Freie Volksmission

Jesus Christus ist derselbe gestern, heute und in Ewigkeit. Heb.13.8

Sprache

Vina 7000 / Ewald Frank

2. IREO FAMINANIAN’NY BAIBOLY NO TOMPON-TENY FARANY




IREO FAMINANIAN’NY BAIBOLY
NO TOMPON-TENY FARANY

Tanteraka eo ambanin’ny masontsika ankehitriny ireo faminaniana izay ao amin’ny Soratra Masina, ary voatokana hitranga amin’izao vanimpotoana iainantsika izao. Voalohany indrindra amin’izany ny fiverenan’ny vahoakan’ Isiraely ao amin’ny “tany nampanantenaina”. Efa voambara mialoha ny fiparitahany manerana ny firenena hafa, ao amin’ny Deotoronomia 4, ary ny tsy maintsy ho fanangonana azy ireo indray (Isaia 14.1; Jer.30.3; Jer.31.7-12; Ezek.35,38). Tamin’ny fanoharana no nanambaran’i Jesosy-Kristy izany, fony Izy niresaka mikasika ny “aviavy” —izay maneho an’Isiraely (Hosea 9.10)— ho famantarana manokana ho an’ny taranaka ankehitriny (Mat. 24:32-41).

Raha ny amin’ny fizotry ny fotoana, raha Isiraely no raisina ho ohatra, dia hitantsika tsara ny fomba fanisan’Andriamanitra ny fotoana amin’ny alàlan’ireo “andro ara-paminaniana”. Zavatra mazava kokoa no ampahafantarina antsika amin’ny alàlan’i Hosea: «Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika» (Hosea 6:1-2)

Ireo andro ara-paminaniana anankiroa voalaza eto, dia tsy isalasalana fa ireo roa arivo taona vao nifarana, nandritra ny nampiparitahana ny vahoakan’Isiraely, nanerana izao-tontolo-izao, hatra tamin’ny taona 70. Velona indray ny firenen’Isiraely hatra tamin’ny 1948, ary Jiosy avy tamina firenena 143 no tafaverina ao. Izany dia porofon’ny fahatanterahan’ireo teny fikasan’Andriamanitra. Raha ny amin’ny andro fahatelo, izany dia ilay taonarivo izay ho avy tsy ela izao, rehefa hahafantatra an’i Jesosy-Kristy ho ny Mesiany izy ireo, ary handray ny fiainana ara-panahy homen’ny Fanahy. Mikasika an’Isiraely, dia izao no lazain’i Paoly: «Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ny maty ny fandraisana azy? … Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, araka ny voasoratra …» (Romana 11:15; 25-26)

Araka izany, dia mifanaraka amin’ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly ireo trangan-javatra nisy tatoato ao Eropa, indrindra ilay kihondàlana tsy nisy romoromo tamin’ny Oktobra-Novambra 1989. Eo ambanin’ny masontsika dia miforona ny “Eropa-Mitambatra”, araka ny efa namaritana azy tao amin’ny “Traité de Rome”. Nanjary mpinamana ireo mpifahavalo taloha. Niato aloha ireo fahasamihafana nisy tamin’ny Atsinanana sy Andrefana. Foana ilay tsipika nizarazara an’i Allemagne sy ny kontinanta eropeana. Tafatoetra àry ny “Trano iombonana eropeana” iray, izay tsy maintsy ahitan’ny tsirairay ny toerany, “Eropa-Mitambatra” iray. Ary dia mitsangana indray eo ambanin’ny masontsinka ny “Fanjakambe Romana”, ilay fahefatra sady farany amin’ireo fanjakambe maneran-tany hitan’i Daniela mpaminany, ao amin’ny Testamenta Taloha (Dan. 2 sy 7). Izany dia ilay “herin‘ny bibidia” ao amin’ny Apokalypsy izay mivoaka avy amin’ny ranomasin’ireo vahoaka eropeana, ary mampitolagaga izao-tontolo-izao (Apok.13). Tsy ny hery politika sy ekonomika maneran-tany fotsiny ihany no ao, fa koa, ary indrindra, ilay “vehivavy mpivavaka mitaingi-tsoavaly“ (Apok.17) izay mihazona ny familiana, ka mifehy ny fandehan-javatra. Io “fahefana maneran-tany“ ara-pivavahana io dia ekena sy hajain’ireo mpitondra rehetra, na politika na ara-pivavahana. Ny “Eropa mitambatra“ no lasa hery maneran-tany voalohany, izay manoritra, amin’ny fombany, ny “lamina ekonomika maneran-tany“. Avy amin’izany no hisian’ny firaisana ara-pivavahana sy politika ary ekonomika iray. Ny dingana voalohany amin’izany firaisana izany dia efa ho tapitra tsy ela, ary efa tafapetraka avokoa ny fepetra rehetra hahatanterahan’ireo zavatra rehetra ho avy, izay efa andàla-pitrangana.

Ny apostoly Paoly, sahabo 2000 taona mialoha, dia efa nahita ny ho fivoaran-javatra amin’ny dingany rehetra, ary izany dia tanteraka eo ambanin’ny masontsika, satria izao no nosoratany: «satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.» (1 Tesaloniana 5:2-3)

Hatramin’ny nahazoan’i Michael Gorbatchev fahefana, tamin’ny 1985, ka ankehitriny, dia maro be nisesisesy ireo lahadinika izay natao mikasika io fiadanana sy fandriana-fahizay io. Fa io fihaonana io no tafiditra amin’ny tantara, nantsoina hoe “lahadinika an-tampony“, ka nahatonga ny filaminana tamin’ny Atsinanana sy Andrefana, nahafahana nampitambatra indray an’i Allemangne, ary nahazoan’ireo vahoakan’ny Eropa atsinanana fahaleovantena. Miezaka mafy noho ny tamin’ny lasa ankehitriny ireo polotisiana mitady io “fiadanana“ antenaina io, sy io “fandriana-fahizay“ feno io. Hampiasaina miha-imbetsaka hatrany ireo teny roa ireo mikasika ireo zavatra mitranga ao Proche-Orient. Ary Isiraely dia miha-lasa ho ilay “teboka mafana“ amin’ireo trangan-javatra politika maneran-tany. Toy izany koa i Jerosalema izay lasa “vato mavesatra“ ho an’ireo mponina rehetra manodidina azy, araka ny efa voalazan’i Zakaria mpaminany (Zak.12)

Araka ny “fifanarahan ‘i Oslo“ fahatelo dia tokony ho tapitra ny taona 1999 ireo dinidinika rehetra mikasika an’i Jerosalema. Toy ny voalazan’ny teny faminaniana ihany koa, dia hisy fiadanana ihany hivoaka amin’ny farany. Ny mampalahelo anefa —na hahafoy “tany ho an’ny fiadanana“ aza Isiraely— dia “fiadanana miantona“ ihany no ho azo amin’ny alalan’ny marimaritra iraisana be dia be, fiadanana ifandaminan’ireo mpanao politika, “mahazo tsodrano“ avy amin’ny fahefana ara-pivavavahana fara-tampony. Araka ny voasoratra dia amin’izay fotoana izay indrindra no ho tonga ny fandringanana tampoka.

Inhalt 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10