Freie Volksmission

Jesus Christus ist derselbe gestern, heute und in Ewigkeit. Heb.13.8

Sprache




NY VONINAHITRY
NY VOAHARY

Efa tamin’ny famoronana ny voahary no niatombohan’ny Drafi-panavotan’Andriamanitra. Isika rehetra dia efa samy nitolagaga teo anoloan’ny voninahitry ny voahary. Ny mampalahelo nefa, dia tsy ny rehetra no manaiky ny lojikan’ilay Mpamorona, na samy mahalala aza fa tsy misy famantaranandro, raha tsy misy aloha mpanamboatra famantaranandro. Toy izany koa ny tsy maintsy isian’ny mpanao trano vao mahavita trano fonenana, sy ny sisa. Fantatry ny rehetra fa nanomboka nisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra ny olombelona, rehefa nahavita zavatra lehibe isan-karazany izay toy ny tsy mety ho vitany. Nisalasalany ny fitantarana ny famoronana, ary nolazainy fa tsy mety inoana, ary izany indrindra hatramin’ny namoahan’i Darwin ireo vokatry ny fikarohany, ny taona 1859. Tato amin’ireo taonjato farany, ireo filozofy tsimpino ireo dia nahavita nandresy lahatra ny olona tamin’ireo fampianarany nanohitra, ary tamin’izany no nandatsahany ny olona tao amin’ny tsifinoana. Tsy fantatra intsony Andriamanitra, fa ny olona no nasandratra. Nolazaina mihitsy aza fa ny zavatra rehetra dia nisy ho-azy. Izay olona mino izany dia tokony hino koa fa ny tenany dia tsy nateraky ny ray sy reniny, fa nisy ho-azy, vokatry ny fivoarana.

Iza rê no afaka hisaina fa ny erana manontolo, amin’ny habeny tsy mety refesina, amin’ireo kintany tsy hita isa, kanefa manana firindrana tonga lafatra, dia nisy ho-azy, tamin’ny fipoahana iray niandohana, ohatra? Hatramin’izao dia tsy nisy afaka niseho ho nahefa nampitombo, na kely indrindra aza, izany voninahitry ny voahary izany. Heverontsika ange ireo zavamanan’aina any anaty ranomasina, izay nomena toejavatra iainany mifanaraka tanteraka amin’izay ilainy. Na koa sainintsika ireo karazam-biby sy vorona an-tapitrisany miaina any amin’ny kontinanta rehetra any, amin’ny toe-tany sy toetrandron’ny toerana natao onenany samy hafa, kanefa samy mifanaraka tanteraka amin’ny fomba fiainany avy.

Toy ny nanomoronan’Andriamanitra azy sy nandaminany azy, tany am-piandohana, tamin’ny alàlan’ny Teniny-Tsitoha, no mbola ijanonan’ny zavatra rehetra ankehitriny. Hatramin’ny namoronana ny tany, dia mamafy sy mijinja ny olona isan-taona, araka izay nandaminan’ Andriamanitra izany tany am-piandohana: «Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.» (Genesisy 8:22). Ny korontana sy safotofoto dia tsy tonga ao amin’ny voahary, afa-tsy eo amin’izay ihetsehan’ny olombelona tsy an-kiheverana. An-davitrisa maro ny olona no mihinana isan’andro, ary raha voazara ara-drariny ny hanina, dia tsy hisy hijaly nohon’ny hanoanana. Tsy vitan’ny mamelona zavamanan’aina maro tsy tambo isaina Andriamanitra isan’andro, fa mbola mitoriteny mahery amintsika mikasika ny fiainana, fahafatesana, fitsanganana amin’ny maty, amin’ny alàlan’ny voahary. Isaky ny lohataona, dia tonga indray ny aim-baovao iray, izay hitondra voankazo vaovao. Dia tonga avy eo ny fahavaratra sy ireo vokatra lehibe izay entiny. Avy eo dia ny fararano izay manintsana ny ravin’ireo hazo, ary maty ny natiora. Dia tonga ny torimason’ny ririnina, izay tsy maintsy arahin’ny fifohazan’ny lohataona, mba itohizan’izany indray. «Satria izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, fa nasehon’ Andriamanitra taminy. Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo» (Romana 1:19-20)

Toy izany koa, mipetraka mandrakizay fa ny zavamanan’aina rehetra dia manaranaka araka ny karazany avy. Ankehitriny àry, ny voa izay afafafy dia mbola tsy hafa amin’ilay nivoaky ny tany voalohany ihany, tamin’ny famoronana. Mbola ireo hazo voalohany ihany no maniry, ary mamokatra voankazo tsy hafa amin’ny voalohany, ary mbola ireo karazam-biby voalohany ihany no velona eto amin’ny tany. Ireo olombelona, ny tampon’ny famoronana, ankehitriny dia tsy hafa amin’ny Adama sy Eva ihany tamin’ny androny. Nomen’Andriamanitra ny fahafaha-mamorona izy ireo, ary voaporofo hatrany izany nandritra ireo taonjato lasa, indrindra, tato amin’ny dimampolo taona farany. Niainga tamin’ny sarety taritim-biby isika, dia tonga tamin’ny fiaramanidina, ary farany tonga amin’ny sambondanitra. Ny olombelona, dia tokony ho afaka hanatanteraka izay rehetra tiany atao, araka ny nolazain’Andriamanitra, hoe: «… koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.» (Genesisy 11:6b). Nahatsapa izany manokana aho ny 9 desambra 1995, raha tao Berlin ny mpamory an’ny Appolo 16, ny Jeneraly misotro-ronono Dr Charles Duke, niresaka ny diany teny amin’ny volana ny aprily 1972.

Tokana ny zavatra tsy hain’ny olombelona, dia ny mamorona aina. Ireo izay mino ny évolution, ka miresaka fisiana sela voalohany niandohana, ve tsy tokony hilaza amintsika iza no namorona io sela voalohany io, ary nametraka aina tao anatiny? Azo anontaniana azy ireo koa iza no nanome ny fahafaha-manaranaka an’ny zavamanan’aina rehetra? Nahoana àry ireo tsimpino ireo tsy manamboatra vary ka mamafy izany? —Satria fantany tsara fa tsy hitsimoka izany, noho izany tsy manana aina ao aminy. Na iza na iza olona vory saina tsara, eo anoloan’ny voahary, lehibe sy mahagaga ary mahery, dia tokony ho resy lahatra tanteraka amin’ny fisian’ny Mpamorona-Tsitoha iray. Raha tsy nihataka tAminy ny olombelona, dia ho afaka nino ny Teniny, ary ho afaka namantatra ny fijoroam-bavolombelon’ny voahary izay eo ambanin’ny masontsika isan’andro. Ho an’ireo rehetra mendrika ny Fiainana mandrakizay, Andriamanitra sy ny Teniny dia mitoetra ho marina sy azo itokiana mandrakizay.

Inhalt 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10