Ewald Frank
NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Ewald Frank
NY LAMIN’NY FIANGONANA 1963
William Branham
NY LAMIN’NY FIANGONANA 1958
William Branham
Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Ewald Frank
Ny hany boky tokana izay antsoina Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra, ary rariny tokoa izany, dia ny Baiboly. Ary andeha hiaraka handinika Azy isika, amin’ny lafiny mavesa-danja vitsivitsy. Ao aminy irery no ahitantsika, voatantara, ny zavamisy rehetra, hatra tany am-piandohana, manomboka amin’ny famoronana ny tany sy ny lanitra, ka hatramin’ny fiafaran’ny fotoana, ary na ny ankoatra izany aza.
Ilay toerana voafidin'Andriamanitra itsaofana Azy
William Branham
Ireo voahosotra amin'ny andro farany
William Branham
Vina 7000 - Filazana ankapobe
Ewald Frank
Ry mpamaky malala, Tsy mila fotoana lava akory ianao, raha hamaky ity famelabelarana fohy ity. Ny andro iainantsika izao dia fotoana mirotoroto be, satria isan’andro izao dia misy foana vaovao renesintsika mikasika zavatra manokana. Filazam-baovao tokana monja dia anomezana antsika zavamitranga maro izay, raha taloha, dia ho tao anatin’ny taonjato iray no ho nitrangany: loza voajanahary, hanoanana, fahoriana vokatry ny ady, adim-poko, “fandringanana foko iray”, fampihorohorona ara-pivavahana, vono-olona sy heloka isan-karazany no voalaza fa misy manerana ny tany. Ao amin’ny firenena iray ihany, dia mety sady misy doroala mandravarava atiàla matahitra be any andrefana, no misy tafio-drivotra manimba zavatra tsy hita nonoa any atsinanana. Toa niova tanteraka tsy toy ny taloha intsony ny ankehitriny. Ireo olana politika, sy ireo ara-toekarena ary ara-tsosialy, dia tsy ahitana vahaolana mahafapo, na ao amin’ny firenena tsirairay, na eo anivon’ny iraisam-pirenena.
FANAMBADIANA SY FISARAHAM-PANAMBADIANA
William Branham
Ny làlana mankany amin’Andriamanitra
Ewald Frank
Amin’ny lohahevitra rehetra dia tsy misy tahaka ny mikasika an’ Andriamanitra no mampirehitra sy mampizarazara ny olona. Kanefa amin’ny farany dia tsy misy afa-bela eo anatrehan’Andriamanitra, na ireo tsy mino Azy aza. Ny olombelona tsirairay, raha vao teraka, dia miaina anaty rafi-pisainana iray, ary ny ankamaroany dia mionona amin’izany mandra-pahafatiny, tsy mitady antoka ny amin’ny mampitombina izany sy ny fahamarinany. N’aiza n’aiza ny mahafinaritra ny olona dia ny manohy miaina anatin’ireo fomba nolovaina tamin’ny razana. Na ireo manao asam-panompoana aza dia tsy hay tohinina raha ny mikasika an’Andriamanitra no asiana resaka; ireo mila Andriamanitra mifanaraka amin’ny fivavahany sy ny heviny manokana. Ao amin’ireo antokom-pivavahana indrindra no voalohany itadiavana ny anton’ny nahatonga izany. Hatramin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany dia vokisana fombafomba sy lanonana ara-pivavahana tsy ahazoana ny tena fiadanampo ny olona, tsy mba maheno ny Hafatry ny Famonjena marina.
Taratasy ifampitapitana Aprily 2015
Ewald Frank
Mendrika ny Filazantsara ve ny Fiainanao ?
William Branham
Taratasy ifampitapitana Mey 2011
Ewald Frank
TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994
Ewald Frank
Isaia 40:8: «... ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay».

