Missione Popolare Libera

Gesù Cristo è lo stesso ieri, oggi e in eterno. Heb.13.8

Lingua




 NY ANDRON’NY TOMPO

Raha vao tapitra ny “andro famonjena“ (Isaia. 49.8; 2 Kor. 6.2), mialoha indrindra ny “Andron’ny Tompo“, izany hoe mialoha ny taonarivo fahafito, dia ho kapohina amin’ny loza mahery vaika sy ny fitsaran’ny fahatezeran’Andriamanitra izao-tontolo-izao. Ao amin’ny Matio 24, sy andalana hafa ao amin’ny Soratra Masina, dia Jesosy mihitsy no manondro ireo zavatra hitranga amin’io andro io. Miresaka Izy, ady sy filazana ady, horohorontany, hanoanana, loza voajanahary isan-karazany, ary ampiany hoe: «Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.». Hitombo hery hatrany ireo horohorontany sy loza voajanahary isan-karazany, mandra-piavian’ilay horohorontany lehibe nahihiana ela, izay hihoatra ny rehetra ny hamafiny, hitranga any Californie, ary voafaritry ny tatatr’i San-Andréas, manamorona ny sisiny andrefana an’i Etazonia, izay andrasan’ireo siantifika hitranga amin’ny fotoana rehetra. Mandrakariva, ny fanaintainana dia mialoha hatrany fahaterahana iray. Araka ny Romana 8:19-22, ireo zavatra àry rehetra dia maniry fahateraham-baovao iray, sady miharitra ny fahoriana entin’izany. Ireto teny ireto no anambaran’i Jesosy ny fahoriambe ho avy: «Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.» (Matio 24:21)

Ao amin’ny Lioka 21 sy andalan’ny Baiboly hafa, dia voalaza amintsika izay hitranga mandritra ny fahoriambe. «Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.» (Lioka 21:25-26). Tsy afaka idirantsika eto, amin’ny an-tsipirihany ireo loza tsy hay saintsainina sy ireo “fitsaran’ny fahatezeran’Andriamanitra“ voalazan’ny Apokalypsy izay hikapoka ny zanakolombelona tsimpino, aorian’ny fampakarana ny “Fiangonana-Ampakarina“ an’i Jesosy Kristy. Jehovah-Andriamanitra izay nanolotra ity tany ity tamin’ny olombelona, dia nibaiko azy ireo hifehy izany amim-piombonana Aminy. Rehefa tafasaraka tAminy anefa ny olombelona, dia manimba ny tany sy manimba ny tenany koa. Very hevitra ireo manampahaizana, miresaka ny fahalotoan’ny rivotra, sy ny rano ary ny tany, ny fahalotoan’ny tontolo ankapobeny, ny loza mihantona vokatry ny fahatombahan’ ny soson’ny ozôna, ny “effet de serre“ izay hanova tanteraka ny toetrandro —hatramin’ny hahalevona tanteraka ny soson’ny ozôna, ka hampiakatra ny hazavan’ny masoandro impito heny, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Izao tokoa no voasoratra: «Ary ny fahazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny fahazavan’ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana…» (Isaia 30:26)

Tao amin’ny nosy Patmo, i Jaona, ilay mpahita dia nahazo fahitana ny amin’izany, araka izao sary izao: «Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy. Ary main’ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’ Andriamanitra, izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.» (Apokalypsy 16:8-9) Amin’izay fotoana izay, dia efa ho tapitra ny “Andron’ny fahasoavana sy ny famonjena“, ka tsy ho afaka hiova fo amin’Andriamanitra intsony ny olona. Ho maro ireo olona ho tonga saina amin’alahelo lehibe, fa “diso tara loatra“, mandrakizay.

Rehefa avy ho nandoro ny tany manontolo ny masoandro, dia hiova ho aizina izy, satria izao no voasoratra: «Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza;» (Asan’ny Apostoly 2:20- Joela 2:31) «… ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. Ary ny kintana tamin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ny rivotra mahery… Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra; ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezerany, ka iza no mahajanona?» (Apokalypsy 6:12-17)

Toy ny tamin’ny andron’i Noa, noho ny Fitiavany sy ny Fahasoavany, ka nanomezan’ Andriamanitra làlana nialana ny lozan’ny safodrano, tamin’ny fidirana tao amin’ny sambofiara, ny Tenin’Andriamanitra dia manondro làlana hahafahantsika hiala ny fandravana izay ho tonga, amin’ny alàlan’ny fialofana ao amin’i Jesosy-Kristy (1 Pet. 3). Ireo izay mino ny hafatry ny Filazantsarany, ka manaiky homanina, dia ho afaka hidify ny zavatra rehetra izay hitranga, ary ho ampakarina amim-boninahitra any Aminy, any an- danitra (Lioka 21:34-36 sy ny hafa) Amin’izany indrindra no nilazan’i Jesosy-Kristy izao: «Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.» (Lioka 21:28)

Tsy manan-toerana eto, sady tsy vahaolana koa, ny lokon’andron’ny fiafaran’izao-tontolo-izao. Tsy ny fihorohoroana no tadiavina, fa kosa ny fandinihana sy ny firesahana amin’Andriamanitra. Ny baikon’izao ora izao dia: “Faingana manavotra ny fanahinao!“; «Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?» (Matio 16:26). Madiva ho tapitra ny andron’ny Fahasoavana. Efa niantomboka ny tanisa-mijotso. Toy ny fanenona trompetra ny fanenon’ny antson’Andriamanitra farany. Tsy maintsy izao dia izao no ihavanana amin’Andriamanitra ho an’izay maniry izany. Amin’izany indrindra no ampitandreman’ny Baiboly antsika hoe: «Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra. Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.» (2 Petera 3:10-13)

Maro ireo andalana azo lazaina mikasika ity lohahevitra ity. Izay rehetra voasoratra efa ela taloha tany, dia ankatoky ny ho lasa tantara avokoa. Saingy am-piononantena sy am-pahamailoana no tsy maintsy hitondrantsika ny fiainantsika, satria tsy misy olona tena mahafantatra ny fotoana sy ny ora; ny zavatra tokony iahiantsika fotsiny dia ny miara-mamindra amin’Andriamanitra, mba ho vonona hihaona amin’ny Tompo, amin’ny fotoana rehetra. Ity taom-piangonana farany izay iainantsika ity, dia nampitahain’i Jesosy-Kristy Tompontsika tamin’i Sodoma-sy-Gomoro (Lioka 17:26-30). Tsy misy olona afaka hilaza fa tsy ratsy nohon’ny tamin’izany ny tontolontsika izao, amin’ny lafiny rehetra. Ankehitriny, toy ny tamin’izany andro izany, izao-tontolo-izao dia latsaka niala ny toerana nisy azy teo akaikin’Andriamanitra, ary efa vonona ho amin’ny fitsarana. Tolotra anankiroa no omen’Andriamanitra: na ny fahasoavana na ny fitsarana. Iza no tianao ho fidina?

Contenuto 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10