Szabad Népmisszió

Jézus Krisztus tegnap és ma és mindörökké ugyanaz (Zsid.13:8)

nyelv :




NY FANASAN-TONGOTRA

Rehefa niresaka mikasika ny Fanasan’ny Tompo isika, dia tsy maintsy hojerentsika fohifohy ny mikasika ny fanasan-tongotra. Alohan’ny itodiantsika amin’ny andalana mifandraika amin’izany ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia andeha atao topimaso izay nandidiana ireo mpisoron’ny Testamenta Taloha: Tsy maintsy napetraka teo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara ny tavy varahina, araka ny didin’Andriamanitra. “…ary eo no hanasan’i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tànany.” (Eks.30:19). Raha tsy efa nahavita izany izy, tsy nahazo niditra tao amin’ny trano-lay fihaonana. Ato amin’ny Testamenta Vaovao, ireo tena mpino dia mivondrona ho “fisoronana masina” iray. Tsy maintsy amim-panajana masina isika no manatona an’ Andriamanitra, ary tsy maintsy mankatò tanteraka ny Teniny amin’ny zavatra rehetra isika.

Voasoratra ao amin’ny Jaona 13:3-10: “…sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra Azy ny zavatra rehetra ho eo an-tanany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany, dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany ; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany. Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy ; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro? Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao rahatrizay. Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko. Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany àry, fa ny tànako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany...”

Raha mbola toy ny tatitra tsotra ihany no ijerintsika io andalana io, dia mbola tsy mahatsapa ny tenantsika ho voakasik’izany isika. Tamin’io fotoana io, dia niresaka tamin’ireo teo anatrehany ny Tompo. Ankehitriny, amintsika Izy no miresaka amin’ny alàlan’io Teniny io ihany. Tokony hipetraka eo amin’ny toeran’i Petera isika, izay nanontany hoe: “Tompoko, hianao va hanasa ny tongotro?” ka namalian’ny Tompo hoe: “Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao rahatrizay.”  Namafisin’i Petera ny fanapahan-keviny tamin’ny nitenenany tAminy hoe: “Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao.” Tsy tiany hietry teo anoloany ny Tompo tamin’ny alàlan’ny fanaovana asa ambany toy izany. Kanefa tamin’io ny Tompo Mpampianatra dia nanao fampiharan-desona tamin’ireo mpianany (Matio 20:26): “…fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo.” Nanompo azy ireo tamim-panetren-tena sy fietrena tanteraka ny Tompo. Napetrany ny lambany, dia nisikina lamba famaohana Izy ary niondrika, nanao ny asan’ny andevo an-trano. Ohatra ho an’ny mpianany izany, ny amin’ny tsy maintsy iheverana ny hafa ho lehibe noho ny tena. Teo Izy dia nanome fampiharan-desona nivaingana taminy.

Raha niteny tamin’i Petera ny Tompo hoe: “Raha tsy manaiky hosasana hianao, dia tsy manana anjara amiko”, dia raiki-tahotra ilay apostoly ka nihiaka hoe: “Tompoko, tsy ny tongotro ihany àry, fa ny tànako sy ny lohako koa!” Ahoana no tsy maintsy ahazoantsika fa raha tsy izany dia tsy ho nanana anjara tAminy izy ? N’iza n’iza ve afaka hanana anjara amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanasan-tongotra fotsiny ihany? ―Tsia, fa izany dia ny tsy maintsy ankatoavantsika ny Tompo sy ny ifanompoantsika, isika samy isika. Raha misy baiko, na antso, na didy avy amin’ny Tompo ka tsapantsika ho toy ny tsy misy lanjany, dia tsy maintsy manatanteraka izany amin’ny finoana toy ny zanaka isika, tsy manontany izay antony sy ny dikany ; satria raha tsy manao izany isika, dia manapaka ny fifandraisantsika amin’Ilay nanome izany. Ny tanjaky ny rojovy iray dia tsaraina amin’ny masony malemy indrindra. Notakìny amintsika ny tsy hanamaivanana ny teny rehetra, ny baiko rehetra ary hanatanteraka izany.

Manomboka eo amin’ny andininy faha-12, dia izao no voalaza: “Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no manasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany dia sambatra hianareo raha manao izany.”

Ny tenin’ny Mpampianatra dia mazava sady tsy mampisalasala: “Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza, no manasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.” Tsy misy azavaina na adika ny amin’izany. Raha miteny ny Tompo fa tokony hifanasa tongotra isika, ary manindry aza Izy amin’ny hoe: “… hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.”, dia izay no tiany lazaina. Izany dia tsy misy ifandraisany amin’ny fomba tatsinanana, izay fantatry ny rehetra, ary fantatry ny Tompo Mpampianatra ihany koa. Miteny mazava Izy, hoe: “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” Baiko mazava izany, tsy misy “raha...”, na “fa...”. Ny Tompo dia mbola nanipika io baiko io amin’izao teny izao: “…ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.”

Isaky ny mampiasa ity fiteny hoe “marina dia marina tokoa” ity ny Tompo, dia tokony hampifantoka manokana antsika izany, satria toy ny te-ampivoitra zavatra Izy, izay tokony hifantohantsika. Izany no ataony matetika ao amin’ny Jaona toko faha-13.

Raha ny marina dia tsy misy zavatra betsaka resahina mikasika ny fanasan-tongotra. Tamin’ny fotoan’ny kristiana voalohany, tsy maintsy ho fomba fanao nahazatra izany satria tsy ahitana teny mikasika izany ao amin’ny Soratra Masina. Noraisin’i Paoly fohifohy io lohahevitra io, raha namaritra ny fepetra andraisan’ny fiangonana adidy amin’ireo vehivavy mpitondratena ao amin’ny fiangonana izy. Izao no voalaza ao: “…ary tsara laza amin’ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.” (1 Tim.5:10)

Nasehontsika mazava, tamin’ny alàlan’ny Baiboly, fa Jesosy Tompo dia nametraka ary nanome ny fanasan-tongotra ho ohatra ho antsika. Noho izany, n’iza n’iza tena mahitsy-fo dia hanao izay nandidian‘ny Tompo, fa tsy ny hanao adihevitra na fandikana, izay hitarika amin’ny tsifankatoavana izany. Tokony ho masina loatra amin’ny mpino tsirairay ny Tenin’Andriamanitra ka hahatonga azy ho vonona hanatanteraka ny didy hatramin’ny kely indrindra aza. Koa, ny mpino toy izany dia hahatsapa tena ho voakasika amin’ireo teny voalazan’ny Tompo ho famintinana io lohahevitra io: “Raha fantatrareo izany dia sambatra hianareo raha manao izany.” Ny fitahian’ny Tompo dia mitoetra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany amin’ireo izay mampihatra ny Teny. 

Ny Tompo anie hamolavola antsika ho olona toy izany, izay mandeha amin’ny Làlany sady manatanteraka izay rehetra nandidiany.  

Tartalom 1 2 3 4