Slobonda Narodna Misija

Isukrst juče je i danas onaj isti i u vijek.

Jezik




 FANAON-DRAZANA
LOVAIN’OLONA

Hatreo am-pahaterahany ny olona tsirairay dia efa manana ny foto-pisainany na ny fiheverany an’izao-tontolo-izao, ary ny ankamaroan’ny olona dia tsy miova amin’izany hatramin’ny fahafatesany, ary koa tsy mba nisaintsaintsaina, na nandinika indray mandeha monja ny amin’ny fahamarinana na ny fahadisoan’izany. Tsara kokoa, hoy izy ireny, ny mijanona ho mahatoky amin’ny fanao nolovany tamin’ny razany. Maro amin’ireo izay mananatanteraka ny adidim-pivavahany no tsy te-hokotabaina mikasika ny finoany an’Andriamanitra. Ny anton’izany fisainana sy fihetsika izany, dia tsy lavitra no itadiavana azy, fa ao amin’ireo fivavahana ireo ihany, voalohany. Ny zavatra nipetraka manko dia ireo mpitarika fivavahana ihany no mandamina ny zavatra rehetra ho an’ny olona rehetra. Hatramin’izy teraka ka hatramin’ny fahafatesany, dia omena fombafomba sy lanonana ara-pivavahana ny olona, saingy tsy ampihainoana ny Filazantsara izay manavotra, tsy avela miaina manokana ny famonjena na mahazo ny fiadanana anaty.

Tsy afaka amin’izany ireo antokom-pivavahana kristiana lehibe, izay manana rafi-pandaminana mipetraka tsara. Tsy maintsy manaiky hilefitra amin’ny fandinihana lalina atao aminy koa izy ireny. Tsy mahasoa na iza na iza ny mitonona ho an’i Kristy, na an’ireo apostoly, na an’ny Baiboly. Hatramin’ireo fiangonam-panjakana sy ireo tsy miankina, ka hatramin’ireo vondrona mpino madinika indrindra dia samy mampiasa ireo andinin’ny Baiboly izay ampanarahan’izy ireo ny fiheverany. Ny “firaisana ao anatin’ny tsifitoviana” no ilazany izany. Rehefa dinihina akaiky kokoa, dia azo lazaina fa tsy misy ny iraisan’ny kristianisma ankehitriny amin’ny Fiangonana voalohany, na kely akory aza. Tsy araka izay eken’ny besinimaro, ny fiangonana katolika romana dia tsy niandoha tamin’i Kristy, na Petera. Fa ny niforonany, toy ny rafi-pandaminana sy fiangonam-panjakana, dia tao amin’ny “l’lmperium Romanum”, tamin’ny andron’i Constantin, taorian’ny konsilin’i Nikea, taona 325. Ny taona 380, ny amperora Theodose, niaraka tamin’i Gratien, dia nanafoana ny fahafahan’olon-drehetra hifidy ny fivavahany. Taona iray taorian’izay dia nambara ho fiangonam-panjakana ny kristianisma ortodoksa. Efa ny taona 441 ny pàpa Léon 1er vao nandray ho azy ny andinin’ny Matio 16:18, ary teo vao nanomboka ny “fifandimbasana apostolika”. Tonga tamin’ny fanaperany izany fivoarana izany tamin’i Justinien, amperoran’ny ampira romana tatsinanana (527-565), rehefa natsangany ho mpiasam-panjakana ireo pretra. Raha ny marina, dia hatramin’io daty io vao tena nisy ny Fiangonana katolika maneran-tany.

Ankehitriny, Baiboly iray ihany no adika amin’ny fomba zato samy hafa. Hatrany hatrany dia fampianaran’olombelona vaovao no mipoitra, asolo ny Tenin’Andriamanitra voambara: dika vilana, didy sy dogma maro no apetraka, izay tsy misy na tokana aza, manana fototra ara-Baiboly. Tsy marina àry ve fa ny tsirairay dia manangana ny fanjakany, na milaza aza fa manangana ny Fanjakan’Andriamanitra? Na izany aza, Kristy dia manorina ny Fiangonany, eo anivon’ireo fiangonana maro be ireo, ary eo am-panatanterahana Azy Izy ankehitriny. Misy drafitra nataon’Andriamanitra ho an’ny zanakolombelona, ary ho tontosainy hatramin’ny farany izany. Raha te-ahafantatra izany isika, dia tsy maintsy manilika ireo fomban-drazana sy finoampoana rehetra, ary miverina amin’ny teboka niandohana, izany hoe, amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mitaky finoana jamba amin’ny olona Andriamanitra. Ny tena finoana marina dia manana maso ara-panahy anankiroa salama tsara, ary manana tongotra ara-panahy anankiroa matanjaka tsara. Izany dia mifototra tsy voaozongozona amin’ireo Testamenta Taloha sy Vaovao, ireo izay ahitany ny tolo-tsain’Andriamanitra ho an’ny zanakolombelona, hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafarana.

Na ny ankamaroan’ireo olona mba mitady zavatra aza dia mionona amin’ny fientanentanana izay velomina anatin’ireny fiangonana ireny, koa tafatoetra ao amin’ny fampianarana sy fomba nolovana tamin’ny razana izy ireo. Fa ireo olona tena matotra amin’ireo kosa dia handinika ny Soratra Masina ary hiaina araka ny Soratra Masina. Amin’ny olona toy izany no homen’Andriamanitra ny ho tafaverina amin’ny toetry ny Fiangonana voalohany. Ireo izay tena mpino ara-Baiboly marina dia manao ny ezaka rehetra mba hilahatra sy hirindra amin’ny Soratra Masina amin’ny lafiny rehetra. Ho azy ireo dia manan-kery aminy, hatramin’ny farany, na ireo fampianaran’ny apostoly mikasika ny Andriamanitra, ny batisa, ny Fanasan’ny Tompo, sy ny lohahevitra hafa rehetra, na ihany koa ireo fampiharana voalohany tao amin’ny Fiangonana voalohany. Ireo rehetra tena singan’ny Fiangonan’ny Tompo, izay mitoetra amin’ny fotrotry ny Baiboly, dia hiaina ny hetsika farany izay ho ataon’Andriamanitra, ary ho tonga amin’ny fahafanterahana ho amin’ny Andron’i Jesosy-Kristy, izay miha manakaiky hatrany (Filipiana 1:6)

Sadržaj 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10