Szabad Népmisszió

Jézus Krisztus tegnap és ma és mindörökké ugyanaz (Zsid.13:8)

nyelv :




NY ANTSO FARANY

 Alohan’ny hiverenan’i Tompo Jesosy, ny iraka izay nandidiany (Marka 16:14-18), dia tsy maintsy tanterahina indray mandeha farany, manerana izao-tontolo-izao. «Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.» (Matio 24:14). Tamin’ny vanimpotoana hafa rehetra, dia tsy natao izany iraka izany tamin’ny alàlan’ny hainoamanjery, toy ny ankehitriny. Izany dia naseho tamin’ny endrika fanoharana, tamin’i Jaona mpahita, tao amin’ny nosy Patmo: «Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,» (Apokalypsy 14:6)

Tokony ho fantatry ny rehetra, fa hatramin’ny Reformasiona, dia nisy fifohazam-panahy vaovao hatrany no tonga, lalina kokoa hatrany. Ny olona nampahafantarina izany, dia mahalala fa, tamin’ny fiandohan’ity taonjato ity, dia nisy hetsiky ny Fanahy mahery iray niantomboka nanerana ny tany, taorian’ny ady lehibe faharoa; Nisy fisokafana tena niavaka ho amin’ny tena fitoriantenin’ireo Apostoly voalohany.

Mialoha ny tranga manokana iray, Andriamanitra dia maniraka ireo mpaminany Mpanompony, izay nilazany ny Zavamiafiny (Amosa 3:7). Amin’izany indrindra no isainantsika an’i Noa, sy Mosesy, ary ireo mpanompo hafa rehetra, izay nitsangana nandritra ny Tantaran’ny Fiangonana. Araka ny efa nampanantenaina ao amin’ny Isaia 40:3 sy Malakia 3:1, izay nohamarinin’i Jesosy-Kristy ao amin’ireo Filazantsara, dia nitsangana ho mpialoha làlana i Jaona mpanao batisa, talohan’ny niavian’i Kristy voalohany, nitondra “hafatra mpanondro“ iray, nanomanana ny Làlany. Io minisitera io no lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny famonjena, ary mifandray mivantana amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Amin’izao fiafaran’ny andron’ny fahasoavana izao, mialoha ny Fiaviana faharoa an’i Kristy, dia nanatantateraka ny teny fikasany toy izany koa Andriamanitra, ary nandefa iraka mitovy lanja amin’i Elia, dieny mbola tsy tonga ny “Andron’i Jehovah“, araka ny voambaran’ny Malakia 3:19-24, mitondra ny “hafatry ny Teny voambara ho an’izao andro izao“. Jesosy-Kristy mihitsy no nanamarina izany teny fikasana izany, raha mbola tsy tonga akory izany, ao amin’ny Matio 17:11, toy ny nanamarinany ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa, izay vao avy naseho (andininy 12). Araka izany, ny misy ankehitriny dia ny fanomanana ny làlan’ny Tompo sy fampodiana ny fon’ireo zanak’Andriamanitra ho amin’ireo fampianarana sy fampiharan’ireo ray-apostoly. Tamin’ny andron’i Jaona mpanao batisa dia ny nampody ny fon’ireo ray ao amin’ny Testamenta Taloha ho amin’ireo zanaky ny Fanekena Vaovao (Lioka 1:16-17). Ny atrehintsika ankehitriny dia ny famaranana ny tantaran’ny famonjena, izay mitondra ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao ho tonga amin’ny fahatanterahana.

Ny minisiteran’ny lehilahin’Andriamanitra fanta-daza William Branham (1909-1965) izay voamarina tamin’ny fomba mahagaga, ary nahazoako tombontsoa manokana dia nahitana ireo famantarana rehetra an’apostoly sy ana mpaminany. Izany minisitera izany dia manambara fa tanteraka teo imasontsika ireo Soratra Masina. Nisy ireo zava-mahagaga nitranga tao amin’ny minisiterany, izay mampatsiahy antsika ny minisiteram-paminanian’i Jesosy Tompontsika ao amin’ireo Filazantsara, ary koa ireo tranga voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Afaka mijoro vavolombelona amin’izany koa ny ankamaroan’ireo olo-malaza ao amin’ny sehatry ny fifohazam-panahy, satria ireo dia nahita maso sy nandre sofina ireny zavatra ireny. Ny voalohany nanao izany, tamin’ny zavatra hitany tany aminy fiafaran’ireo taona efapolo, dia ny Reverend Gordon Lindsay, ao Dallas, any Texas, Etazonia, izy no ilay mpanonta ny gazetiboky malaza eran-tany, Voice of Healing. Ny taona 1950 izy no namoaka ny boky “Wlliam Branham, lehilahy iray nirahin’Andriamanitra”. Ny fampianarana sy fampiharan’io lehilahin’Andriamanitra mpanetri-tena io dia nifanaraka tanteraka tamin’ireo an’ny apostoly sy mpaminany voambara ao amin’ny Baiboly. Anatrehan’izany, ireo rehetra izay mitsikera an’i Wlliam Branham dia tokony handinika lalina tsara.

Ireo fiangonam-panjakana lehibe rehetra, sy ireo fikambanana kristiana hafa, dia voarambin’io fifohazam-panahy io avokoa, izay nanomboka ny taona 1946. An-jatony maro ireo evanjelisitra nahazo tolo-tsaina tamin’io minisiterany io, ary niditra mihitsy aza, tamin’io karazan’asam-panompoana io. Hatramin’io fotoana io, dia maro ireo tafika fitoriana Filazantsara iraisam-piangonana no natao maneran-tany, toy ireo fanaon’ireo “Lehilahy Mpandraharaha an’ny Filazantsara feno”, sy ireo seho karismatika. Ankehitriny, “ny asan’ny Fanahy” sy ny “ny vavaka ho an’ny marary”, sns, dia tsy any amin’ny vondrona kristiana madinika fotsiny no ahitana ireo, fa efa mihanaka be ny fampiharana azy, ary na ireo hainoamanjery aza dia mahafantatra sy miresaka ireny. Kanefa ireo fiangonam-panjakana sy ireo tsy miankina matetika, saingy tsy fantatr’izy ireo, dia tafiditra amina fampianarana sy fomba tsy ara-Baiboly,.

Raha manamarina ny Teniny Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny fanasitranana, eo anivon’ireo mpino izay mihaino, tsy mbola porofo izany fa marina ny fampianaran’ilay evanjelistra, na ny an’ilay manao fahagagana. Izany fotsiny manaporofo fa mahatoky Andriamanitra, fa Izy dia manatanteraka ireo Teny fikasany amin’ireo izay mino Azy.

Ny fitahian’Andriamanitra dia tonga amin’ireo izay miandrandra izany, satria «Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.» (Matio 5:45). Ny tenin’Andriamanitra dia manazava antsika amin’izany teboka izany: «Ny voany no hahafantaranareo azy.» (Matio 7:16). Araka izany, ny porofo dia tsy avy amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, izay mety raisina na alain-tahaka, fa kosa avy amin’ireo vokatry ny Fanahy (Gal.5:22-23), izay ilaina hitombo hanambarana inona tokoa ilay “hazo”. Tsy ny orana ara-panahy no foto-javatra amin’izany fa tena ilay karazana voa misy ao amin’ny fo izay irotsahan’io orana io, satria ny voa tsirairay dia manaranaka araka ny karazany. Na ny voa tsara, na ny voa ratsy, dia samy maniry eo amin’ny sahan’izao-tontolo-izao avy. Hoy ny Tompo: «Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ny fararano.» (Matio 13:30). Amin’ny fijinjana, dia hangonina hatao amboarany ny tsimparifary, ary hodorana, fa ny vary kosa hampakarina ao an-tSompitrany. Tsy maintsy ho tanteraka ihany koa ity Tenin’ny Tompo iray ity: «Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.» (Matio 7:22-23)

Araka ny voalazan’ny Tompontsika, dia mifanila ny marina sy ny sandoka. Ary tena mifanakaiky amin’ny marina aza ny sandoka, ka izay no ahafahana miteny hoe: “Ato i Kristy“ na “Arỳ i Kristy”. Fa mampitandrina antsika Jesosy amin’ity teny ity: «Fa hisy Kristy sandoka (Voahosotra sandoka)» (Marka 13:22). Ny marina anefa dia tsy misy fanatrehan’Andriamanitra, afa-tsy eo amin’izay ahafahany manoro ny Làlany, sy mahatanteraka ny Sitrapony, eo amin’izay misy ny Teniny sy ny Fanahiny, ary mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianarana sy ny fampiharana.

Raha ny famantarana sy fahagagana fotsiny ihany dia tsy masontsivana. Ny fihetsiketsehana sy fientanentanana dia tsinontsinona amin’Andriamanitra. Aminy dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny zavatra rehetra. Ankehitriny àry, dia tsy maintsy atao izay hiverenana amin’ny fitoriana ny Teny tamin’ny andron’ireo apostoly, ka izany no tsy maintsy hamerina ireo fampiharana, sy ny finoana izay avy amin’ny Soratra Masina, tsy mifotottra afa-tsy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mifantsika amin’i Jesosy-Kristy.

Amim-panajana lalina no tsy maintsy hamantaran’ireo izay tena matahotra Andriamanitra, sy hinoany ireo teny fikasana nomena ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy ho an’izao vanimpotoana farany izao, ary hiandrasany ny fahantanterahan’izany, ka hiainany izany. Tsy afaka hiverina Kristy, raha tsy efa milamina ara-Baiboly avokoa aloha ny zavatra rehetra, izany hoe araka ny modelin’ny Fiangonana voalohany, ary ho tafaverina ny zavatra rehetra toy ny voasoratra ao amin’ny Asa 3:21: «Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.»

Any amin’ny farany indrindra, alohan’ny Fiverenan’i Kristy, dia hisy vondrona mpino, tsy manana endrika lamim-piangonana, no hivoaka mba hankeo ambany fifehezana mivantana an’i Kristy, izay Lohany. Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, dia efa antomotra ny fotoanan’ny fisokafana lehibe hitoriana sy hampiharana tsy misy marimaritra iraisana ny Kristianisma voalohany, araka ny modelin’ny Asan’ny Apostoly, ary izany no ho “famaranana ny Reformasiona”. Toy ny tany am-piandohana, tamin’ny andron’ireo apostoly, dia tsy maintsy ho toy izany indray amin’ny farany. Ho an’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, dia ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly no modely tokana manan-kery eo anatrehan’Andriamanitra.

Tartalom 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10