato fehizoro. Eto Izy izao hariva izao. Izaho mino Azy.

Oh! Mahafinaritra loatra, be voninahitra loatra izany! Fantatro fa eto Izy. Oh, mirary aho ny hahatsapanareo izay tsapako. Haiko fa heverinareo ho adaladala aho. Kanefa tsy izany aho. Mety misaina ianareo fa tsy haiko izay misy ahy. Kanefa haiko izany. Oh, ny Fanahin' Andriamanitra velona izany. Tsy afaka ny hanohy hitory intsony aho. Misy zavatra, ireo lakolosin-kafalian'ny voninahitra, nametraka izany ato anatiko. Tsy mbola nisy hatrizay fitrangany toy izany. Misy zavatra fotsiny…

Haiko fa manatona ny fotoana iray. Misy zavatra iray tamy mba handray ny toerany. Hitako eo amin'ny ho avy akaiky izany, ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona milatsaka, vaovao, ao amin'ny Fiangonany. Misy zavatra avy handray ny toerany. Mandre feo ao anatin' ny kirihitra voaroy aho.

Misy Feo henoko miteny amin'ny foko hoe: "Aza matahotra ry mpitoriteny, hiray izy ireo indray andro any. Hino izy ireo." Mety hisy ny fanenjehana sy ny zavatra hafa koa hanery antsika hikambana, kanefa Andriamanitra hitarika ny Fiangonany hiray. Azo antoko, toy ny maha azo antoka ny fitsanganako eto amin'ity polipitra ity izany, ny hitambarany eo ambanin'ny tokana, dia Kristy. Kristy no ho Loha. Tsy anarama-piangonana ny ho loha, fa Kristy no ho Lohan'ny mpino tsirairay. Haleloia.

Aza matahotra manao "Haleloia" Haleloia midika hoe: "Derao ny Andriamanitsika." Fa Izy mendrika ny fiderana rehetra izay afaka omentsika Azy. Eny, Andriamatoa.

Fotoana vitsivitsy lasa izay, raha avy nitoriteny aho, dia nanatona ahy ny vehivavy anankiray. Mpivavaka amin'ny fivavahana anankiray izay izy. Hoy izy tamiko: "Zavatra iray monja no tsy tiako ao amin'ny toriteninao."

– "Oh", hoy aho, "Ataokao, Ramatoa, fa betsaka izany"

– Hoy izy: "Zavatra iray ihany: manandratra loatra an'i Jesosy ianao!"

– "Oh", hoy aho: "Ramatoa, tsy ho mety ampy mihitsy ny fanandratako Azy. Raha ho nahay fiteny miisa iray alina aza aho, mbola tsy ho ampy hanandratako Azy izany, satria tena Izy loatra Izy"

– Hoy izy: "Fa ianao miezaka manao Azy Andriamanitra.",

– Hoy aho: "Andriamanitra Izy!"

– Hoy izy: "Kanefa Izy dia mpaminany fotsiny ihany".

– Dia hoy aho hoe: "Raha mpaminany fotsiny Izy, dia ho Izy ny mpamitaka lehibe indrindra amin'izao tontolo izao. Saingy, mihoatra ny mpaminany Izy. Izy no Andriamanitr' ireo mpaminany".

– Mbola nanohy izy hoe: "Ezahanao atao Andriamanitra Izy. Kanefa ianao milaza anao ho "mpihazona ny fototra."

– Hoy aho hoe: "Izany aho."

– Hoy izy: "Raha porofoiko aminao, amin'ny alàlan'ny Baiboly, fa tsy hafa amin'ny olona ihany Izy, hanaiky izany ve ianao?"

– Hoy aho: "Raha izany tokoa no voalazan'ny Baiboly."

– Hoy izy: "Ny Baiboly miteny ao amin'ny Jaona toko faha-11, raha tonga teo amin'ny fasan'i Lazarosy Jesosy dia nitomany."

– Hoy aho: "Izany ve no Soratra Masina anananao?"

– Hoy izy: "Izany mihitsy. Tsy afaka ny ho Andriamanitra Izy, kanefa nitomany."

– Hoy aho: "Ramatoa, ny fandresen-dahatrao izany dia manify noho izay zavatra manify indrindra." Dia hoy aho hoe: "Ny mahadiso anao, dia ny tsy nijerenao, fa raha nanatona ny fasan'i Lazarosy Izy, ka nitomany, dia olona no nitomany, saingy rehefa nitraka Izy, ka niteny hoe: 'Lazarosy, mivoaha', ary lehilahy iray maty efa efatra andro… Ny fahalovana nahafantatra ny Mpifehy azy, ary ny fanahy nahafantatra fa ny Mpamorona izay. Koa lehilahy iray maty efa efatra andro no nitsangana tamin'ny tongony. Mihoatra noho ny olombelona izany. Fa izany, dia Andriamanitra miteny amin'ny alàlan'ny Lehilahy iray. Sady olona Izy no Andriamanitra." Marina izany.

Raha nidina ny tendrombohitra Izy, iny alina iny, noana, ka nitady voankazo hohaniny teo amin'ilay hazo, olona noana Izy tamin'iny. Fa rehefa noraisiny ny mofo dimy sy ny trondro roa, ka nampihinana olona dimy arivo Izy, nihoatra noho ny olona Izy. Eny, izany Izy.

Olombelona Izy, raha teny an-dranomasina, indray alina, reraka loatra noho ny hery niala tAminy nandritra ireo fanasitranana sy fahitana, tontolon'ny andro. Lehilahy iray reraka Izy, natory, ka na ny onjan-drano aza tsy nanaitra Azy, ary demonian-dranomasina iray alina no nianiana handrendrika Azy, raha mbola natory Izy. Lehilahy iray reraka Izy, resin-tory. Saingy, rehefa nifoha Izy, nitsangana teo an-tsisin'ny sambo, nijery, ary niteny hoe: "Mitonia, aza mihetsika", ary nankatò Azy ireo rivotra sy onjan-dranomasina, dia nihoatra noho ny olombelona Izy. Azo antoka, fa izany Izy.

Te-hiray eo ambanin'ny Heriny aho. Maniry aho, izao hariva izao, ny hiray aminareo, lehilahy sy vehivavy, eo ambanin'ny Heriny. Teo ambonin'ny hazofijaliana Izy nihiaka hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?" Maty Izy toy ny olombelona. Fa ny marainan'ny Paska, rehefa noravany ilay tombokase romana, nakodiany ny vato, ary nitsangana tamim-pandresena Izy, dia noporofoiny fa Andriamanitra Izy. Nampangovitra ny fon'ny olona Izy. Toy ny fijerin'Andriamanitra ny Fijeriny. Toy ny fihetsik' Andriamanitra ny Fihetsiny. Andriamanitra Izy. Tsy mahagaga raha nilaza ny poety hoe:

"Velona Izy, mba nitiavany ahy,
Maty Izy , mba hanavotany ahy:
Nalevina Izy, nanilihany lavitra ireo fahotako;
Nitsangana Izy, nanamarina ahy mandrakizay:
Indray andro any, ho avy Izy;
Oh, ho Andro be voninatra izany!"

Marina izany

Tsy mahagaga raha afaka niteny i Fanny Crosby jamba hoe !

"Aza mba mandalo ahy,
Ry Mpamonjy malemy fanahy
Henoy ny tarainan'ny foko;
Raha mbola mihantso ny hafa Ianao,
Aza andalovanao aho;
Ianao no fiononako, mihoatra noho ny aiko aza;
Iza no ananako etỳ an-tany, raha tsy Ianao?
Na iza any an-Danitra, afa-tsy Ianao?"

Marina izany.

"Amin'ity vatolampy ity no hanorenako ny Fiangonako. Hampiraisiko eo ambanin'ny fiandraiketan'ny Fanahy Masina ny Fiangonako, ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy Azy!" Tena izany. Amena.

Eo ambanin'izany no tiako hiraisana, eo ambanin'ny hery sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina, ho vavolombelon'ny Tenin'Andriamanitra rehetra. Marina izany. Amena. Mino aho fa afaka mampirehitra ireto vahoaka ireto Andriamanitra izao, ahazoana fanompoam-panasitranana iray toy izay tsy mbola hitanareo hatrizay, raha fotsiny mino izany isika. Mino aho fa efa eto ny Fanatrehany. Ny Mpanjaka, misy hiakan'ny Mpanjaka eto.

Maro aminareo mpitoritenin'anaram-piangonana, rehefa mahita io vahoaka mihiaka sy mitabataba io, no ahetsiky ny fisainana tao amin'i Balama: "Nanao diso ireo." Marina izany, saingy ianareo koa nanao toy izany, fa ianareo nahita fomba nanafenana ny hadisoanareo. Marina izany.

Miteny ianareo hoe: "Oh, iny mpitoriteny pentekotista iny nandositra niaraka tamin'ny vadin'olona!" Izany koa no ataon'ity Batista ity, sy iry Presbyteriana iry. Saingy fotsiny mbola tsy voalazan'ny gazety. Ny an'ny olona iray ny fahotany mialoha làlana azy, ny an'iray hafa kosa manaraka azy aoriana.

Fa omeo ahy fotsiny ny Herin'ny Fanahy Masina mampiray, ary ny sisa rehetra avelao any. Mankasitraka an'i Eddie Perronett aho raha niteny izy hoe::

Ny rehetra, mankalazà ny Herin'ny Anaran'i Jesosy;
Aoka ny anjely hiankohoka am-panajana,
Ento ny satroboninahitry ny Mpanjaka,
Ary satroy ho Tompon'ny rehetra Izy.

Amena. Tsy isalasalana. Izany Izy.

Izany no izy, rahalahy isany: miray eo ambanin'ny Loha tokana, Andriamanitra; fitarihana tokana, ny Fanahy Masina; tanjona tokana, ny Fanjakan'Andriamanitra. Izy izany. Oh! Endrey ny voninahitr'izany! Tiako loatra ny mibanjina Azy! Ireo Heriny lehibe dia eto izao. Tsy hiantso filaharam-bavaka aho. Andriamanitra no hiantso anareo avy eto amin'ity lampihazo ity. Mino aho fa eto amin'ity toby ity ny Mpanjaka izao.

Nitsikilo ny fitondran-tena i Balama. Saingy izy diso tsy nahita ilay vatolampy nokapohina sy ilay menarana varahina. Izany no tsy mety amin'ny fiangonana ankehitriny. Mafy hatoka, tsy voafora fo sy sofina. Diso tsy mahita ny Fanahy masina mialoha làlana ny Fiangonana. Izay misy an'Andriamanitra no ahatongavan'ny famantarana sy fahagagana.

Kristy, Lohan'ny Fiangonana, mila antsika miray, ho tonga fo tokana, hanana tanjona tokana. Ianareo rehetra Batista, Metodista, Presbyteriana, Pentekotista, isika tokony miray, ho fo tokana sy olona tokana, eo ambanin'ny Mpanjaka tokana, Andriamanitra, toerana tokana, ny lanitra. Andriamanitra dia mila antsika rehetra, Fiangonan'Andriamanitra velona: Presbyteriana, Menonita, na iza na iza ianareo. Eto Izy izao. Eto ny Fanahiny. Izy anie hanaporofo aminareo, izao hariva izao, fa ny marina no noteneniko taminareo.

Firy aminareo no marary, atsangano ny tànana? Minoa, minoa fotsiny. Minoa fa eto an-toby ny Mpanjaka. Minoa fa voahombon'ny fantsika Kristy, ary ny ny Fanahiny dia eto amin'ny toby. Avelao Izy hiditra ao amin'io efitra kely ao aminao io, izay tiany hidirana anio. Avelao Izy ho tonga, ka hiteny hoe: "Izaho ilay Mpanjaka. Aza mihaino izay lazain'ny eveka. Izaho ilay Mpanjaka. Izaho no Mpanjaka. Minoa ny Teniko. Mbola ilay Mpanjaka izay nandehandeha tany Galilia ihany Aho."

– "Ianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?" nanontanian'i Pilato Izy ;

"Voalazanao", hoy Izy.

Izao àry, minoa ianareo rehetra izay marary. Atombotsika amin'ny ilany ato. Ianareo izay marary, mino Andriamanitra ve ianareo? Mino ianareo fa nitsangana tamin'ny maty Jesosy? Manàna finoana, minoa.

[Hanomboka hivavaka ho an'ny marary ny rahalahy Branham]

Ahoana ny amin'iry madama kely manondrika ny lohany, er am-paran ery? Manana kara-pilaharam-bavaka ve ianao, ramatoa? Tsy manana? Mino Andriamanitra ianao? Mino ianao fa Izy ilay Mpanjaka? Mino ianao fa misolo tena Azy aho, mpanompo iray toy ireo lehilahy hafa, ireo mpitoriteny sy ny hafa?

Tsy mpitoriteny, araka ny tokony ho izy aho, lehilahy iray ho nahita fianarana. Saingy izaho mahafantatra izay teneniko. Sekoly ambaratonga fototra ihany no nianarako. Fa izaho kosa efa namaky ny fototra amin'ny boky rehetra. Hitanareo? Mety tsy mahay tsara ny Bokiny aho, fa izaho kosa tena mahalala tsara ny Mpanoratra. Izany no zava-dehibe. Raha fantatrao ny Mpanoratra, dia Izy hanambara ny Bokiny aminao.

Tsy manana karatra ianao, hoy ianao? Mino ve ianao fa Andriamanitra afaka milaza amiko ny tsy mety aminao, raha ianao mino fa ny fitsanganan'ny Jesosy tamin'ny maty izany? Raha mino izany ianao, io aretim-behivavy aminao io tsy hampijaly anao intsony. Mino izany ve ianao? Raha manaiky izany ianao, atsangano ny tànanao.

Ny vadinao io aoriana anao io. Marina izany. Mpivady ianareo. Tsy fantatro ianareo, tsy mbola hitako hatrizay. Raha marina izany, atsangano ny tànanao. Andriamatoa, ianao ve mino Andriamanitra? Mino ianao fa miteny ny marina aminareo aho? Marary vavony ianao. Raha marina izany, atsangano ny tànanao anankiroa ary ahevahevao, raha marina izany.

Inona izany? — Ny Mpanjaka no eto an-toby. Nahoana? Hoy Izy "Ny asa ataoko no hataonareo koa":

Inona no misy atsy ambadika atsy? Mino ve ianareo? Ianareo an-davarangana ao, mino ve ny sasany aminareo? Minoa Andriamanitra ianareo.

Ahoana ny amin'io lehilahy, mipetraka io, amin'ity laharana ity, ny vozon'akanjony misokatra? Mino ve ianao, Andriamatoa? Eny, Andriamatoa. Mampitodika ny lohanao ianao, mivavaka amin'Andriamanitra. Toy ny lehilahy mendrika ny fahitako anao. Hitako eo raha hilaza zavatra Andriamanitra. Dia ianao no hitsara. Mikasika ny oronao no ivavahanao. Misy fivontosana ao anatin'ny oronao. Raha marina izany, atsangano ny tànanao. Vahiny aminao ve aho? Atsangano ny tànanao. Tsara. Mandehana ary sitràna izao.

Inona ny hevitrao, Andriamatoa, ianao akaiky azy io? Hitako ianao nandinika azy akaiky teo. Ary nanondrika ny lohanao ianao, dia nivavaka. Vahiny aminao aho, ianao ilay lehilahy akaikiny io? Tsara. Eo amin'ny laharana faharoa no ipetrahanao. Tsy ho anao no tianao ivavahana, fa ho an'ny olon-kafa izay tsy eto. Mino ve ianao fa Andriamanitra hanambara ny momba azy amiko?

Aoka ianao hino fa eto an-toby ny Mpanjaka, Izy ilay nisy nikasika ny moron-dambany. Mahakasika Zavatra ianao izao, ary hainao izany. mivavaka ho an'ny vadinao ianao. Ary ambony tosi-drà io vadinao io. Tena marina izany. Raha izany, dia atsangano ny tànanao. Tsara. Raiso izany. Inoy izany.

"Raha afaka hino ianareo, dia ho afaka hahazo izay angatahinareo."

Oh! Mahafinaritra loatra! Ianareo rehetra ato, n'aiza n'aiza misy anareo, manomboha mino. Eto amin'ny toby izao ny Mpanjaka, ny Fanahin'Andriamanitra. Izay asehony ahy ihany no azoko lazaina aminareo. Tsy isalasalana. Fa "raha afaka mino fotsiny ianareo", hoy Jesosy, "dia azo atao ny zavatra rehetra."

Fa izao, inona no lazain'ny Baiboly? Ilay vehivavy nikasika ny Moron-dambany, dia lasa izy nilaza tamin'ireo hafa hoe: "Kasiho ny Moron-dambany." Nitoditodika Izy, ka hitany ravehivavy. Tsy fantany izy. Fa hainy inona ny aretiny, ka nolazainy taminy fa sitrana izy.

Ny Baiboly milaza fa "Izy tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay." Raha afaka mino ianareo, tsy isalasalana fa Izy ilay "IZAHO IZAY IZY" lehibe.

Misy lehilahy iray mihaotra ny sofiny io, sady mijery ahy. Ahoana ny hevitrao Andriamatoa? Mino ve ianao fa mpanompony aho?Mihantona eo amboninao ny Hazavana izao, Andriamatoa. Raha hambaran'Andriamanitra amiko ny mahory anao, Hino ve ianao fa mpanompony aho? Mitsangana ianao. Ianao. [Misy miteny hoe "Somary marenina izy"].

Tsara, tsy ho somary marenina intsony ianao, raha ianao hihaino iray minitra monja. Ary ianao tsy somary marenina fotsiny, fa… (maheno ahy ianao izao?) ianao dia voan'ny sohika ihany koa; mikohaka, mahatonga ny fonao mitepo faingana. Tsy avy eto an-tanàna ianao. Avy amin'ny tanàna hafa ianao. Marina izany. Mino ianao fa Andriamanitra hanasitrana anao? Hahatonga anao salama? Mandrosoa at ianao.

Ianareo rehetra, ahondreho ny lohanareo. -[Hoy ilay lehilahy hoe: "Mino aho fa mbola ny Herin'i Jesosy fony Izy tetỳ an-tany ihany no Heriny izao"]

Andriamanitra mandrakizay isaorana, tsy mangataka fahagagana izahay. Famindram-ponao no angatahinay. Omeo ity lehilahy ity ny famindram-ponao. Raiso ny fahavalo ka ongoty miala ao aminy. Esory aminy ny fanahy marenina, mba ho afaka handre izy, ho voninahitr'Andriamanitra, amin'ny Anaran'i Jesosy. Aoka ny rehetra hanondrika ny lohany ihany.

Nanomboka oviana ianao no tahaka an'io? Iray taona sy tapany? Mino ianao fa afaka manasitrana anao Andriamanitra ka ho salama ianao? Efa nataony izany. Zara aho raha mamoaka feo, fa efa tsara daholo ny aminao. Tiako ianao raha miverina ao Franklin, any Ohio, tanàna niavianao izany, ary Wesley Muller no anaranao, avy any Franklin. Tafaverina ny fandrenesanao. Tsara ianao izao. Nanjavona koa ny sohikanao. Mandehana, mifalia ary misambàra. Andriamanitra hitahy anao. Afaka mandre izy na ibitsibitsihana aza.

Oh! Lehibe loatra izany…

Fa inona kosa no hevitrao, ianao akaiky azy io? Mino amin'ny fonao rehetra ve ianao? Eny, ny voa no marary ao aminao, sy ny fonao koa. Avy any Franklin koa ianao. Tsara. Ramatoa Becker, mitsangàna ianao ary sitràna, amin'ny Anaran'ny Tompo Jesosy.

Izao: raha afaka mino ianareo, ny zavatra rehetra dia azo hatao. Mino ve ianareo? Minoa Andriamanitra. Eto Izy. Mahagaga Izy! Be voninahitra sy mahery Izy!

Er am-parany er, mahita ramatoa iray aho, manangana mosoara; mijery toy izao. Eo ambonin'io vehivavy io ny Hazavana. Mino ve ianao, ramatoa? Vahiny aminao aho? Ao amin'ny tranon'afero no maharary anao. Marina izany. Ianao koa tsy avy eto. ianao avy amin'ny toerana atao hoe Hamilton, any Ohio. Ramatoa Henderson no anaranao. Raha marina izany, mitsangàna ianao. Izao àry, modia ary sitràna, amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy.

Manàna finoana an'Andriamanitra.

Inona no ao an-tsainao, ianao ramatoa kely mitoetra aorinany io, izay mamafa orona amin'ny mosoara, mitomany ? Mino Andriamanitra ve ianao? Mino ianao? Nahakasika zavatra ianao teo. Nahazo karatra filaharam-bavaka ve ianao? Tsia? Tsy mila izany ianao. Mino ve ianao fa niala taminao io aretin-tsinay izay nampahory anao io? Raha izany, ahevahevao ny tànanao. Tsara. Afaka mandeha ianao, dia sitràna.

Mihaika anareo rehetra hino izany aho. Haleloia. Raha tsy afaka mino ianareo…

Ahoana ny hevitrao, ianao izay mipetraka io, manifikifika ny lohanao, sady mijery ahy, ny mosoara eo an…? Marary fo ianao, tsy izany ve? Avy ao Lebanon, any Ohio ianao. Mary, raha mino ianao, dia afaka ho sitrana hody any. Mitsangàna àry ianao, ahitan'ny olona anao. Tsara. Andriamanitra anie hitahy anao.

Raha mino izany ianareo, aoka isika hiteny hoe: "Dera ho an'Andriamanitra!"

Io ramatoa mipetraka eto io, mamafa ny masony, voan'ny rarin-tsaina ianao. Mino ve ianao fa ho sitranin'Andriamanitra amin'izany rarin-tsaina izany? Raha afaka mino ianao, dia mety ho azonao izany.

Apetraho amin'ilay vehivavy eo akaikinao ny tànanao. Manatona azy ny Fanahy Masina. Mararin'ny diabeta izy. Marina izany, Madama, atsangano ny tànanao, raha izany. Marina izany. Mino ve ianareo?

Ahoana ny hevitrao, ianao mipetraka akaikiny io, mino amin'ny fonao rehetra ve ianao? Sady marary àty ianao no voan'ny rarin-tsaina. Ianao, ramatoa manao palitao fotsy io, mino ve ianao fa Andriamanitra hanasitrana anao? Atsangano ny tànanao, afaka mahazo izany ianao. Dia modia.

Haleloia! Eto an-toby ny Mpanjaka. Mpanjaka Iza? Jesosy Mpanjaka

Er amin'ny laharana aoriana er, saika amin'ny farany, misy ramatoa mipetraka anilan'ny vehivavy maintihoditra anankiroa. Sinozita no marary anao, ramatoa. Hanasitrana anao Andriamanitra?

Ilay ramatoa maintihoditra mipetraka eo akaikiny io dia mararin'ny varices. Mino ve ianao fa ho sitranin'i Jesosy Kristy? Raha mino ianao dia afaka hahazo izany.

Ilay ramatoa maintihoditra akaiky anao io dia marary vavony, tsy izany?… Aoriana eto, tsy hitanareo ve ilay miresaka amiko, ny Hazavana? Raha afaka mino ianao, dia mety hahazo izany.

Mihaika ny rehetra ato aho hino izany.

Inona moa isika? — Isika dia vahoaka miray eo ambanin'ny fitarihan'ny Mpanjaka lehibe iray antsoina Kristy. Kristy dia eto izao. Oh, la! la! Io fo kely ao aminao io, io zavatra kely mitepo io izay isiana finoanoampoana sy fisalasalana ary tahotra isan-karazany io, iza avy no te-hampiray io fo io amin'i Kristy izao hariva izao? Atsangano ny tànanareo. Amena. Iza avy no maniry mba hiala ao am-pony izao-tontolo-izao, hiala ao am-pony ny ota, hiala ao am-pony ny tsifinoana rehetra, hiala ao am-pony ny anaram-piangonana sy ny fanekem-pinoana, mba ahafahany miray amin'i Kristy? Isaorana anie ny Andriamanitra velona! Aoka ianareo hitsangana. Amena.

Andraso kely, misy zavatra hitako. Ianao, Ramatoa, ianao vao nitsangana io, mino ve ianao fa izaho dia mpaminan'Andriamanitra? Misy aretina ao amin'ny lanivoanao. Tsy izany ve? Io koa ny vadinao, matory ambony filanjà-marary. Andriamatoa, andala-pahafateana ianao, mitsilany eo. Homamiadana no mamono anao. Mino ve ianao fa mpanompon' Andriamanitra aho? Handray ny teniko toy ny avy amina mpanompon'Andriamanitra ve ianao? Raiso ny filanjànao, dia modia any aminao, ary sitràna, amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo. Ny Tompo, ny Mpanjaka dia eto an-toby eto. Tsara.

Ahoana ny aminareo rehetra sisa? Inona no mampiray anareo? — eo ambanin'ny herin'ny fitiavan'Andriamanitra. Jereo moa izy, mihazakazaka, dia midera an'Andriamanitra, mitsambikimbikina dia midera an'Andriamanitra. Ny Mpanjaka dia ao amin'ny Voninahiny. Haleloia! Ianareo sisa rehetra, aoka hitsangana. Derao Andriamanitra…

 

***************
*****
*