Misión Popular Libre Krefeld

Jesucristo es el mismo ayer, y hoy, y por los siglos. Heb.13.8

Idioma:




Ny Batisa

Tsy maintsy velabelarina fohifohy aloha ny batisa ara-Baiboly. Ny Tompo dia nibaiko ny hanaovana batisa ny mpino, ary izany no mahatonga ireo anaram-piangonana kristiana manao batisa. Ny fivoarana ara-tantara an’ny fiangonana anefa dia mampiseho fanalavirana maro tokoa, raha ampitahaina amin’ny fampianarana sy ny fampiharana ny batisa tao amin’ny kristianisma voalohany. Raha nitovy ny fampiharana ny batisa tamin’izany fotoana izany, ankehitriny isika mahita fahasamihafana be na any amin’ireo fiangonana ofisialy, na koa any amin’ireo mahaleo tena.

Ny tenin’i Paoly apostoly ho an’ireo mpino tao Efesosy dia mbola manana ny lanjany tokoa ankehitriny: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” (Efes.4:5). Raha ny marina, tokana ihany ny Tompo, dia Andriamanitra izany; tokana ihany ny finoana tena izy, dia ny finoana ara-Baiboly ; tokana ihany ny batisa, dia ilay nataon’ireo apostoly.

Amin’ity famoaboasana ity isika dia hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny alalan’ny Soratra Masina: Ny batisa, inona moa izany? Inona no dikany? Iza no atao batisa? ary ahoana ny fanatanterahana izany?


Ny fepetra

Ny fepetra fototra anaovana batisa ny olona iray dia ny finoany manokana. Nialoha kelin’ny niakarany an-Danitra rehefa avy nitsangana tamin’ny maty ny Tompo dia nandidy Izy hoe: “Mandehana amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena.” (Marka 16:15-16). Tsy maintsy ny fanambaràna ny hafatry ny Fanavotana araky ny Soratra Masina no mandeha aloha, fa tsy fombam-pivavahana.

Amin’ny alalan’ny toritenin’ny fampihavanana izay azontsika ao amin’i Kristy, Ilay Voahombo, no nampanatonana ny olombelona amin’ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra. Araky ny voasoratra, ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny dia avy amin’ny Tenin’Andriamanitra (Rom. 10:17). Miaraka amin’izany ny Fanahy Masina no mamokatra, ao anatin’ilay mihaino, ny FINOANA izay ilaina. Tsy maintsy tonga amin’ny fanekena ao anatiny ilay olona, sy hilaza ny fanekeny, ary handray amim-pahafantarana tsara ny fahasoavana izay omen’Andriamanitra azy. Voataona hanana traikefa manokana mikasika ny famonjena ilay olona, ka lasa mpino izy. Araka ny Romana 8:16, ny Fanahy dia milaza amin’ny tsirairay izay nandalo izany traikefa izany fa lasa zanak’Andriamanitra izy. Izany no fahazoana antoka ny famonjena, izay manan-danja eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ny fanamarinana.

Manaraka izany, tonga ny dingana faharoa: ny batisa. “Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa” (Asa 2:41), izany no voalaza amintsika fa nitranga tamin’ny andro nananganana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny vokatra azon’ny toriteny voalohany tamin’ny andro Pentekosta dia nanaitra tokoa. Sahabo ho telo arivo ireo nandre ny Teny. Nandray izany tamim-pinoana ho Hafatra avy tamin’Andriamanitra izy ireo, ka natao batisa. Notanana io modely ara-Baiboly io hatramin’ny taon-jato fahatelo taorian’i Kristy.

Nandeha nitory ny Filazantsara ireo apostoly sy ny lehilahy hafa, rehefa notafiana ny Fahafenoan-kerin’ny Fanahy. Anisan’ireny Filipo, izay niavian’ny fifohazam-panahy lehibe tany Samaria vokatry ny ministerany. Tamin’izany koa dia olona maro no nino ary natao batisa (Asa 8:16).

Notarihin’ny Fanahy io evanjelista io ka nihaona tamin’ity tandapa Etiopiana ity izay teo am-pamakiana indrindra ny toko faha-53 ao amin’Isaia (Asa 8:26-39). Voalaza ao amin’ny andininy faha-35: “Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesosy taminy.” Ny toriteny dia nipoitra ary nifototra tamin’ny Teny faminaniana izay efa nanambara mialoha ny fanavotana tian’Andriamanitra atolotra ny olombelona.

Notapahin’ilay tandapa teo afovoany ny toritenin’ilay lehilahin’ Andriamanitra ary hoy izy hoe: “Indro rano, ka inona moa no manakana ahy tsy hatao batisa?” Ny fepetra, mifanaraka tsara amin’ny Tenin’ny Tompo sy ny an’ny apostoly, izay nentin’i Filipo dia izao: “Raha mino amin’ny fonao rehetra ianao dia azo atao ihany.” Tonga hoazy avy hatrany ny valiny, nanao hoe: “Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra.” ― “Dia nasainy najanona ny kalesy ; ary izy roalahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano; dia nataony batisa izy.” (and.37-38). Teo koa, ny finoana dia avy tamin’ny toriteny, toriteny izay mbola avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra ihany. Niasa tao amin’ilay nihaino ny Fanahin’Andriamanitra, ary nanaraka avy hatrany ny batisa ara-Baiboly. 

Tamin’ny alàlan’ny fanambarana manokana, dia nahazo iraka ho any Kaisaria i Petera, hankao amin’ny tranon’ny kapiteny romana antsoina hoe Kornelio (Asa toko faha-10). Ary nahazo vokatra ara-Baiboly koa ny toriteniny. Izao no voalaza amintsika: “Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.” (and.44). Mba ahatanterahan’izay niova ho mpino ny fahamarinana rehetra, ary mba ho vohaja ny didin’ny Tompo, dia hoy ilay apostoly hoe: “Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy anaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?” (and.47). Ary ankehitriny, ny tena mpino tsirairay dia mbola hanao tsy misy hafa amin’izany, ary atao batisa ara-Baiboly, na dia efa nandray ny Fanahy Masina aza izy. Izay rehetra ataon’Andriamanitra dia tsy misy fiovana hatramin’ny farany, mitohy amim-pirindrana tanteraka.

Tsy ahitantsika soritra na kely aza, ao amin’ny Soratra Masina, mikasika ny batisan’ankizy na ny fanopazan-drano amin’ny zazamenavava. Ny olona mitady hanamarina io fanao io amin’ny alàlan’izay voalaza ao amin’ny Lioka 18:15-17, dia tokony mbola hamaky koa ny andalana mirazotra amin’izany, ao amin’ny Matio 19:13-15 sy Marka 10:13-16. Miharihary tsara avy amin’izany fa nametra-tànana fotsiny tamin’ireo zaza nampanatonina Azy Jesosy Tompo ; notrotroiny ireo ary notsofiny rano. Tsy mba niresaka ny amin’izay batisa atao amin’ny zazakely ny Mpampianatra. Ankehitriny koa, raha any amin’ireny fikambanana ara-Baiboly, ireo ray aman-dreny mpino dia mitondra ny zanany, mba atolotra am-bavaka ho an’ny Tompo ary mba ho voatahy.

Ny andalan-tSoratra faharoa izay raisin’ny olona mba hanamarinana ny batisan-jaza, dia tsy miresaka mahakasika izany akory. Raha tao an-tranomaizina Paoly sy Silasy, tany Filipia, dia nisy zava-mahagaga nitranga ka naha tora-kovitra ny mpiambina. Nanontany ireo olon’Andriamanitra roalahy izy hoe: “ Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?” (Asa 16:30). Dia hoy izy roalahy: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.” Ao amin’ny andininy manaraka dia vakintsika izao: « Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. »  Hitantsika indray eto fa nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy izy ireo: Voalohany, nisy ny toriteny izay nohainoin’ny ankohonany rehetra, ka neken’ireo tamim-pinoana, nialoha ny nanaovana batisa azy: “Ary nandray azy roalahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra.” Voalohany, ilay mpiambina sy izay tao an-tranony rehetra dia nino tamin’ny alalan’ny toriteny, izay vao natao batisa. Tsy misy mihitsy amin’ireo teny ireo milaza fa nisy ankizy na zazamenavava natao batisa tamin’izany.

Ny fanaovana batisa izay hita ankehitriny, amin’ny ankapobeny, dia niala tanteraka tamin’ny fototra ara-Baiboly ; ny tantaran’ny Fiangonana dia manambara izany koa. Io fanao io dia nipoitra tamin’ny vanim-potoana nisian’ny fanerena ny olona ho kristiana tamin’ny fomba nahatsiravina: fianakaviana manontolo sy vahoaka maro no niara-noporetina natao batisa. Taty aoriana, ho solon’ny finoana izay ilaina amin’ny olona atao batisa, dia noforonina ny “ray sy reny amin’ny batisa” (parrain, marraine), fomba izay tsy ara-Baiboly mihitsy koa. Toy ny efa hita mazava tsara, araka ireo andalan-tSoratra Masina efa novelabelarina ireo, ny olona tsirairay no tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana eo anatrehan’Andriamanitra. Mampalahelo anefa amin’ny ankapobeny, ny toriteny any amin’ny fiangonana ofisialy sy ireo mahaleo tena dia tsy mifanaraka amin’ny môdely apostolika, izay koa no antony tsy isian’ny vokatra ara-Baiboly.


Ny Anarana 

Tsy misy ao amin’ny Soratra Masina andalan-tSoratra diso fandray sady diso fampiasa toy ny Matio 28:19. Izao no voalaza ao: “ Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy HO AMIN’NY ANARAN’NY Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina…”. Mahagaga fa nandritra ireo taonjato nanaraka ny fiandohana, io Teny io dia nadikan’ny olona tamin’ny raikipohy “telo-izay-iray” (trinité) izay mbola ampiasaina mandrak’ankehitriny, saika manerana ireo fiangonana ofisialy sy ireo mahaleo tena. Toa tsy misy anefa mametra-panontaniana mba hamantatra, iza moa ilay Anarana tsy maintsy anaovana batisa. Ny Ray, Zanaka ary Fanahy Masina dia fanononana ireo fomba fisehoan’Andrimanitra. Ny olona iray dia mety manana fiantsoana azy maro, ohatra: mpampianatra, mpisolovava, mpitsabo, sy ny sisa. Ny lehilahy iray dia mety ho ray, vady ary zanaka. Izany rehetra izany dia fiantsoana isan-karazany miankina amin’ny tontolo iseraserana, ary ampiasaina araka ny fifandraisana misy. Toy izany koa ny mikasika an’ Andriamanitra, izay, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nampahafantatra ny Tenany tamin’ny Anaran’ny Fanekena hoe “Jehovah”. Mandritra ny batisa dia ny Anarana izay nanehoany ny Tenany ato amin’ny Testamenta Vaovao no ampiasaina, izay tsy voatonona ao amin’ny Matio 28:19.

Izao dia tsara ny andinihantsika andalan-tSoratra Masina vitsivitsy, izay miresaka koa ilay Anarana kanefa tsy notononina. Tsy isalasalana fa hanampy ireo tena mikatsaka ny marina izany. Ao amin’ny Lioka 10:17, hitantsika fa ireo mpianatra fitopololahy izay nirahin’ny Tompo, dia niverina tamin-kafaliana nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay NOHO NY ANARANAO.” Tsy mazava amintsika ve ao amin’io andalan-tSoratra io fa ireo olona ireo dia nahatsapa ny herin’ny Anarana Jesosy, ka Izy mihitsy no tao an-tsain’izy ireo? Mazava hoazy! Ao amin’ny Matio 18:20, raha nilaza ny Tompo  “fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo AMIN’NY ANARAKO”, tsy hisy olona hisalasala fa ny Anarana JESOSY no tiana ambara, na dia tsy voatonona aza. Voalaza ao amin’ny Lioka 24:47 fa ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia tsy maintsy torìna amin’ny ANARANY, ary maro no nino ny ANARANY. Ao amin’ireo andalan-tSoratra samihafa ireo, ny rehetra dia samy mahafantatra Iza ilay ANARANA resahina, kanefa ao amin’ny Matio 28:19 ihany no toa anadinoina iza ilay ANARANA. Mahagaga tokoa. Tokony handinika tsara izany ny olona.

Ao amin’ireo andalan-tSoratra voatanisa hatreto dia ny Anaran’ny Zanaka no voatonona, fa ireo andalan-tSoratra izay omena izao dia mifandraika amin’ny Anaran’ny Ray. Eo no idirantsika amin’ny faritry ny fanambarana avy amin’Andriamanitra.

Ny Tompo dia nampianatra antsika hivavaka manao hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao.” (Matio 6:9). Izany dia teny averimberin’olona an-tapitrisany, izay tsy manontany tena akory Iza ilay Anaran’ny Ray izay tsy maintsy hohamasinina. Andriamanitra dia Ray satria manana zanakalahy sy zanakavavy Izy, fa ny resahina eto dia ny Anarany masina. Ao amin’ny Jaona 12:28, izao no lazain’ny Zanaka: “Ray ô, mankalazà ny Anaranao!” Ny valiny avy tany an-danitra dia ity: “ Efa nankalaza Azy Aho, ary hankalaza Azy indray.” Anaran’iza no ambara amin’izany? Iza no Anaran’io Andriamanitra io izay maniry hankalaza indray ny Anarany? Tokana monja anefa ny Anarana ahafahantsika manatona an’Andriamanitra, ary izany ihany no Anarany.

Tao amin’ny vavaka fisoronana, ny Zanaka dia nilaza izao mikasika ny Ray: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy, avy tamin’izao tontolo izao ny Anaranao.” (Jaona 17:6). Anarana ao amin’ny Testamenta Taloha ve no voalaza eto? Tsia! Izay namaky am-pifantohana tsara dia ho nientana rehefa nahatsapa fa: ny Anaran’ny Ray dia aseho amin’ireo izay Azy, amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavy azy ireo. Andriamanitra efa nahafantatra azy, ary anjaran’izy ireo kosa mamantatra an’Andriamanitra. Ary izany rehetra izany dia fehezina amin’ny hoe: “Ray Masina ô, tehirizo ireo amin’ny ANARANAO izay NOMENAO AHY” (and.11). Teny mazava tsy misy mihoatra izany: Ny Anaran’ny Zanaka ihany no Anaran’ny Ray. Ao amin’ny andininy faha 26, Jesosy nanao izao fampanantenana izao: “ Efa nampahafantariko azy ny ANARANAO, ary mbola ampahafantariko ihany…”

Tamin’izany andro izany, Jesosy nilaza tamin’ny Jiosy hoe: “ IZAHO dia avy amin’ny ANARAN’ny Raiko, nefa tsy raisinareo.” (Jaona 5:43). Dia mba ahoana ny mikasika ny kristiana? ―Sambatra ny olona afaka mino fa ny Ray dia niseho tao amin’ny Zanaka ary nampahafantatra antsika ny Anarany! Fa Iza moa no Anarany? ―JESOSY, Izy no Imanoela: Andriamanitra amintsika! Tokana ihany ny fisehon’Andriamanitra ara-batana: dia ilay nisehoany tao amin’i Kristy, ary tokana ihany no Anaran’Andriamanitra resahana eto, dia Jesosy Tompo. Amin’io Anarana io no handohalehan’ny lohalika rehetra, ary amin’io Anarana io no haneken’ny lela rehetra. Izany no fomba nihaonan’ Andriamanitra tamintsika, ary tsy maintsy toy izany ihany no ahafahantsika mihaona Aminy. Dia voavahan’io famelabelarana nataontsika izay miafara amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo io àry ny zavamiafina ao amin’ny Matio 28.19.

Ny Fampianaran’ny Apostoly

Hojerentsika izao kosa ahoana ny fomba tena nanatanterahana ny baiko anaovana batisa tao amin’ny Fiangonana voalohany. Anisan’ireo nomen’ny Tompo ireo Baikony i Petera, ao amin’ny Matio 28. Izy no nanankinana ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe afaka niditra tamin’izay rehetra mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Raha tsy mbola nilatsaka akory ny Fanahy Masina, efa nitsangana sahady izy teo afovoan’ireo 120, ary nanomboka nandahatra ny zava-nitranga rehetra araka ny Soratra Masina (Asa 1.15). Ny andro Pentekosta, avy hatrany dia nitory ny Filazantsara tamin’ireo vahoaka izay nihazakazaka nanatona izy, raha vao feno ny Fanahy Masina. Ny teniny dia nanindrona ny fon’ny maro, izay nanontany hoe: “Ry rahalahy, inona no hataonay? Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny ANARAN’I JESOSY KRISTY hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo.” (Asa 2:37-38). Teo no notanterahina voalohany ny baiko misionera, izany hoe izay rehetra nino dia natao batisa araka ny Matio 28:19, tamin’ny ANARANA voatondro ao amin’io andalana io. Ny tsangan-kevitra milaza fa ny Tenin’i Jesosy dia manan-danja kokoa noho ny an’ireo apostoly dia tsy mampihontsona akory izay mino ny tsindrimandry jadona avy amin’ny Soratra Masina. Mifanohitra amin’izany aza, ny manaitra antsika lalina dia ny firindrana tanteraka misy amin’ny baiko sy ny fampiharana azy.

Efa natsiditsika teo fa tany Samaria, maro ireo olona nino ary natao batisa. Tonga tany Jerosalema ny lazan’izany. Izao no voalaza mikasika izany: “Ary nony ren’ny ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny Tenin’Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roalahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ny ANARAN’I JESOSY TOMPO ihany izy.” (Asa 8.14-16). Ny teboka asiana tsindrimpeo dia tsy nisy nanaovana batisa azy ireo afa-tsy tamin’ny Anaran’i Jesosy Tompo.

Tao an-tranon’i Kornelio koa, Petera dia nandidy ny rehetra tao mba hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy (Asa 10:48). Tsy misy teolojiana afaka mamelabelatra zavatra hafa noho izay efa napetraka ho antsika ao amin’ny Teny, ka na anjely avy any an-danitra aza hanao izany, dia ho voahozona (Gal.1:8). 

Ny zavatra iray azo antoka fa nanaitra ny tsirairay, amin’ireo tranga rehetra voatanisa hatreto, dia natao batisa tamin’ny “Anaran’i Jesosy Kristy Tompo” avokoa izay rehetra nino. Voarain’ireo apostoly tsara izay tian’ny Tompo nambara. Notanterahany zato isan-jato ny didin’ny Mpampianatra. Toy izao no nilazana ny iraka: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny ANARAN’NY Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, SADY MAMPIANATRA AZY HITANDRINA IZAY REHETRA NANDIDIAKO ANAREO.” (Matio 28:19). Ny Tompo mihitsy no nampianatra azy ireo ; fantany ny Anarana izay nisehoan’Ilay Andriamanitra tokana toy ny Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, ary tamin’izany Anarana izany no nanaovany batisa. Araka izany dia nahatanteraka ny baiko nomen’i Jesosy azy izy ireo.

Hojerentsika izao, ahoana ny nanaovan’i Paoly batisa, izay nantsoin’ny Tompo hoe “fanaka voafidy”. Raha tonga tany Efesosy izy, dia nihaona tamin’ny lehilahy roambinifolo izay tsy nahafantatra afa-tsy ny batisan’i Jaona. Ka rehefa nanazava fohifohy ny drafi-panavotan’Andriamanitra izy, dia nisy vokany avy hatrany izany: “Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny ANARAN’I JESOSY TOMPO, ary rehefa nametrahan’i Paoly tànana izy dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina…” (Asa19.5,6) 

Tsy iadian-kevitra fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy aorina mafy amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Izay nitranga tany Jerosalema sy tany Samaria tao amin’ny ankohonan’i Kornelio, ary tany Efesosy no noresahantsika teo. Ka na teo anivon’ny Jiosy, na tany amin’ny Samaritana, na tany amin’ny Jentilisa, ary koa na Petera, na Filipo na Paoly no nitory, dia natao tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo hatrany ny batisa.

Tsy maintsy mahatsapa isika fa tsy mety hisy fifanipahana mihitsy ao amin’ny Baiboly. Tsy mba hamoaka fanambarana roa samihafa mihitsy ny Fanahy Masina mikasika zavatra iray. Tamin’io vanim-potoana voalohany io, Andriamanitra dia nifidy an’i Petera, sy Paoly ary lehilahy hafa koa izay nomeny fahefana feno hametraka ireo foto-pampianarana ara-Baiboly. Nirindra tanteraka ny nanaovan’izy ireo izany, na tao amin’ny teny vavolombelon’ny Soratra Masina, na tamin’izy samy izy. Iza àry no afaka hitsikera, hilaza fa tsy nahavita araka ny tokony ho izy ny iraka nomena azy ireo lehilahin’Andriamanitry ny kristianisma voalohany ireo, izay niara-namindra tamin’i Jesosy? na koa i Paoly izay nihaona tamin’ny Tompo taorian’ny niakarany tany an-Danitra?  ary hiampangana fihemorana azy ireo?

Andeha horenesintsika indray i Paoly. Nanoratra ho an’ny Romana izy hoe: “Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” (Rom. 6:3). Ao amin’io andininy io Paoly dia mipetraka ho anisan’ireo natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, toy ireo mpino hafa rehetra. Ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo, tsy ahitana andalan-tSoratra na tokana monja aza misy olona natao batisa fanaon’ireo trinitera, amin’ny fiantsoana “Ray, Zanaka sy Fanahy Masina.”

Ireo mpiasa rehetra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nantsoin’ ny Tompo, feno ny Fanahy Masina, dia iray fahalalana, iray fampianarana, iray finoana, iray batisa. Nifanaraka sy nirindra avokoa ny zavatra rehetra. Tsy nisy tamin’izy ireo nanao tsianjery fotsiny ny andalana ao amin’ny
Matio 28. Fantany fa ao amin’io andalan-tSoratra io dia Anarana tokana no resahina “…manao batisa azy ho AMIN’NY ANARAN’NY Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”, dia izay no nataony. Nino izy fa Andriamanitra dia niseho amin’ny maha Ray, Zanaka sy Fanahy Masina Azy ; fantany Izy, fantany koa ny Anarany. Ireo dia lehilahy nanana fiombonana nivantana tamin’ Andriamanitra tao amin’ny fiainana. Tsy mba nisy firehana teolojika niasa taminy, fa ny zavatra an’Andriamanitra no nirotsaka tao aminy tamin’ny alalan’ny fanambarana.

Izay tsy mandray afa-tsy ny “soratra” ao amin’ny Matio 28, fa tsy nahazo ny fanambarana mikasika izany, dia hanao tsianjery ny andininy 19 fotsiny, tsy hahatsapa fa asa hotanterahina no nonomen’ny Tompo ao amin’io didy ho amin’ny batisa io. Matio 28 sy Marka 16 dia filazana ny iraka lehibe amintsika, ny didin’ny iraka. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly no ahitantsika ny fanatanterahana azy, izay vokatra manan-kery mandrakizay.

Raha mpampianatra iray manome lazaolana ny mpianatra iray, kanefa ilay mpianatra tsy hanome ny valiny na ny vokatra, fa hamerina fotsiny ny lazaolana, dia samy hisaina avokoa ny rehetra fa misy zavatra tsy mety ao! Raha mikasika ny batisa indray, nyolona, raha tokony hanatanteraka ny baiko nomen’ny Tompo, na ireo mpampianatra Baiboly aza, dia mamerina fotsiny ny teny voalazan’ny didy. Ny fanatanterahantsika ny iraka toy ny nataon’ny apostoly ihany no fanamarinana fa ny Tompo niantso azy ireo ihany no niantso antsika, ary koa fanamarinana fa Izy no nampiandraikitra antsika ny fitoriana ny Filazantsara. Ireo apostoly sy ireo mpampianatra tamin’ny vanim-potoana voalohany dia nahazo an-tsaina tsara ny andraikitra voasoritra ao amin’ny Matio 28. Isaorana anie Andriamanitra namela ho antsika ny raki-tSoratra mikasika izany didy izany. Kanefa ilaintsika ny mahazo, avy amin’ny Fanahy Masina, ny fahazavana azon’ireo apostoly ihany, mba ahitantsika koa izay efa hitany, ahafahantsika koa mampianatra izay efa nampianariny, ary manao batisa toy ny efa nanaovany batisa.

Tsy tokony hisy hanamaivana ny voalaza amin’ity famelabelarana ity, izay nangalana porofo mazava avy tamin’ny Soratra Masina. Matetika ny zavatra anankiroa dia hita toa mitovy. Mety ho toa mifanakaiky tokoa izy roa, na dia mifanalavitra tanteraka toy ny tany sy ny lanitra aza. Ao amin’ny hafatra ho an’ny Fiangonana Filadelfia, ny Tompo dia midera ny vahoakany amin’izao teny izao: “…ary tsy mba nandà ny ANARAKO.” (Apok. 3:8). Fa ahoana kosa ny mikasika ireo mpino rehetra mihira ny Anaran’i Jesosy, mampiasa Azy amin’ny vavaka ataony, ary mitory Azy, kanefa mandà ny hisalotra io Anarana io amin’ny alàlan’ny batisa?

Toy izany koa, ahoana ny mikasika ireo evanjelista izay mandroaka demonia amin’ny Anaran’i Jesosy, mahavita fahagagana sy fanasitranana amin’ny ANARANY, kanefa mitsipaka io Anarana io, rehefa hanonona Azy amin’ny batisa? Amin’ny molotra miantsoantso mafy no ijoroany ho vavolombelona fa tsara ny Anaran’i Jesosy, saingy tsy vonona akory izy hitondra ny fanalambarakan’ny Anarany. Ny Tompo dia milaza izao ao amin’ny Matio 7:22-23: “ Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny Anaranao va izahay? Ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny Anaranao va izahay? Ary dia ambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay ; mialà amiko ry mpanao meloka.”

Ireo olon’ny “plein Evangile” [Filazantsara feno] no voaresak’io andalana io ; ―andaniny, izy ireo nandray anjara amin’ny fitahiana nampanantenaina ny Fiangonana, ―saingy ankilany, mihazona ho zava-tsarobidy ireo fomba nolovana izay tsy ara-Baiboly. Tsy vonona ny hanitsy ny làlany mba hifanaraka tanteraka amin’ny Soratra Masina ireo. Iza rê no vonona hilefitra eo anatrehan’ny fahazavan’ny teny vavolombelon’ny Soratra Masina ê? ―tena ilàna fahasahiana ny mitsipaka ny fanaovana batisa nolovana tamin’ny razana, ka manaiky izay ara-Baiboly. Kanefa araka ny efa novakiana ao amin’ny Romana 6:3, izay tsy mandray ny endrik’i Kristy amin’ny nahafatesany amin’ny alàlan’ny batisa, dia tsy afaka hitsangana miaraka Aminy! Ny fitahiana sy ny fanomezam-pahasoavana fotsiny tsy midika inona. Voalohany, tsy maintsy mirindra tanteraka ny fampianarana sy ny fampiharana. Amin’ny farany, ny hany ho azo ekena dia ny fankatoavana avy amin’ny finoana. Ny finoana izay mahatonga ny fanambarana amintsika ny Sitrapon’Andriamanitra ihany no ilay finoana mamokatra ireo asa takiana ao amin’ny Teny. Sambatra izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka mampihatra izany Teny izany.


Ny heviny 

Ao amin’ny fiandohan’ny Testamenta Vaovao, tonga Jaona Mpanao batisa ary nitory hoe: “Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 3:2). Natetika ny Tompo no niteny nikasika azy sy ny fanompoany. Anisan’izany ny nilazany hoe: “Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy nanatona hataon’i Jaona batisa izy.” (Lioka7:29-30). Jesosy Kristy aza dia tonga tany amoron’i Jordana ary nataon’i Jaona batisa, ary hoy Izy hoe: “…fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” (Matio 3:13-17).

Hatramin’ny niorenan’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, dia mbola manan-kery ny voalazan’i Petera tamin’ny toriteniny voalohany taorian’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina:  “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelàna ny helokareo ; ary hianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina.” ( Asa 2:38).

Tsy anjaran’ny tsirairay ny mamaritra ny batisa araka izay tiany, fa izany dia fanehoana fankatoavana izay tsy azon’ny mpino tsirairay ialàna. Na zovy na zovy nandray amin’ny finoana, ho an’ny tenany, ny asa Fanavotana efa vita, ka efa niaina ny fanamarinana, dia tonga mpianatr’i Jesosy. Ny batisa dia tsy atao ho famelan-keloka, fa izay efa nahazo famelan-keloka ihany no anaovana azy. Araka ny 1 Petera 3:21, ny batisa dia  fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty…” Ilay natao batisa dia mitonona fa an’i Kristy izy, ka voahombo niaraka tAminy sy niara-maty tAminy.

Miditra ao anaty rano hatreo amin’ny andilana izy roa, ilay manao batisa sy ilay atao batisa. Dia milaza aloha ilay mpanao batisa hoe: “Ry rahalahy (na ranabavy), noho ny finoanao, izaho dia manao batisa anao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, araky ny Tenin’Andriamanitra.” Toy ny amin’ny fandevenana, ilay olona atao batisa dia atsilàny, asitrika tanteraka ary avoaka ny rano avy hatrany. Ny fivoahan’ilay natao batisa avy amin’ny “fasan-drano”, dia maneho fa io olona io dia niara-nitsangana tamin’i Kristy ho amin’ny fiainana iray vaovao. Noho izany, tsy misy azo ekena ho batisa na ny famafazan-drano, na ny rano hatete.

Ny apostoly dia nanoratra hoe: “…fa niara-nilevina hianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana tAminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty.” (Kol.2:12). Ny Soratra Masina tsy miresaka fahateraham-baovao avy amin’ny alàlan’ny batisa. Fa ny ampianariny kosa dia, ny olona izay niaina ny fahateraham-baovao noho ny asan’ny Teny sy ny Fanahy no atao batisa. Kanefa tsy midika fa hahazo avy hatrany ny batisan’ny Fanahy Masina isika raha vao vita batisan’ny rano. Ny batisan’ny Fanahy Masina dia valiny avy any an-danitra izay manamarina amin’ilay mino fa neken’Andriamanitra izy. Traikefa, na zavatra tena iainana izany.

Izao no voalaza ao amin’ny epistily ho an’ny Romana: “ Koa niara-nalevina tAminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisana tAminy tamin’ny endriky ny Fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny Fitsanganany.” (Rom.6:4-5).

Izao no soratan’ny apostoly ho an’ny Galatiana: “Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.” (Gal. 3:26-27). Tsy mpanota iray nitsofoka maina tao anaty rano, ka mpanota lena nivoaka avy tao àry izany, fa olona namelan’Andriamanitra heloka, ka nihavana tAminy ary nahazo antoka ny amin’ny nandraisany ny famonjena.

Porofoin’i Petera apostoly ny ilàna ny batisa, ka nohariny izany amin’ny sambo-fiaran’i Noa: “…fony niandry ny faharim-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io…” (1Pet.3:20-21). Nifaohan’ny safo-drano ireo rehetra izay tsy tao anatin’ny sambofiara. Olona vitsy ihany no nihaino ny toriteny, nino ny hafatr’i Noa mpaminany, ka niditra tao anatin’ny sambofiara.

Fa nahoana moa Petera no nandray ny sambo-fiara ho tandindon’ny batisa ho an’ireo lasa mpino? Izay mino marina dia manatanteraka izay nobaikon’Andriamanitra ka manaiky atao batisa ao amin’i Kristy. Izy no Sambofiarantsika ; ao Aminy isika dia voaàro amin’ny fitsaran’ny fahatezerana ho avy. Ny famonjena dia avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Nohon’ny fankatoavany ny Teny, ilay niova ho mpino dia manaiky atao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Mifanohitra amin’izany kosa, izay tsy manaraka ny baikon’Andriamanitra dia mampiharihary ny tsifinoany, mitoetra ao amin’ny ditra, ary mizotra mankany amin’ny fahaverezany. Izany dia azo ampitahaina amin’ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa.

Raha mbola tsy nirodorodo handentika azy ny safodrano, ireo olona ireo dia tsy maintsy ho nanontany hoe: “Maninona no tsy maintsy miditra ao anatin’ny sambo-fiara? Mino an’Andriamanitra izahay dia ampy! Mandeha toy ny mahazatra ny zavatra rehetra.” Tsy namantatra izy ireo fa Noa dia nitondra ny Tenin’ny Tompo. Nandeha ny “tanisa mijotso”. Tonga tampoka ny andro ary nanafotra azy ireo ny loza efa voambara. Na maro aza ireo fampitandremana avy tamin’ny toriteny, tsy-nampoizina ny fahatongavan’ny farany. Narindrina ny varavarana ary izay teny ivelany dia maty. Ankehitriny, ny zava-drehetra dia toa maharitra tsy miova hatramin’ny namoronana izao tontolo izao ( 2 Pet.3:4 ). Kanefa amin’ny andron’i Jesosy Kristy, izay efa antomotra tokoa, dia hiseho ny fahasamihafana. Hipaika tampoka ny oran’Andriamanitra, ho lasa ny androm-pahasoavana ary hikatona ny varavarana.

Ary amin’izay dia ho diso aoriana mandrakizay, ka tsy afaka hanao ny zavatra tsy vita intsony. Izany no antony anentanan’ny Tompo antsika amin’ny ilazany hoe: “…Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo…” (Heb.3:7). Ny Teny ao amin’ny Marka 16:16 dia mbola manan-kery hatrizao: “Izay mino sy atao batisa no hovonjena.” Iza no tena vonona handray sady hanaraka izany? ―Ny tena finoana dia velona, ary ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no fanehoana izany. Ny finoana tsy arahin’asa, araka izay takin’ny Teny, dia efa maty sahady ary tsy manan-kery. Ny marina dia fanekem-pinoana ara-pivavahana fotsiny izany, izay tsy mba nahavonjy olona mihitsy. Tsy mahasoa, na amin’inona, na amin’iza, ireny fampianarana kristiana ireny, raha tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Ny Teny izay velona ato anatintsika nohon’ny asan’ny Fanahy Masina no iavian’ny fiombonantsika amin’Andriamanitra. Tsy misy mitondra mankany Aminy afa-tsy izay avy Aminy ihany.

Fantaro ireo Fanahy

Alohan’ny hanakatonana ity lohahevitra ity, dia misy zavatra iray manan-danja ilaina anàmpy. Ankoatra ny ao amin’ireo fiangonana nentin-drazana, izay tsy itoriana ny fiovam-po ara-Baiboly sy ny fahateraham-baovao intsony, dia mbola manjaka ny fahamaizinana mikasika ny fampianarana fototry ny Soratra Masina, na dia any amin’ny sehatra mitory ny Filazantsara feno sasany aza. Na ireo mpampianatra, na ireo teolojiana, toa tsy mba nisy nahatsikaritra fa ao amin’ny Baiboly dia tsy misy andalana na iray aza manamarina ny fisian’ny olona natao batisa amin’ny raikipohy “Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Ny fiangonana katolika no niavian’io raikipohy io, ary noraisin’ny fiangonana protestanta, ka tonga hatrao amin’ ireo fikambanana kristiana ankehitriny  avy aza.

Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahafantatra fa io raikipohy io dia ampiasaina any amin’ireo tontolon’ny fankatovana (magie), sy ny fiantsoana avelo (spritisma). Mosavy, latabatra mihodina, famakiana karatra, fijerena ny ho avy, famantaran-javatra, “pendule”, famakiana fela-tànana, sy ny sisa, dia atao amin’ny alàlan’io voalaza fa “raikipohy àvo lenta” io. Ireo mpiantso avelo any amin’ireo firenena “tandrefana-kristiana“, dia mampiasa izany rehefa miresaka amin’ny fanahin’ireo efa nodimandry. Na amin’ireny fikambanana miafina ireny aza, dia ampiasaina izany ianianan’ny mpikambana vaovao. Milamin-tsaina mànko ireo mpandray anjara raha mandre io raikipohy “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” io, satria avy amin’ny fiangonana ka fantany tsara. Na amin’ny “magie noire” na “magie blanche”, na amin’ny fampiasana ireo lazaina fa boky faha-6 sy faha-7 an’i Mosesy, hatraiza hatraiza, dia io raikipohy io no ampiasaina.

Ary raha hazavaina amin’ireo mpandray anjara ireny fanangolena ireny, dia mamaly tsy am-pisalasalana izy ireo manao hoe: “Oh, natao tamin’ny anaran’Andriamanitra izany!” Kanefa tsia! Izay atao amin’ny Anaran’i “JESOSY” ihany no avy amin’ny Anaran’Andriamanitra. Ny sisa rehetra
dia avy amin’ny devoly, ilay mpanapaka izao-tontolo-izao. Ny Tompo Andriamanitra dia tsy manana ifandraisana amin’izay latabatra mihodina, famosaviana olona na biby, firesahana amin’ny maty sy zavatra hafa mitovy amin’izany, satria ao amin’ny Teniny, Andriamanitra dia tsy namela ny hanaovana izany! An’i Satana ny zavatra toy izany, na manana endrika tena ara-pivavahana tokoa aza!

Inona moa no ifandraisan’ny asan’Andriamanitra marina amin’ireo asa ratsy atao an-kiafina sy ireo firesahana amin’ny maty? Nanomboka oviana moa ireo mpanompon’i Satana sy ireo mpanompon’Andriamanitra no niray teny ? Nanomboka oviana moa Satana no nanana ny fanjakany tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tokony samy hametraka izao fanontaniana izao ny tsirairay: Raha olona roa no manao zavatra iray ihany, dia tena hitovy tokoa ve izany? Marobe ny olona no gaga, mihorin-koditra mihitsy aza rehefa mandre ny zavatra rehetra atao ambanin’io raikipohy io ; kanefa ireo dia mihevitra fa mety ny fampiasana izany amin’ny fanaovana batisa. Vitsy loatra ny olona izay mandinika fa izay rehetra mitranga ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia atao amin’ny Anaran’i Jesosy avokoa, ary amin’ny alàlan’io Anarana io ihany no isehoan’ny herin’Andriamanitra. Kanefa izao no voasoratra: “Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany…” (Kol.3:17)

Na zovy mahalala ny Baiboly dia mahafantatra fa tsy mba nisy apostoly na mpaminany na tokana aza, nampiasa ny raikipohy “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Tahaka ny efa voazava amin’ny antsipiriany ao amin’ny boky Andriamanitra sy ny Fikasany mikasika ny olombelona (Dieu et son plan pour l’humanité), ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina dia Andriamanitra iray sady tokana ihany.

Izay voasoratra ao amin’ny Matio 28:19 dia marina tsy azo lavina, tahaka izay ao amin’ny Asan’ny apostoly 2:38, sns. Kanefa, efa hatramin’ny voalohany Satana no nandray ny Tenin’Andriamanitra sy nanolotra Azy indray amin’ny endrika sandoka. Vitany ny namitaka ny olona tamin’ny fomba tena ara-pivavahana tokoa raha mikasika ny batisa. Raha tamin’izany fotoana izany izy nanatona an’i Kristy ka nanao taminy hoe: “Fa voasoratra hoe…”, ny zavatra notanisainy dia voasoratra tokoa, saingy notsoahiny tao amin’ny manodidina azy izany, ka nampiasainy tamin’ny fomba diso. Toy izany mihitsy no nitranga mikasika ny fanaovana batisa. Nohajambain’i Satana ny olombelona mba tsy ahafahany mamantatra ny fisehon’ny voninahitr’ Andriamanitra teo amin’i Kristy (2 Kor.4:4-6). Dia mijanona miafina amin’ ny olona  ilay tena Anarana.

Tsy tafahitsoka anatin’ny finoanoam-poana sy ny tsifinoana ve ny tontolo kristiana manontolo ? Aiza no mbola ahitana ny finoana marina mifanaraka amin’ny Soratra Masina? Araka ny Apokalypsy 18:4, dia miantso ny ivoahana amin’ny Babylona ara-pivavahana Andriamanitra. Ny olona izay sokafan’ny Tompo maso dia hahafantatra ny hadisoana, ka hanaiky an-tsitrapo ny Tenin’Andriamanitra. Andriamanitra mbola manasaraka hatrany ny hazavana amin’ny haizina. Iza àry no sahy ka hanaiky hampianariny, Izy, fa tsy ny nofo aman-drà? Ny tsirairay avy dia samy tompon’andraikitra amin’ny tenany eo anatrehan’ny Tompo, ka tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny manokana.

Eo am-pamaranana dia fananarana mafy no omena ireo izay maniry ho tonga any amin’ny voninahitra: Andriamanitra tsy mijery ny andron’ny tsifahalalana, ary nitahy ny olona tamin’ny fomba samihafa Izy. Kanefa ankehitriny Izy mandidy ny tsirairay hanaiky Azy sy ny Teniny voambara. Tsy maintsy misaraka amin’ny fampianarana rehetra izay mifanohitra amin’ny Baiboly isika, ary miverina amin’ny fanambarana voalohan’ny Teny, izay nivoaka tao Jerosalema.

Ao amin’ny Asa toko faha-3, dia ampanantenaina isika fa hisy andro famelombelomana, ary koa hisy ny fampodiana ny zavatra rehetra, mialoha indrindra ny Fiavian’ny Tompo. Ao amin’ireo andininy faha-19-21 dia voasoratra hoe: “…mba ho avy izay andro famelombelonana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny hatramin’ ny voalohany indrindra.” Aseho mazava tsara amintsika eto fa, mandra-pihavin’ny andro famelombelomana sy ny fampodiana, Jesosy dia mitoetra any amin’ny Voninahitra. Izay tena mino dia tokony handray ny Tenin’ Andriamanitra tsy amim-piambahambàna. Ny fotoana fampodiana ny zavatra rehetra no iaintsika izao, izay antomotry ny Fiavian’i Kristy. Fotoanan’ny famelombelomana ara-panahy eo anatrehan’Andriamanitra izao.

Iaraha-mahalala fa samy miandry fatratra ny Fiavian’i Jesosy Kristy avy ireo fikambanana isan-karazany, sy ny olona ao aminy. Ahoana àry no tsy ahafantarany izany androm-pahasoavan’ny famangiana izay iainantsika izao izany? ―Ho an’ny Tompo, dia ny Fiangonany izay mifototra amin’ny Teniny no voakasik’izany. Izany no tsy maintsy anaovana ny batisa araka ny fampianarana sy ny fampiharan’ireo apostoly. Paoly dia manoratra hoe: “…natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra…” (Efes.2:20). Ankehitriny ny Tompo dia mbola manangana ny Fiangonany toy ny nataony tamin’ny fiandohany, ka hampody Azy amin’ny endriny voalohany. Aorian’izany ihany Izy vao afaka hiverina ka haka Azy ho ao amin’ny Voninahiny.

Aoka tsy hisy olona hanamaivana ity famelabelarana natao mikasika ny batisa ara-Baiboly ity. N’iza n’iza nahita fitia teo anatrehan’Andriamanitra dia hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny anaovana batisa azy amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo, ahafahany miala amin’ny fatotra izay mangeja ireo natao batisa tamin’ny raikipohy “telo-izay-iray“. Izay avy amin’Andriamanitra dia hihaino koa ny Tenin’Andriamanitra mikasika izany. Sambatra izay mahafantatra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny ankehitriny, izay mino ireo fampanantenana ho an’izao andro izao, ary manana anjara amin’ny fanatanterahana izany.

Contenido 1 2 3 4