Wolna Misja Ludowa

Jezus Chrystus wczoraj, dzisiaj, ten sam i na wieki.Heb.13.8

Język:




Ny fanasan’ny Tompo

Mialoha ny idirana amin’ny handinihana ny Fanasan’ny Tompo, dia tsy maintsy resahina ny fihinanana ny Paska. Ny aloka ara-nofo ao amin’ny Testamenta Taloha dia mitondra amin’ny tranga mahagaga ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ny fihinanana ny Paska dia mbola anisan’ny andro firavoravoana lehibe eo amin’ny vahoaka Jiosy ankehitriny. Andriamanitra dia nandidy ny Isiraelita, hamono zanak’ondry iray isan-trano, ka hihinana ny nofony ary hitentina amin’ny ràny ny tolàna sy ny tataom-baravarana (Eks.12). Mariho tsara fa tsy azo atao mihitsy nitentina izany tamin’ny tokonana mba tsy ho voahitsaka ny rà.

Ny teny hebreo “Pesah”, dia midika “mandalo eo ambony fa tsy mamely”. Koa raha novonoin’ilay anjely mpandringana avokoa ireo lahimatoa Egyptiana rehetra, ireo lahimatoan’ny Isiraely kosa tsy voakasika satria Jehovah nilaza hoe: “Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha hamely ny tany Egypta Aho.” (Eks.12:13)

Ny ràn’ny zanak’ondrin’ny Paska no nanao ny fanavotana, sady izy koa no famantarana ho fiarovana amin’ny famaizan’i Jehovah. Ary raha nanakoako nanerana ny isan-tranon’ny Egyptiana ny hiakiaka sy ny toreo, ny isan-tranon’ny Isiraelita kosa voaàro tanteraka. Tsy afaka nikasika azy ireo ny fahatezeran’Andriamanitra satria efa voavono ny zanak’ondry, ho solony. Ho toy izany koa amin’ireo olom-boafidy, sady tsy ho voakasika no tsy ho tratry ny famaizan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo, satria ny Ràn’ny Zanak’Ondry no fanavotana sy fiarovana ho azy. Paoly dia manoratra amin’ ny Fiangonana hoe: “…fa voavono Kristy, Paska ho antsika.” (1 Kor.5:7). “Notorotoroina noho ny helotsika Izy” (Isaia 53:5). Ny Fahafatesany no nahazoantsika ny fampihavanana sy ny Fiainana Mandrakizay.

Tamin’ny alàlan’i Mosesy, Jehovah dia nandidy ny hahatsiarovana ny andro namonoana ny Paska sy nivoahana tao Egypta. “Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah, hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay.” (Eks.12:14). Ao amin’ny andininy faha 26 sy 27 dia mbola voasoratra indray hoe: “Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana izao? Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika.”

Toy izany koa, ny Fanasan’ny Tompo no ankalazaina dia ho fahatsiarovana ny namonjena antsika, ary izany dia mandra-pihavian’i Jesosy (1Kor.11:26). Amin’ny lafiny iray isika dia mahatsiaro io andro lehibe an’ny fampihavanana io, ary amin’ny ilany kosa isika mibanjina ilay andro manan-daza izay hankalazan’ny voavonjy rehetra ny Fanasan’ny Tompo, hiaraka amin’ny Mpamonjitsika any amin’ny Voninahiny. Tamin’Izy nametraka ny Fanasan’ny Tompo, dia hoy ny Tompontsika hoe: “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19). Mandritra ny Fanasan’ny Tompo isika dia mahatsiaro ny asa fanavotana vita tanteraka, ary misaina hatrany izay natao ho antsika teo amin’ny hazofijaliana. 

Ny Ondrin’ny Paska dia novonoina ho mpisolo toerana ary nohanina niaraka tamin’ny mofo tsy misy masirasira. Voasoratra hoe: “Hafitoana no hihinanareo mofo tsy misy masirasira: amin’ny voalohan’andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo ; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ny Isiraely.” Tsy azo nohamaivanina io fepetra io fa tsy maintsy notoavina.

Nialoha indrindra ny nanavotana ny Zanak’Isiraely sy ny nivoahany tao Egypta no namoronana ny fihinanana ny Paska. Ny Fanasan’ny Tompo dia nankalazaina nandritra ny fihinanana ny Paska, nialoha indrindra ny fanombohana Azy tamin’ny hazofijaliana, ka araka izany dia nialoha indrindra ny fanavotana ny Fiangonana.  “Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ny Apostoly. Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 22:14-16). Ao amin’ireo andininy 7-13, voalaza amintsika fa Jesosy dia naniraka an’i Petera sy Jaona, ary nibaiko azy ireo hoe: “Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. Ary raha tonga teo anatrehan’ny tompon-trano izy ireo dia nanao hoe: “Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?” Ao amin’ny Matio 26:26 dia voasoratra hoe: “Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity ny tenako.” Ny Tompo dia teo ara-batana Izy raha nandray ny mofo teny an-Tànany, ka nanonona izany teny izany. Ary teny an-Tànany, tsy ny Tenany no notazoniny, fa ny mofo tsy nisy masirasira izay natoko ho an’ny firavoravoan’ny Paska.

Mandritra ny fandraisana ara-Baiboly, dia mofo tsy misy masirasira no ampiasaina. Ao anatin’ny vavaka sy fisaorana no anamasinana io mofo io. Rehefa izany, dia vakivakina ary zaraina ilay izy. Eo am-pandraisana ny mofo novakivakina dia manaiky ireo mpino fa ny tenan’i Jesosy dia nampijaliana sy nofantsihina. Miaiky koa izy fa ny zavatra nitranga teo amin’ny hazofijaliana no nahatonga azy ho mpandray anjara amin’ny Vatany, dia ny Fiangonana izay Azy manokana.

Paoly apostoly dia nanoratra hoe: “Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity ny Tenako izay novakiana ho anareo (ny teny “ho anareo” dia tsy azo amaivanina) ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia arak’izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny Ràko ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.”(1 Kor. 11:23-26)

Paoly dia sahy nilaza fa avy tamin’ny Tompo mihitsy no nahazoany ny fomba fankalazana ny Fanasan’ny Tompo. Araka izany dia izay voasoratra mikasika ny famoronana ny Fandraisana, ao amin’ireo Filazantsara, no niaingany. 

Ao amin’ny Lioka 22:20 izao no voasoratra: “Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Ràko, izay aidina ho anareo.” Divay no tao anatin’io kapoaka io. Ny Ràn’ny fanekena vaovao dia mbola nikoriana tao amin’ny Lalandràny ary tsy raraka izany raha tsy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy misy fiovan’ireo zavatra ireo ho nofo sy rà mihitsy (transsubtentiation). Na ny Tompo, na ny mpianatra, tsy nisy nisotro ara-bakiteny ny Ràny, satria hoy Jesosy: “…fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.” Ny mofo sy ny divay dia maneho ny Tena sy Ràn’i Kristy, saingy mijanona ho mofo sy divay ihany. Kanefa tamin’ny alàlan’izany no nanehoan’i Jesosy ny fanekena vaovao, ny Testamenta Vaovao, izay nanomboka nanan-kery tamin’ny Fahafatesany.

Noho izany, tsy manatitra ny Tenany ho sorona matetika Jesosy, fa indray mandeha monja ho mandrakizay, araka ny Hebreo 10:12, ary niakatra mba hipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Ny fandraisana anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo dia afahan’ny mpandray anjara mahatsiaro, eo anatrehan’Andriamanitra, ny zava-nitranga raha nanolotra ny Tenany sy nandatsaka ny Ràny Izy. Mialoha ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, dia samy handinika ny tenany avy ny zanak’Andriamanitra tsirairay, ka hanolotra indray ny fiainany amin’Andriamanitra ho fanatitra eo amin’ny alitara. Mahatsiaro ny fahorian’i Kristy sy ny fialan’ainany ka ory mafy anaty isika. Mampanetry tena antsika ny misaina ny halafosam-bidy nefain’ny Mpamonjy ho antsika. Araka ny Soratra Masina, indray mandeha ihany Izy no niditra, nitondra ny Ràny, tany amin’ny toerana Masina, toeran-danitra, nanolotra Izany teo amin’ny Sezafiandrianan’ny Fahasoavana, ka izany no nahazoantsika ny fanavotana mandrakizay (Heb.9:12).

Fanekena vaovao no vita ; niposaka ny androm-panavotana. Ilaina indray ny mampitaha ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao. Ny Eksodosy 24:6-8, dia miteny mikasika ny Bokin’ny fanekena sy ny vahoakan’ny Fanekena, ary koa ny ràn’ny Fanekena izay natopy tamin’ny vahoaka. Hoy Jesosy hoe: “fa ity no ràko, dia amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Mat.26:28). Ny resahany amin’izany dia ny Ràny madio, masina ary avy amin’Andriamanitra, izay halatsaka, fa tsy ny divay tao anaty kapoaka akory. Nanorina Testamenta iray Vaovao Izy, ary nahazo vahoaka izay nihavanany, vahoaka izay manana fifandraisana mivantana amin’ny Bokin’ny Fanekena.

Paoly dia manoratra hoe: “ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ràn’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakiantsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza ; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa.” (1 Kor.10:16-17). Matetika hamaivanina ireo andininy roa ireo rehefa miresaka na manoratra mikasika ny Fanasan’ny Tompo. Kanefa ireo no mampiseho amintsika ny Fiangonana ho ilay Vatana, “ny fikambanan’ireo masina”, ny vokatry ny asa fanavotana nataon’i Jesosy Kristy, izay nanolotra ny Tenany ho antsika. Ny mofo izay ampiasaina amin’ny Fanasan’ny Tompo dia sady endriky ny tenan’i Kristy voahombo, no maneho ny Fiangonana koa, izay, na dia misy singa maro aza, dia mivondrona ho iray. Izany no hamakivakiana ny mofo ho sombiny maro mialoha ny izarana azy.

Ny tenan’i Kristy dia nokapohina sy nampijaliana fa tsy notapahan-taolana, araka izay voasoratra hoe: “Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: tsy hisy hotapahina ny taolany.” Ary misy  teny iray koa milaza hoe: “Hijery Izay nolefoniny izy” (Jaona 19:36-37). Izany dia ny zava-miafin’i Kristy sy ny Fiangonany, izay tonga Vatany noho ny asa fanavotana. Ireo izay efa niaina ny fampihavanana sy ny famelan-keloka tanteraka no voatondro amin’izany. Manoratra Paoly hoe: “Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro ny momba ny tena, ary ireo momba ny tena rehetra ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.” (1 Kor.12:12). Anatin’izany dia misy zavamiafina iray lehibe. Tsy feno Kristy raha tsy ao amin’ny fifandraisany amin’ireo singan’ny Vatany. Izao no voasoratra mikasika Azy: “Ary Izy no Lohan’ny Tena dia ny Fiangonana.” (Kolos.1:18).

Tahaka ny maha-iray ny tenantsika ara-nofo, ka mifandray avokoa ireo rantsana rehetra sy ny loha, dia toy izany koa ireo rantsana rehetra izay ao amin’ny Vatan’i Kristy. Ny 1 Kor.12:13 dia maneho amintsika ahoana no ahatongavana amin’izany firaisana izany: “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo ; ary isika rehetra dia efa nampisotroina Fanahy iray.”

Mazava hoazy fa tsy ny rano no mampiray antsika ao amin’ny tenan’i Kristy, fa ny Fanahy, izay te-hiasa ao amin’ireo rehetra manaiky atao batisa ara-Baiboly nohon’ny finoany an’i Jesosy. Ireo olom-boafidy rehetra izay tonga amin’io firaisana araka an’Andriamanitra io nohon’ny fiasan’ny Fanahy Masina, no mandrafitra ny Vatan’ny Tompo, ka mankatò Azy, Izy ilay Loha. Miara-paly amin’izay rehetra tahin’Andriamanitra izy ireo, ary miaraka ory amin’izay azom-pahoriana, toy ny voasoratra ao amin’ny 1 Kor.12:26: “Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.”

Tsy vitantsika eto ny hivaofy ireo andraikitra samihafa an’ireo singan’ny Vatan’i Jesosy Kristy, izay voalazan’i Paoly ao amin’ny 1 Kor.12:18-20: “Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.” Ao amin’ny andininy faha-27, dia fintininy hoe: “Ary hianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.”

Mampirisika ny mpino ny apostoly ―alohan’ny handraisany ny Fanasan’ ny Tompo― mba samy handinika ny tenany avy, amin’ny alàlan’izao teny izao: “Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihina sy misotra fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.” (1Kor.11:28-29). Ireo rehetra momba ny Tenan’i Kristy, dia miaiky fa ny fitsarana izay tokony ho nilatsaka taminy no nihatra tamin’i Kristy, Izy izay tsy nanota akory. Mifamela heloka tanteraka ny rehetra, toy ny namelan’ Andriamanitra azy ireo tao amin’i Kristy. Tsy misy manameloka ny hafa na amin’inona na inona. Ny tsirairay dia mamantatra ao amin’ny hafa ny Tenan’i Kristy navotana, nohamarinina, nohamasinina ary notokanana. Amin’izy samy izy dia mifankahita ho ao amin’i Kristy izy, ary tsy misy fahotana noho i Kristy, toy ny ahitan’Andriamanitra azy ireo. Tsy amin’ny ara-nofo no ifankahalalany, fa amin’ny ara-Panahy.

Araka izany, toy ny tsifisiana masirasira ao amin’ny mofo, ny fiangonana dia tsy tokony ho voafatotr’izay rehetra tsy mifanaraka amin’i Kristy sy ny Teniny. Notondroin’i Jesosy Tompo tamin’ny teny “masirasira” ireo fampianaran-diso an’ireny mpitarika fivavahana ireny. Hoy Izy hoe: “…ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina fandrao azon’ny masirasiran’ny fanaovana mofo, fa andrao azon’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.” (Mat.16:11-12).

Paoly koa dia mametraka ny masirasira eo amin’ny lafiny ara-panahy: “…Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ; dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.” (1 Kor.5:6-8). Maneho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ilay mpandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo fa efa niala ny fiainana taloha nisy lolompo sy faharatsiana, mba ho amin’ny fahadiovam-po  sy fahamarinana. Tsy maintsy tanteraka tokoa izany ary voamarin’ny fomba fiainana izay maneho izany. Tsy ampy ny fitenenana, fa tsy maintsy ho tena iainana izany. 

Ao amin’ny epistily ho an’ny Romana toko faha-11, ny apostoly dia mampatsiahy ny hanan’ireo singan’ny Fiangonany, fanamarinana tanteraka sy fanamasinana, izay vokatry ny asam-panavotana teo amin’ny hazofijaliana. “Ary koa raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany ; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.” (and.16). Kristy no santatry ny koba, ary ireo Azy no vongana. Izy no Santatra ary ny fitambaran’ ireo rehetra nateraka ao Aminy no voaloham-bokatra. Izy ny Faka ary ireo sampany izay mitondra voa no tena mpino. Jesosy no Foto-boaloboka, ary isika no sampany. Toy ny ahitana eo amin’ny zavaboaàry fa ny sampany dia mivelona amin’ny fakam-boaloboka ary mamoa, dia azo antoka koa fa manana ny Fiainan’Andriamanitra ao aminy tokoa ireo rehetra naterak’Andriamanitra, ary mitondra ny vokatry ny Fanahy Masina. Maneho ny toetr’i Kristy izy ireo, ary miaraka amin’izany ny fomban’Andriamanitra izay efa naha lasa mpandray anjara azy. Manodidina izany indrindra no nanoratan’ i Petera hoe: “…koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalany dia fitiavana ny olona rehetra.” (2 Pet.1:5-7). Tsy fampianarana izany, na fahalalana, fa kosa Andriamanitra tena zavamisy, hita ao amin’ireo mpino. Ny takina dia izao: “…fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: Ho masina hianareo, satria masina Aho. Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ.”( 1 Pet.1:15-17).


Fanazavana ilaina atao 

Noho ireo fomba fanao tsy ara-Baiboly nolovaintsika, maro ny olona izay tena mino ny fiovan’ny zavatra roa (ny divay sy ny mofo), ho Rà sy Vatan’i Kristy. Zava-doza raha izany tokoa no nisy. Iza no afaka hihevitra fa Vatana sy Rà manam-pahamasinana loatra toy izany no ho natolotra imbetsaka araka ny fomban’ny zavatra rehetra mety simba? Tsy azo heverina na dia kely akory izany! Ny fisainana izany fotsiny aza dia efa fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina!

Tahaka ireo Jiosy tamin’ny androny, izay diso fandray ny tenin’ny Tompo, satria tsy fantany ny hevitr’izany ara-panahy, ankehitriny dia manjaka ny fisafotofotoana eo amin’ny samy kristiana mikasika izany. Ireo izay nandre Azy tamin’izany fotoana izany, dia nihevitra fa nampirisika azy ireo ny Tompo hanohitra ny Lalàna, raha niteny taminy Izy hoe: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no manana fiainana mandrakizay…” (Jaona 6:54). Izy rehetra samy nahafantatra izay voasoratra ao amin’ny Levitikosy 17:10-12: “Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ny firenena izy. Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana; satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na hianareo, na ny vahiny eo aminareo.” Izany no antony nampivarahontsana ny Jiosy raha nandre izay nolazain’i Jesosy taminy ny mikasika izany.

Ireo zavatra fanehoana eto an-tany anankiroa ireo anefa dia fitarihan-tsaina ho amin’ny ara-panahy ihany. Satria, Andriamanitra tsy afaka sady mandrara hentitra ny fihinanana rà, no manery koa ny hinanan’ireo mpanaraka Azy izany. Izay mandray anjara amin’ny mofo sy divay dia manaiky fa manana anjara amin’izay nitranga tamin’ny alàlan’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana. Sakafo “ho fahatsiarovana Ahy” izany. Tsy mitranga mandritry ny Fanasan’ny Tompo ny fanavotana ; efa vita tao Golgota izany. Fa, mandritry ny Fanasan’ny Tompo, dia ampahatsiahivina antsika fotsiny ny fanavotana, amin’ny alàlan’ny fanoharana mivaingana.

Hitantsika ao amin’ny Jaona toko faha-6 ilay fampitomboana isa mofo mahagaga nahavokisana vahoaka marobe. Ny ampitson’iny, raha nitady an’i Jesosy ny olona, dia hoy Izy taminy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo mofo ka voky. Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo ; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase.” (Jaona 6:26-27).

Niresaka mofo Izy, sakafo, fiainana mandrakizay, ary ireo izay nihaino Azy dia nahatsiaro ny fomba namahànana ny vahoakan’Isiraely tao amin’ny Testamenta Taloha ; noho izany niteny tAminy izy ireo hoe: “Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.” (and.31).

Notohizan’i Jesosy izany fisainana izany, ka hoy Izy taminy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra ; fa ny Raiko no nanome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao. Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Izy taminy: Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ; ary izay mino ahy tsy hangetaheta intsony.” (Jaona 6:32-36). Valiny mazava sy hentitra izany, izay tsy manaiky ny idirana fandikana manokana. Araka izany, tahaka ny fihinanantsika mofo etỳ ambany etỳ ka hananantsika fiainana ara-nofo, dia toy izany koa, ampahany ao Aminy isika, Izy ilay Mofon’Aina, ary hiaina mandrakizay isika.

Jesosy Tompo mihitsy no maneho ny Tenany amintsika ho ilay Mofo Velona izay nidina avy tany an-danitra, anolorana ny Fiainana Mandrakizay, ny Fiainan’Andriamanitra, ho an’izao tontolo izao. Satria avoitrany izao: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany. Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinanana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (and. 47-51).

Izany ilay Filazantsara! Nanaiky natao sorona tao amin’ny tenan’ny Nofony Izy, mba ho afaka isika, amin’ny tenantsika ara-nofo, ary handray ny Fiainana mandrakizay. Ny Mofon’Andriamanitra tsy andrahoina etỳ an-tany, tsy avy amin’ny tànan’olombelona ny sakafon-danitra. Nanolo-tena ny Tompo ary nanaiky nohomboana tamin’ny hazofijaliana mba hahatonga izay rehetra mino io asa fanavotana vita tanteraka io, handray avy Aminy ny Fiainana mandrakizay, sy hovokisana ara-panahy amin’ny alàlany. Izy no Mofon’Aina ; tonga mpandray anjara ao Aminy am-Panahy isika toy ny nahatonga Azy nandray anjara tamintsika tao amin’ny nofo koa. Nentiny indray ao amin’ny Fanjakany isika.

Nifanditra ireo Jiosy ka nanao hoe: “Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?” (Jaona 6:52). Ankehitriny, dia ireo kristiana no mifanditra ny amin’izany. Toy ny efa novelabelarina, izany dia mikasika ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay natao sorona ny Ainy. Efa voatendry ho amin’ny fampihavanana ny Ràny, ka tsy maintsy natolotra ho sorona teo amin’ny alitaran’ny fahotana. Tao amin’i Kristy ny Ain’Andriamanitra. Niala tao Aminy tamin’ny nahafatesany izany ary natolotra ho an’ireo rehetra izay manaiky ny famonjen’Andriamanitra noho ny finoany.

Ny zavatra nolazain’ny Tompo dia nifandraika tanteraka tamin’ny Fijaliany sy ny Fahafatesany. Izany dia mikasika ilay anjara ara-panahy any an-danitra, izay ananantsika ao amin’Andriamanitra, ka noraisintsika tamin’ny alalan’i Kristy, Ilay Voahombo. Amin’ny fahateraham-baovao dia tonga zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika. Manambara mikasika izany Paoly ao amin’ny Efesiana 5:30 hoe: ”…fa momba ny tenany isika.” [ao @ Baiboly teny vahiny dia miampy hoe “sy ny nofony ary ny taolany”―F.n.m] Raha amin’ny maha-olombelona, tsy misy olona nofo avy amin’ny Nofony na taolana avy amin’ny Taolany. Raha ny toetsika dia taranak’i Adama isika ; saingy, amin’ny lafiny ara-panahy, isika dia tonga voaàry vaovao ao amin’i Jesosy Tompontsika. Satria navotana isika, dia tafaverina ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra indray, ary etỳ ambany et isika dia efa mitondra sahady ny Fiainana mandrakizay ao amin’ny fanahintsika. Hadalana izany ho an’ny fisainan’olombelona, ka izany no mahatonga ny olona mandrakariva, rehefa mandinika ny Tenin’Andriamanitra, ho tafalatsaka amin’ny fisainany manokana. Kanefa ny zavatra ara-panahy dia tokony tsaraina amin’ny fomba ara-panahy.

Jesosy Tompo dia manana endrika maro: Izy no Làlana, Fahamarinana ary Fiainana ; Izy no Mofo Velona ; Izy no Fahazavan’izao tontolo izao ; Izy no Fitsanganana amin’ny maty ; ho antsika dia lasa zavatra rehetra ao amin’ny rehetra Izy. Amin’ny alàlany isika dia indro, fa tafafindra amin’ny fomban’Andriamanitra. Jesosy dia tsy mba nanao fandikana ny Tenin’ Andriamanitra. Izy no nanao Azy, ary tao Aminy sy avy tAminy no nahatanterahan’ny Teny. Izany no nahafahany niteny hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy mahavita ny asany.” (Jaona 4:34).

Izay mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo dia tsy maintsy vonona amin’ny fony hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izay aseho amintsika ao amin’ny Teniny. Mba ahafahany milaza hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Ilay namonjy ahy”, dia tsy maintsy manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ilay olona. Isika dia manaiky ny Tenin’ Andriamanitra, ary koa Kristy, Ilay Mofo Velona izay nidina avy tany an-danitra. Ny Ràny dia manatanteraka asa tsara ao anatintsika satria ho amin’ny fampihavanana antsika sy ho amin’ny famonjena antsika no nandatsahana Azy. Hoy Izy hoe: “Ity no mofo nidina avy any an-danitra ; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany ; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.”(Jaona 6:58).

Taorian’io fanambarana mahavariana ao amin’ny Jaona toko faha-6 io, maro tamin’ny mpianatra no nanao hoe: “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?”  Teo am-pihainoana Azy, na ireo efa elaela nanara-dia an’i Jesosy aza dia nanana fomba fijerin’olombelona, na efa nanambarany mazava mikasika ny Mofo nidina avy any an-danitra aza. Hitany ny fahorian-tsain’izy ireo ka hoy Izy taminy: “Ny Fanahy no mahavelona ; ny nofo tsy mahavita na inona na inona ; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.” (and.63).

Tsy maintsy avy any Ambony, ary avy any ihany, no iavian’ny fanambarana mikasika izay nolazain’ny Tompo. Ny lahateniny mikasika ny fihinanana ny Nofony sy fisotroana ny Ràny dia nahatonga ary mbola mahatonga fanafintohinana hatrany. Voasoratra hoe: “Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: hianareo koa va mba te-hiala? Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no ilay Masin’Andriamanitra.” (and.66-69). Izay rehetra manaraka an’i Jesosy dia manambara toy izany avokoa, na azony na tsia ny dikan’ireo teny ireo. Mino izy ireo ary mitoetra eo amin’ny Tompo, izay mitarika ny Azy avy amin’ny fanambarana mankao amin’ny fanambarana. Ny fahazoana ireny zavatra ireny dia homena azy amin’ny fotoana mety.

Raha fintinina dia izao no azo tenenina mikasika ity lohahevitra ity: Ny asa fanavotana dia vita indray mandeha ihany teo amin’ny hazofijalian’i Golgota. Ireo rehetra manaiky izany am-pinoana dia ho fahatsiarovana ny asa fanavotana efa vita tanteraka no ankalazany ny Fanasan’ny Tompo. Arakaraka ny isan’ny mpandray anjara no andrahoana ny mofo tsy misy masirasira. Aorian’ny fampisehoana ny mofo amin’ny mpiangona sy ny fanamasinana azy amim-bavaka, dia vakivakiana izany, ary ohanin’ireo mpandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo rehetra. Raha misy ambiny, azo atao ny mbola mandray mandra-pahalaniany.

Rehefa vita izany dia aseho sy hamasinina amin’ny vavaka koa ny kapoaka misy ny divay avy amin’ny voaloboka mena. Ny rehetra nandray ny mofo dia mandray anjara amin’ny kapoaka koa. Izany no atao dia ho fahatsiarovana ny nanoloran’ny Tompo ny Tenany sy nandatsahana ny Ràny ho antsika.

Ny Fanasan’ny Tompo dia tsy maintsy tanterahina toy izay nandidian’ny Tompo izany. Na aiza na aiza ka tsy tanterahina araka izany io didy io, ny fanompoam-pivavahana dia mirona mora foana any amin’ny fanompoan-tsampy, ary izay heverina ho finoana dia hay finoanoam-poana. Manoratra izao Paoly: “Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo ; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo. Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?’’ (1 Kor 10:21-22).

Azo antoka fa Paoly dia nanovo tao amin’ny Levitikosy toko faha-17 izay ahitana ny fanazavana amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny didy mikasika ny fanaterana ireo sorona. Ao amin’ny andininy faha-3 hatramin’ny faha-7, dia voazava tsara ny atao hoe fanompoan-tsampy, ary ahoana no tokony anaovana fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra. Izao no voalaza: “…mba ho entin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah eo anoloan’ny trano-lay fihaonana, ho amin’ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha, ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah izany. Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ny alitaran’i Jehovah eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah. Ary tsy ho ateriny intsony ny fanatiny ho an’ny Sefrima (andriamani-tsi-izy) izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ny taranaka fara mandimby izany.”(Lev. 17:5-7).

Nanome didy sy toro-làlana mazava tsara Andriamanitra mikasika izay tokony atao sy ny fomba tsy maintsy anaovana izany. Na dia nanao araka izay nahafinaritra azy aza ireo zanak’Isiraely dia nihevitra tamin’ny fony tokoa fa nanatanteraka araka izay tokony ho izy ny fanatiny tamin’i Jehovah. Kanefa nampilaza taminy mazava tsara Izy fa, Aminy, ny fanatitra nalatsa-drà natao araka ny fomba nandidiany sy amin’ny toerana notondroiny ihany no azo ekena. Ny fomba hafa rehetra dia heverina toy ny fanatitra atao ho an’ny demonia.

Izay singan’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy afaka manao izay tiany atao, na araka izay tiany anaovana izany, na amin’ny fotoana sy ny toerana tiany. Tsy misy hafa amin’izay nandidian’Andriamanitra no tsy maintsy anaovany ny zavatra, raha tsy izany dia tsy Aminy no anolorana izany fa amin’ireo demonia izay mitaona ny olona hitady izay mahafinaritra azy sy hikomy. Voakasika izany koa ny Fanasan’ny Tompo. Amin’ny maha-apostoly nahazo fahazavana tamin’Andriamanitra azy, Paoly dia namelabelatra izany mazava tsara. Tsy tiany raha izay mpino ambany fitaoman-demonia no handray anjara amin’ny latabatry ny Tompo.

Tamin’ny andron’ireo apostoly, tsy nisy mihitsy fifandirana mikasika ny Fanasan’ny Tompo. Nandidy Jesosy Tompo, ary nifanaraka tsara tamin’izany no nankalazan’ny mpino ny Fandraisana. Izany dia nantsoiny fotsiny hoe “mamaky mofo”, toy izay voasoratra ao amin’ny Asa 20:7: “Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay…”

Ny fiteny “mamaky mofo”, dia manondro fa ireo mpianatra dia nanao ho zava-dehibe tokoa ny hankalazana ny Fanasan’ny Tompo araka ny didy napetraky ny Tompo sy ny fomba nampiharan’ny Tenany izany. Voasoratra hoe: “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.” (Asa 2:42).

Ireo rehetra tena singan’ny Fiangonan’Andriamanitra Velona dia hiverina amin’ny Teny na mikasika ny fampianarana izany na mikasika ny fampiharana. Izy ireo dia hametraka amin’ny toerany marina ny zavatra rehetra ary hamela ny tenany koa apetraka amin’ny tokony itoerany. Sady tsy hanome fandikana manokana izy no tsy hanaiky omena. Ny manan-danja aminy dia tsy misy afa-tsy izay voalazan’ny Teny ihany. Izany no antony ankalazan’ny tena Fiangonana ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana”, fa tsy ho famelan-keloka. Tsy misy andininy na iray aza ao amin’ny Soratra Masina milaza fa voavela ny heloka nohon’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Ny fampianarana izany, dia midika fampiankinana ny fanavotana amin’ny fombam-pivavahana.

Hatramin’izao ny Fanjakan’Andriamanitra dia mbola misava ny làlany amin-kery. Miverina ho ivotoeran’ny toriteny indray ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, nohomboana sy nitsangana tamin’ny maty, ary arahina am-pankatoavana ny torolàlana rehetry ny Teny. Koa tafaverina indray amin’ny toeram-pahasoavana izay nisy azy tamin’ny voalohany ny Fiangonana. Ny Tompontsika no Fiandohana sy Fiafarana, eny, Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Sambatra izay rehetra mametraka Azy amin’ny laharana voalohany, Izy sy ny Teniny, ary manaiky Azy ho Tompo amin’ny fanatanterahany izay nodidìny atao.

Treść 1 2 3 4