Misiunea Liberă

Isus Hristos este acelaşi ieri, azi şi în veci. Evrei 13:8

Limba:




 FANAPAHAN-KEVITRY NY
TSIRAIRAY 

Ny tsirairay dia tsy maintsy manana traikefa manokana iainany miaraka amin’Andriamanitra. Tsy maintsy miova fo Aminy izy, ary hateraky ny Fanahy Masina indray (Jaona 3:6). Tsy maintsy azony antoka fa voavonjy izy (Rom.8:16), sy feno ny Fanahy Masina (Asa 2:4 sy ny hafa) ary nataony tombokase (Efes.1:13 sy ny hafa). Tao amin’ny Tompontsika Jesosy-Kristy ny zanakolombelona no nampihavanin’Andriamanitra tAminy (2 Kor.5:19) —anisan’izany ianao. Ny finoana izay mamonjy dia mifandraika amin’ny hafatry ny Filazantsara, hoe: «Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo.» (2 Korintiana 5:20)

Tsy misy fombam-pivavahana na anarampiangonana kristiana afaka manome ny Fiainana mandrakizay sy ny famonjena mandrakizay. Ireny dia omena an’ireo izay miaina fiarahana manokana amin’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny finoana an’i Jesosy-Kristy izay nohomboana, kanefa velona indray, nandresy am-boninahitra ny fahafatesana. Ny famelabelarana ny Filazantsara amin’ny alàlan’ny toriteny (Rom.10) no ahatongavan’ny finoana izay manafaka tanteraka, ka manavotra ary manome ny famelan-keloka. Ny olona izay nandray ny Fiainana mandrakizay tamin’ny alàlan’ny traikefa niaraka tamin’Andriamanitra ihany no hiaina mandrakizay.

«Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.» (1 Jaona 5:11-12).

«Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.» (Jaona 1:12-13).

« Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.» (Jaona 3:3). «Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray.» (Romana 5:19). Izay olona efa niaina ny fahateraham-baovao dia hanaiky hofehezin’ny Tompo sy ny Sitrapony.

Enga anie ho tonga zavatra tena misy amin’ny fiainan’ny mpamaky rehetra izay miantso an’Andriamanitra ito andalan’ny Baiboly manaraka ito: « Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;» (2 Korintiana 6:2)

Hamaranana dia mariho fa any amin’ny fivavahana rehetra, dia misy olona izay mijery an’Andriamanitra amin’ny fijerin’ny filozofy, sady mandahatra an’i Jesosy-Kristy amin’ireo filozofy mpivavaka rehetra. Tena mampalahelo ny mandre zavatra toy izany. Lavitra dia lavitra ambonin’izany ny Tompontsika, ary miavaka amin’ireo mpamorona fivavahana rehetra. Ny finoana Azy dia sady finoana an’Andriamanitra mihitsy, finoana amin’ny fanantenana mandrakizay sy ny famonjena. Tena fitenenan-dratsy ny fampitahana Azy amin’izay rehetra lehilahy mihambo ho mpaminany, Izy ilay Tompon’ny voninahitra. Ireo rehetra nanangana fivavahana dia efa nalevina niaraka tamin’ireo heviny avokoa. Tsy nisy tamin’ireo ka nitsangana tamin’ny maty. Olona tahaka antsika ihany izy ireny, tsy afaka nanavotra na ny tenany aza, na ny hafa. Ireo rehetra manaraka azy dia hankany amin’izay misy azy ireny. Hatrizay, ka ho mandrakizay, dia tokana ihany no afaka niteny hoe: “Izaho no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana”, ary ireo izay manaraka Azy dia hankany amin’izay misy Azy. Tao amin’i Kristy irery Andriamanitra no nihaona tamintsika, ary ao Aminy irery ihany isika no afaka hihaona amin’Andriamanitra. Tamin’ny alàlan’ny Lehilahy iray ihany ny Ray any an-danitra no niseho teto an-tany, dia ny Zananilahy tokana naterany, Jesosy-Kristy. Ao Aminy no nanaovany antsika ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, «rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony,» (Efesiana 1:5)

Tsy azo lavina fa maika ny fanaovana antso farany, sy ny fanomezana fampitandremana farany, raha jerena ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy misy olona mahazo manohy mikipi-maso amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro izay nomena efa ela be taloha tany. Ireo faminanian’ny Baiboly rehetra izay mbola tsy tanteraka dia efa miomana ho tanteraka hatramin’ny antsipirihany. Nodidiana ny mpaminany Daniela hoe: «… ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; Maro no hazoto hivoivoy, ka hitombo ny fahalalana.» (Daniela 12:4). Rehefa tonga ny fotoana fahatanterahan’ny faminaniana iray, izay ihany vao misokatra amin’ny fahazoana azy ny saintsika.

Tsy maintsy omena fotoana ny mpamaky tsirairay mba handinihany tsara ireo lohahevitra ireo. Amin’ny farany dia mikasika anao manokana izany. Andriamanitra dia nanomana planina ho an’ny zanakolombelona, izay mazava ary mety ho azon’ny olona rehetra.

------------------------

Ry mpamaky malala,

Manantena aho fa tsy nahatezitra anareo ireo teny mahitsy ireo, fa kosa ireo fanehoan-kevitra ireo dia ho hitanareo ho mpanondro ny làlana mitondra any an-danitra. Tsy amin’ny mpamonjy iray maty no mipetraka ny finoana izay mitondra famonjena, fa kosa amin’ny Tompo sy Mpamonjy Velona iray, izay nitsangana tamin’ny maty, ka niakatra any an-danitra, ary mbola hiverina indray. Tsy nihambo fotsiny Izy hoe: «Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.», fa sady nandroso ny porofo tsy ivalozana ny amin’izany Izy, no iandraiketany sy iantohany koa ny fitsanganantsika amin’ny maty.

«Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?» (Jaona 11:25-26). Tena tsy misy afa-tsy io làlana tokana io ihany no misokatra ho an’ireo rehetra izay te-ho voavonjy, ary tsy maintsy izorany. Na zovy te-ho tonga amin’ny tanjona mandrakizay dia tsy maintsy miala amin’izay rehetra tsy an’Andriamanitra, anisan’izany ireo dika vilana ara-pivavahana, ary miverina amin’ny Tompo.

Ny fikambanana amina fivavahana anankiray dia tsy misy ifandraisana amin’ny famonjena ny fanahy sy ny fanavotana, satria ireo dia avy amin’Andriamanitra irery ihany. Tsy misy sakramenta, na fomba ara-pivavahana hafa, izay afaka manome ny famonjena. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny Mpamonjy ihany no ahitana ny famonjena, ary ao amin’ny Mpanavotra ihany no ahazoantsika ny Fanavotana. Ny ilain’ny tsirairay dia ny ananany ny finoana an’ilay tokana tena Andriamanitra, izay niseho tamintsika tao amin’i Jesosy-Kristy.

Na ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra raisin’ny olona tsy an-kiato aza, dia mampanalavitra azy amin’Andriamanitra, ka tsy ahitana Azy, ary miafara amina tsifahombiazana. Ny finoana an’i Jesosy-Kristy irery ihany no manamarina ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. Fanomezam-pahasoavana maimaimpoana izany izay atolotra ny zanakolombelona. Afaka manapaka ny hevitrao ianao izao, izay hanan-kery mandrakizay. Ny Filazantsaran’i Jesosy-Kristy dia hanjary hafatram-pifaliana sy fanafahana ho anao, izay afahanao hiainana amin’ny alàlan’ny hetsiky ny herin’Andriamanitra.

Inoy ankehitriny fa nitondra ny fahotanao ihany koa ny Tompo Jesosy, ary niantra anao. Ianareo dia voantso koa hiverina amin’ny finoana ara-Baiboly izay efa voasedra hatrin’ny ela, nananan’ireo mpaminany sy apostoly ary ireo tena zanak’Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra. Tsy misy olona ilaina hanohy manaiky ho fitahina sy angolena lava, amina fampanantenana tsara lahatra ho amin’ny mandrakizay manontolo. Ny tsirairay dia afaka manandrana ho an’ny tenany ny famonjen’Andriamanitra, ary ahazo antoka fa nandray ny fahasoavan’ny Tompo, ary efa nekeny.

Rehefa avy namaky an’ity hatramin’ny farany ianao, dia mitadiava hiresaka mivantana amin’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny vavaka. Mitenena Aminy, ary inoy fotsiny fa izay voasoratra dia manan-kery aminao koa, satria Izy dia: «Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,» (Salamo 103:3-4). Atokiso fa mbola manan-kery ankehitriny ny antson’ilay Mpamonjy, hoe «Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.» (Matio 11:28). Toy izany koa ny filazan’i Jesosy, hoe: «Ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.» (Jaona 6:37). Mety ny andro anio no ho lasa manan-danja indrindra ao amin’ny fiainanao!

Teboka vitsivitsy ihany no novoasantsika tato amin’ity famelabelana ity. Ireo izay tohina anaty, ka maniry te-ahafantatra misimisy kokoa, dia misy asasoratra mikasika ireo zavatra ireo, mifototra amin’ny Soratra Masina, izay azony afarana. Tsy kisendrasendra raha tonga teo am-pelatànanao ity bokikely ity, fa tena fandaminan’Andriamanitra.

Amin’ny foko rehetra no irariako ny fitahian’Andriamanitra rehetra ho anareo.

Rahalahy Frank.

Conţinut 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10