NY LAMIN’NY FIANGONANA
(L’ordre de l’église)

26 Desambra 1963, JEFFERSONVILLE, INDIANA, ETAZONIA

Rahalahy, niantso izao fivoriana izao izahay, izao hariva izao, mba handinihana ahoana ny hitantanana ny Fiangonan'Andriamanitra velona, izay heverintsika fa maha mpikambana antsika

Voalohany, te-hiteny aho, rehefa avy nitsidika firenena maro maneran-tany, fa ato no anisan'ny toerana ara-panahy indrindra, raha ny fahitako. Ato no ahatsapana ny Fanahin'Andriamanitra, mihoatra ny toerana hafa rehetra fantatro. Misy toerana anankiroa koa nosainiko, fa ankehitriny tsy izany intsony satria ny anankiray nanjary rafi-pandaminana, ary ny iray azo lazaina fa lavo

Nisy niantso ahy omaly, nilaza tamiko, fa ianareo rehetra mangataka fivoriana izay ahafahanareo mametraka fanontaniana mikasika ireo asa ato amin'ny fiangonana. Izany no nahatonga ahy eto, izao hariva izao, hametrahana lamina ato amin'ity Fiangonana ity, mba handrosoany.

Rahalahy isany, matoky aho fa azonareo ny tiako lazaina amin'ny hoe ara-panahy ity toerana ity. Tsy izy no lehibe indrindra maneran-tany, tsy ato ny misy fihirana maro indrindra, ny hiaka be indrindra, ny fitenenana aminy teny tsy fantatra., sns… Tsy izany. Fa ny hatsaran'ny Fanahy manjaka ato, anatin'ity Tabernacle ity. Te-hisaotra an-drahalahy Neville aho, sy ianareo koa, ry rahalahy, ireo mpitantana, ireo diakona, ny mpampianatra sekoly alahady, ary ianareo rehetra amin'ny izay nataonareo tato, ary ny mbola hataonareo koa, hihazonana azy tsy miova. Antom-bavako hatry ny ela – sady faniriako hatry ny fahatanorako — ny hahita ny Fiangonana milamina, ary voatana milamina.

Fa fony nitokana ny fiangonana isika, dia nilaza taminareo aho, fa aoriana ao dia hisy zavatra hoteneniko, mikasika ny fandaminana sy fitantanana tokony hisy. Ary nisy mpitoriteny samihafa tonga. Ary tonga teto amintsika ihany koa ny rahalahy Neville, mbola tanora erotrerony. Ary nihevitra aho, fa aleo miandry, mandra pahamatotra kokoa an-drahalahy Neville ao amin'ny finoana, vao hiteny aho, ny zavatra izay andeha hoteneniko izao. Fa izao; hitako loatra ny fandrosoany ao amin'ny finoana, sy ny fahazoany ny foto-pampîanarana, ary lasa vavolombelona mahatoky an'i Kristy izy, mifikitra amin'izay inoantsika fa Fahamarinana. Koa heveriko, fa izao ny fotoana mety hiresahana mikasika izany, miaraka aminareo loholona sy ireo hafa koa, mba ahazoanareo ny didy, izay ho raisinareo sy ho tadidinareo, izay heveriko fa mety indrindra, araka ny fantatro eo anatrehan'Andriamanitra. Ary manantena aho fa ho tanterahinareo araka izay anomezako azy, satria tsy maintsy misy anankiray lohany ato.

Kanefa izaho tsy mitady hanjakazaka, na zavatra toy izany, fa hitanareo, amin'ny zavatra rehetra, tsy mety raha misy loha roa. Tsy mety handeha, raha izany. Tsy mba nametraka loha anankiroa ao amin'ny Fiangonany Andriamanitra. Loha iray ihany. Ary toy ny efa nianarantsika tao amin'ny Soratra Masina, isaky ny taranaka iray, dia olona iray ihany no ifandraharahan'Andriamanitra. Satria ao amin'ny lehilahy anakiroa samihafa dia misy hevitra anankiroa samihafa. Satria tokony ho tonga amin'ny jadona anankiray, ary ny jadona ho ahy dia ny Teny, ny Baiboly. Ary amin'ny maha pastoran'ny Fiangonana ahy, ny jadoko dia ny Teny. Ary haiko, fa ianareo dia rahalahy, ianareo dia manao ahy ho toy ny jadonareo, raha ny mikasika ny… Koa, raha mbola Andriamanitra no arahako, toy ny voalazan'i Paoly, ao amin'ny Soratra Masina: "Manaraha ahy, toy ny anarahako an'i Kristy."

Ary ny andrasako aminareo, rahalahy, na oviana na oviana aho hitanareo mihataka ny Soratra Masina, dia aoka hatoninareo manokana, ary hilazanareo izay nahadiso ahy. Tsy maninona na mpitantana ianareo, na ny mpiambin-trano, na iza na iza aminareo, ilaiko miteny amiko. Adidinareo amiko izany, amin'ny maha rahalahy ao amin'i Kristy anareo, ny milaza amiko raha sendra diso aho araka ny Soratra Masina. Raha misy fanontaniana, dia aoka hipetraka isika, hiara-mamaha ny olana.

Ary ataoko, fa noho izany no nahatongavanareo; hihaona amiko eto izao hariva izao, araka ny niantsoanareo ahy hanketo. Satria misy fanontaniana mipetraka aminareo. Kanefa, tsarovy fa ireto taratasy ireto tsy voasonia, koa tsy fantatro izay nanroratra azy. Ny haiko fotsiny, dia fanontaniana manitikitika anareo izy ireto, ary eto aho mba hamaly azy ireo, amin'ny mety indrindra araka ny-fahafantarako.

Ary aza adino, fa ny andrasan'Andriamanitra amiko dia ny iezahako hitoetra amin'ny Teny. Ary izaho kosa, dia miandry anareo hitondra ny Teny, hitanareo, hitanareo, ato amin'ity fiangonana ity. Ary hazony ny ara-panahy, satria, aza adino, fa ireo herin'ny fanjakan'ny aizin'i Satana rehetra dia mitodika manohitra anareo, raha manomboka mitombo ao amin'ny Tompo ianareo. Tsy maintsy ho miaramila zatra ady ianareo, fa tsy zazavao. Efa miaramila matoy ianareo izao, ary efa zatra ady. Ary Satana hanatona ka hampiady anareo samy ianareo, raha azony atao. Tonga dia roahy izy, fa izy no fahavalo, fa ianareo kosa mpirahalahy. Eto isika mba ampievaeva ny faneva, amin'izao andron'ny Fahazavana izao, raha ny aizina manarona izao-tontolo-izao, ary ny tontolo kristiana miditra ao amin'ny Komitin'ny Fiangonana maneran-tany. Ary tsy ela, izy ireo dia hiezaka hamantsika amin'ny varavaran'ity trano fiangonana ity, hoe: "Mikatona". Amin'izay, dia tsy maintsy an-toeran-kafa no hivoriantsika, satria hakaton'izy ireo avokoa ny fiangonantsika izay tsy handray ny mariky ny bibidia. Kanefa isika dia tsy maintsy mijanona mahatoky amin'Andriamanitra hatramin'ny fahafatesana, izay hanafaka antsika. Ary izany no heverintsika hatao.

Izao isika hivantana…. Ary, na oviana, misy iray amin'ireo teboka ireo no tsy maintsy hiverenana hodinihana, dia tiako raha haverina hohenoina ity horonampeo ity, eo anatrehan'ireo mpikamban'ity fiangonana ity, hitanareo, mandritra ny fivoriana na mialoha izany. Alefaso ity horonampeo ity! Ary ireo mpivory dia tokony hanaiky fa ireo lehilahy ireo dia voafatotry ny adidy amin'Andriamanitra, satria nianiana teto anoloan'ny Fiangonana, fa hihazona ireny fitsipika ireny. Mety tsy mitovy hevitra aminy ianareo, kanefa raha avelako hitantana ianareo, dia izaho indray no tsy hitovy hevitra aminareo. Isika tsy maintsy manana loharano izay isian'ny jadona iray. Ary, amiko, dia omeko an'ny Fanahy Masina izany, avelako Izy no ho Jadona ho ahy. Ary aoka ity horonampeo ity no ho jadona ho anareo mikasika ireo teboka ireo.

Ny fanontaniana voalohany, àry dia:

Ahoana no hataon'ny Fiangonana rehefa misy fangatahana fanampiana hanina na fitafy. Inona no tokony hataon'ny Fiangonana?

Tsapantsika fa ny Fiangonana dia tompon'andraikitra amin'ireo azy, ireo mpikamban'ny fiangonantsika. Tompon'andraikitra tanteraka isika; raha mbola afaka manampy azy ireo amin'izay ilainy. Tompon'andraikitra amin' ireo antsika isika, ireo mpikambana ara-dalàna, izany hoe ireo izay mahatoky an'ny Tabernacle, izay tonga miara-mitsaoka amintsika. Voafatotry ny adidy amin'izy ireo isika, amin'ny maha rahalahintsika sy anabavintsika azy ireo, izay naneho porofo amin'ny maha singan'ity fiangonana ity azy.

Kanefa, haintsika fa antapitrsa ny olona, izao hariva izao, izay tsy manan-kohanina, na hitafiana, ary satrintsika ny hanampy azy rehetra, araka ny vitantsika. Saingy, tsy manana fahafahana ara-bola hanao izany isika. Tsy afaka hiantoka ny filan'izao-tontolo-izao isika. Fa isika kosa voafatotry ny adidy amin'ireo antsika. Aorian'izay, raha misy ambiny, ka te-hanampy olon-kafa isika, dia anjaran'ny komitin' ny diakona no mandinika izany.

Anjaran'ny diakona ny mamaha izany olona izany. Satria ao amin'ny Baiboly, raha nitranga ny fifandirana nikasina hanina, sy fitafy, sy zavatra hafa, ao amin'ny Asan'ny Apostoly, ka nambara tamin'ireo apostoly, dia hoy ireo hoe: «mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. Fa ny anay dia ny manohy mandinika ny tenin'Andriamanitra sy ny mivavaka

Tsy anjaran'ny pastora ny hikarakara ny hanina, sy ny sisa. Anjaran'ireo diakona izany. Tsy anjaran'ireo mpitantana koa izany, fa an'ireo diakona. Ary aza adino, fa ao amin'ny Baiboly, izy ireo dia nisahana ny filan'ireo azy. Nisy fifandirana indray mandeha tamin'ireo Grika sy Jiosy, satria ny sasany nahazo be kokoa noho ireo hafa. Ary nisy nivarotra ny fananany, ka nanolotra ny vidin'izany tamin'ny fiangonana, hanampiana azy. Ary tokony nozaraina nitovy tamin'ny rehetra izany. Dia izany no nipoiran'io disadisa io. Avy tamin'izany no nanendrena ireo diakona voalohany. Anisan'ireo asa iandreketany izany.

Ataoko fa, noho izy ireo olontsika, mpino ato amintsika, dia tokony isika no hiahy azy ireo. Ary raha misy fitarainana, dia tokony alefa amin'ny filohan'ny komitin'ny diakona. Dia anjaran'ny komitin'ny diakona ny mandinika izay mety sy tokony atao ny amin'izany. Ny fangatahana rehetra, mikasika fitafiana, hanina, vola, sy hafa rehetra, dia tokony handalo amin'ny diakona. Rehefa voadinik'ireo diakona izany, dia taterina amin'ny mpitam-bola, ahafahany mijery raha ampy ny toe-bola na tsia, amin'io fotoana io. Dia mivory ny komitin'ny diakona manapa-kevitra. Izany dia tsy mahakasika na ireo mpitantana, na ny pastora. Fa raharahan'ireo diakona tanteraka izany.

Izao, jerentsika ny fanontaniana faharoa:

Ampy ve ny miteny mivantana, avy eny amin'ny polipitra, fa ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra sy ny fandikana izany, dia tokony anaovana fivoriana manokana, mialoha ny asa fanompoana?

Izany no fanontaniana faharoa amin'ity taratasy kely ity.

Raha izany kosa, dia mahakasika ny pastora, hitanareo, satria izy ny filoha amin'ny lafiny ara-panahy. Ireo diakona no polisy ato amin'ny fiangonana, miantsoroka ny filaminana, sy miandraikitra ireny olana hafa, toy ny hanina ho an'ny mahantra, sns. Ireo mpitantana no miandraikitra ny ara-bola sy ny trano. Izany no raharahany. Fa ny pastora no mitantana ny lafin'ny ara-panahy. Andrakitrao izany, Rahalahy Neville.

Elaela izay, raha nametraka ny lamina tato am-piangonana isika…. Ekeko, mino ny fiteny amin'ny teny fantatra aho, sy ny fandikana teny tsy fantatra, ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra tsara izay nomen'Andriamanitra ny Fiangonana. Kanefa isika izao, miaina toy ny tamin'ny fotoanan'ny Baiboly… Raha tsikaritrareo, dia i Paoly no nanangana ilay Fiangonana tao Efesaosy, izay fiangonana nitoetra tsara. Mino isika fa Paoly, hoy izy ihany, dia niteny teny tsy fantatra maro. Ary haintsika fa nanana fanomezam-pahasoavan'ny fiteny izy, tsy ireo nianarany ihany, fa ireo izay nomen'ny Fanahy azy koa, araka ny voalazany tamin'ireo Korintiana. Mba hitsitsiana ny fotoana dia tsy hamaky izany aminareo aho, sao hampijanona antsika ela loatra eto izany rahalina, ary izaho koa tsy manam-potoana betsaka. Fa mba ahitanareo izany mazava tsara fotsiny izany.

Kanefa, na indray mandeha monja aza, i Paoly, tsy voatery niteny ny amin'izany tao amin'ny fiangonan'i Efesosy, na tao amin'ny fiangonan'i Roma, na ireo fiangonana hafa ireo, mikasaika ny fanomezam-pahasoavana sy ny fampiasana azy milamina. Fa tamin'ireo Korintiana, dia voatery tsy maintsy niteny hatrany izy, satria izy ireo nikiry tamin'izany mandrakariva. Ary Paoly nilaza fa rehefa tonga tany amin'izy ireo izy, dia ny iray nanana fiteny tsy fantatra, ny iray hafa nanana Salamo, sy… Nisaorany ny Tompo izany fanomezam-pahasoavana tsara rehetra izany. Ary raha tsikaritrareo, ao amin'ny toko voalohany na faharoa ho an'ny Korintiana, Paoly dia nanondro azy ireo ny fipetrany tao amin'i Kristy, nanao ahoana ny fipetrak'izy ireo tao amin'i Kristy.

Rehefa avy nilaza izany izy dia, toy ny ray amin'ny zanany, nanomboka nikapoka azy ireo, niteny hoe: « Henoko fa misy ady eo aminareo, ary koa mimamo ianareo eo amin'ny Latabatry ny Tompo.» Tsy nilaza azy ireo ho tsy kristiana izy, ary ianareo koa rahalahy, aza manao izany. Tsy nilaza azy ireo ho tsy kristiana izy, fa ny fitondrantenany tao amin'ny Tranon'Andriamanitra no noresahany.

Fa izao no hoteneniko, toa an'i Paoly taloha ihany, « Rehefa miangona ianareo, ka misy iray miteny, avelao hisy iray handika teny. Raha tsy misy mpandika teny, aoka hangina izy. Fa raha misy mpandika teny….»

Kanefa nandinika ity Fiangonana ity aho, ary hitako ny notomboanareo, ary hitako ireo fanomezam-pahasoavana maro miasa eo anivonareo. Raha ny marina nefa, nisy anankiray izay voatery nolazaiko tamin-drahalahy Neville hanitsy azy tamin'ny zavatra fanaony amin'ny alalan'ny Tenin'ny Tompo,.

Napetraky ny Fanahy Masina aho ho mpiandraikitra ny Ondry, koa adidiko ny miteny ny Marina aminareo. Ary ankasitrahiko ny rahalahy Neville, noho izy mitandrina ny Fahamarinana. Ny ilazany Izany ihany no afaka hilazako Izany.

Araka izany, hitako ny fitomboan'ny Fiangonanareo, ary nomarihiko. Ary izany ny fomba nataontsika tany am-piandohana, ary mbola izay no tiantsika hatao.

Ny zavatra ataon'ny zazamena voalohany dia ny miezaka miteny, na tsy mahay miresaka aza izy. Hitanareo? Mamoaka feo izy dia mitabataba, kanefa mihevitra izy fa miteny tsara noho ny mpitorteny izay miteny amin'io fotoana io. Tsy amin'ny ara-nofo ihany no ahitantsika izany, fa ao amin'ny fiainana ara-panahy koa. Izy dia zaza mbola bitika. Ka raha manandrana manitsy io zazamena io ianao, manefaka kely azy, satria izy miborediredika foana miezaka miteny, dia hanimba azy ianao, hitanareo, ka ratsy ho azy izany. Aleo aza mamela azy hitombo kelikely, mandra pifehezany ny fiteniny. Amin'izay ianao afaka miteny azy oviana no miteny, fa « tsy rehefa miteny i dàda, na miteny i neny.». Ary rehefa mety ny fotoana, dia avelao izy hiteny izay tiany holazaina. Azonareo ve ny lazaiko? Avelao izy hiteny rehefa anjarany ny miteny.

Na izany aza, raha misy zavatra tsy tantiko indrindra, mandritra ny fivoriako any ivelany dia raha misy olona mitsangana, raha mbola mitory aho, dia manome hafatra iray amin'ny fiteny tsy fantatra, dia manapaka ny asan'ny Fanahy. Vao niverina nanao fivoriana tany New York, sy tanàna hafa aho, ary avelan'ireo mpanompon' Andriamanitra any miseho hatrany ny zavatra toy izany. Tsy inona izany fa safotofoto ihany. Hitanareo? Rehefa miasa araka ny zotran-kevitra anankiray Andriamanitra ho an'ny fiangonana, dia Izy ihany no hanohitra ny Sitrapony, raha mamela Izy, olona iray hanapaka ny ataony, eo am-pitarihana ny mpivory ho amin'ny antso amin'ny alitara.

Handray ohatra iray isika. Manodidina ny latabatra iray isika miresaka, miresaka mikasika ny Tompo. Ary indro, mihazakazaka manatona ny zazalahy iray, mamily ny fifantohantsika amin'ny zavatra dinihintsika, sady mihikiaka be hoe: «Dàda! Màma! Vao avy nahavita zavatra aho, niaraka tamin'ny ekipa tany! Dia nanao izao izahay, sy izao koa, ary izao indray!» Ary izany, mandritry ny andinihantsika zavatra iray tena sarobidy. Kanefa raha nahavita zavatra tsara izy, tany amin'ny fifaninana baolina tany, tena tsara izany. Saingy tsy amin'ny toerany intsony izy raha manapaka ny hafatra, ny zavatra izay teo am-pandinihana izany isika. Aoka izy hiandry ny anjaram-potoany, amin'izay izy afaka hiteny izay tiany holazaina mikasika izay nataony tany amin'ny lalao-baolina tany.

Toy izany tokoa no hitantsika ankehitriny, amin'ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Izany no mahatonga an'Andriamanitra tsy afaka manome izany amin'olona maro: tsy hain'izy ireo ny mifehy izany. Izany no mitranga ankehitriny. Izany no anton'ny tsy ananantsika izany betsaka ankehitriny.

Hitantsika koa fa maro ny fakan-tahaka ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Fa izaho tsy mino izany hisy ato amin'ny fiangonantsika. Ankasitrahiko izany. Ataoko fa tsy fakan-tahaka izany, tena tsia. Mino aho fa tena marina ireo fanomezam-pahasoavana ato amintsika. Saingy, tsy maintsy haintsika ny mifehy ireo fanomezam-pahasoavana ireo.

Araka izany, rehefa manomboka manao zavatra tsara isika… izany dia toy ny miasa ho an'ny mpampiasa iray isika. Raha vao manomboka ianao amin'ny asa iray, ka vonona handray baiko, dia hatoky anao ny mpampiasa, ary homeny asa ambonimbony hatra ianao.

Fa mino aho izao fa tonga ny fotoana ho an'ny Branham Tabernacle, ahaizany mampiasa ireo fanomezana omen'Andriamanitra antsika ireo, ka ho afaka hanankinany zavatra hafa lehibe kokoa noho izay efa ananantsika isika. Saingy isika tsy afaka hanohy… Raha mahita olona iray ianareo izay tsy maintsy hamerenana hitenenana hatrany aminy… Aza adinonareo fa ny Soratra Masina milaza hoe « ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.» Raha misy lehilahy iray na vehivavy iray izay tsy maintsy ahitsinao, kanefa tsy mety hitoetra amin'ny toerany, raha hilazanao ny Marina araka ny Soratra Masina izy, dia izany no maneho fa tsy avy amin'Andriamanitra ny fanahy izay ao aminy. Satria ny Baiboly milaza fa «.ny fanahin'ny mpaminany…» — na faminaniana, na fijoroana vavolombelona, na fitorian-teny, na fiteny amin'ny teny tsy fantatra, na inona na inona, (satria ny teny tsy fantatra iray, voadika, dia tsy hafa amin'ny faminaniana) — dia fehezin'ny mpaminany, ary ny Teny no ilay mpaminany. Araka izany, dia hitantsika ny tsifetezan'ny lehilahy iray na vehivavy iray hitsangana tampoka, ary hanome hafatra iray (na manao ahoana ny faniriany hanao izany) raha mbola mitory ny mpitory eny amin'ny polipitra.

Fa izao ny sosokevitro ho an'ny Branham Tabernacle, raha mahita ireo fanomezam-pahasoavana hitantsika eo anivontsika… ary misy olona vitsivitsy ato amintsika izay manana fanomezam-pahasoavana mahafinaritra. Kanefa ny tsirairay amin'ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia minisitera ho an'izay manana izany. Fanomezam-pahasoavana izy ireo, toy ny mitory teny dia fanomezam-pahasoavana, ny fanasitranana, sy ny fanomezam-pahasoavana hafa koa. Ary takiana amin'ny lehilahy tsirairay ny hitandrina tsara ny minisiterany manokana.

Koa, aoka àry ny Branham Tabernacle hiasa toy izany, amin'izao andro izay betsaka loatra ireo fakan-tahaka (tsy te-hiteny izany aho, kanefa) maro loatra ireo fakan-tahaka. Tsy mila fakan-tahaka isika. Tsy misy olona, olona marina ka te-hanana fakan-tahaka. Raha tsy afaka mahazo ny tena izy isika, dia aoka tsy hanana na inona na inona, aoka isika hiandry mandra pahazoantsika ny tena izy. Mino aho fa ianareo lehilahy dia hitovy hevitra amiko amin'izany. Tsy mila zavatra sandoka isika. Rahalahy, tsy afaka hanao zavatra sandoka isika, sady hanantena handao ity tontolo ity. Tsy maintsy manana ny tena izy isika, ny tena marina. Raha tsy ananantsika izany, dia miandry isika mandra pahazoantsika ny tena izy. Avy eo isika no hiteny zavatra mikasika izany. Hitanareo?

Fa izao no hoteneniko: Mikasika ireo lehilahy sy vehivavy izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, sy maminany, manome hafatra ireo… dia miray hevitra aminareo aho rahalahy, mino fa tena izy marina ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Kanefa, hoy ny Baiboly hoe: «Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara, satria… amin'ny molotra miambakambana sy fiteny baiko no hitenenako amin'ity firnena ity… Indro ny fitsaharana izay nolazaiko fa tokony hidiran'izy ireo.» Ao amin'ny bokin'Isaia no misy izany.

Indro àry ny sosokevitro: Aoka tsy hisy afa-tsy fanomezam-pahasoavana iray hatrany no hetsehina isaky ny mandeha. Ary izany dia mamerina antsika indray amin'ny zotra izay iezahako lazaina. Raha misy iray miteny, aoka ny fanahin'ireo mpaminany hanaiky ho fehezin'ny mpaminany. Azonareo ve? Aoka ary hatao izany. Izay manana minisitera ho an'ny Vatan'i Kristy, aoka hanatontosa ny minisiterany, satria avy amin'Andriamanitra izany, ho an'ny Fiangonana. Kanefa tsy tokony hiaraka hiasa ianareo amin'ireo asa fanmpoanareo ireo. Anankiray hatrany no miasa.

Ho toy izao ato amin'ny Branham Tabernacle: ireo miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, sy ireo mpandika fiteny tsy fantatra, ary ireo manana faminaniana omena ny fiangonana, aoka izy ireo hivory mialoha, alohan'ny fivorian'ny fiangonana. Ao amin'ny efitrano natokana ho amin'izany izy ireo no mivory, miandry ny fiasan'ny Tompo.

Ary toy izany koa no tsy maintsy ataon'ny pastora alohan'ny isehoany manoloana ireo mpivory. Handray ny Baiboliny izy, ao amin'ny manginan'ny efitranony, ao anatin'ny Fanahy, ary voahosotra, mba hankeo anatrehan'ireo mpivory, hiteny. Raha tsy manao izany izy, dia ho sanganehana, rehefa ho tonga eo. (Aoka ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay manana fanomezam-pahasoavana hanatona ny Tompo, eo manoloany). Ary satria manana minisitera manokana ny pastora, dia mpaminany izy (ny teny anglisy preacher [mpitoriteny amin'ny teny Frantsay – N.D.T.] ), dia midika "mpaminany", izany hoe ilay mitondra ny Teny).

Ireo izay manana ministera mifampiankina, toy ny fiteny amin'ny teny tsy fantatra sy ny fandikana teny tsy fantatra, aoka izy ireo hiaraka hitandrina ny fanompoany. Tsy mety amin'izy ireo ny hitokana ao amin'ny efitrano iray, dia hiteny amin'ny teny tsy fantatra, ary avy eo, tonga eto mamerina izany amin'ilay iray, satria amin'izay dia miaraka ananany ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra sy ny fandikana, hitanareo. Fa raha tena manana ny izy roa izy dia tena tsara, ary mety amintsika ny handray izany toy izany. Ary tiantsika hisitraka ireny fanomezam-pahasoavana ato amin'ny fiangonantsika ireny ny Fiangonana. Andriamanitra no nandefa izany antsika, ary tiantsika hisitraka ireny fanomezam-pahasoavana ireny ny Fiangonantsika. Aoka àry ilay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, sy ilay mandika, ary ilay maminany, hivory mialohan'ny iangonan'ny Fiangonana. Aoka hihaona ao amin'ny efitra manokana izy ireo, ary mitandrina ny asa fanompoan'ny Tompo ho an'ny Fiangonana. Mazava ve izany?

Ohatra, raha miteny amin'ny teny tsy fantatra ny rahalahy Collins, ary mandika izany ny rahalahy Hickerson, dia manana minisitera iray ikambanany izy ireo ho an'ny Fiangonana. Kanefa izany tsy minisiteran-drahalahy Neville. Fa izany dia minisitera anareo, ho an'ny Fiangonana. Ohatra omeko izany. Koa ianareo, rahalahy, dia tokony hanana ny zotom-po hanaovanareo ny minisiteranareo, ato amin'ny Fiangonan' Andriamanitra, toy ny hananan'ny pastora zotom-po anaovany ny azy, satria ilaina toy ny azy koa ny hanaovanareo ny anareo. Fa ianareo tsy afaka hanao izany any an-tranonareo any. Raha hiteny ianareo, sy handika teny, dia tsy maintsy mivory aty. Koa mivoria ato amin'ny trano fiangonana, ao amin'ny efitra manokana satria ianareo manana minisitera manokana. Tsy minisitera misokatra izany, fa anisan'ireo izay tsy maintsy manampy ny Fiangonana, hitanareo. Tsy maintsy hanampy ny Fiangonana izany, kanefa tsy tokony atao eo afovoan'ny Fiangonana. Ny voalazako izany ihany no fomba tsy maintsy hanaovana izany. Hitanareo? Amin'izay ny zavatra rehetra notenenin-drahalahy Collins, ary nadikan-drahalahy Hickerson, ohatra, dia hisy anankiray handray izany an-tsoratra.

Haintsika rehetra fa ho avy ny Tompo. Fantantsika izany. Ary raha, isaky ny hariva, hitsangana ny rahalahy Neville hilaza hoe: «Indro, avy ny Tompo! Indro avy ny Tompo!», ho tena tsara izany. Kanefa izy miteny izany (ny pastora), eo amin'ny polipitra, satria manana ny Teny ho amin'izany izy. Ary raha pastora ho an'ny fiangonana izy, dia tsy maintsy mandinika ny Tenin'ny Tompo izy, ary milaza aminareo izay voasoratra ao amin'ny Tenin'ny Tompo, mikasika ny Fiavian'ny Tompo. Ary izany Teny izany no mampitandrina anareo. Ny minisitera iray; izay tsy ho an'ny fiangonana, ary tsy misy fifandraisana aminy, dia ny fiteny amin'ny tenim-pirenena sy ny fandikana tenim-pirenena, (izay faminaniana ihany koa), na filazana faminaniana zavatra tsy misoratra ao amin'ny Teny. Izay voasoratra ao amin'ny Teny dia izy (ny pastora?) no tsy maintsy mitondra izany. Fa izay tsy voasoratra ao amin'ny Teny dia anjaranao ny mitondra izany aminy (ny pastora?) Ohatra, hoe «Ilazao ny rahalahy Wheeler: "zao no lazain'ny Tompo", aoka izy rahampitso, tsy hankany amin'ny fihadiambatony, fa hivadika ny kamiô iray.», na zavatra hafa toy izany, zavatra tsy maintsy hitranga. Notononinao izany, ary nadikany, dia atero eny amin'ny lampihazo izany rehefa vita ny minisiteranareo. Ny hariva, rehefa avy nihira ny Fiangonana, sy ny zavatra hafa rehetra, raha efa vita ny fanompoanao, dia ambarao amin'izay ny faminaniana izay efa nomena.

Ary heveriko fa isika tsy manana… Na, izany no misy, dia ampiana izao: Rehefa mivory ny olona, aoka ireo manana fahendrena no avy voalohany, satria, hitanareo, raha misy miteny tsy fantatra, dikany araka ny Soratra Masina, tsy azo ekena avy hatrany izany, raha tsy voamarin'ny olona roa na telo. Vavolombelona roa na telo hafa (hitanareo?) no tsy maintsy manamarina izany, fa mino izy ireo fa araka ny Tenin'ny Tompo izany. Satria manko, indraindray, ao amin'ireo asam-panompoana madinika ireo, toy ny amin'ny minisitera hafa koa, dia mety mahita fanahy sandoka ianareo. Hitanareo? Malaky idiran'izy ireo ireny. Ary tsy ilaintsika izany. Tsia. Ny tiantsika dia ny mampihanjahanja ireny asa fanompoana ireny, raha ilaina ny mampiharihary azy, satria ny zavatra rehetra an'Andriamanitra dia mety…. Ary aza mety ho tafintohina ny amin'ny fampiharihariana izany. Izany no mbola fomba itsapana raha avy amin'Andriamanitra izany na tsia.

Toy ny amin'ny pastora izany. Raha misy misalasala azy mikasika ny Teny, dia tsy mahazo mamerin-teny izy. Hainy tsara izay teneniny. "Miakara aty." Hitanareo? Ary mitovy amin'izany ho an'ireo asam-panompoana hafa rehetra ireo. Tsy maintsy mitovy amin'izany.

Fa raha misy iray miteny teny tsy fantatra, ary manome hafatra iray… Kanefa, raha misy olona miteny amin'ny teny tsy fantatra izay tsy manao afa-tsy ny "mampiorina ny tenany ihany", hoy ny Baiboly, dia mamalifaly ny tenany fotsiny no ataony. Rehefa miteny fiteny tsy fantatra izy ireny dia mahatsiaro tena… Tena miteny amin'ny fiteny tsy fantatra tokoa izy ireny. Ary ny Fanahy no manao izany. Kanefa; raha mipetraka eo anivon'ny mpivory izy no hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra, mampiorina ny tenany ihany, dia tsy misy mahasoa ny fiangonana na kely izany. Na lehilahy io, na vehivavy, na iza na iza manao toy izany, dia mampiorina ny tenany fotsiny. Hitanareo?

Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra amin'ny maha fanomezam-pahasoavan' Andriamanitra azy ho an'ny fiangonana, araka ny voalazn'i Paoly, dia mikendry ny hampandrosoana ny Fiangonana. Izany dia tsy maintsy hafatra iray mivantana avy amin'Andriamanitra, ankoatra izay voasoratra ao amin'ny Baiboly. Hitanareo?

Raha manontany ahy ianareo hoe: «Rahalahy Branham, ahoana tokony anaovana batisa ahy?», dia azoko valiana eo-no-eo izany. Tsy mila miteny amin'ny teny tsy fantatra ianareo hilaza izany amiko, satria voasoratra ao amin'ny Baiboly ny tokony atao amin'izany. Hitanareo? Tsy ilainareo akory ny manontany ny amin'izany, na fitenenana amin'ny teny fantatra hanambara izany, hitanareo. Efa voasoratra izany.

Fa raha hoy ianareo hoe: «Rahalahy Branham, inona no tsy maintsy ataoko? Tsy maintsy manapa-kevitra aho, na handeha amin'ity fiangonana ity, na hifidy fiangonana iray hafa», na zavatra hafa toy izany. Na koa:: «Tokony hanao izao ve aho, sa izatsy…?» Raha izany, dia tsy maintsy avy amin' Andriamanitra ny valiny. Hitanareo? Andriamanitra no tsy maintsy miteny izany amintsika. Fa tsy mety ho avy amin'ny alalan'ny minisitera iray hafa izany, satria ny Teny tsy milaza hoe: «Aoka i Orman Neville handao ny Branham Tabernacle ka hifindra any Fort Wayne Gospel Tabernacle.» Hitanareo? Tsy voalaza ato amin'ny Teny izany, hitanareo. Amin'ny zavatra toy izany no ilana ireny fanomezam-pahasoavana ireny.

Toy izany ohatra, raha misy olona iray tonga eto, ary manontany hoe: «Mino ny fanasitranan' Andriamanitra ve ianareo?» Mitory izany isika, inoantsika izany, mino ny hosotra isika, ny hosotra amin'ny diloilo.

Fa indro misy lehilahy iray izay miteny fa izy «Tsy mety tafavoaka aho. Inona ny olana?» Amin'izay tranga izay, tsy maintsy Andriamanitra mihitsy, amin'ny alàlan'ny fiteny tsy fantatra sy ny fandikana, na faminaniana, na fomba hafa, no miditra amin'ny fiainan'io lehilahy io, ary mampiharihary ny zavatra nataony, ary miresaka izany aminy. Izany dia tsy minisiteran'ny pastora, fa minisiteran'ireo fanomezam-pahasoavana. Fa ireny tsy azo atao eo anivon'ireo mpivory. Hitanareo?

Kanefa i Paoly tsy nila niteny ireny na indray mandeha, tamin'ireo fiangonana tany Efesosy, Roma, na ny iray amin'ireo hafa rehetra. Nilamina avokoa izy ireo nikasika izany. Tsy nisy afa-tsy ny fiangonan'i Korinto no tsy nety nilamina… Paoly anefa, dia nino ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra. Koa, nisy ny fanomezam-pahasoavan'ny fiteny tsy fantatra tao Efesosy, toy ny nisian'izany tao amin'ny fiangonan'i Korinto, hitanareo. Fa tamin'ireo Efesiana izy, dia afaka niteny mikasaka zavatra lehibe kokoa noho ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra sy ny fandikana teny tsy fantatra.

Araka izany, raha misy manoratra hafatra iray, izay azo tamin'ny alalan'ny fiteny tsy fantatra, na faminaniana, ary mametraka izany eto amin'ny lampihazo, dia tsy maintsy vakin'ny pastora izany, alohan'ny fanombohan'ny fotoana, ny "IZAO NO LAZAIN'NY TOMPO" avy amin'ireo olona izay niteny sy nandika. Ka raha mitranga tokoa araka ny voalazan'ny fandikana izany, dia manandra-tànana isika sy misaotra an'Andriamanitra, noho ny Fanahiny eo anivontsika. Fa raha tsy tonga kosa izany, dia ajanony, aza atao intsony, raha tsy efa afaka miala aminareo io fanahy ratsy io. Andriamanitra tsy mba mandainga. Izy dia marina mandrakariva.

Izao, hitanareo, dia efa nitombo ianareo, ampy hihetsehanareo toy ny lehilahy lehibe, fa tsy toy ny zaza intsony (Mandrosoa! Mandrosoa! Mandrosoa!). Tsy maintsy mahita antony ianareo amin'ny zavatra rehetra.

Raha miezaka hahazo lamina toy izany ny fiangonana, dia aoka izy ho tonga amin'izany. Raha misy tsimpino tonga eto anivonareo, ka miteny amin'ny teny tsy fantatra ianareo, dia ataony barbariana ianareo, satria tsy fantany izay lazainareo. Hitanareo? Ary be loatra ny fifangaroana mikasika izany, ka manjary fanafintohinana ho an'ny olona izany. Fa kosa raha anankiray no miteny, ary anankiray mandika, ka vakiana eny amin'ny lampihazo ny hafatra, ary avy eo hita tanteraka, dia ho hitanareo ny zavatra hiseho. Lazao ireo fa «rahampitso amin'izao ora, na amin'ny herinandro ho avy amin'izao ora, hisy zavatra izao no hitranga.». Ka, ilay tsimpino tonga eo handre ny faminaniana, ary hahita izany tanteraka, dia ho fantany inona ny Fanahy izay miasa eo anivonareo: ny Fanahin'Andriamanitra izany. Izany no nolazain'i Paoly.: «Raha misy iray maminany maneho ny zavatra takona, tsy hiankohoka ve ilay tsimpino, ka hilaza hoe 'eo anivonareo marina tokoa Andriamanitra'’?» Hitanareo?

Hoy Paoly: «Fony mbola zaza isika» tamin'ireo Korintiana … « nihetska toy ny zaza aho, niteny toy ny zaza aho.» Nanao sain-jaza izy. «Fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.»

Miteny aminareo rehetra aho izao. Taona vitsivitsy lasa dia mbola zaza ianareo, nampiasa toy ny kilalao ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Fa efa nandalo fanabeazana elaela ianareo izao. Fotoana àry izao tokony haha-lehilahy lehibe, ka tsy hanaovana kilalao intsony izy ireny. Zavatra masina ireny fanomezam-pahasoavana ireny. An'Andriamanitra izy ireny, koa tsy azo hidolavanareo. Avelao Andriamanitra hampiasa azy. Izany no takian'ny asa fanompoanareo. Izany ny fomba fiasa ho an'ny Branham Tabernacle. Ary raha misy fanontaniana mipetraka any aoriana any, alefaso ity horonampeo ity ho vavolombelona fa izany no tsy maintsy fomba fiasa ato amin'ny Branham Tabernacle.

Raha misy vahiny tonga… ary misy mandrakariva izany, satria ity dia efa lasa Tabernacle misokatra amin'ny antonkom-pinoana rehetra. Dia misy olona tonga, kanefa tsy nampianarina tsara, tsy nahita ireny, tsy mahafantatra ny momba ireny zavatra ireny. Ary na ny pastorany aza, mamela azy ireo hitsambikina, dia hanapaka ny toriteniny, na handrava antso ho amin'ny alitara, amin'ny fitenenany teny tsy fantatra na zavatra hafa toy izany. Lehilahy nobeazina tsara kokoa noho izany ianareo. Hitanareo? Koa, aorian'ny fotoam-panompoana, raha misy maditra, dia anjaran'ny diakona ny manatona azy. Aza avelanareo ny pastora ho voatery hanao izany,afa-tsy raha tsy misy diakona eo. Andraikitry ny diakona ny manao izany. Hitanareo?

Fa izao, aorian'ny fotoana… raha misy mitsangana ka manome hafatra iray, ary ny pastora manaiky hiato kely, vao manohy indray, dia milamina izany, fa asakasaky ny pastora. Na izany aza, aoka ny diakona hanatona io olona io mialohan'ny ivoahany, ka miresaka aminy manokana mikasika izany. Ary raha tsy matoky izy, dia ampihenoy azy ity horonampeo ity, lazao izy hoe: «Indro ny voalazan'ny eveka, na ny mpiandraikitran'ny Fiangonana (izay eveka raha ny marina)…» Hitanareo? Izany no iantsoana azy ao amin'ny Baiboly, hitanareo, "episkôpa", hitanareo, "manao ny asan'ny eveka", hitanareo, izany no mpiandraikitra lehibe an'ny Fiangonana. «Ireto no didy sy fanao ato amin'ny fiangonantsika. Tena tianay ny fahatongavanao ato sy ny fanomezanao hafatra. Kanefa, raha manana hafatra avy amin'ny Tompo ianao, dia soraty izany ary apetraho eny amin'ny sehatra, ary ho vakin'ny mpanompon' Andriamanitra izany ho an'ny fiangonana manontolo.» Fa izany, aoka tsy ho famerenana ny Soratra Masina fotsiny, sy zavatra toy izany. Izany dia tokony hafatra mitodika mivantana amin'ny vahoaka, zavatra voatendry hitranga, na zavatra tokony hatao. Azontsika ve izany? Tena tsara

Misy fomba tsara kokoa ve, ho an'ireo diakona, hitandroana ny filaminana ato am-piangonana, noho ny fampahatsiahivana amin'ny olona ireny zavatra ireny, amin'ny alalan'ny famerenana izany mandrakariva?

Tsia. Vao nohazavaiko teo izany. Ny fanontaniana fahatelo izay.

Ianareo diakona, ny andraikitrareo dia ny mitandro ny filaminana ato am-piangonana, hatao amin-katsaram-panahy sy sariaka. Koa tokony ataonareo izany, raha misy hanohintohina ny filaminana ato, ohatra olona mamo iray, na mpirenireny iray miditra ato…

Tahaka ilay pastora nisy nitifitra indray alina iny, teo amin'ny lampihazo. Nandre izany ianareo. Io lehilahy mamo io izay niditra nitondra basim-borona, misy bala roa. Nihiakiaka niantso ny vadiny izy. Te-ahita ny vadiny izy; ary nanatona ny pastora. Ary nasehon'ny pastora azy ny vadiny, nipetraka tao. Kanjo ilay lehilahy, niomana hitifitra io vadiny io, tao am-piangonana. Dia nanomboka nampitony azy ny pastora. Kanefa nitodika tamin'ny pastora ilay lehilahy dia nitfitra azy teo amin'ny polipitra, ary notifiriny ny vadiny, avy teo izy nitifi-tena

Fa raha mba nisy diakona maromaro teo, rehefa niditra ilay lehilahy nitondra ny basiny, dia ho nosamborin'izy ireo izy, ary noesoriny teny an-tànany ilay basy. Hitanareo? Hitanareo? Izany, toy izany ny filaminana izay takìna amin'ny diakona. Kanefa, ireny ny fandehan-javatra ankehitriny, koa na inona na inona dia mety hitranga, tsy maintsy tandremana. Na izany, na tsy izany, dia aza adino fa ny diakona no polisy ao amin'ny Tranon'Andriamanitra. Tsy maninona izay fiheveran'ny hafa an'izy ireo. Indraindray, ny polisy iray dia tsy maintsy misambotra olona, mety ho sakaizany aza. Kanefa, noho izy efa nianiana amin'ny asany, dia tsy maintsy ataony izany. Andraikiny eo anatrehan'ny tanàny izany. Hitanareo?

Izany no andraikitry ny diakona amin'ny fiangonana. Koa, raha misy iray mitsangana tampoka, ary manapaka ny fitorian'ny pastora, na zavatra hafa toy izany, dia tokony hanatona izany olona izany ireo diakona, roa na telo, ka miteny aminy hoe: «Afaka miresaka aminao ve izahay, rahalahy?» Hitanareo? Ary tariho hivoaka ny fiangonana izy, ento ao amin'ny birao, na efitrano hafa, dia iresaho. Lazao izy fa «Tsy mety ny nanapahanao ny pastora.» Hainareo, na manao ahoana, misy lamandy be ho an'izay manapaka fotoam-pivavahana. Hitanareo? Kanefa misy olona, toy ireny tanora maditra ireny, tonga eo anivonareo, na ireny mpivavaka mafana fo tafahoatra ireny, izay manomboka manakorontana, ireo diakona dia… Ary, raha hita fa tsy voafehin'ireo diakona ny zavatra, dia ireo mpitantana; na olona hafa ao amin'ny fiangonana, izay rehetra afaka mitsangana, no tsy maintsy manatona ka manampy. Hainareo izany.

Ary izao, mamela ahy hametraka indray ny fanontaniana

Misy fomba tsara kokoa ve, ho an'ireo diakona, hitandroana ny filaminana ato am-piangonana, noho ny fampahatsiahivana amin'ny olona ireny zavatra ireny, amin'ny alalan'ny famerenana izany mandrakariva?

Heveriko, fa ny pastora, tsindraindray,… na koa, havereno henoina ity horonampeo ity, ho vavolombelona. Ireo diakona dia polisy, ka ny tenin'izy ireo dia lalàna sy baiko. Hitanareo? Ary mahazo ny fahefana izy ireo avy amin'ny fiangonana, ary koa aza, avy amin'ireo lalànan'ny firenena, mikendry ny mba ho toerana milamina ny Tranon'Anriamanitra. Na iza na iza manohitra ny diakona iray dia mety ho voasazy higadra roa ka hatramin'ny folo taona an-tranomaizina. Fa raha teneninareo izy handeha, nefa tsy avy hiala, na zavatra hafa toy izany, olona mikorontan-tsaina izany. Tsy fantany akory izay ataony… Nefa mety ho voana lamandy isan-karazany izy amin'izany.

Raha misy mitsangana ka miteny amin'ny teny tsy fantatra fotsiny, na zavatra toy izany, dia aza mihetsika, hitanareo. Avelao fotsiny izy hanao izany, raha vahiny izy. Fa raha ny mpinontsika ato no manao izany, ny hariva manaraka, alefasonareo diakona ity horonampeo ity, ary teneno izy hoe: «Izao, alohan'ny hanombohan'ny fivoriana, dia henointsika ny lamin'ny fiangonana. Maniry izahay ny mba ahazoan'ny tsirairay izany tsara.» Afaka miara-miasa toy izany ianareo pastora, sy ianareo rehetra.

Rahalahy Branham, ahoana ny amin'ny sekoly alahady? Tokony mialoha ny fitorian-teny ve no atao?

Eny, efa toy izany hatrany no nanaovantsika azy. Ataovy alohan'ny fitorian-teny ny sekoly-alahady. Amin'izay ireo ankizy kely afaka mivoaka, rehefa tapitra ny sekoly-alahady.izay narahiny. Ny toriteny tsy ho azony, kanefa ireo ankizy kely ireo ho voatery hitoetra eo mandritra ny toriteny manontolo. Koa aoka atao alohan'ny fitorian-teny ny sekoly-alahady. Avy eo, ny ankizy madinika mivoaka. Ataovy aloha ny sekoly-alahady, atomboy amin'ny ora voafetra mialoha. Anjaran'ny mpampianatra sekoly-alahady ny mandamina izany, mametra ny fotoana hanombohan'ny sekoly-alahady sy ny faharetany ary ny firavany.

Mety ve raha olon-kafa noho ny pastora no ho mpampianatra ny sekoly-alahady ho an'ny olon-dehibe?

Raha efa nifanarahana izany, dia mety. Raha te-hampianatra ny sekoly-alahady ny pastora, alohan'ny hitoriany ny hafatra, dia tena tsara izany, raha tiany ny manao io fanompoana roa sosona io. Raha tsy tiany izany, dia aoka hanana mpampianatra ho an'ny olon-dehibe ianareo, hitanareo, ho an'ny sekoly-alahady ho an'ny olon-dehibe. Ka raha misy olona heverin'ny pastora ho amin'izany, sady te-hanao izany ilay olona, dia mifanaraha amin'ny fotoana tokony homena izany sekoly-alahady ho an'ny olon-dehibe izany, telopolo minitra, na dimy ambitelopolo, na efapolo, arakaraka izay ifanarahanareo.

Tokony hisy lakolosy eto. Rehefa ampanenoina izany dia midika… Na ny lakolosim-piangonana ao ivelany, rehefa maneno dia midika fotoana tokony hiravanan' ny sekoly-alahady. Ary rehefa maneno io lakolosy io, dia midika fa ny zavatra rehetra dia milamina tsara avokoa ato.

Tokony hisy fotoana hihirana fihirana iray na roa, izay tianareo hiraina. Tsy mihoatra izany, satria ho te-hivoaka ny olona raha ho tazonina ela loatra, hitanareo. Dia ampanenoina ny lakolosy, ary alefa mamonjy ny sekoly alahady avy ny olona rehefa avy nihira fihirana iray. Ary vao tonga ny ora, ohatra, amin'ny folo ora, na folo sy fahefany, na folo sy sasany, dia ampanenoina ny lakolosy, dia mandrava ny kilasiny avy ireo mpampianatra. Ary tonga eto ny rehetra, hivory. Dia ataovy ny tatitry ny sekoly alahady, ary afaka mody, afa-tsy ireo te-hanatrika ny fotoana fitorian-teny manaraka. Hitanareo, dia milamina ny zavatra.

Misy fanontaniana? «Firy…» [Misy manontany an-drahalahy Branham, hoe: «Izany hoe misy kilasy maro misaraka?» – N.D.É.]

Oh, eny! Ianareo tokony hanana… Ny zaza iray telo taona tsy afaka ahazo ny ho azon'ny ankizy efatra ambinifolo taona. Ataoko fa mbola mikasika izany ny fanontaniana manaraka.

Firy ny kilasy tokony hisy?

Tokony aperakareo ireo kilasinareo… ohatra, kilasy kely iray atokana ho an'ireo zaza madinika indrindra, satria tsy mety ampiarahina amin'ireo zazalahy sy zazavavy efatra ambinifolo taona ireo. Hitanareo? Tokony hanana olona anankiray ianareo hikarakara ireo zazakely ireo, reny antitra iray na olona iray mahay mikarakara azy ireo. Ny amin'ireo kilasy hafa, dia heveriko, fa tokony iandraiketan'ny olona iray mahavita kokoa mampianatra ny Teny. Hitanareo? Tokony hisy, farafahakeliny, kilasy telo.

Tokony hisy kilasy ho an'ny zaza madinika, manomboka amin'ny dimy taona. Ny rehetra ambanin'izany dia tokony hiaraka amin'ny reniny, ary raha ilaina entin'izy ireo ao amin'ny efitrano voatokana mandritra ny fitorian-teny, raha mitabataba. Izany no ilana io efitra mitokana ho an'ny reny sy zaza io.

Toy izao no heveriko tokony itsinjarana ireo kilasy ireo. Iray ho an'ny ankizy dimy taona ka hatramin'ny valo, na sivy, na folo taona. Ireo folo ka hatramin'ny dimy ambinifolo taona no atao amin'ny kilasin'ny tanora. Ary ao amin'ny kilasin'ny lehibe ny mihoatry ny dimy ambinifolo taona, satria efa lehibe izy ireo, ka… Amin'ny androntsika izao izy ireo dia efa afaka mahita asa atao, ary efa mitady hifidy sahady, amin'izany taonany izany… koa tokony ho afaka handre ny Teny izy ireo, ato amin'ny efitrano lehibe.

Iza avy no tokony ho mpampianatra?

Eo àry isika! Anjaranareo no mifidy ireo mpampianatrareo. Ary tokony ataonareo izany, mametraka azy ireo amin'ny toerany, mahita ny olona ho amin'izany. Miantsoa fivorian'ny fiangonana, ary anontanio: «Iza ato no mahatsiaro tarihin'ny Tompo?» Dia fidio izay mpampianatra mahay. Ary aoka ho vita izany. Tsy maintsy matotra ny anaovana izany, rahalahy. Raha tsy mahavita ny asa ny mpampianatra, dia tsy maintsy manolo mpampianatra ianareo.

Raha indray andro aho, eo anatrehan'Andriamanitra, ka mahita fa tsy tokony ho pastora intsony i Orman Neville dia hilazako izany ny fiangonana. Rehefa hahita zavatra mampisaina ahy fa, ianareo diakona, dia tsy mendrika ho diakona intsony, dia hilazako izany ny fiangonana fa «nahita aho fa ny diakona Ranona dia nanao zavatra tsy tokony nataony, ary izy tsy mipetraka tsara eo amin'ny toerany.». Ary mitovy amin'izany koa amina mpitantana iray, na hafa. Tsy afaka mifidy aho, na anatiny na ivelany. Fa ny fiangonana no tsy maintsy manao izany. Fa izaho kosa tsy maintsy mitatitra izany amin'ny fiangonana, satria izany no tokony atao. Satria tokony ho mpiandraikitra aho, ka anjarako ny mikendry ny mampandeha ny zavatra. Ny Lanitra no katsahitsinka haleha, fa tsy eto, ao ivelany ao, fivoriana ifampifaliana, toy ny milalao base-ball. Eto isika, mikirakira ny zavatra mahafinaritra indrindra eto an-tany, dia ny Tenin'Andriamanitra, ary izany dia tokony entina amin'ny filaminana araka an'Andriamanitra.

Iza no tokony ho mpampianatra?

Anjaranareo ny manolotra azy ireo. Fa ho an'ny zazamadinika, raha izaho, dia hifidy vehivavy iray antitra, izay mety hahavita izany. Fa ho an'ireo tanora, dia haka mpampianatra iray hentitra aho, fa tsy anankiray handany andro ny ankizy amina pique-niques sy fitonoana sosisy. Tsara izany, raha te-hanao pique-nique sy fitonoana sosisy izy ireo, saingy tsy izany no hatao foto-java-drehetra… Afotory amin'ny Teny izany, ary olona afaka mihazona ny Teny no apetraho eo, dia handeha izany. Ity fiangonana ity natsangana, dia tsy ho fanaovana pique-niques misy sosisy voatono. Raha pique-niques madinidika izay iarahanareo hampisy ny firahalahiana, dia mety, tsara. Izany no tokony ataonareo mba hampifalifaly ny ankizy. Fa eto amin'ity toerana ity, dia ny Tenin'Andriamanitra. Ny pique-niques itonoana sosisy; dia rehefa mifankahita ivelany ianareo, fa tsy ato, ato amin'ny Tranon'Andriamanitra. Ary haintsika, mazava ho azy, fa isika tsy mino ireny hadalana rehetra ao amin'izao-tontolo-izao ireny. Mahafantatra tsara kokoa noho izany ianareo.

Iza no tokony ho lohan'ny sekoly-alahady, mba hihazonana izany hilamina?

Ny "mpitantana sekoly alahady". Izany no asany. Tsy tokony hananan-draharaha amin'ireo diakona, mpitantanna, pastora, na olon-kafa izy. Manana birao manokana izy. Tsy ahafantatra ireo mpampianatra sekoly alahady anareo aho. Fa io "mpitantana sekoly alahady" io dia natao hitandrina mba hisy an-toerany avy ny kilasy rehetra, ary tonga ny mpampianatra rehetra, na misy solony amin'ny andro tsy maha eo ilay mpampianatra.

Ny Alahady, mialoha na mandritry ny lesona, dia mitety ireo kilasy ny "mpitantatana sekoly-Alahady", manangona ireo fanatitra (rakitry ny sekoly-Alahady), sy ny tatitra mikasaika ny isan'ireo tonga, ny isan'ny Baiboly ao amin'ny kilasy, firy ny mpampianatra, ary firy no tonga, ny fitambaran'ireo, ary ny fitambaran'ny fanatitra ho an'ny sekoly manontolo, sy ny zavatra hafa koa. Tsy natao hanao izany ireo diakona, na ireo mpitantana, na ireo pastora. Tsy misy idiran'izy ireo izany. Fa asan'ny "mpitantana ny sekoly-Alahady" izany.

Ary raha hitany fa misy zavatra ilain'ny sekoly-Alahady, dia ampakariny ao amin'ny komitin'ny mpitantana izany. Dia mivory voalohany ireo mpitantana mikasika izany. Ary raha hitan'izy ireo fa ampy ny vola, araky ny tatitry ny mpitahiry vola, dia afaka manome izany izy ireo. Raha mila zavatra hafa izy, toy ny asasoratra, na Baiboly, te-hividy Baiboly izy ireo hatolotra ny anankiray, hainareo, izay mahita teny maro indrindra, na mahay Soratra Masina, hainareo, homena toy ny valisoa, na zavatra hafa tiany ho azo avy amin'ny fiangonana, dia ampakariny amin'ny mpitantana izany. Ary miankina amin'ny toe-bola, ny farany. Htanareo?

Ary izany dia mamaly ireo fanontaniana dimy mikasika izany.

Fa ity ny fanontaniana manaraka:

Rahalahy Branham, mba ho fanajana ny lamin'ny fiangonana, dia niezaka izahay, araka ny fahazoanay ireo baiko nomena nandritry ny fitokanana ny fiangonana vaovao. Ka rehefa nanao toy izany izahay, dia nisy tezitra ka nandao ny fiangonana. Ary ny sasany tsy te-hihaino na inona na inona amin'izay lazainay, indrindra ireo ankizy. Noresahanay ireo raiamandreny ny amin'ireo zanany, kanefa ireo tsy te-handray andraikitra. Tsy nahazo resaka ve izahay? Sa, tsy hainay ny nampihatra izany? Misaotra.

Aoka àry hamaly izany, araka ny filaharany.

Mba ho fanajana ny lamin'ny fiangonana, dia niezaka izahay, araka ny fahazoanay ireo baiko nomena nandritry ny fitokanana ny fiangonana vaovao…

Mety izany, tsara ny nataonareo. Ireo diakona no tokony nanontany izany, satria andraikitry ny diakona izany. Tena tsara.

… ka rehefa nanao toy izany izahay, dia natetika, nisy olona tezitra taminay.

Izany koa no ataon'izy ireo amiko! Na iza na iza no ho eo, dia hataon'izy ireo toy izany. Fa ny olona manao toy izany, dia misy tsy metimety ao aminy. Tsy milamina amin'Andriamanitra izy ireo, satria ny Fanahin'i Kristy dia manaiky ny fampianaran'i Kristy, sy ny Tranon'i Kristy, sy ny lamin'i Kristy. Hitanareo? Ka na iza na iza lehilahy na vehivavy, na ankizy, ho tezitra amin'ny diakona araka an' Andriamanitra iray, izay mananatra azy… sy izay raiamandreny tezitra amina diakona… Marina fa tiantsika ho amin'ity fiangonana ity ny olona rehetra izay mety azontsika; saingy raha hitarika korontana fotsiny, ho tsilo fotsiny, "ho rangory fototry ny afo" hoy ny fitenenana . Tsy marina izany olona izany.

Raha mandao izy ireo, dia zavatra iray ihany no sisa hatao, dia ny mamela azy handeha, ary mivavaka ho azy. Hitanareo? Mety koa raha misy diakona vitsivitsy manatona azy an-tranony, ahafantarana ny anton'ny nandaozany, sy ny tsy metimety aminy, ary raha mbola mety ihavanana izy. Fa raha tsy mety izy, dia mitondra vavolombelona roa na telo, izay mety afaka handresy lahatra azy. Fa raha mbola tsy te-hihavana izy, kanefa singan'ny fiangonana, dia anaovana tatitra amin'ny fiangonana izany..

Fa raha tsy singan'ny fiangonana izy, dia tsy mpivory ato, kanefa tokony hanaraka ny lamina ihany izy. Hitanareo; tsy maintsy mihaino ireo baikontsika izy, satria izany no lamin'ny fiangonana. Tsy ilaintsika misy ato ny zavatra toy izany, zavatra tsy tiako hatao, kanefa tsy maintsy hatao. Ary izaho mihitsy, amin'ny alalan'ny fitenenako anatin'ity horonampeo ity, no miditra an-tsehatra. Henony fa izaho izany, afaka mandre ahy miteny izy ireo, ary mahafantatra fa izaho izany, fa tsy ianareo. Nametraka ireo fanontaniana ireo ianareo, ary izaho manome anareo ny tsara indrindra araka izay haiko avy amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Fa raha tezitra ireo olona ireo ka mandao anareo…… «Inona no voalazan'ny Soratra Masina mikasika izany, Rahalahy Branham

«Avy tamintsika ihany no niala ireo… mba haseho fa tsy isantsika izy.» Dia milamina izany! «Izy ireo no nandà ny fiangonana», izany no nataony.

Ary ny sasany tsy te-hihaino na inona na inona, indrindra ireo ankizy.

Tokony ahafantatra ny fitsi-pifehezana ny ankizy, ary any an-tokantrano no tokony ianarany izany. Kanefa… Na ireo zanako aza tonga, tsy amin'ny fotoana mety, ary tsy mipetraka tsara, dia tsy tiako havahanareo amin'ny hafa, na kely aza, na i Sarah, na Rebekah, na Joseph, na i Billy, na hafa koa. Ilazao aho, fa izaho no hijery ny amin'izany. Raha tsy mahay mipetraka izy ireo, dia tsy hiditra am-piangonana mandra-pahaizany mipetraka tsara. Tsy toerana malalaka filalaovana ato, fa ato dia Tranon' Andriamanitra. Tsy filalaovana ato, na fanaovana patinage, na fifanoratana taratasy, na fihomehezana sy fivazivaziana. Ity dia Tranon'Andriamanitra, ary ato tsy maintsy mipetraka tsara araka an'Andriamanitra.

Hidera no ahatongavantsika ato, fa tsy ifampitsidika. Tsy tany fanaovana pique-nique ato, tsy fifampitsidihana ato, fa toerana fitsidihan'ny Fanahy Masina, fihainoana izay lazainy, fa tsy ifampiresahana. Tonga ato isika, tsy hifaneho fifampisakaizana, fa kosa haneho fisakaizana amin'i Kristy. Toerana fiderana ato, ka tsy maintsy manaja ny fitsi-pifehezana ny ankizy. Aoka ho fanatra izany! Raha ireo raiamandrenin'ny zaza mihitsy no tsy mihaino izay lazain'ny diakona, dia izy ireo indrindra no tokony hahitsy.

Noresahanay ireo raiamandreny ny amin'ireo zanany, kanefa mandà-handray ny andraikiny izy ireo.

Raha mpikamban'ity fiangonana ity ilay olona, dia makà roa na telo ianareo miaraka aminareo, hihaona manokana amin'io raiamandreny io, ao amin'ny birao iray. Tsy mampaninona ahy na iza izany na iza, na izaho aza, na ny rahalahy Neville, na i Billy Paul sy ny zanany lahikely, na ny rahalahy Collins sy ny iray amin'ireo zanany, na iza na iza ato amintsika. Mifankatia isika ato, saingy isika voafatotry ny adidy amin' Andriamanitra sy ity Teny ity. Na i Doc izany, na iza na iza, tsy maninona, dia tsy maintsy mifananatra, ary mifampitondra amim-pahamarinana. Ahoana no hahavitan' Andriamanitra hifanaraka amintsika, raha isika aza tsy mahay mifampitondra amim-pahamarinana? Fomba ahoana no hahamarina antsika Aminy? Hitanareo?

Baiko izany, tsy maintsy hazonintsika milamina ny Tranon' Andriamanitra! Ary ireo diakona tsy maintsy mahafantatra izay tokony hatao amin'izany. Hitanareo? Ary izany no anton'ny itenenako aminareo hihazona ireny zavatra ireny. Koa, rehefa teneninareo ireo raiamandreny, nefa tsy mety hihaino, ianao sy ny diakona iray hafa, na ny mpitantana, na olon'ny fiangonana iray, dia ianareo diakona rehetra mitatitra hoe: «Rahalahy Jones, Rahalahy Henderson, Rahalahy Jackson — na izay voakasiky ny raharaha — ny zanak'izy ireo tsy mipetraka tsara, ary rehefa nilazanay izany izy ireo indroa na intelo, dia tsy te-hihaino.»

Rehefa izany, dia ampanatsoy ny rahalahy Jones, na ny rahalahy Ranona, dia iteneno hoe: «Rahalahy Jones, nantsoinay ianao mba hifampidinika aminay. Tianay ianao. Ary ianao dia namanay, anisanay. Aoka isika handefa horonampeo iray ary hihaino izay voalazan-drahalahy Branham mikasika izany. Hitanao? Efa niangavianay ianao ny mba hampahay mipetra ireo ankizy ireo. Hitanao? Fa raha tsy te-hipetraka tsara ireo ankizy ireo, ary ianao koa tsy afaka mampiperaka tsara azy ireo ao am-piangonana, dia aoka apetrakao amin'olon-kafa izy ireo, rehefa mankaty am-piangonana ianao, mandra pahaizany mipetraka tsara ao an-Tranon'Andriamanitra.» Hitanareo? Fa izany dia baiko, ka tsy maintsy tanterahina! Hitanareo?

Ary izao, ny fanontaniana manaraka:

Tsy nahazo resaka ve izahay?

Tsia, Andriamatoa! Nahazo ny resaka tsara ianareo! Marina izany. Ary mbola averiko tenenina indray, ireo dia baiko. Any amin'ny tafika, izy ireo tsy hanontany hoe: "Mety ve ianao hanao an'izao na izatsy?" Raha any amin'ny tafika ianao dia tsy voatery hanao izany. Hitanareo? Ary izany ihany ny fomba… Izaho dia voatery hitory ny Filazantsara. Voatery hijoro ho an'Ity aho, tsy miraharaha izay lazain'ny olona na ny rahalahy mikasika Azy. Voatery hanao izany aho. Tsy maintsy manohina ny fihetseham-pon'ny olona aho, ary mandratsandratsana azy ireo.

Tsy te-hanjary toa an'i Oswald ianareo, hitanareo. Raha ianao, tsy afaka sady tsy mitovy hevitra amin'ny olona iray, kanefa mifampiharahaba aminy, ary manohy ny fihavanana aminy, dia misy zavatra tsy mety ao aminao. Raha izaho tsy afaka, sady tsy mitovy hevitra amin'ny olona iray (mifanipaka toy ny atsimo sy ny avaratra) no mbola misaina tsara mikasika azy, dia misy tsy metimety ao amin'ny fanahiko, tsy manana ny Fanahin'i Kristy aho. Hitanareo?

Raha misy miteny amiko hoe: «Eny, Rahalahy Branham, izaho mihevitra fa ny fampianaranao dia izao sy izao…»

«Eny àry, rahalahy, aoka isika, ianao sy izaho, hihaona mba hiresaka. Hiarahantsika mijery ny amin'izany. Hankàtsy amin'ny efitra ambadika atsy isika, isika roalahy ihany, hifandinika ny amin'izany.» Dia manomboka àry izy, mandravarava ahy, ary tsy maintsy mamaly ireo teniny aho. Ary, raha ao amin'ny foko aho tsy afaka ny hahatsapa fa «mbola rahalahiko izy, ary izaho miezaka manampy azy», raha izany, dia tsy mba ho afaka hanampy azy aho, tsy misy fomba ahavitako izany. Raha tsy tia azy aho, inona ny varany handehanako any? Lazao izy hoe: «Voalohany, alohan'ny voalohany, Rahalahy, dia "Tsy tiako ianao", ary mamelà ahy aloha ianao, hanala izany ato am-poko, mialoha ny handehantsika ao, satria tsy afaka hanampy anao aho, raha mbola tsy tia anao.»

Ary marina izany, izany ny fomba. Hitanareo, tohizo, mety tsara ny nataonareo. Izany ny fomba tokony anaovana azy. Tsy diso fandraisana mihitsy ianareo..

Sa, tsy hainay ny nampihatra izany?

Tsia, izany indrindra ny fomba tsara anaovana azy. Aoka hazonina ny filaminana! Satria tsy an-kiato izany… Fa ny amin'ireo ankizy madinika, sy ny reniny, ireo zazamena, hitomany ireo, tsy voasakana, fa rehefa lasa tabataba izany dia manapatapaka ny fitorian'ny pastoranareo. Aza adino, fa ianareo no mpiaro azy. Ianareo no mpiaro ny Filazantsarany. Ka raha manapaka ny hafatry ny Tompo izany, inona no tsy maintsy ataonareo, ianareo diakona? — Tsy misy hafa amin'ilay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra koa, izay voafatotry ny andraikiny. Ary ny lehilahy iray mpitoriteny dia voafatotry ny andraikiny amin'ny Teny, foafatrr'ireny zavatra ireny izy. Ny tsirairay aminareo dia voafatotry ny andraikitry ny asa-fanompoany avy. Ary izany indrindra ny anton'ny maha-eto antsika. Eto isika, mba hanao izany.

Tokony tsy hitaraiky ela loatra intsony isika izao, satria manana fotoana aman' olona aho, afaka minitra vitsy. Hiezaka àry aho hanafaingana, araka izay vitako.

Rahalahy Branham… (Misy fanontaniana telo… anankiroa ato amin'ity karatra ity.) Rahalahy Branham, Inona no tokony hatao, raha tsy maintsy hanangona vola homena olona ato am-piangonana? Ary ahoana ny fomba tokony hanaovana izany?

Ataoko fa tsy tokony hisy fanangonam-bola ho an'olona, afa-tsy ho an'ny pastora. Ary heveriko, raha misy olona tonga hangataka fanampiana, na zavatra hafa toy izany… na koa, olona iray mandalo fahasahiranana, ohatra ny mpikambana iray an'ny fiangonana, iray amin'ireo rahalahintsika. Amin'izay tranga izay, ataoko fa tokony hambara eny amin'ny sehatra izany, aoka ny pastora hanao izany. Ataoko fa adididy ny manao izany, raha rahalahy iray sendra sahirana, aoka izy hilaza izany amin'ny fiangonana, raha mety aminy izany.

Raha misy olona sahirana… kanefa tsy mety aminareo ny hanangona vola ho an'io olona sahirana io, dia aoka ireo mpitantana hivory ary hanapa-kevitra amin'ny vola tokony havoaky ny kitapom-bolan'ny fiangonana, homena an'io olona io. Kanefa, raha kely ny volan'ny fiangonana amin'io fotoana io, dia tsy afaka hanao izany izy ireo. Amin'izay ny komitin'ny mpitantana dia mahazo manome baiko an'ny pastora hangata-javatra amin'ny mpivory. Hilaza toy izao izy, hoe: «Izao hariva izao, ny rahalahintsika Jones dia tratry ny voina lehibe. May ny tranony, ka amin'ny maha Kristiana antsika, isika dia hifarimbona, ny tsirairay amintsika hampanantena hanao ny mety vitany, hanampiantsika ny rahalahy Jones hahazoany trano fonenana indray.» Hitanareo? Na hafa, araka izay tranga misy, hitanareo, tsara ny hanaovantsika izany. Eny amin'ny lampihazo no aoka hilazana azy. Rehefa manantanteraka ny fampanantenany ny olona, ny vola dia arotsaka amin'ny mpitam-bola. Ary ny mpitam-bola no manome ny fanampiana. Ary homena rosia ny olona nanome vola, satria, tsy haiko, mety afaka mampihena ny hetrany izany, ataoko fa misy ny zavatra toy izany.

Fa raha misy vahiny tonga eto, lehilahy iray hiteny hoe: «Hainareo? Vahiny mandalo aho. Ary vaky ny kodian'ny fiarako anankiray, ka mila kodia iray vaovao aho. Mba hanaovy fanangolam-bola aho, rahariva, hividianako kodia iray vaovao.» Tsy tokony hatao izany. Tsia, tsy tokony hatao izany. Ary na toa zavatra mendrika atao aza izany, na mahakasika olona iray fantatrareo, dia tsy azon'ireo mpitantana hatao ny manapaka vola halaina amin'ny mpitam-bola, ka homena an'izany olona izany. Na koa, raha ambany ny toebola, ka ny komity hanapaka… Tsy tokony hidiran'ny pastora ny raharaha toy izany. Anjaran'ny diakona, na ireo mpitantana no mandinika izany, ka raha hitan'izy ireo fa mety, dia milaza amin'ny pastora izy ireo hanao fanangonana… Mariho, fa izany, raha sendra vahiny izay mila vonjimaika, izay mila vola kely, ka tsapanareo fa mahasoa (izany ny hevitro) raha hainareo fa tena zavatra mahasoa…

Fa izao, voalohany, raha mandalo an-tranoko ianareo, hijery ny boky, hahita firifiry ireo olona manatona ary miteny hoe: «Izaho no Révérend Ranona, amin'ny Fiangonana izao sy izao, ary tojo fahasahranana teny an-dàlana aho… ka mila manolo ny kodiako rehetra.», satria fantany fa vao avy tamin'ny fivoriana iray aho izay nahazoako fanatitra, na zavatra hafa toy izany. Dia nomeko azy ny vola ilainy, hividianany ireo kodia. Kanjo, avy eo aho, mijery ny rejisitra, dia mahita fa tsy mba nisy mpanompon' Andriamanitra toy izany, monina amin'izany toerana izany. Ary mahatratra iray na roa alina dolara, nandritr'ireo taona maromaro, voarakitra ao anaty boky, no nomeko olona toy izany, nefa tsy mba fantatro na iza marina, sy aiza marina ireny olona ireny. Tongàva any ianareo, dia hahita izany. Ny mpanompon' Andriamanitra sasany aza, miteny hoe: «Ahoana, izaho nahazoany izao sy izao, ary izao sy izao

Fa izao: ny fiangonana dia tsy tompon'anandraikitra afa-tsy amin'ny azy ihany. Rariny izany. Ireo izay azy, dia tompon'andraikitra amin'ireo izy.

Kanefa, raha misy tranga toa mendrika sy mahasoa… ary ianareo mpitantana afaka miteny hoe: «Andraso kely. Io lehilahy io, ny fiarakodiany dia irỳ, ary hita fa nitranga tokoa izay voalaza, eo izany. Izany tokoa ny zavamisy.» Koa, raha te-hanao toy izany izy ireo, ka hilaza zavatra manokana, mikasika olona avy any ivelany…

Fa tsy toy izany amin'ireo vahoakantsika. Raha mikasika ireo olotsika ireo manokana, dia tsy maintsy hanangonana eto izany, eto anivon'ireo rahalahiny. Hitanareo?

Raha mikasika olona avy ivelany. Raha mitaraina noana ny anankiray, na … ka misy te-hanome vola azy, ho fiantrana, dia miankina aminareo izany. Fa izaho miteny mikasika ny avy amin'ny fiangonana. Fa ireo mpikamban'ny fiangonana no iangaviana hanome, dia…

Fa, raha evanjelista kosa, mazava ho azy, tonga eto hitoriteny, ianareo dia haka… mialoha ny hiaviany, hainareo, homenareo fanatitra izy, na efainareo karama, na izay zavatra hafa tiany.

Fa raha eto io olona io, ary zavatra mahasoa no angatahiny, ary ny komitin'ny mpitantana manaiky, ka maniraka ny pastora, dia aoka ny pastora hiteny hoe: «Misy olona anankiray izay ato, tsy hainay izy. Fa tonga izy, ka nangataka… Lazainy fa noana ireo zanany. Tsy ampy ny fotoananay hanadihadiana ny fangatahany.» Hitanareo?

Raha misy toy izany, mikasika ny iray amintsika, dia afaka mandinika izany ireo diakonantsika. Hitanareo? Ka raha tokony ekena, dia hatao izany. Fa raha tsy tokony ekena, dia aza atao. Tsy voatery hanao izany ianareo. Fa izao, raha lehilahy izay eto izany, dia aoka ny pastora hiteny hoe: «Ny komity mpitantana nilaza tamiko fa tsy mahalala io olona io. Kanefa ato io lehilahy io, izao. Jim Jones hono ny anarany. (na anarana hafa). Mitoetra eto, io izy. ‘Aoka ianao mba hitsangana, Andriamatoa Jones? Ary izao, Andriamatoa Jones, rehefa hirava, aoka ianao hitsangana erỳ amin'ny varavarana, aoriana erỳ.’ Isika vahoaka kosa, raha mahatsapa ao am-pony, fa tokony hanampy io lehilahy io, dia manomeza azy, rehefa andeha hivoaka ianareo.» Mazava ve izany, izao?

Tsikaritrareo ve, ianareo izay mihaino horonampeo, ny anankiray… nisy adinon-drahalahy Collins tao amin'ny horonampeony. Koa averiko eto indray iny filazana iny… satria anisan'ireo diakona izy.

Raha misy lehilahy iray mila vonjy maika, ka mangataka hanaovan'ny fiangonana fanatitra ho azy, aoka hivory ireo mpitantana na ireo diakona, avy eo miara-mivory, ka manapa-kevitra. Rehefa izany, dia hanao tatitra amin'ny pastora izy ireo. Ary ny pastora hilaza hoe «Ity lehilahy ity», tononiny ny anarany, «ary tsy hainay izy. Ny fitsipika ato amintsika, dia ny manadihady, alohan'ny hanangonana fanatitra ho fanampiana ny olona izay ato amintsika. Ary ity lehilahy ity milaza fa mandalo fahasahiranana, ka mila vonjy maika, satria marary ireo zanany, mila ividianana fanafody (na zavatra hafa ilàna vonjy maika). Eto izy. Aoka mba hitsangana ianao, Andriamatoa?’» Hitanareo? Asaivo mitsangana izy, dia tohizo, hoe: «Ary isika kosa, jereo izy. Rehefa hifarana ny fotoambavaka, io lehilahy io hitsanga erỳ am-baravarana, ary ianareo eo am-pivoahana, dia afaka mandray anjara amin'ny fanampiana azy, araka izay foinareo, sy ny fahatsapanareo. Manambara izany fotsiny ato am-piangonana no anjaranay.» Tsy midika fanekena izany, fa fanambarana fotsiny avy aminareo. Hitanareo ? Izany dia fomba fampiantranoana vahiny. Hitanareo? Azonareo izao? Tena tsara.

Ataoko fa tapitra ny amin'iny fanontaniana iny.

Ahoana ny amin'ireo horonampeo? Satria maro ireo manoratra amin'ny birao, manakiana anareo amin'ny fepetra noraisina mikasika ireo horonampeo ireo? Ary ahoana koa ireo olon-kafa, izay mivarotra horonampeo, manodidina ny trano fiangonana, kanefa tsy maintsy andoavan'Andriamatoa Maguire hetra izy ireny?

Tena tsara. Misy fifanarahana ny fanaovana ireo horonampeo ireo. Tsy haiko tsara oviana izany no tapitra. Fa ireo mpitantana no mahay izany. Anjaran'izy ireo izany, fa tsy an'ny diakona, na an'ny pasrora. Ireo mpitantana ireo, matetika, no manoratra ny fifanarahana, araka ny fantatro (raha diso izany, aoka ahitsin'ny mpitantana). Ary izy ireo no manao fifanarahana amin'ny olona manamboatra ny horonampeo. Ny fanamboarana ireny horonampeo ireny dia ahazoana "tsy fandoavan-ketra".

Tsy misy olon-kafa afaka manamboatra ireo horonompeo ireo, raha tsy nahazo alàlana amin'ilay nahazo ny "tsy fandoavan-ketra". Ary tsy afaka mivarotra koa izy, raha tsy nahazo alàlana avy amin'ilay nahazo ny "tsy fandoavan-ketra". Satria izany no lalàna. Hitanareo? Izy no mihazona io "tsy fandoavan-ketra" io. Hitanareo? Ary raha ny iray amin'ireo manana "tsy fandoavan-ketra" ireo no te-hamela an-dRanona sy Ranona, hanamboatra horonampeo; dia azy izany. Raha avelany ny olon-drehetra hanamboatra horonampeo, dia azy izany. Raha ny tompon'io "tsy fandoavan-ketra" io, no te-hamela ny olon-drehetra hivarotra ireo horonampeo ireo, dia azy izany. Mety hisy taratasy kely voasonian'ilay tompon'ny "tsy fandoavan-ketra", omeny ireo izay te-hanamboatra na hivarotra ny horonampeo, mba hilamina eo anatrehan'ny Lalàna izy ireo. Satria, raha tsy mahazo izany izy, dia ho tompon'andraikitra, raha misy olona adaladala te-hampiditra azy amina fahashiranana. Tena afaka hanao izany izy. Satria ianao nihoatra ny lalàn'io "tsy fandoavan-ketra" io. Satria izany dia mitovy amina copyright (zon'ny mpamorona), hitanareo. Tsy misy hafa. Tsy mahazo manao izany ianao. Ahazoana lamandy lehibe ny fanaovana izany.

Araka izany, raha manamboatra horonampeo ireny olona ireny, angamba nisy fifanarahana taminy sy Andriamatoa Maguire, izay mety mandray volan-jon'ny mpamorona amin'ireny horonampeo ireny. Tsy dia fantatro loatra ny amin'io, satria izaho tsy maharitra eto aminareo, ka tsy mahalala ny zavatra, na ny olona anontaniana izany. Ataoko fa mbola Andriamatoa Maguire no mbola mihazona izany. Ivelan'ny eto aho, dia any Californie, na any Arizona izay honenanko. Araky ny fantatro, any dia mbola horonampeo avy ao Californie no vidin'ny olona. Ny rahalahy Sothmann, izay rahalahintsika ato amin'ity fiangonana ity, no rafozan'Andriamatoa Maguire. Heveriko fa mbola an-tànan'Andriamatoa Maguire io "tsy fandoavan-ketra" io

Fa raha ny amin'ny fitarainana, dia nisy foana hatra tany am-piandohan' ny nanaovana ireo horonampeo ireo. Ka rehefa misy fitarainana amin-javatra mahakasika ny volan'ny fiangonana, dia adidin'ireo mpitantana no manadihady, mba hampahazava izany. Hitanareo? Na manao ahoana, tsy tokony hisy zavatra ho tsinontsinoavina.

Jereo moa izay voasoratra amin'ity karatra iity:

Maro ireo manoratra amin'ny birao, manakiana anareo…

Ny tena marina, dia nahazoako taratasy maro mikasika izany. Ary te-ahafantra aho ny anton'ny tsy ahazoan'izy ireo ny horonampeony. Ianareo mahafantatra ny fifanarahana nataonareo tamin'ilay manana ny "tsy fandoavan-ketra", araka ny fantatro… Raha ny amiko manokana, mikasika ireo horonampeo ireo, dia tsy te-hanan-draharaha amin'ireny olona ireny aho. Fa na iza na iza no afaka mampiasa ny horonampeo mba ielezan'ny Filazantsara, dia «Amena!»

Tamin'ny fiandohana dia ny rahalahy Roberson sy ny ekipany no namokatra azy ireo. Avy teo, dia ny rahalahy Beeler sy maromaro hafa no namokatra izany. Nanaraka izany ireo rahalahintsika roalahy Mercier sy Goad, nandritry ny taona maromaro. Ary, mazava ho azy, fa ny tsirairay tamin'ireo lehilahy ireo izay namokatra azy ireny, dia nahazoana fitarainana avokoa. Fa tato aoriana, vao toa nisy fitarainana betsaka ny amin'ny tsy nandraisan'ny olona ny horonampeony. Manerana ny firenena no nisy olona niantso ahy. Ary koa, misy horonampeo indroa nakana feo, ka iray minitra ahenoana zavatra iray, ny iray minitra manaraka dia resaka hafa, hany ka tsy fantatra intsony inona ny votoatiny.

Kanefa, ireo olona mandoa vola mba ahazoana horonampeo ireo, dia tokony handray horonampeo ara-penitra. Tsy haiko izay ezaka tsy maintsy hatao amin'izany, fa isika maniry hahita ireo mpanjifa sy rahalahintsika (satria sady mpanjifa ireo no rahalahintsika) ho afa-po. Izy ireo tsy maintsy mahazo horonampeo dika voalohany. Ary, ianareo mpitantana tokony hijery izany, hitandrina mba ho afa-po ny olona. Ary, raha tsy afa-po izy, dia tsy maintsy haverina eo-no-eo ny volany.

Nisy anankiray niantso ahy, nilaza fa efa volana maro no nandrasany ireo horonampeony. Tsy haiko ny fomba fitantanan-drahalahy Maguire izany. Tsy fantatro. Tsy misy haiko ny mikasika izany. Ary tsy anjarako mihitsy ny manadihady mikasika izany, fa anjaran'ireo mpitantana miaraka aminy izany. Ary izaho tsy te-hiditra amin'izany, fa izaho fotsiny milaza ny lalàna mikasika izany. Hitanareo? Ny lalàna miteny fa, ao anatin'ny iray andro, na roa, telo, efatra na dimy andro, aorian'ny nahatongavan'ny fanafaran'ny mpanjifa azy, dia tokony ho efa an-dalàna, alefa paositra, ireny horonampeo ireny. Ary raha tsy vohaja izany, dia mety ho foana avy hatrany ny "tsy fandoavan-ketra". Hitanareo?

Ary io fifanarahana io, dia tokony havaozina isaky ny enimbola na iray taona. Ary tokony hihaona ianareo amin'ny andro voatondron'io fahazoana "tsy fandoavan-ketra" io. Ary ireo olon-kafa voakasiky ny raharaha dia tokony ho tonga amin'io andro io. Ary ireo olona mangataka ireny horonampeo ireny, dia tokony ampahafantarinareo koa, mba ho tonga hiadihevitra mikasika ny fifanarahana.

Ireo dia baiko tsymaintsy tanterahina! Hitanareo? Ary tsy maintsy hatao araky ny tokony ho izy, satria nampitaraina olona. Nitaraina izy ireo tamin-dry Leo sy Gene, nitaraina izy ireo tamin'ny tsirairay, nitaraina izy ireo tamin-drahalahy Maguire, mbola hitaraina koa izy ireo amin'olon-kafa. Saingy, aoka tadiavintsika izay mampitaraina azy.

Rehefa manomboka misavovona ireo horonampeo, an-kesika maro, ireo fangatahana tonga an-jatony, dia tsy amin'ilay mpamokatra horonampeo no mitontona ny tsiny, fa aty amiko. Amiko hatrany izy ireo no mitabataba mikasika izany. Kanefa, amin'ny maha Kristiana ahy, dia adidiko ny miahy ny ahazoan'ny olona ny zavatra nandoavany vola, ary satriko, raha ianareo mpitantana no hitandro ny fahazoan'izy ireo izany. Mila jerena koa, raha tokony hampiakarina ny vidiny, na hampiasa kasety tsara kalitao kokoa, na koa hividy milina vaovao tsara kokoa. Ny olona manamboatra ireo horonampeo ireo, tiantsika hanao izany tsara. Tombontsoantsika izany. Tsy maintsy vita tsara ireo horonampeo ireo! Ary tsy maintsy hatao ny mahafa-po ny mpanjifa. Raha tsy izany, aleo hajanona tanteraka io fanamboarana horonampeo io. Dia tsy hanana horonampeo intsony isika, fa izay te-hanana fotsiny no avelantsika hanao izany. Kanefa raha hivarotra izany ho azy izy ireo, aoka ny olona ahazo zavatra mendrika ny vola alohany, satria ifanaovana anivon'ny tontolo Kristiana ny zavatra. Tsy ho tsara mihoatra noho isika manao…

Rehefa tonga ato izy ireo hihaino ny Filazansara, izaho te-hanome azy ireo ny tsara indrindra azoko omena, hitanareo, ary satriko ny rehetra sy ny zavatra rehetra hataonareo mandeha tsara avokoa. Izany ny anton'ny hitenenako aminareo, diakona, sy mpitantana ary pastora, izao hariva izao, mba hitandrina tsy misy tomika ity lamina ity, satria ny vahoka tonga eto mba hahita an'Andriamanitra, ary tsy maintsy hataontsika milamina avokoa ny zavatra rehetra.

Ary ireo horonampeo koa tsy maintsy apetaka eo amin'ny toerany. Tsy maintsy jerena raha tokony hamidy lafo koa izy ireo. Raha nampiasa kasety sokajy faharoa izy ireo, sao tokony hampiasa kasety tsara kalitao kokoa. Raha ilaina ny mandafo azy lafo kokoa, dia amidio lafo kokoa, saingy, aoka ny mpanjifa hisitraka ny valin'izany fisondrotam-bidy izany.

Tsy mila mandray vola avy amina "zon'ny mpamorona" aho, na penny tokana aza, ary ny fiangonana koa. Raha manefa moa izy ireo… ataoko fa tsy maintsy mandray ianareo, vola kely, satria ato ny famokarana no atao. Ataoko fa zavatra notenenin'izy ireo tamin'Atoa Miller izany, mikasika ny lalàna, fa tsy maintsy mandray "volan-jon'ny mpamorona" isika. Anjaranareo rehetra ny mijery ny amin'izany. Fa izaho, tsy misy tokony hidirako izany… Ianareo rehetra aoka hijery izany. Fa izaho tsy afaka ny hikarakara izany, fa izaho manoro fotsiny ny làlana tokony hitondrana izany, ary tsy maintsy hitondrana izany…. Ary… mazava tsara aminareo, fa niteny aho hoe "tsy maintsy hitondrana". Koa ilainay ny hitondrana izany tsara.

Koa, raha tsy maintsy mividy milina tsara kokoa, dia ataovy izay ahazoana milina tsara kokoa. Izay ilaina… Fa izaho niteny tamin'izy ireo, hoe "Isaky ny handeha hanao asa misionera aho, mialohan'ny andehanako, dia holazaiko aminareo ireo toriteny handeha hataoko any, zavatra izay efa … » Ary nampanantena anareo rehetra aho, fa andeha horaisiko feo indray ny Alahady alina, fa «alohan'ny hitoriako hafatra vaovao, dia ho ato amin'ny Tabernacle, no hitoriako izany, satria toa tsara kokoa ny fandraisana feo ato.» Tsaroanareo ve izany? Dia tonga eto aho mitory ireo hafatro ireo, ary manatona ilay lehilahy mpiandraikitra ny horonampeo, hanoro azy, ny… Manontany ahy izy ireo «Iza amin'ireo? Inona no andeha hitorianao?» Dia nolazaiko taminy: «Ity alina ity, dia izao sy izao, ary iry alina iry, dia izatsy.» Araka izany dia afaka nanomana izy ireo, mba afahan'ny mpanjifa mahazo izany mivantana, eto ihany. Efa ao aminy izany, horonampeo tsara kokoa noho ireo azo amin'ny fihaonana ivelan'ny eto, satria novokarina tato amin'ny Tabernacle, izay maha tsara kokoa ny fandraisam-peo. Hitanareo ?

Fa izao aho, andeha hanao io fitoriana Filazantsara lehibe io, hankany am-pitan-dranomasina. Tsy afaka mampanantena aho, hitanareo, fa hitory voalohany ny hafatra eto, satria raha ianao mitory ireo hafatra ireo, eny rehetra eny, dia tsy maintsy manana zavatra… satria, amin'ny farany, tsy mampazoto anao intsony hitory izany, ary tsy mampazoto ny olona koa ny hihaino izany. Tsy maintsy manao zavatra hafa ianao, hitanareo, ary mitondra fotsiny izay mety atao hafatra any. Fa omeo milina tsara kokoa izy ireo, na zavatra hafa izay mety, dia ho lavorary ireo horonampeo ireo.

Ary aoka ho tonga lafatra ny horonampeo vokarina ato. Ary ny horonampeo tsirairay dia efa noharina vao alefa. Raha tsy izany, dia ajanony avokoa ny zavatra rehetra; aza iasana loha intsony izany. Avelao ny tsirairay hamokatra ny horonampeony. Hitanareo? Aoka àry hatao tsara ny zavatra, hitanareo, mba hijanona ireo fitarainana. Tsy mila fitarainana intsony isika. Fa raha mbola hisy fitarainana, dia aoka isika tsy hiandraikitra izany intsony, hialantsika izany.

Hiezaka hanafaingana aho izao. Misy fanontaniana roa na telo angamba amin'i Billy, dia hamarana isika.

Rahalahy Branham, hatraiza ny fahafahan'ny diakona iray haleha, hihazonana ny filaminana ato amin'ny fiangonana? Tokony hitandro ny filaminana ve izahay, sa hiandry an-drahalahy Neville hiteny izay tokony hatao?

Tsy asan-drahalahy Neville izany, fa anareo, hitanareo? Ianareo tsy miteny amin-drahalahy Neville inona no tokony hotoriny, ary ahoana ny hitoriany izany hitanareo? Asanareo izany, ianareo diakona, ianareo no tokony hanao izany. Ianareo no mitandrina izany. Tsy misy idiran-drahalahy Neville na kely izany. Asanareo izany. Hitanareo?

Izao ohatra, misy polisy iray eo amin'ny arabe, mahita olona iray mangalatra anaty fiarakodia, moa ve izy hiantso ny Ben'ny tanàna, hiteny hoe: «Manaja anao, Atoa Ben'ny tanàna. Izaho miasa ho anao, polisy aho, ka nahita lehilahy iray aho halina, nanatsoaka kodia ana fiaran'olona. Koa manontany ny hevitrao aho ny amin'izany?» Hitanareo? Hitanareo? Tsy ho hadalana ve izany, tsy izany? Tsia, Andriamatoa. Rehefa nanao zavatra tsy mety izy, dia sambory!

Toy izany koa, raha misy olona iray manao ny tsy mety ato am-piangonana, na iza na iza izy, dia hatony, ary hiresaho. Aza miavonavona. Fa raha tsy te-hahalala izy, dia mitenena amin'ny fomba ahazoany izay teneninao, hitanareo? Hitanareo, toy ny miteny amin'ny ankizy iray, teneno hoe: «Miverena erỳ ianao.». Amin'izay, raha manao fihetsika ratsy izy, ianareo diakona, hazony ny toeranareo! Raha efatra ianareo, aoka anankiroa eny aloha, ary anankiroa eny aoriana, amin'ny zorontrano avy. Ary arahomaso tsara avokoa ny fandehan-javatra, sao misy olon-dratsy sy toy izany no miditra, hitanareo. Miambena, ary eo amin'ny fitoeram-piambenanareo no mitoera, seza manokana ho anareo io, na mitsangana akaiky ny rindrina dia tilio ireo rehetra izay miditra.

Ny diakona no mpiahy ny tranon'Andriamanitra. Izay miditra dia iresahanareo, arahabao izy, raiso ny tànany. Izany no izy, polisy ianao. «Atoronay anao ve ny vestiaire?», na hoe: «Te-hipetraka ve ianao?», na koa «Anaterana boly fihirana ve ianao, na zavatra hafa?», na: «Tianay ho finaritra ianao eto, ary hivavaka, satria faly izahay manana anareo izao hariva izao.» Tariho amin'ny toerany izy, dia lazao hoe: «Tianao ve hiroso aloha kokoa, sa hihemotra ariana kokoa?», na zavatra hafa. Izany no fandraisana vahiny.

Ny polisy iray, na ny diakona iray, dia toy ny polisy miaramila ao amin'ny tafika, manaja olona, kanefa hentitra. Hitanareo? Hainareo ny tena izy amin'ny polisy miaramila, raha mampiasa ireo zony izy dia tsy misy hafa amina pretra iray. Hitanareo? Mahay manaja olona sy ny sisa, kanefa manana fahefana. Hitanareo, ianareo tsy maintsy mankatò azy. Raha mivoaka ireo zazavao, ka mimamo, dia mahazo mafy aminy. Ary tokony ahazo mafy amin'ny diakona koa izy ireny.

Ary aza adino fa ny diakona dia polisy, ary ny asam-panompoan'ny diakona dia tena hentitra noho ny asa hafa maro ato am-piangonana. Tsy mahafantatra asa hentitra noho ny an'ny diakona aho. Rariny izany, satria tena asa tokoa ny azy, ary izy dia lehilahin'Andriamanitra. Izy dia lehilahin'Andriamanitra, tsy misy hafa amin'ny pastora ihany . Tsy isalasalana, fa izany izy. Mpanompon'Andriamanitra izy.

Fa ireo mpitantana kosa, ny andraikiny eo anatrehan'Andriamanitra, dia ny hitandrina ny lafiny ara-bola, sy ireo zavatra hafa toy izany. Noresahiko anareo ny mikasika ireo horonampeo, sy ny zavatra hafa mifandraika amin'izany, mikasika ireo trano sy ny fanamborana ny simba, ary fitantanana ny vola. Izany no asan'ireo mpitantana; ny tany, ny vola, ary ireo fananana hafa. Tsy misy idiran'ny diakona amin'izany. Ary ireo mpitantana kosa tsy misy idirany amin'ny asan'ny diakona.

Fa raha ireo diakona mila fanampiana amin'ireo mpitantana, na ireo mpitantana mila fanampiana amin'ny diakona, dia miara-miasa avokoa ianareo rehetra. Fa ny amin'ireo andraikitrareo manokana avy, dia efa voafaritra. Hitanareo? Tena tsara.

Tsia, aza manontany an-drahalahy Neville. Raha ny rahalahy Neville, izy no pastoranareo, mangataka aminareo hanao zavatra, am-panajana sy am-pitiavana, sy ny rehetra, raha milaza izy hoe: « Rahalahy Collins, rahalahy Hickerson, rahalahy Tony, na olon-kafa, mba sitrakareo ve ny hijery izay tsy mety amin'irỳ zoron-trano irỳ?» Eo amin'ny toeran'andraikitra toy izany, no ahafantarana ny tena lehilahin'Andriamanitra.

Aza adino, fa ianareo tsy miasa ho an'ny Branham Tabernacle. Ianareo tsy miasa ho an-drahalahy Neville na ho ahy. Ianareo miasa ho an'i Jesosy-Kristy. Hitanareo? Izy no anaovanareo izany. Ary mijery ny fahamarinanareo Izy, tsy misy hafa amin'ny fijeriny ny fahamarinan'ny pastora, na olon-kafa. Miandry ny fahamarinanareo Izy! Ary izahay kosa te-hampiseho ny fahamarinanareo.

Fa, indraindray, dia tena mafy amiko. Mafy amiko ny mahita mpanompon' Andriamanitra iray, eo, tiako amin'ny foko rehetra, izay tsy maintsy itenenako ny marina, hitanareo, saingy am-pitiavana, amin'ny tànam-pihavanana, ho fanampiana azy. Kanefa, hitanareo, manatona ahy izy ireo, ary miteny hoe: «Rahalahy Branham, olona tena mahafinaritra ianao. Fa nahoana ianao tsy mba afaka manao marimaritra iraisana kely amin'io batisa io, amin'izao, sy izatsy, ary ny hafa koa, io fahalemana io, sy ny taranaky ny menarana?»

Dia hoy aho: «Rahalahy, tiako ianao. Saingy, andao jerentsika ny Soratra Masina, hahitana izay marina sy izay diso.» Hitanareo? Izaho tsy maintsy mahavita…

«Oh! Rahalahy Branham, fa izaho milaza aminao fa diso ianao amin'ny zavatra rehetra.» Hitanareo, dia indro izy mampaka-peo.

Dia hoy aho: «Oh, angamba diso aho. Raha izany, raha diso aho, azo antoka fa ianao hilaza amiko… ianao mahafantatra amin'inona ny maha diso ahy, ka atoroy ahy aiza ny maha diso ahy. Fa vonona handray izany aho.» Hitanareo?

Toy izany ihany ato. « Hé, tsy anjaranao ny miteny amin'io zaza io mba ipetrahany.» Kanefa, ny diakona no mpiambina ao amin'ny tranon'Andriamanitra. Hitanareo? Izy no miaihy ny tranon'Andriamanitra ary mitandro azy hilamina. Fa izany no voalazan'ny Soratra Masina, ary raha ianareo mahita zavatra hafa tokony hataon'ny diakona, dia tongava milaza amiko. Hitanareo, mitovy amin'izany. Fa andraikitrareo ny manatontosa azy, yah, manamafy izany fotsiny izaho.

Ary tsy tokony hanontany na iza na iza ianareo, fa andraitrareo io. Ianao, Rahalahy Neville aza manontany olona, ny fiangonana tsy voatery hanontany… Ny tiako lazaina, tsy voatery hanontany an-drahalahy Neville ireo mpitantana, raha tiany hotafoana ny Tabernacle. Hitanareo? Tsia, tsia, tsy mahakasika an-drahalahy Neville izany, tsy mahakasika ahy izany. Anareo mpitantana izany. Ireo diakona tsy voatery…

Mitovy amin'izany ho an'ny pastora. «Inona no andeha hotorianao? Tsy tiako ianao hanao an'ity..» Tsy anjaran'izy ireo ny miteny izany. Izy, ny pastoranareo, dia ambanin'ny fitarihan'Andriamanitra. Ary raha ny rahalahy Neville mitory amintsika hafatra iray nomen'Andriamanitra antsika, ary isika rehetra tafiditra anatin'izany, ka miteny zavatra diso aho amin-drahalahy Neville, dia izaho no hazonin'Andriamanitra ho tompon'andraikitra amin' izany. Marina izany. Hitanareo? Araka izany, Andriamantra no Loha amin'ny zavatra rehetra. Hitanareo? Isika tsy manao, afa-tsy ny miasa ho Azy, toy ny ambasadaoriny, etỳ ambany etỳ, amin'ireo asa samihafa ireo.

Azafady…

Ny fanontaniana manaraka, ary ataoko fa rehefa ho nahavita ny iray aorian'io isika dia hamarana.

- Azafady, mba hazavao ahoana ny tsy maintsy hampiasana ireo fanomezam-pahasoavan'ny fiteny tsy fantatra ireo ato am-piangonantsika? - Efa nataoko izany.

- Rehefa tafalamina ny fiangonana… na aiza foana no hampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ireo ? -Vao avy nazavaintsika teo izany.

- Firy marina ireo zavamaneno tsy maintsy ananantsika ato amin'ny fiangonana, ankoatry ny orgue sy ny piano? Oh, tena tsara

Izany dia miankina amin'izay anananareo, zavamaneno tendrena, sa hafa izay ananareo, hitanareo. Tsy haiko izay tadiavinareo, tsy fantatro ny dikan'ny fanontaniana. Tsy fantatro. Fa ireo orgue sy piano ireo dia fananan'ny fiangonana. Fa raha ny mpitarika hira, mikasa hanana trompetra sy anjomara sy zavatra hafa toy izany, ka raha misy olona tonga ato am-piangonana mahay mitsoka izany zavamaneno izany… Ary raha anaty antoko iray izy ireo, amin' izay fotoana, dia anjaran'ireo mpitantana mandinika izany, raha misy vola ampy hividiana izany zavamaneno izany, sy ny zavatra hafa miaraka aminy, na mitovy amin'izany. Manantena aho fa izany ny fanontaniana'izy ireo.

Fa raha izy ireo manana ny zavamaneno manokana, dia vao mainka tsara. Raha tsy manana ny zavamaneno izy ireo, dia mety raha antoko iray ato izy ireo. Fa tsy mety kosa, raha olona irery izay mandalo indraindray, mitsoka ny zavamanenony, avy eo, lasa any ivelany any. Tsy maintsy antoko ato am-piangonana izany. Ny fiangonana tsy tokony hividy trompetra ho an'ny lehilahy iray hitsoka izany eto anio, ary rahampitso hariva any an-toeran-kafa, avy eo milatsaka eto indray, ka mitsoka vetivety, dia lasa. Tsia, Andriamatoa. Tsy maintsy antoko iray ato izany, antoko iray mirafitra tsara, manana filohany. Amin'izay ny fiangonana vao afaka hiresaka amin'izy ireo ny amin'ny hividianana zavamaneno.

Azafady, mba azavao ny fomba ahafahanay, diakona, hihazona ny olona hilamina ao amin'ny fiangonana, mialoha sy aorian'ny fotoam-bavaka. Oh! Tena tsara.

Izao no sosokevitro, rahalahy. Fa zava-dehibe izany, ka satriko raha nanam-potoana bebe kokoa isika nandinihana izany. Manan-danja amintsika izany, hitanareo. Fa izao, ny fiangonana akory tsy….

Raha sitrakareo, dia raisinareo ity horonampeo ity, indray alina, ka alefanareo henoina miloha ireo fivoriana, mba ho azon'ny olona tsara izany, dia ataovy izany, ity ampahany ity ihany, tsy misy hafa, fa ity ihany. Raha misy zavatra, na inona na inona, dia arosoy fotsiny ny kasety, mandrapahatonga amin'ny ampahan'ny horonampeo mahakasika izany, dia alefaso hohenoina. Hitanareo, satria misy fanontaniana maro.

Fa izao, ireo diakon'ny fiangonna, araka ny efa voalazako, izy ireo no polisin'ny fiangonana. Kanefa, ny fiangonana dia tsy trano fihaonana amin'ny zava-drehetra, fifankazarana, sy fifamangiana ary fivazivaziana. Ny fiangonana dia toerana masina ho an'Andriamanitra! Ny ahatongavantsika eto… Fa, raha te-hifamangy isika, aoka aho hankany an-tranonao, na ianao mankao an-tranoko, na ianareo mankany an-tranon'ny hafa, hifamangianareo. Fa ny mifamalifaly manodidina, na ato anatin'ny fiangonana, miresaka zavatra sy manao zavatra toy izany, tsy marina izany, rahalahy. Tonga eto, ongotantsika miala amin'ny saintsika ny zavatra hafa rehetra. Fa raha ho tonga eto isika…

Jereo ny fanaonay, taona maro lasa izay. Ny anabavy Gertie no mpitendry piano. Fony aho pastora teto, dia izaho ihany no tsy maintsy pastora, diakona, mpitantana, sy zavatra hafa koa, hitanareo, kanefa tsy maintsy nataoko izany. Ankehitriny, ianareo tsy voatery hanao toy izany, hitanareo, satria manana lehilahy maro hanao izany. Kanefa, rehefa… Nanana mpiambina varavarana aho, rahalahy Seward, sy ireo hafa, teo am-baravarana. Nisy boky maro teo am-baravarana, teo ambony seza na zavatra hafa. Ka, rehefa misy olona tonga, dia atoronao azy ny toerana fampiantonana ny kapaoty, ary ampianao hahita seza hitoerany izy, omenao azy ny boky fihirana, ary iangavio izy mba hiditra amin'ny fivavahana. Amin'izay, ny tsirairay dia mipetraka eo amin'ny sezany, ary mivavaka mangina, mandra-piandohan'ny fotoana. Hitanareo? Ary, rehefa hanomboka ny fotoana, dia mandroso ny anabavy Gertie, ilay mpitendry piano, ary manomboka mitendry izy, ary miangona ny olona.

Ny ho sosokevitra avy amiko, dia, aoka ny mpitendry orgue hitsangana ary hanomboka hitendry mozika tena tsara iray. Ary raha sendra tsy afaka izy, aoka ho raisina amin'ny horonampeo izany, ka halefa, na zavatra hafa toy izany. Aoka izany ho mozika tena masina sy malefaka. Ary raha misy olona manomboka miresaka, na zavatra hafa toy izany, aoka ny diakona iray hiakatra eto, ary hiteny amin'ny micro hoe: «Mangìna! Mangìna! Mangìna!», na hiteny hoe: «Ny tiantsika ato amin'ny Tabernacle, dia ny mba hitsaoka no ahatongavanareo eto. Koa, aoka isika tsy hitabataba, fa aleo mihaino ny mozika. Hatony ny sezanao, dia mipetraha, aoka ho feno fanajana, hivavaka, na hamaky Baiboly. Ity eto ity dia toerana masina hipetrahan' ny Tompo. Ary maniry izahay mba tena ho feno fanajana ny rehetra, sady hitsaoka, fa tsy hivezivezy, na hiresaka, na mialoha ny fotoam-bavaka aza. Mifantoha ianao, aoka ny mba hiresaka amin'ny Tompo no ahatongavanao eto. Aoka hivavaka mangina, na hamaky Baiboly.»

Raha nandeha tao amin'ny Marble Church aho, fiangonan-drahalahy Norman Vincent Peale… (efa nandre ny aminy ianareo, hitanareo). Tonga tany aho… (Izy dia professeur malaza amin'ny psychologie, hitanareo.) Nankao amin'ny fiangonany àry aho, dia nisaina fotsiny hoe: «Maniry aho raha mba manao toy izao indray ao amin'ny Tabernacle-ko.» Ireo diakony dia mitsangana eo am-baravarana, raha vao avy ianao. Ary, mazava ho azy, tolorany takelaka sekoly alahady ianao, ary tarihiny mivanatana any. Intelo miditra ny fiangonana, hainareo. Sahabo efatra na dimanjato toerana fotsiny ao aminy, hainareo, kanefa New York dia tanàna lehibe, ary izy dia lehilahy tena malaza. Ataoko fa tsy maintsy nisy kilasy iray tamin'ny folo ora, ary iray tamin'ny iraika ambinifolo, toriteny iray ihany, fizotry ny fotoana iray ihany tsy misy hafa, takelaka iray ihany. Fa rehefa mirava izy ireo, ary tsy manana (inoako izany) afa-tsy dimy minitra ny fiangonana mba ho… Tsy misy olon-kafa mahazo miditra, raha tsy efa tafavoaka izy ireo. Dia sokafan'ireo diakona ny làlana, hamenoana ny fiangonana indray. Ireny sezalava antitra ireny no ao aminy, hainareo, izay toy izao ny fidirana aminy, ary mipetraka rehefa avy nanokatra ny varavarany. Tranainy, ataoko fa efa ho roanjato taona latsaka io fiangonana antitra Marble Church io.

Fanjaitra iray latsaka, na aiza na aiza, ao amin'io fiangonana dia ho renesinao. Ny olona rehetra dia mivavaka, tsy latsaky ny telopolo minitra, mandra-pilatsaky ny feo voalohany an'ny orgue; ny fampidirana izany. Ary ny olona rehetra dia nivavaka. Hoy aho anakampo hoe: «Oh! Mahafinarita loatra izany!» Amin'izay, ny mpitoriteny rehefa…Io fampidirana io, ataoko fa mandritry ny telo na dimy minitra izany, itendrena ny Lehibe Ianao, na hira hafa mitovy amin'izany. Rehefa izany, dia mijanona mivavaka daholo ny rehetra, mihaino ny fampidirana. Hitanareo, izany no mitaona, avy amin'ny vavaka mankao amin'ny fampidirana. Ka rehefa mitendry izany izy ireo, dia tarihin'ny filohany ny chorale. Dia misy fihirana iarahan'ny chorale sy ny fiangonana mihira. Rehefa izay, dia vonona izy ireo ho amin'ny kilasin'ny Sekoly alahady. Hitanareo? Ary hatreo, dia tsy misy intsony afa-tsy fiderana an'Andriamanitra, amin'ny fotoana rehetra, ary izany no ahatongavantsika eto.

Ary mihevitra aho fa ho zava-tsoa raha ny fiangonantsika… Ary izao fotsiny no teneniko, andeha ataontsika izany. Hitanareo? Aoka ataontsika izany. Mihevitra aho fa ho tsara izany. Raha mahasoa izany, aoka ataontsika. Hitanareo? Tsy te-handà izay zavatra tsara isika, fa hataontsika izay rehetra tsara. Hitanareo? Dia mandrosoa fotsiny, ary mitsangana eo. Ary indray maraina misy manomboka… na zavatra toy izany, amin'ireo vahiny, aoka hisy anankiray, iray aminareo diakona, na olon-kafa, hiakatra, ary hiteny, hoe: «Misy fitsipika napetraka ato amin'ity Tabernacle ity…»

Tsy haiko raha manao izany izy ireo. Angamba, mety manao. Tsy mba eto aho, hitanareo, ka tsy haiko. Tsy mba eto aho mialoha ireo fotoam-bavaka.

Ary, raha manomboka miresaka izy ireo, aoka ny anankiray hitsangana, ary hiteny vetivety, hoe: «Mangina! Mangina! Mangina!» Hitanareo?… Avelao ny anabavy kely iray hitsangana ary hitendry izany feonkira izany. Raha tsy izany, raiso anaty horonampeo izany, ka alefaso. Hitanareo, feonkira ana orgue. Dia lazao hoe: «hoeIndro, misy fitsipika vaovao ato amin'ny Tabernacle: ny olona miditra ato, dia mba hitsaoka, fa tsy hibitsibitsika, na hiresaka. Hitanareo? Afaka fotoana fohy, dia hanomboka ny fotoana. Mandra-pahatonga izany, vakio ny Baibolinareo, na miankohofa ka mivavaha mangingina.» Avereno indraindray izany, dia hahazo ny lesona ny rehetra. Hitanareo? Hitanareo?

Mandre olona miresaka ianareo, avy eo mangina…. Rehefa miverimberina ny toy izany, farany, tsy mandre intsony afa-tsy olona iray sisa miresaka. Jereo io olona io. Ary ny diakona iray manatona azy, dia miteny hoe: «Sitrakay raha mitsaoka ianao mandritry ny fotoana fanompoana ato, hitanao.» Hitanareo? Tsy trano natao hiresahana ato, fa trano fitsaofana. Azontsika ?…

Ity ny farany:

Rahalahy Branham, nahazoanay fitarainana mikasika ny fiandohan'ny fotoam-panompoana. Manao fihirana maro izahay, fijoroana vavolombelona maro, vavaka maro, fangataham-bavaka maro, ary hira manokana (chants spéciaux) maro, ary tsy miditra amin'ny hafatra raha tsy amin'ny iraika ambinifolo ora, na mahery, ka tsy manam-potoana firy ho an'ny Tenin' Andriamanitra. Tsy mahandry ny olona sasany, ka mody alohan'ny fiafarana. Azafady, azavao anay ny tokony ho isan'ny fihirana, ary amin'ny firy ny hafatra no tokony hatomboka. Ary indraindray, misy fangataham-bavaka, ka ny fivoriana dia miafara amina fijoroana vavolombelona, zavatra izay toa tsy araka ny tokony ho izy loatra.

Manantena aho, fa azoko tsara izany, Niezaka nanampy ahy namaky i Billy, satria madinika loatra ny soratra, ka tsy voavakio. Hitakitako ihany ny ankapoben'ny zavatra, dia: «Fihirana firy no tokony hirainay mialoha ny fiandohan'ny asa fanompoana?»

Izao, ny tiako holazaina: voalohany, dia fiekem-pahadisoana. Rehefa diso aho, dia tiako ny miaiky izany: "Diso aho". Hitanareo? Ary eto aho, dia hanao fiekem-pahadisoana, satria "karazan'izaho ihany no niandohan'izany". Satria izaho no nanao ireny fotoana lava be ireny, izay nitondra ny fiangonana tamin'ny "fahazarana", hitanareo, ny fanohizana manao toy izany. Nefa tsy tokony ho toy izany. Ary izao, tsaroanareo, izaho niteny taminareo rehetra hoe:"Alahady halina, raha sitraky ny Tompo, amin'ny Alahady hariva, dia hiezaka aho manomboka izao, hamita ireo asa fanompoako, ao anatin'ny telopolo na efapolo minitra eo-ho eo, na tsy maintsy aza hanampy herinandro iray."

Izao ny zavatra tsapako, ny asa fanompoana iray mijoro, ary ny hafatra omena amin-kery, raha mitarazoka ela loatra, dia mandreraka ny mpihaino, ka tsy misy azony. Ny anton'ny nomeko… Haiko hatry ny ela izany. Hitanareo? Ireo mpitoriteny mahomby indrindra, tahaka an'i Jesosy, dia ireo tsy be teny loatra. Jereo moa ireny Toriteniny ireny. Jereo ny toritenin'i Petera, ny andro Pentekosta. Angamba dimy ambinifolo minitra, sady tamin-kery, izy dia nitondra zavatra izay nahataona fanahy telo arivo tao amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. Hitanareo, mahitsy avy hatrany amin'ny tanjona. Hitanareo?

Ary meloka aho. Satria ny anton'ny nanaovako toy ireny, tsy hoe tsy fantatro ny tokony ho izy, fa izaho manao horonampeo, hitanareo, ary ireo horonampeo ireo dia ho henoina mandritry ny ora maro misesy, anatin'ny trano fonenan'olona. Fa ho fantatrareo amin'ny Alahady ho avy izao, ny anton'ny nanaovako ireny zavatra ireny. Azoko lazaina izao izany ato amin'ny horonampeo. Izany dia ny vesatra lehibe manindry ahy noho ity Hafatr'izao-ora-izao ity, ny mamoaka azy. Koa efa tafavoaka izao ny Hafatra, dia haka telopolo minitra aho, aorian'ny voalohan'ny taona, amin'ireo fivoriako any ivelany, na aiza na aiza halehako, ary ny famantaranandroko aza no hiezahako hamerana izany ho telopolo minitra, na tsy mihotry ny efapolo minitra, hitondra ity Hafatra ity amin-kery, ary hiantso fanatonana alitara, raha… na izay handeha hataoko, na hiantso filaharam-bavaka, ary tsy haka fotoana mihoatra izany, satria handreraka ny olona any ivelany, haiko izany.

Kanefa, jereo moa. Ataoko fa , tato anatin'ny iray taona, tsy nahita olona mihoatry ny roa ambinifolo isika, izay nitsangana ka nivoaka tato, kanefa indraindray aho nihazona azy ireo adiny roa na telo. Hitanareo? Marina izany. Satria nanao ireny horonampeo ireny izay nahely naneran'izao-tonotlo-izao, hitanareo. Ary ireo vahoaka ivelan'ny eto dia hihaino izany mandritry ny ora maro, sy ireo mpanompon' Andriamanitra maro sy ny hafa koa , any Allemagne, any Suisse, any Afrique, any Asie, ary eny-rehetr-eny, hitanareo, no hihaino azy ireny.

Kanefa, hitanareo, raha ho an'ny toerana masina, ho an'ny fiangonana — ary mety izany — manao horonampeo ianareo, amin'ny kasety roa adiny, dia asio hafatra roa adiny ao anatiny. Fa raha tsy manao horonampeo ho ana zavatra toy izany ianareo, dia tapaho ny hafatray, hitanareo, afohezo ny hafatray. Lazaiko aminareo ny antony, misy ny mpihaino malaky voky, misy kosa ireo izay mila hanina bebe kokoa, hitanareo, ka rehefa atao toy izany dia elanelam-panahy ho an'ireo sokajy roa ireo izany.

Ary isika dia natetika nanimba ireo fanompoantsika, namadika izany ho fivoriam-pijoroana vavolombelona, izay fantatro fa maha meloka ahy ny nanaovana izany. Ary nivoaka ianareo, fony nahazatra antsika ny nanao fivoriana an-dalambe. Ary nisy antidahy nasaina nitsangana, dia nitsangana teo ivelany teo… Ary nasaina nanao vavaka kely izy, dia nivavaka ho an'ny Ben'ny tanàna, sy an'ny governora, ary an'ny Filohan'ny Etazonia, sy ny olona rehetra toy izany, sy ireo pastora rehetra nanodidina, hainareo, notononiny tsirairay, ary ho an'ny anabavy Jones izay tany amin'ny hopitaly, sy ny zavatra maro toy izany. Ary ireo olona nanatrika izany dia nandalo fotsiny teo anivon'ny fivoriana an-dalambe, nanohy ny diany. Hitanareo? Tsy nanao afa-tsy ny nanorisory azy ireo izany.

Hitanareo, ny zava-dehibe, dia ny vavakareo tokony atao amin'ny mangina, ny vavaka lava sy mafonja ataonareo. Midìra ao amin'ny efitra mangina, akatony ny varavarana. Ao ianareo, araka izay tianareo, mivavakka tontolon'ny andro, na tontolon' ny alina, na adiny roa, ao no mivavaka. Fa eto kosa, izay tsy maintsy itandremana ny fifantohan'ny hafa, ny vavakareo ataovy fohy sady faingana. Ny fanompoanareo rehetra ataovy… Ny ankamaroan'ny fotoana rehetra dia ahompano amin'ny Tenin' Andriamanitra, fa izany no zava-dehibe indrindra. Tsofy mafy araka izay fara-vitanao io Teny io, hitanareo, omeo ny vahoaka ny Teny.

Dia izao àry ny sosokevitro. Ary aza adino, fa izaho efa niaiky ny fahadisoako amin'ny nitarihako izany. Kanefa nolazaiko taminareo koa ny anton'ny nitarihako ny zavatra toy izany. Tsy maintsy manao horonampeo adiny roa aho, izay alefa any ampitan-dranomasina, any rehetra any, mitondra ny Hafatra, hitanareo. Saingy, tsy tokony ho fenitra ho an'ny fiangonana kosa izany (ny hafatra omena ato amin'ny Tabernacle), rehefa vita horonampeo (adiny roa), natokana halefa sy zaraina amin'ny toerana samihafa.

Izao àry ny laminareo… Mamelà ahy hanome ohatra iray. Ho mety tsara aminareo ve izany, sosokevitra iray? Te-hilaza aho fa ny fiangonana dia tokony hisokatra amin'ny ora voafetra iray. Dia aoka hiditra ireo mpivory, ary ho tendrena ireo feonkira. Ary aoka ny rehetra hiditra amin'ny vavaka, fa tsy hifamangy. Rehefa tapitra ny fotoana, dia lazaina hoe "Firavàna izao. Koa aoka isika hivoaka am-pahanginana. Raha te-hiresaka dia malalaka ny ao ivelany, azo iresahana. Fa ato dia toerana masina, ka aoka hazonina madio. Fa raha ny Fanahin'ny Tompo no miasa ato, dia aoka hazonintsika ho ny Fanahin'ny Tompo izany. Hitanareo? Dia hitohy hihetsika Izy. Fa raha tsy izany no ataonareo, mariho fotsiny ireo teniko; hanomboka hidina izany, tena hidina tokoa izany. Aoka àry hazonintsika izany, adidintsika izany. Izany no mahatonga ahy eto izao hariva izao. Hazony hilahatra amin'ireto baiko ireto fotsiny izany.

Fa izao, jereo, hiteny aho hoe: Mandrakariva, raha tsy mizara any ivelany isika, indrindra fa nanao filazana manokana amin'ny olona fa handray feo ny hafatra, hitanareo? Fa raha ny rahalahy Neville manana hafatra iray izay tiany hatao anaty horonampeo, ho zarainy amin'ny olona any ivelany, dia hilaza izy hoe: «Ny Alahady hariva ho avy io, dia handray feo anaty kasety isika maharitra adiny roa (na adiny telo, na hafa koa arakaraka) Andeha hanome horonampeo adiny roa isika.» Noho izany dia efa mahafantatra mialoha ny olona. Ka, rehefa tonga izy, dia afaka ilazana hoe: «Andeha handray feo hafatra iray isika izao hariva izao. Manana hafatra iray aho, izay tiako ho raisina feo, ary ho zaraina any ivelany… Mahatsiaro tena ho voataona handefa io hafatra io any ivelany aho. Ka ho raisina izany izao. Mety haharitra adiny roa izany, na adiny telo, arakaraka izay halavany eo.»,

Kanefa, mandrakariva, toy ny ataoko rehefa mandeha any-ho-any aho, ohatra any amin'ny fivorian'ireo Lehilahy Mpandraharaha, na amin'ny fivoriana ivelany ho ana filaharam-bavaka. Raha mitsangana eo aho, manome hafatra iray maharitra adiny telo isa-kariva, mialoha ny asa fanasitranana, dia hainareo ny vokatr'izany amin'ny tenako? Hitanareo? Izany mahatonga ny olona manatrika, mihena antsasany ny hariva manaraka. Hitanareo? Satria tsy tantiny izany, manana asa sy zavatra hafa tsy maintsy ataony izy.

Izao no sosokevitro, satria mandrakariva… Fa, nandinika an-drahalahy Neville aho, omaly hariva, raha nitory teny izy. Haiko fa isika rehetra dia… Tena hafatra nanaitra tokoa iny. Nandraisako naoty iny, nataoko ato am-paosiko, ka hampiasaiko amin'ireo toriteniko manaraka. Marina izany. Ny làlana fivoahana, ary tena hafatra nahafinaritra. Hitanareo ny hafainganan'ny nanaovany izany? Hitanareo, sahabo dimy amby telopolo minitra, hitanareo, dia vita. Hitanareo? Fa tena tsara. Ary mandrakariva, ny hafatr'i Rahalahy Neville, dia toy izany. Hitanareo, tsy mba lava loatra. Hitanareo? Fa ny mamono ny fivoriana, dia ireo zavatra rehetra havoaka ireo, vao hidirana amin'ny votoatiny. Hitanareo ?

Ary rehefa manao izany ianareo… Fa haiko, kanefa jereo, tsy miteny izany aho mba hanatsatso anareo, ianareo mpitantana, na ny diakona, na ny pastora. Izaho miteny aminareo fotsiny, hoe: jereo izay Marina, ary tsy maintsy izany no izy… Inona no mahatonga izany. Ny tsirairay aminareo rehetra dia tsara toetra avokoa. Ny rahalahy tsirairay dia tsara toetra. Raha tsy izany, dia ho niteny aho hoe: «Ny rehetra, afa-tsy Rahalahy Ranona, dia tsara toetra, ka isika rehetra hivavaka ho azy.» Fa ianareo dia manana toetra tsara, ary manana faharetana, mora fanahy, lehilahy tony. Tsara izany, saingy aza ho malemy fanahy loatra amin'izany.

Jesosy koa dia tsara toetra, saingy rehefa tonga ny fotoana tokony hitenena ny zavatra: «Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy.» Hitanareo? Izy dia nahafantatra ny fotoana tokony nitenenana, sy ny fotoana tokony nanginana. Ho amin'izany no hizorantsika. Hitanareo? Tsy nisy hatrizay olona tahaka an'i Jesosy, Izy dia Andriamanitra. Ary aza adino, fa Izy aza… niteny ny amin'ny tokony ho fomban'ny diakona ao am-piangonana, noraisiny tamin'ny Tenany izany. Narandrany ny tady maromaro, ary tsy an-kiandriandry, na nalefadefaka, no namoahany azy ireo, fa nokapohiny, hitanareo, mba nialan'ireo tao amin'ny tranon'Andriamanitra. Nanao ny asan'ny diakona Izy teo, mba ho ohatra ho anareo diakona. Hitanareo, ohatra ho anareo Izy teo. Ary ankehitriny dia «voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana.» Tsarovy àry fa diakona i Jesosy teo, hainareo fa nandray ny anjaran'ny diakona Izy.

Rehefa tonga tamin'ny anjara asan'ny pastora Izy, dia inona no noteneniny ?: «Ianareo, fariseo jamba, mpitarika jamba.» Hitanareo? Nanao ny anjaran'ny pastora Izy teo.

Ary rehefa nanambara tamin'izy ireo ny zavatra hitranga Izy, dia nanao ny anjaran'ny mpaminany. Hitanareo?

Ary, rehefa nitaky ny fandoavana hetra izy ireo, dia nanao ny anjaran'ny mpitantana Izy. Hoy Izy tamin'i Petera: «Mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, dia hahita vola sekely ao amin'ny vavany ianao; ka efao ny trosa ara-dalàna.» Hitanareo? «Efao ny trosanareo ara-dalàna, Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra izay an' Andriamanitra

Izy dia sady pastora, no mpaminany, no mpitantana, no diakona. Tsy isalasalana fa izany Izy! Araka izany dia hitanareo izay nataony. Aoka Izy ho ohatra ho anareo ato amin'ny trano ato, ato amin'ny Branham Tabernacle, izay irintsika ho trano hanome voninahitra Azy, amin'ny lafiny rehetra, asa fanompoana rehetra, toerana rehetra, tsy hisy famerenan-teny. Aoka amin'ny fahatsaram-panahy, sy fahalemem-panahy, ary hamoram-panahy, kanefa amin'ny fahitsiana, no iasan'ny tsirairay eo amin'ny anjara iandreketany. Hitanareo? Izany no làlana, izany no làlana.izay tiany, Izy. Tsy mba niavonavona Izy. Rehefa tonga ny fotoana itenenana, ilazana fa izao dia izao, dia noteneniny izany. Rehefa fotoana tokony hanehoana famoram-panahy, dia naneho hamoram-panahy Izy. Izy dia nalefaka, nahafinaritra, nahafantatra ny hafa, kanefa hentitra, ary tsy maintsy milamina avokoa ny zavatra rehetra niaraka tAminy. Ary raha nanao izany Izy dia ho ohatra ho anareo. Vao nomen'ny Fanahy Masina ahy izany izao. Fa izaho tsy mba nisaina Azy ho diakona izany, taloha, kanefa dia izany Izy. Hitanareo? Nanao ny asan'ny diakona Izy.

Izao no ho teneniko. Raha manomboka amin'ny fito sy sasany ny fotoanareo, dia sokafy sasakadiny mialoha, amin'ny fito ora, ny fiangonana. Aoka ny mpitendry piano… Lazao ny mpitendry orgue… Karamainareo ve izy? Karamainareo ny mpitendry orgue? Karamainareo izy, ary ny mpitendry piano? Ataony maimaimpoana izany. Anontanio izy sao mila karama amin'izany, hanomezana azy zavatra, fa lazao izy, isika maniry azy ho tonga antsasak'adiny mialoha. Ka raha milaza izy hoe: «Tsy afaka manao izany aho», na zavatra hafa, na fitarainana, iangavio fotsiny izy ho tonga eto, hanao horonampeo feonkira malefaka maromaro amin'ny orgue. Hitanareo? Amin' izay izy tsy voatery ho eto foana, satria efa misy horonampeo. Hitanareo ? dia aoka ny diakona iray, na mpitantana iray, na izay manokatra ny varavarana, ny mpiandry-trano, handefa ny horonampeo, ary avelao handeha izany mandritry ny fotoana rehetra idiran'ny olona. Hitanareo? Satria, raha tsy eo ny diakona, aoka ny mpitantana iray, na olon-kafa ho eo, mba hampandeha ny horonampeo, ary avela handeha izany mandritry ny antsasak'adiny.

Fa amin'ny fito sy sasany marina, aoka haneno ny lakolosy eo an-tafontrano. Hitanareo? Mbola ao ve ny lakolosinareo? Yah. Tena tsara. Aoka ampanenoana ny lakolosy, amin'ny fito sy sasany. Izany midika fa isika tsy handeha hitety ny fiaangonana ifandray tànana amin'ny Ranona sy Ranona. Aoka ny mpitarika hira ho efa amin'ny toerany. Raha tsy eo ny mpitarika hira, aoka jeren'ny diakona izany, mba hisy anankiray hanomboka ny fitarihan-kira, vantany vao maneno ny lakolosy. «Sokafy ny fihirantsika, ao amin'ny laharana izao.» Hitanareo? Aoka ho ara-potoana tsara izany, amin'ny fito ora sy sasany marina.

Tsara. Dia aoka ny fiangonana manontolo hihira fihirana iray voalohany, avy eo hanao fihirana iray faharoa. Rehefa izany, dia aoka hisy anankiray efa voatendry mialoha, raha mety, hitarika amin'ny fivavahana. Aoka ny pastora… raha ny marina, tsy mbola eo ny pastora, fa ny mpitarika hira no afaka manao izany. Ataoko fa ny rahalahy Capps izany. Hitanareo? izy hahalala izay tokony hatao. Izy hanendry olona, na izy mihitsy no hitarika ny fivavahana. Iangavio hitsangana ny olona hivavaka ny tsirairay, ary aoka hisy anankiray hitarika ny vavaka. Kanefa raha tsy mitandrina ianareo,…

Isika dia mino fa raha tonga eto an-tranon'Andriamanitra ny tsirairay dia ny hivavaka. Satria toeram-pivavahana ato. Fa mandritry ny itoeranareo ato amin'ity toerana masina ity dia mitsitsy ny foatoanareo ianareo. Hitanareo? Raha antsoinao manodidina ny alitara izy rehetra, dia hahita olona izay hijanona eo 15 na 20 minitra, ary ny fotoanao rehetra lasa avokoa.

Hitanareo, any an-tranonareo ianareo no mivavaka. Jesosy niteny hoe: « Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia manao vavaka lavabe, miteny izao, izatsy ary izaroa, toy ny manao fampisehoana.» Hitanareo? Hoy Izy, hoe «Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.» Izany ny fomba tokony hivavahanareo ao amin'ny mangingina, izany no nolazainy fa hatao.

Rehefa tafiditra ny olona, aoka hisy anankiray, ohatra ny mpitarika hira, hiteny hoe: «Tsara. Aorian'ny hira voalohany, aoka hisy olona iray, na iza na iza vonona, hanao vavaka fohy iray…». Aza mitsangana mba hivavaka ho an'ny governora rehetra izao. Raha misy fangataham-bavaka, aoka ampahafantarina izany, rehefa nosoratana ka napetraka. Soraty izany, toy ny hoe: «Rahariva, ao amin'ny vavaka, aoka isika ahatsiaro an'ny anabavy Ranona, na ny rahalahy Ranona izay any amin'ny hoptaly, noho ny izao sy izao. Tsarovy izy ireo ao amin'ny vavakareo, rehefa hitarika antsika hivavaka ny rahalahy Jones. Aoka hitsanga isika.» Hitanareo? Izany dia hapetraka ety amin'ny sehatra. Lazao ny olona mba hizatra hanao toy izany. «Raha manana fangataham-bavaka ianareo, dia apetraho eto, eto ambony eto.» Aza miteny hoe: «Izao manana fangataham-bavaka izao? Sitrakareo ve ny ahampafantatra izany…» Dia indro, voalohany, fa mitsangana ny olona iray, ary indraindray dia antsasakadiny aoriana izy vao mipetraka. Hitanareo?

Ity fiangonana ity no maha tompon'andraikitra antsika, fa tsy ireo hafa, ato no andraikitsika eo anatrehan'Andriamanitra. Hitanareo? Ny anton'ny itsanganako eto izao hariva izao, milaza aminareo izany rehetra izany, dia satria andraikitro eo anatrehan' Andriamanitra izany; ary andraikitrareo kosa ny manatontosa izany tsara. Hitanareo?

Fa izao, ary raha ny zavatra toy izany… iangavio hisy olona anankiray hitarika ny vavaka. Ka rehefa manao izany izy ireo, dia tena tsara. Alao izy ireo no hitarika ny vavaka, rehefa izany, dia mipetraka izy.

Ary raha manana chant spécial ianareo… Tsy miteny aho hoe tsy marisika amin'izany. Fa, raha misy te-hanao chant spécial iray, dia ambarao ao amin'ny fiangonana izany. Lazao izy ireo, fa: "Izay manana fangatahana manokana, toy ny te-hihira, na zavatra hafa, dia aoka handalo amin'ny mpitantana hira izy alohan'ny hanombohan'ny fivorian'ny fiangonana." Ary aoka izany… Lazao izy, ohatra: «Malahelo aho, rahalahy, satriko ny hanao izany, marina, saingy efa manana chant spécial iray aho ho an'ny rahariva. Angamba, mety ampidiriko amin'ny programan'ny hariva hafa ianao, raha milaza amiko fa ho eo ianao amin'izany. Hitanao, io efa feno io ny programako anio…»

Aoka ny rahalahy Capps, na izay mpitantana hira eo… Aoka ianareo hanana mpitantan-kira, tsy maninona na iza na iza, fa aza avela izy hitsangana ary hiteny… hanao toy ny izy mihitsy no mpitoriteny, hitanareo. Aoka hitsangana eo izy, ary hitarika ny fihirana, izany ihany no anjara asany.

Anjaran'ny pastora ny mitory, hitanareo. Izy tsy mitantana fihirana, ny mpitantana hira no mitarika ny fihirana. Fa izy kosa, ny andraikiny, rehefa tonga ny fotoany ho eto, handao ny biraony, tokony ho efa ambanin'ny hosotry ny Fanahy Masina. Tsy tokony ho eto amin'ny sehatra izy, amin'ny fanombohana. Aoka izy hijanona ao amin'ny biraony, ao ambadika ao, na any-ho-any izay ijanonany. Ny interphone izay misy ato no hampahafantatra azy ny fotoana hidirany. Rehefa handre ny hira farany izy… Raha misy chant spécial, ohatra, misy mpihira tokana, na mpihira anankiroa, na koa amin'ny fihirana fahatelo izay ataon'ny fiangonana. Hitanareo ?

Amin'izay, misy hira anankiroa ataon'ny fiangonana manontolo, avy eo vavaka, manaraka izay ny fanatitra, raha mety. Ary aoka ny lehilahy rehetra samy eo amin'ny toeran'ny andraikiny avy. Ary milazà, hoe: «Tsara. Mandritry ny hihirantsika ny fihirana farany, izao, iangaviana ianareo mpananty rakitra hanangona ny fanatitr'izao hariva izao.» Hitanareo? Ka, rehefa ho tapitra io fihirana farany io, dia hitsangana eto ireo mpanaty rakitra. Rehefa izany, dia mitenena hoe: «Izao àry isika dia hivavaka — dia mivavaka izy ireo — ary aoka isika hahatsiaro an-dRanona sy Ranona, noho izao sy izao, mahazo azy ireo.» Vakio toy izany ilay izy. «Izao àry dia hitsangana isika rehetra. Rahalahy, sitrakao ve ny hitarika antsika amin'ny vavaka?» Dia vita izany rehetra izany.

Amin'izay, mandritry ny fihiran'izy ireo io hira faharoa io, na hira izay ataonareo, dia manangona ny fanatitra ianareo, raha te-hanangona izany. Raha izaho, dia atao ny fihirana voalohany, ary hangonina ny fanatitra hariva, avy eo vao ataonareo ny fihirana faharoa. Ary, manaraka izay, dia ny fihirana farany… Ary aoka ny fihirana farany, hitanareo, aoka izany no famantarana ho an'ny pastora. Ary raha mbola hiraina io hira farany io, aoka ny orgue hanomboka ho tendrena, ny famaranana. Dia miala any ny pastoranareo. Hitanareo, ny zavatra rehetra dia milamina. Ny olona rehetra milamina. Tsy misy zavatra ho tenenina intsony. Ny diakona rehetra eo amin'ny toeran'ny andraikiny avy. Ny pastora, tonga, mijoro eo.

Miditra izy, miarahaba ireo mpivory, manokatra ny Bokiny, ary miteny hoe: «Anio hariva isika, hamaky ao amin'ny Baiboly.» Hitanareo, rehefa avy nanao izany izy, hoe: «Hamaky ao amin'ny Baiboly isika.» dia tsara indrindra ny itenenanareo hoe: «Ho fanajana ny Tenin'Andriamanitra, dia aoka isika hitsangana, raha hamaky ny Teny.», Hitanareo. Dia mamaky amin'izay… «Izao hariva izao, hamaky ao amin'ny Salamo aho.», na hafa izay ho vakina.Na koa, aoka olon-kafa hamaky izany, ny mpitantana hira, na mpiara-mivavaka iray, na olona miaraka aminareo, aoka izy hamaky izany. Fa ny tena tsara dia ianao ihany no mamaky izany, raha vitanao. Dia vakio araka izany io, ary midìra amin'ny lohahevitra. Hitanareo? Izany rehetra izany dia nandany sahabo telopolo minitra, ary ny famantaranandro ho eo-ho-eo amin'ny valo ora.

Ary, hatramin'ny valo ora ka hatramin'ny sivy latsaka fahefany eo-ho-eo, izany hoe telopolo minitra ka hatramin'ny dimy amby efapolo minitra, dia torio io Teny io, toy ny nanomezan'ny Fanahy Masina Azy anareo, hitanareo, tsy misy hafa, ary omeo amin'ny fomba nolazainy fa anaovana izany, hitanareo, eo ambanin'ny hosotra.

Dia ataovy ny antsonareo ho amin'ny alitara. Teneno, hoe: «Raha misy ato, olona, ato amin'ity fiangonana ity, te-handray an'i Kristy ho Mpamonjy azy, dia angatahinay ianareo, asainay, hanatona ny alitara, izao, ary hitsangana eo fotsiny.» Hitanareo?

193 Ary, raha tsy misy mitsangana, dia izao no teneno «Misy ve ato, olona te-hatao batisa, ka efa nibebaka, ary maniry atao batisa asitrika an-drano ho famelana ireo fahotany? Raha misy, dia aoka hanatona etỳ, fa izahay dia vonona hanome izany azy ireo izany, izao. Aoka handroso atỳ, raha mbola tendrena ny orgue. » Hitanareo?

Raha tsy misy manatona, dia lazao hoe «Raha izany, moa ve misy ato, olona tsy mbola nandray ny batisan'ny Fanahy Masina, ka maniry hahazo izany, izao hariva izao, ary maniry ivavahanay?» Amin'izay, mety misy manatona, dia aoka misy roa na telo hametra-tànana aminy sy hivavaka ho azy. Rehefa izany, dia tariho ao amin'ny efitra anankiray izy, izay hisy olona hampianatra azy ahoana ny ahatongavana amin'ny batisan'ny Fanahy Masina. Tsy misy manatrika izany ny Fiangonana…

Raha misy manatona, te-handray an'i Kristy, ka mijoro eo amin'ny alitara, mba ivavahana, dia aoka hivavaka ho azy. Lazao fotsiny izy hoe: «Ahondreo ny lohanareo, fa hivavaka isika.» ary teneno hoe: «Mino ve ianao?»

Raha misy zavatra, na bitika aza, mety hampitaraiky ny fivorian'ny fiangonana, avy amin'olona, dia alefaso faingana ao amin'ny efitra fivavahana izy ireo, miaraha aminy, na iraho ny anankiray mitarika azy any. Ary ny fiangonana, mandritra izany, aoka hanohy, hitanareo, toy izany. Amin'izay, dia tsy miteraka fahatarana izany. Hitanareo?

Raha lasa ny minitra vitsivitsy, ka tsy misy manatona, dia lazao hoe: «Sao misy olona maniry ny hosorana diloilo, izao hariva izao, nohon'ny antony aretina? Isika ato dia mivavaka ho an'ny marary.»

«Te-hihaona manokana aminao aho, rahalahy Neville.»; — «Raha izany, tongàva ao amin'ny biraoko. Jereo ny iray amin'ireo diakona, ary izy handamina izany, hitanao.» Hitanareo? «Ary misy zavatra tiako holazaina aminao, Rahalahy.» — «Ny iray amin'ireo diakona hitarika anao ao amin'ny birao. Fa tonga dia raisiko ianao, aorian'ny fivoriana.»

«Izao, dia hitsangana isika, fa hiravana.» Hitanareo, ary izay rehetra izay, dia tsy naharitra mihoatry ny adiny iray sy dimy amby efapolo minitra. Hitanareo? Hitanareo, adiny iray sy telopolo minitra, dia vita ny fanompoanareo. Fohy sy faingana ary lavorary no nanomezanareo izay vita. Vitanareo izany, ary ny rehetra dia afa-po, ka faly mandeha mody. Hitanareo? Fa raha tsy izany no ataonareo, raha avelanareo… hitanareo, heverinareo fa tsara, hitanareo, saingy jereo…

Hainareo, efa sahabo telo amby telopolo taona izaho teto amin'ity lampihazo ity, ary nanerana izao-tontolo-izao. Azo antoka fa mampianatra zavatra kely anao ihany ny fotoana lava toy izany. Hitanareo? Raha tsy izany, dia mety kokoa aminao ny mipetraka. Koa, hitanareo, izao no tsapako. Fa, raha ianao tsy miserasera afa-tsy amin'ireo Masina, afaka mijanona eo ianao, ny alina tontolo, raha tianao. Kanefa ianao… Raha ny marina ianao tsy miserasera aminy, fa ianao miezaka mitaona azy hivoaka. Ireo izay voataonanao, dia ireo izay niasanao tao amin'ny sehatrany. Hitanareo? Ary aza… Ento ato ireo, dia aoka hambara ny Teny. Amin'izay, hitanareo, tsy misy tokony hitarainana intsony. Raha misy, na inona na inona, antony izay te-hihaonany aminao — tsara, tena tsara — dia raiso ao amin'ny birao izy, fa aza ampidirina amin'izany ny fiangonana.

Ary, hainareo, misy olona koa hitsangana, hiteny hoe; «Tsara, lazaiko aminareo, aoka isika hanao fivoriana fijoroana vavolombelona iray mahasoa.» Hitanareo? Izaho tsy te-hitsikera izany, fa izaho fotsiny te-hilaza aminareo ny Marina. Te-hilaza ny Marina aminareo aho. Hitanareo? Nahita fijoroana vavolombelona maro aho… indraindray izy ireny no manimba kokoa noho ny mahasoa. Hitanareo, tena izany izy ireny.

Kanefa, raha misy olona manana fijoroana vavolombelona mivaivay, mandritra fifoazam-panahy iray, hainareo, rehefa manao fifohazam-panahy ianareo, hainareo, fihaonana iray, ary misy olona vao voavonjy, ary te-hiteny zavatra — tsara, isaorana Andriamanitra — dia avelao izy hamboraka ny ao am-pony. Ary jereo izy raha… te-hanao izany, hitanareo, mandritry ny fifohazam-panahy ihany, izy hiteny hoe: «Te-hiteny izao fotsiny aho: Misaotra ny Tompo aho noho ny nataony tamiko. Namonjy ahy Izy tamin'ny herinandro lasa, ary ny foko mirehitra ny voninahitr'Andriamanitra. Isaorana anie Andriamanitra.», Vita izay dia mipetraka izy. Amena! Mahafinaritra izany, tohizo. Hitanareo. Milamina izany

Fa kosa, raha ianareo no miteny hoe: « Avia, avia, an'iza indray izao, iza no manaraka? Aoka isika handre fijoroana, aoka isika handre fijoroana vavolombelona.»… Fa izao, raha manokana fivoriana iray ambadika ianareo, indray alina, ho an'izany, hitanareo, dia ataovy. Dia lazao hoe: "Ny Alarobia ho avy alina, tsy ho fivoriambavaka no hataontsika fa fivoriana fijoroana vavolombelona. Tianay raha ho tonga ny rehetra, dia ho fijoroana vavolombelona ny fivoriantsika…» Ka rehefa tonga an-toerana izy ireo hanome ny fijoroany vavolombelona, dia vakio ny Tenin' Andriamanitra, dia mivavaha, ary mitenena hoe: « Izahay efa nanambara fa ny anio ity dia ho alin'ny fijoroana vavolombelona.» Araka izany, avelao ny olona hijoro vavolombelona, mandritry ny adiny iray, na dimy amby efapolo minitra, na telopolo minitra, na hafa araka izay mety. Dia mandrosoa toy izany. Azonareo ny tiako lazaina? Heveriko fa hanampy ny fiangonanareo izany. Hanampy amin'ny lafiny rehetra izany, raha ataonareo toy izany.

Izao, dia efa nandroso be ny fotoana, ry rahalahy isany. Ny tsara indrindra amin'ny fahalalako no nomeko ireny. Hitako izay nanavesatra ny fonareo. Ka ireny, araka ny fantatro, ny valin'ireo fanontaniana napetrakareo. Hainareo àry izany manomboka izao. Ary raha sendra misy manahiran-tsaina anareo, dia henoy ny horonampeo. Angataho mba henoina ny horonampeo. Na ho an'ny diakona izany, na ho an'ny mpitantana, na olana hafa, dia aoka alefa ny horonampeo. Avelao hihaino izany ny fiangonana manontolo, raha te-hihaino izy ireo. Tena tsara. Ireny no araka ny fahafantarako, sy ny sitrapon'Andriamanitra, no mety amin'ity Tabernacle ity, izay eto amin'ny fihaonan'ny arabe faha-8 sy ny arabe Penn. Omeko alàlana ianareo, rahalahy, hitondra izany, eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, miaraka amin'ny hamoram-panahy sy fitiavana rehetra, maneho ny fahasoavanareo amin'ny olona fa Kristiana ianareo. Ary Kristiana, tsy midika ho zazamena iray izay azo atositosika eny-rehetra-eny, fa izany midika "lehilahy iray feno fitiavana, kanefa feno fitiavana an' Andriamanitra, toy ny maha feno fitiavana azy ho an'ny fiangonana." Azonareo ny tiako lazaina?

Misy fanontaniana ve? Efa ho tonga amin'ny farany ny kasety, ary izaho misy olona miandry ahy any. Amin'ny firy moa izy no tokony ho tonga ao? [Billy Paul mamaly hoe: «Izao dia izao.» – N.D.É.] Izao dia izao. Izy irery ve no ho tonga? [Billy Paul mamaly hoe: «handeha haka azy aho.» – N.D.É.] Tena tsara. Tena tsara Andriamatoa.

Haiko àry fa hivoaka izahay izao, raha tsy misy zavatra hafa ho tenenina intsony. Raha tsy misy, dia hirava isika. Yah. Eny, Rahalahy Collins? [Hoy ny rahalahy Collins: «Tokony hajanona amin'nizay ny fandrasam-peo.» – N.D.É.]

[banga ao amin'ny horonampeo – N.D.É.]

Eny àry, rahalahy isany, faly aho niaraka taminareo izao hariva izao, sy ny rahalahy Neville, ireo diakona, ireo mpitantana, ny mpitantana sekoly alahady, ianareo rehetra. Matoky izahay fa hanampy anareo ny Tompo, eo amin'ny fampiaharana ireo baiko ireo ho an'ny Fanjakan' Andriamanitra. Ny anton'ny nanomezako ireny dia ny fiheverako fa ianareo efa nitombo ho lehilahy lehibe, fa tsy zaza intsony. "Fony mbola zaza ianareo, dia niteny toy ny zaza, ary toy ny fahazoan'ny zaza ny fahazoanareo". Saingy ankehitriny ianareo dia lehilahy lehibe. Koa isika hihetsika toy ny olon-dehibe ato amin'ny tranon' Andriamanitra, hahay hifehy tena, ary manaja ireo andraikitsika manokana, sady manaja ny an'ny hafa rehetra. Ny fanomezana rehetra nomen' Andriamanitra antsika, dia aoka iasantsika ao anaty filaminana, ary Andriamanitra no omeo voninahitra noho ireo fanomezam-pahasoantsika sy ireo asam-panompoantsika

Hivavaka isika

Rainay izay any an-danitra, misaotra Anao izahay izao hariva izao, noho io fivorian'ireto lehilahy izay nahazo asa, mba hampandehanana tsara ny asan'ny Tompo eto Jeffersonville, ato amin'ity fiangonana ity. Andriamanitra ô, ny Tànanao anie aoka ho amin'izy ireo. Enga Ianao hanampy sy hitahy azy ireo. Ary ny fiangonana sy ireo olon-kafa anie mba ahatsapa sy ahafantatra fa ny tanjon'izao dia ny fampandrosoana ny Fanjakan'Andriamanitra, ahatonga anay ho olona manan-tsaina sy mahafantatra ny Fanahin'Andriamanitra, ary mahay izay tokony hatao. Omeo izany, Ray. Raha hirava izahay, miaraka amin'ireo Fitahianao, aoka ny Fanahy Masina hiahy anay sy hitarika anay, ary hiaro anay, ary aoka izahay ho hita mahatoky eo amin'ny toeran' andraikitray avy. Amin'ny Anaran'i Jesosy-Kristy. Amena.