Previous chapter

Taratasy ifampitapitana Desambra 1994

Miarahaba anareo rehetra am-pitiavana tokoa ny tenako, ao amin’ny Anaran’Ilay Tompo sy Mpamonjy Jesosy Kristy malalantsika, amin’ny alalan’ ity teny ao amin’ Isaia 40.8 ity: «… ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay».

 Ao amin’ny toko fahefapolo nosoratany ny mpaminany Isaia, dia nampiditra ny Filazantsaran’ny Testamenta Vaovao . Voalaza ao ny minisiteran’i Jaona Mpanao Batisa. Izy ilay namboatra làlana ho an’ i Jehovah tany an’efitra ary nanarina tany an-tany foana isian-dalambe ho an’Andriamanitsika. Izany dia mamaritra ny Tompo mazava tsara. Fantatsika iza Izy. Fantatsika Iza no inoantsika. Nilaza tamin’ny mpaminany ny Feo hoe: «Miantsoa!» - «Mitoria!» Ary hoy izy: «Ahoana anefa ny antso ataoko?» satria, raha ny tena izy, amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy, tsy afaka hitoritory teny fotsiny amin’izao izy.

Ny valiny dia ity: «Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ny fofonain’ i Jehovah ireny. Eny ahitra tokoa ny olona.»

Eto ny mpaminany dia maneho ny fahalemen’ny olombelona. Izay rehetra tonga eto amin’ity tany ity dia mamony tahaka ny voninkazo. Ny fahazazana dia mamela toerana ho an’ny fivelaran’ny hatanorana ary, na ahoana na ahoana, amin’ny fiainana, ny fofonain’i Jehovah dia mandalo amin’ny olombelona, mandra-pahalazo an’ilay voninkazo rehefa farany; mihintsana ilay izy ary ity teny farany ity dia notononina tamim-pitiavana tokoa: «Fa vovoka no nanalana anao, fa vovoka ianao, ary hiverina amin’ny vovoka indray ianao!»

Tsy azo lavina fa nahatratra ny tendro avony ny fitorian-teniny ny mpaminany raha nilaza izy hoe: «Fa ny Tenin’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay.» Amin’io Teny io no mifikitra ny finoan’ireo mpino marina. Nandray tao anatiny izay voalazan’ny Teniny avy any an-danitra izy ireo, ka mandray anjara amin’ny natioran’Andriamanitra amin’ny fandraisana ny Fiainana Mandrakizay. Mifototra amin’io tenin’ny Isaia toko faha-40 io ny apostoly Petera raha miresaka mikasika ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ ny voa tsy mety lo izy, izany hoe vokatra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra velona sy maharitra izany. Tononony ilay nosoratan’i Isaia vao nambarantsika teo, hatramin’ity teny ity hoe: «Fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay», ary faranany amin’izao fanamafisana izao: «Ary izany no tenin’ny Filazantsara izay notoriana taminareo.» (1Pet. 1.23-25).

Izany no fitoriana ny Teny profetika sy apostolikan’ny Filazantsaran’ i Jesosy Kristy, izay ahitana mandrakariva ny firindràn’ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao.

 

Next chapter