Slobodná ľudová misia

Ježiš Kristus je ten istý včera, dnes a na veky. Žid.13.8

Jazyk:




 HETSIKA MAHAGAGA
AN’ANDRIAMANITRA

Ny nahatongavan’ny Mpamonjy ho nofo dia hetsika mahagaga izay nataon’Andriamanitra tato amin’ny tontolo voajanahary. Maria dia teraka tato amin’ity tontolo ity, toy ny zavamanan’aina rehetra, ary nila ny famonjena ihany koa izy. Fa fotsiny, voafidin’Andriamanitra izy mba ho siny-tany nametrahana ny Voan’Andriamanitra mba ho tonga nofo ny Teny. Nila niaina ny famonjena ihany koa i Maria, ary tsy maintsy tao amin’ny efitra avo tao Jerosalema izy, anisan’ireo 120 nandray ny batisan’ny Fanahy Masina, traikefa izay ampahany ao amin’ny famonjena (Asa 1:14 sy ny hafa).

Tsy manana fomba famonjena afa-tsy tokana Andriamanitra, ary izany dia tsy maintsy mifandraika amin’ny finoana ny Teny nampanantenaina. Nino ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny anjely Gabriela i Maria, ka hoy izy hoe: « Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.» (Lioka 1:38). Toy izany no nahatonga ny Teny ho nofo, sy nahateraka ny Zanakalahin’Andriamanitra. Toy izany koa no tsy maintsy inoan’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra, anolorany ny tenany amin’Andriamanitra, ary andraisany ao aminy ny Teny fikasana. Tsy misy afa-tsy izany fomba izany no ahaterahan’ny fiainana arak’Andriamanitra ao aminy, izay ataon’ny Fanahy, amin’ny alàlan’ny fahateraham-baovao. Tsy nisy intsony niresaka an’i Maria, na taiza na taiza ao amin’ny Baiboly; na indray mandeha aza, na i Petera, na i Jaona, na i Jakoba, na Paoly aza, na ny hafa, taorian’ny fanorenana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, tamin’ny alàlan’ny filatsahan’ny Fanahy Masina, ny andro Pentekosta. Efa nahavita ny anjara asany fotsiny izy. Hatra teo, dia tsy misy intsony resahina, afa-tsy i Jesosy, ilay Kristy, ilay hany tokana Mpamonjy, hany tokana Mpanalàlana. Ny “Mariologie“ [fiheverana an’i Maria ho renin’Andriamanitra] dia tsy misy ifandraisana, na kely aza, amin’ny Baiboly, ary mipetraka ho fanoherana an’i Jesosy-Kristy.

Raha ny lafin’ny fanahy, dia Andriamanitra i Jesosy, fa olombelona kosa Izy raha ny lafin’ny ara-nofo. Masina tanteraka ary tsy nisy fahotana Izy, ka izany no nahafahany nivesatra ny fahotana rehetry ny tsirairay amintsika, ka maty nisolo toerana antsika. Tamin’ny alàlan’ny Ràny, izay nisy ny Ain’Andriamanitra, dia nahatanteraka ny fampihavanana Izy, ary nitondra ny famelan-keloka ho an’ny rehetra. Saingy, tsy misy afaka hihaina izany, afa-tsy ireo izay mino izany. Araka izany, dia fanavotana feno, sy famonjena ny fanahy sy ny saina ary ny vatana no tanteraka tao Aminy. Ny Fitsanganany tamin’ny maty, tamin’ny andro fahatelo, no namaranan’Andriamanitra ny asa fanafahana, ary nanamarinany izany. Resy teo ny fahafatesana, sy ny helo ary ny devoly, ka ny Tompo tafatsangana no ilay tena mpandresy tao Golgota. Taorian’ny Fitsanganany, dia niseho tamin’ireo Mpianany nandritry ny efapolo andro Izy, ary nampianatra azy ireo ny amin’ny Fanjakan’ny Lanitra (Asa 1:3). Rehefa izany, dia hitan’ny mason’izy ireo Izy niakatra tany an-danitra (Lioka 24:50-51). Ireo zavamisy nataon’Andriamanitra ireo no vatofantsika tsy mirondrona ho an’ny fanahin’ireo mpino ara-Baiboly rehetra. Ny Fitsanganany tamin’ny maty no fototry ny fitsanganan’ireo rehetra izay Azy. Ny Fiakarany no antoka amin’ny hiakarantsika hankany amin’ny Lanitra-Tanindrazantsika, mba ho eo akaiky Azy.

Ny Andriamanitra-Tsitoha no efa nanomana Fanjakana mandrakizay ho an’ireo Zanakalahiny sy Zanakavaviny. Ny fahalavoan’ny olombelona dia tsy afaka nanasampona ny planin’Andriamanitra ka nanafoana izany. Fiatoana niserana fotsiny no nisy, izay efa voasoron’Andriamanitra mialoha. Ny zanakolombelona, izay nitsangana nanohitra an’Andriamanitra, ka nitoetra teo ambanin’ny fahefan’i Satana, dia navotan’ny Tompo, ary nampodiany, maimaimpoana. Ny famonjena dia sady zavanisy teo amin’ny tantaran’ny zanakolombelona, no zavanisy tao amin’ny tantaran’ny famonjena. Tamin’ny alalan’ny Filazantsara no nampitana tamin’ny olona ny hafatr’Andriamanitra, izay mamalifaly sy manafaka ny fanahy. Ao aminy no misy ny zavatra rehetra atolotry ny fahasoavan’Andriamanitra amintsika. Noho io fanavotana io, ireo zanak’olona, izay efa voatokana ho faty dieny vao teraka, raha manaiky am-pinoana io famonjena io, dia lasa zanak’Andriamanitra, nateraka indray, ary manana ny fiainana mandrakizay.

Satria mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra, ireo rehetra te-ho tafiditra ao dia tsy maintsy manana ny fiainana mandrakizay. Noho izany no tsy maintsy ilàna ny fahateraham-baovao ho an’ny tsirairay, toy ny notakian’ny Tompontsika izany (Jaona 3). Ny Tenin’Andriamanitra no Voa ilaina amin’izany fahaterahana avy any amin’ny Avo izany. Ireo izay mandray am-pinoana feno ny Tenin’Andriamanitra no ahatongavan’ny Fanahy Masina, izay manatanteraka izany fahaterahana ao amin’Andriamanitra izany. Tamin’ny fahaterahana ara-nofo isika dia tonga zavatry ny tany, mety maty: zanak’olona. Amin’ny fahaterahana mahagaga avy amin’ny Fanahy Masina isika dia tonga zanak’Andriamanitra. «…fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny Tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra.» (1 Petera 1:23) Amin’ny fotoana iainantsika ny fahateraham-baovao no manjary zanak’Andriamanitra isika, ary Andriamanitra lasa Raintsika any an-danitra.

Ny olona izay mino ny Tompo ho Mpamonjy araka izany fomba ara-Baiboly izany, dia afaka tena hiaina izany. Misokatra ho an’ny olona rehetra izay manaiky azy izany tolotry ny fahasoavan’ Andriamanitra tsy manam-paharoa izany, raha mbola tsy tapitra koa ny Andron’ny famonjena. Tsy hay saintsainina ny hamafin’izay hanjo ireo olona izay ho nandà ny famonjena, ho tafasaraka amin’Andriamanitra rehefa hiditra ao amin’ny mandrakizay. Fara-fahelany, amin’ny fotoana ahafatesany, ny tsirairay —na ireo izay mino fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana aza— dia hahatsapa fa tsy tapitra eo ny zavatra.

Obsah 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10